Nanova Endrika Ny Pejy Fotsiny Aloha De Ho Hita Eo Ny Tohiny

news2dago 01 Martsa, 2020 07:35 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Salama daholo!
Tena tsy mahita vaovao ho zaraina anareo intsony aho de naka aina kely aloha.
Sendra nahita lahatsoratra nahalina ny namana Jentlisa tao @ FB a de nanokatra ilay rohy de tafatotona tato indray. Tena tsy nikitika an'ity intsony aho efa ho 4 taona izay. Nojereko ny endrika sy ny sisa tena efa lany andro le pejiko.
Namaky ireo lahatsoratra sasany ny namana ihany koa hay mbola ato daholo ihany isika ireto kay.
Asa hoe rahovina indray no hanoratra? 
Asa angamba atsy ho atsy. 




Henakisoa Sy Mananasy

news2dago 29 Jiona, 2016 20:15 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mahavarina mihitsy ny manaraka sy mijery ny zavatra mitranga eto Dago eto. Toy ilay sarimihetsika "The Young and The Restless" tsisy farany iny ny toe-draharaha eto.sary nindramina

Miala ny lozam-pifamoivoizana de miditra @ dahalo de baomba de zao mananasy dray... Mety vao vitako izao ity lahatsoratra ity d'efa misy #buzz hafa indray ao tambanjotra serasera ao. Na ity blaogiko efa nangatsika ity ary voatsangako t@ maty tao indray.

Ny an'ny olona andoavam-bola ny sarimihetsika ary 3D zao no malaza nande teo ny Star war, Civil war sy ny sisy tsy ary ho voatanisa Zootopia sy ry Angry bird...Alavoly daholo ireny ny an'ny olona

Isika varina mampiady angely @ resaka tsy hinanan-kanina rehetra ity ny olona atsy efa mitrongy ny harena akibon'ny tany any Sohamahamanina. Sao mba misy olona efa voakarama kosa handrebireby antsika ary, ny ataony zala ataony ao ihany.

Berija sy Lylison baraingo??? misy hifandraisany ve sa mananasy sy henakisoa?

Grenady offensif sa artisanale??? misy hifandraisany ve sa mananasy sy henakisoa?

Dolce Gabbana sa fripy??? misy hifandraisany ve sa mananasy sy henakisoa?

Tsy ho voavaliko ireo fa izaho aloha zany tena te hinana Henakisoa sy Tsaramaso. Efa ela ela zay no tsy nikasika ny vavako otrany tsarony lery tampoka ilay laoka matsiro io atao desera ny glasy mananasy mety ho tsara an sa ahoana hoy ianao?

Tsetratsetra tsy aritro!

Tapitra

News2dago,

BC Canada

06/29/2016


Misaotra Anao Aho Ry Fiaradalamby Tena Manga Oa Ny Dia

news2dago 13 Aogositra, 2015 20:07 Fizanhan-tany Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Feno taona iray sy roa volana izay no niala ny dago izahay nankaty amerika avaratra aty eto Canada no misy anay izao. Tsy hita fa zanaka besetroka ny tena ka tena mankafia mandeha fiaradalamby. Fahiny, tokoa mantsy baojo no mande any bira sy tamaga tamin'izany fotoana mbola nandeha ny lamasinina nisy fotoana izahay sy dada mianga asabotsy maraina amin'ny 6 tonga any Antsirabe atoandro de mody ny alahady mianga amin'ny 1ora tonga etsy soarano @ 5 ora hariva fahiny tokoa izany. Mety hoy ianareo oe efa vorona azon'adala koa ny anlery izany ko raha tsy hisy atao koa. Nifindra aty British Colombia aty indray izahay izao ra tany akaikin'ny Montreal no nisy anay taloha ko dia revo ny anao lahy nijery ny fomba hifindrana tapaka ny hevitra fa andeha ilay Viarail laharana 1 mampitohy Toronto-Vancouver ary izahay 5 andro sy 4 alina ny dia. Gaigy be ty!!!

Nianaga tao Montreal ary ny 2 Jolay aminy 3 ora hariva nihazo an'i Toronto Central Union fiara laharana 67 ViaRAIL adiny 5 eo ny faharetany ny dia andro voalohany io tongasoa tao Toronto ny aliny ny 2Jolay teo amin'ny valo ora sasany alina teo eo mbola mazava ny andro hanomboka ary ny tena sakoroka handray ilay fiara laharana 1 Viarail mampitohy Toronto-Vancouver nisy fahatarana ny fiaingana raha voatondro hiala amin'ny 10 alina dia tsy nianga raha tsy tamin'ny 11 sasany alina maro ny mpandeha saika ry zareo karana sy kelimaso no betsaka dia lasa zao ra tsy mimbolisatra ary. Namakivaky an'i Ontario ny alina tontolo ny tontolo andro ny 3 jolay ihany koa. Saika honahona izany ny tanana rehetra nolalalovana otrany ny any Antsinana any dago ihany tsy dia mifakaiza loatra. Tonga ny alina nisy filazana nanambara anay fa ahemotra ora iray ny famataranandro anio alina vita ny andro faharoa. Maraina ny andro efa tonga mamaky ny faritra Manitoba indray izahay tsy de misy fiovana ny endriky ny tanana tonga tao Winnipeg tamin'ny 10 ora maraina ary nijanona ora 2 tao nivoaka ny Gara izahay mba nanao fizahan-tany izay moa vao sambany teto Winnipeg ny tena nahavarina ahy tao dia ilay tsangambato misy ny faritrin'ny aavon'ny rano tamin'ny safodrano ny taona 1950 efa ho 3 metatra eo ilay izy ary tena zavadoza ny fijery azy tena tsy tehamisavisa ny zavatra nitranga tamin'izany aho fa dia nijery fotsiny soa fa tsy misy intsony angamba izao.

Nianga indray ny fiara tamin'ny 12 atoandro namakivaky an'i Manitoba, nanambara indray ilay injeniera mpanamory fa hahemotra ora iray indray ny ora rahalina tonga tao Saskatoon misasakalina manahirana ahy mihitsy ny manonona ity faritany iray ity Sasckachewan nanomboka teo kosa dia marina ny tanana ary tsy takamaso intsony ny velaran-tany voavoly ny olona ny indostria sy ozina maro no mifandimby lalovanao mandram-piditra ao faritr'i Alberta. Mbola tsy leon-dalana ihany ny anao lahy afaka mivezivezy rahateo ao anaty fiara misy ihany koa ny fialamboly azo atao ny ahy moa dia ny maka sary no mba nataoko dia miresadresaka amin'ny olona oe ihany koa lasa miresaka tsy fidiny ihany koa no tena marina satria mifanatri-tava marain-tsiariva eo tsinona. Tonga tao Edmonton maraina izahay teo aminy sivy maraina teo alahady ny andro amin'io mba nivoaka kely indray aloha naka rivotra mangatsika velona tao tena nivihivihy mafy mihitsy ireo vazaha menasofina teo namazivazy moa zalahy oe tongasoa fahavaratra eto Edmonton e. Tsy laitrako ilay hatsika tao kosa alo! Lainga lainga.

Tsy dia naharitra izahay nijanona teo fa teo aminy 45minitra teo ihany nanainga indray. Ny tena nahavarina ahy ihany koa tamin'ilay zotranay dia manome lalana ny masinina mpitondra entana ny masininay miandry eo aminy 10 na 15minitra eo matetika ary rehefa mifanena dia nisy fotoana izahay nanisa tena 200 mahery ny wagon taritiny lohany roa farany kely. Niova kosa ny tanana lalovana nanomboka teo tsy de nisy trano firy intsony fa nondimbiasan'ny tendrombohitra harambato be toy ny eny Mandraka nifanesy ny tonelina kely tsy dia lava noho ny any Dago ny ilany havia ranobe maintso mafinaritra tazanina ny ilany havanana kosa tendrombohitra misy tendro fotsifotsy tsara tokoa namisavisa eo ny tena fa mahay zavatra ilay Andriamanitra izay.

Tena resilahatra ny tena amin'ny hatsara ny zavaboary nolalovana rehetra kanto de kanto ny any atsimo any dago lafatra ny ranomasina ao Mahajanga ao ary tsy mena mitahy amin'ny aty ihany koa tsy mba niangatra izy nanao zavatra fa samy nahazo ny anjara tandrify azy ny rehetra. Tonga tao Jasper izahay teo amin'ny 5 ora hariva teo tanana kely manasaka an'i Alberta sy British Colombia izy io ary be mpizaha-tany tokoa ka somary lafo fiainana aiza ve ko pizza iray de ho 50$ be izao tsss. Nahemotra ora izay farany izany ny famantaranandro ny alin'io.

Tonga taty amin'ilay toerana nialanay ihany moa izahay teo amin'ny roa maraina teo Kamloops North Station naharitra 5 andro ary 4 alina teny andalana satria mbola ora 3 niala teo vao tonga aty amin'ilay toerana misy anay izao nandeha fiara kosa tamin'io tena leo ihany aho ny farany ela ny ela. Aminy manaraka indray aho mamerina raha mbola velon'aina. Soa fa tonga tsara taty amin'izay toerana itodina vao nahita ity oronantsary ity Unstoppable saika nidiran'andro angamba raha nahita an'io taloha. LOL

Tapitra

 


Diso Kajy

news2dago 22 Oktobra, 2013 10:38 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Andro fahatelo mialoha ny androm-pifidianana ny andro anoratako izao. Efa samy manana ny safidiny ny akamaron’ny olona na dia mbola misy ireo izay misalasala ihany. Hifidy sa tsia ? Antony maro no mahatonga izay ao no tsy mahatoky ny fahamarinan’ilay fifidianana ao kosa ireo izay tena tsy mahita hofidina mihitsy.

Fa ny tena tiako ho tsindrina kosa dia ity kajy kajy politika maloto noezahina nitaizana ny vahoaka nandritra ny efa-taona sy tapany dia  « ny zarazarao hanjakana ». Raikitra ny sakoroka ny 26 janoary 2009 vaky bal ny magro sy magazay maro dia norobaina sy nangalarina avokoa ny zavatr’olona izay halatra be vava tokoa anefa dia vita vita ho azy teny avokoa ny fandrobana t@ izany fotoana izany lazaina moa fa oe volam-bahoaka ihany io de lasa tokoa nandroba.

Dia raikitra indray ny tolona ho an’ireo legaliste izay niezaka niaro ny ara-dalana tao aorina ny fanonganam-panjakana. Niara nahita isika fa maro maro ireo mpitarika nitsoaka an-daharana sy namadika palitao tsy ho voatanisa eto fa fantatsika tsara daholo mbola zarazarao hanjakana ihany. Mandrak’androany moa dia mbola tsy vita ny famerenana ny ara-dalana mbola eo daholo ireo nanongana hatreto.

Hisy indray ny fifidianana indro fa 41 be izao no kandida hitondra ny Madagasikara iraka vao, nihena moa ireo mpifaninana noho ny kajy kajy politika any ambadika ka lasa 33 indray no hosafidianina eo no mba iriko ho DISO KAJY amin’izay ireo mpizarazara hanjakana ireto izay matetika dia ny vahiny no ao ambadika sy manohana azy ireny hatrany hatrany. Diso kajy hoy aho satria ny vato ho an’ny kandida tohanako dia  mety tsy dia hizara firy intsony indrindra tao aorina ilay teny @ coliseum ny 13 oktobra lasa teo indro fa efa mazava ny lalana fa hifidy dokotera ny mpomba an-dRavalo fa ny mpifandrina kosa hisamaritaka amin’ireto zanam-poza maro be izay fanahiniana narotsaka mihitsy mba hizarana ny vaton’Antananarivo izay mbola matanjaka sy momba an-dRavalo. Hidona @ Poteau hoy ny tanora izay satria dia voamaso tsokina ny azy ka ny kely hananany no ahiratra kanefa ny kely mba hanana no mbola hozarazainy ao indray. Vato ho an’ny TGV zany no hozaraina 10 ho an’ny zanam-poza isan’isany. Ao moa ireo milaza fa tsy mpomba intsony ny  fitondrana nefa tao ihany h@ izay fa nony ho tong any fififdianana vao mody niala pa. Soa fa mba maharaka ny vahoaka ka tsy ho voafitaka intsony.

Koa fanentanana farany sy mba anjara birikiko hamerenana ara-dalana sy ara-drariny izay tokony ny vahoaka maro an’isa no masimandidy fa tsy ny ampahana miaramila ao @ tafika no hajakazaka sy hanao toetra tsy zaka lava eto dia tongava mifidy ary araho masony valim-pifidianana ary tsarovy fa tsy kely lalana ny ratsy. Aza mandry mandry manana aretina isika soa fa eo koa Dokotera mba hitsabo ny firenentsika. Rehefa mailo isika dia ho diso kajy ny Mpanjanaka Vaovao.  

TAPITRA

 


Fikasana Hanolana Safidim-Bahoaka « Version 2013 »

news2dago 30 Septambra, 2013 10:36 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ao anaty propagandy tsara ny rehetra ankehitriny, ary efa hita soritra sahady fa misy kandida  3 na 4 eo no hita mety hisongadina tsara ka hiakatra dingana manasan-dalana raha tsy misy ny sampona. Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra ny manao zavatra tsy mora rahateo. Mande be ny « hono hono » fa oe efa maty paika daholo ny zavatra rehetra ka lany @ isam-bato 52% ny kandida iray efa vita sonia h@ PV sy ny urne efa vita paika daholo.

Ny tena moa dia tena liam-baovao ka nisikotra ny fomba hanaovana ilay fanolanana ka toy izao hono ny fisehony. Natonta avo roa heny daholo na ny « urne » na ny bileta tokana ka raha vata fadatsaham-bato 20000 zany no nafarana dia 40000 no tonga ny 20000 mande @ ara-dalana ny 20000 ambony hanaovana ilay fanolanana !!! de toy izany ny bileta tokana raha 7 tapitrisa ny mpifidy dia 14 tapitrisa zany no natonta ??? Raha jerena tampoka tokoa ilay izy de mety hitombina ihany kanefa rehefa fakafakaina tsara dia ho sarotra ihany ny hanao izany zavatra izany.

Voalohany, raha hanao izany dia tsy ho vita na olona iray izany zavatra ratsy izany tsy maintsy ho tamban-jotra be manadala ihany koa mila vola sy fitaovana ary indrindra ny olona hanantareka ilay baiko. Faharoa, ny zava misy anefa ny vola tsy manana isika na ny nanontana ireo bileta tokana aza dia fanampina avy any Afrika Atsimo no nanaovana azy ary tsy misy afa tsy 9 Tapitrisa no natao eo zany dia efa tsy mitombona ilay resaka 14 Tapitrisa avo roa heny ny isany mpifidy. Ny momba ny urne indray de tsy de hitako laotra izay tena atotan’isa momba an’iny. Fahatelo, ary ity no tena goavana indrindra raha hanao PV dia manana solon-tena 2 avy ny kandida iray izany oe sonia na olona 66 samy hafa zany no hita eo @ PV ary misy ny laharan’ny Kara-panondro ihany koa raha ny PV mahazatra h@ izay no miverina. Izany oe mila sonia na olona 627000 zany ny bileta tokana erakin’ny birao handatsaham-bato ??? Dia samy manana dika iray avy ny kandida tsirairay. Ho sarotra ihany ny hanao izany raha ny saina tsy miangatra asa anefa. Fahaefatra, ny tena marina dia natao mihitsy ny hielezan’ny tsaho mba hanakivina ny mpifidy tsy hahavitrika satria raha vitsy ny mpifidy eny @ tanan-dehibe de mora ny hanao ilay fanolanana ny safidim-bahoaka.

Farany, tsy kely lalana anefa ny ratsy ary ny rindrina ary hono manatsofina mety misy mikasa hanao izany ihany fa mila mailo ny rehetra. Ary io no tena hanentanan’ny PRM Ravalomanana foana oe araho maso ny fanisam-bato.  Ary mandehana MIFIDY.

Hoy Ravalo oe : « Mila mailo isika hoy izy fa ny ratsy tsy kely làlana» tao @ mydago

Hoy koa i tananews oe : « Car si vous voulez avoir matière à contester par la suite, comme par exemple le vol ou le détournement de votre voix, cela signifie automatiquement que vous devez venir faire le déplacement le 25 octobre 2013.» 

Tapitra


1 2 3 ... 61 62 63  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)