Lasa @ Izay Angamba Ny Ratsy Rehetra

news2dago 20 Febroary, 2008 11:32 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

samy mbola mitsakotsako ny voina nahazo ny firenena malagasy ny rehetra ary tena naharary ny firenena mihitsy iny niatra t@ nosy iny satria dia be laotra ny fahavoazana nianjady t@ ireo mpiray tanindrazana!

niazo avy hatrany ny faritra atsinanana moa ny filoham-pirenena nanao fanamiana miaramila!!! omaly niaraka t@ ireo sampana momba ny vonjy taitra! nijery ifotony ny loza sy ny zavatra simba ka heno fa hanome 1 miliara ariary avy hatrany izy hamonjena ny toamasina! ary miampy 100 tapitrisa ariary hanarenana ny lycée rabemanjara! niarahaba ny vaohoakan'i toamasina manonkana moa ny tenany @ fahatsapan-tenan'ny rehetra @ fandraisana andraikitra t@ fanadiovana ny tanàna fa tsy niandry ny avy aty @ fanjakana fotsiny! ny piraiminisitra kosa dia tany @ nosy sainte marie ka nanamarika fa simba ny 95% ny tanàna! namonjy tany ihany koa ny filoha ny antenimiera Jaques sylla raha avy vao tonga teto an-tanindrazana ninjery ireo vahoaka nifidy azy ho solombavam-bahoaka!

etsy andanin'izay dia ny safodrano no atahorana eto an-dranevohitra satria dia efa mivoaka ny loza manambana ny eo an'ivon'ny apipa ny @ ho fahavakisan'ny fefiloha indrindra fa ny aty @ ilan'ny andrefana @ ikopa! ny orana moa dia mbola avy foana hatramin'izao na dia efa lasa aza ilay ts'Ivan!

ny voina tena nampihetsim-po ny olona teto iarivo koa dia ity raim-pianakaviana mba niaro ny fianakavinany ity kanefa dia maty tsy tradrano noho ny akasomparana teo @ fomba fiasa ao @ jirama satria dia navelan'izy ireo nikirazorazo t@ poteau ny fil tapaka efa ho iray volana izay! mba miantso ny tompon'andraikitra ihany izahay kanefa dia tsy nisy niraharaha hoy ny lehibe n'ny fokotany teny Ankazotoho! ka izao no vokany! niakatra tokoa mantsy ny rano teny anosimahavelona ary nisy fil nimboridana nikirazorazo t@ tany ary nilatsaka tao an-tranon'ity niaramboina ity ilay fil ka nahafaty azy izany voalaza moa fa niaro ny zanany no nahatonga azy niroboka tao anaty ny rano misy herin'aratra!

ny fandaniana ny tetim-bola ny kamoinina no nanamarika ny vaovao teto antananarivo omaly satria dia eo @ 26 miliara ariary eo zany no vola ho an'ny CUA @ ity taona 2008 ity! ka miandry izay ho fiatraikan'izany aty @ vahoaka ny rehetra!

ny irariana moa dia ny oe angamba mba ho lasa n'izay ny ratsy rehetra e! 

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO na ATSY


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)