Zazakely 11 Taona Saika Hiklandy

news2dago 15 Febroary, 2008 08:49 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena fetsy ny ankizy e! ary tena nampiesoniny ara-bakiteny ny polisy miaro ny sisintany sy ny seranana t@ alahady lasa teo! ankizy kely vao 11 taona monja no saika hiondrana an-tsokosoko ho any La reunion!

kamboty i Nirina ary mipetraka @ dadatoany ary eny @ manodidina ny Ivato izy no mipetraka! hany mba fialamboliny sy faniriny ny mba hitaingina fiaramanidina! ka dia ao ivato ao @ seranana ao no andaniany ny fotoana rehefa tsy mianatra izy, ka t@ alahady lasa teo dia mody nanontany t@ ilay polisy ny toerana fivoahana na ny "toilettes" izy ka rehefa hitany fa variana nijery sy nanamarina ny pasipaoro n'ilay madama itsy farany dia iny izy no niditra ary tsy nisy nahita intsony raha tsy tany anaty fiaramanidina rehefa misy manontany moa izy dia oe miaraka @ ray aman-dreniny izay efa lasa aloha ary efa any anaty fiaramanidina!              

Azo lazaina fa fitia te handeha @ itony fiara manidina itony no nitsiry tao @ ilay zaza ary dia nataony ny faniriny t@ fomba tsotra sy tena feno hafetsena tokoa

samy manana ny filazany moa ny gazety sy ny vaovao rehetra ao ny milaza fa vao teoivato izy dia efa tsikaritra ao kosa no milaza oe efa tena tonga tany @ nosy la reuinion mihitsy izy vao nisy nahita! tsy dia hidirantsika laliny ny @ iny fa ny tiana tsindrina dia ilay fahasahina tao @ ilay zaza izay tena mampiaky ny rehetra mihitsy oe! ho lasa lavitra itony karazana ankizy itony satria na tsy nanany aza ny vola sy ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny filàna dia mampiasa saina izy!

tsy afaka notanana moa ity zazakely ity fa dia navela nody soamantsara tany an-tranony! ny fanontaniana dia oe mety mbola ho sahy ve izy hamerina sa tsia? ho hita eo ihany ny tohiny

JEREO KOA ETO NA MIHOMEZA KELY ATO


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)