Anjara-Biriky @ "Aza Ampijaliana Ny Tenintsika"

news2dago 31 Martsa, 2008 11:40 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena faly be mihitsy aho nahita ity hevitra natolotrareo eto @ tontolon'ny blaogy ity. Mahavelombolo izay no azo ilazana azy angamba satria tena mbola tafapaka tsara ilay fianarana taloha tany an-tsekoly t@ taranja malagasy. Ary tena voninahitra ho anay mpitoraka blaogy @ teny malagasy mihitsy ny toy itony.

Koa ireto no mba atolotro ho antsika androany! ary hotohizana raha mbola mahita ao aoriana kely.

Ny manao vary amin'anana @ teny frantsay no voalohany tokony mba fadiana raha misy ihany ny teny malagasy mahasolo azy.

Manaraka izany dia ireto no mba henoko matetika diso tenenin'ny olona ary tohiny ny nataon'i pissoa tao @ blaoginy izy ity satria tsy mifakaiza akory fa mety adinony fotsiny ny nanoratra azy tao.

malagasy fa tsy oe gasy io dia tena mampalahelo mihitsy fa dia fiteny matetika.

tamiko fa tsy taminà na taminah

amiko fa tsy aminà na aminah

mavesatra fa tsy mazefatra

famataranora fa tsy famataranandro ity farany angamba mety azo asolo ny kalandary satria io no mifanakaiky @ kokoa.

ny hevitra hafa moa dia efa tapitra voalazanareo daholo fa izaho no somary tara ka ialako tsiny eto.

 


Notsofin-Drano Hisotro Ronono Ny Eveka Ny Anglikana

news2dago 30 Martsa, 2008 18:25 Finoana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Androany alahady 30 marsa 2008 no notsofin-drano handeha hisotro ronono i sa grâce Mgr rémi Joseph Rabenirina izay Eveka ny diosesin'antananarivo ho an'ny finoana anglikanina! izy moa dia teraka t@ 1938 tao ambohidratrimo, ary tao @ sekoly angikanina tao anjazafohy ambohidratrimo no nanombohany niasa teo anivon'ny eklesia ny taona 1958 talen'ny sekoly tao izy nandritra ny 3 taona. Niditra tao @ kolejy Teolojika Santa Paoly ambatoharanana ny taona 1961. Ny taona 1964 ka h@ 1967 dia nanohy ny fianarany teolijia tany @ kolejin'ny santa Chad lichfield any angletera sy tao @ insitut Oecuminique de Bossey any soisa.

Ny taona 1968 moa izy no notendrena ho presbytera tao @ santa laurent ambohimanoro ary ny 13 mai 1984 izy no nohamasinina ho eveka ny diosesin'antananarivo.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana moa ny prezida mivady sy ny filoha ny andrim-panjakana isan'isany! araka izany dia miandry izay ho voafidy ho eveka vaovao hisolo azy indray izany ny mpino anglikanina @ izao fotoana izao.

Jereo koa eto


Vaovao Samy Hafa

news2dago 26 Martsa, 2008 17:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Valabe iompina omby

Naorina ao Ihosy ny valabe iray mifefy tsatoka miisa 4000 ka ny 1600 no efa voatsatoka hatramin'izao nandritra ny 2 volana izay. Marihina fa naorina izao valabe izao mba hanarahana maso ireo omby ompiana ao no sady iadiana @ dahalo ihany koa! mazava ho azy fa hisy miaramila hiandry ity toerana iray ity, ary ny omby matavy kosa avy eo dia amidy ho an'ireo mpiasa ao @ Dynatec sy Sherrit!!! io no tena nahavariana ahy t@ ity vaovao ity oe fa olona inona loatra ny vazaha miasa ao no tsy tia afa tsy omby matavy.

Faly ny olona any antsinana fa miverina ny fiara-dalamby mitatitra olona

Toamasina-Moramanga! Ela ny ela ka afaka hitaingina lamasinina indray ny mponina @ iny faritra iny! maro tokoa mantsy ny tanàna sy toerana tsy tonga ny fiara fa kosa lalovan'ny lalamby, in3 isaky ny herinandro no mandeha ity zotra ity ary @ alina ihany koa ka asa na anao ahoana na ahoana ny fandriampahalemana @ izany? 

Hitrandraka volamena ara Indostria @ izay ny malagasy

Any @ iny faritr'i Diana iny izany no isantarana ny fitrandrahana volamena ara indostria, satria dia hampiasa fitaovana arifomba @ izay ireo mpitrandraka! marihina moa fa efa tafakatra any @ 300.000 FMG na 60.000 Ar ny grama ny volamena ankehitriny ary mirongatra izay tsy izy ny halatra volamena. Voalaza moa fa tena mirongo basy mihitsy hono ireo mpanendaka.

Ny farany dia resaka foza orana

ity resaka tanteriko farany ity moa dia tena lasa resabe mihitsy eto Antananarivo satria dia nalaza mihitsy izy ity tato ato izay! ny foza orana moa dia mpanimba ny voly ary mivelona @ loto sy maloto ny olombelona, manatody any @ 700 any hono ary tonga dia indray foy daholo izy io rehefa ao ny fepetra rehetra ilainy! ny lakadrano sy farihy ary ny dalle fanariana rano moa dia ahitana foza orana avokoa. Etsy adanin'izay dia misy mivarotra koa izy ity ary misy mividy ihany koa atao laoka angamba! izaho aloa tsy tia e! fa ny tena mahatsikaiky dia ilazana ireo sipa maivava sy jejojejo izy ity ankehitriny! ka lasa tsy afaka ambavan'ny tanora oe :"ireny misy foza orana" lol

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ATO

 

 


Mangingina Fa Vita Fety

news2dago 25 Martsa, 2008 11:31 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola tsara e! indramiko kely io fiarabana ao @ fahitalavitra tsy miankina iray ity e! vita fety, mangina ny tanàna ary tena maina ny tsena hoy ireo mpivarotra sendra tafaresaka t@nay! tsy mahagaga izany satria vita fety e!

Nahazo olona avokoa ireo fety sy lanonana natao teto Iarivo sy ny manodidina indrindra ny teny Antsonjombe niaraka t@ rebika, ny teny Ivato niaraka t@ Firmin sy ry Mima ary Jean Aimé ny tao @ Don Bosco niaraka t@ tsiliva Viavy Chila, ary nafana ny revy tao Atsahamanitra niaraka t@ Lianah sy wawa ny teny @ bypass moa tsy lazaina intsony fa tena nangoro vitsika izay no ilazana azy! io moa dia tena lasa toerana fitsangatsangana vaovao mihitsy! ary marihina fa tafakatra arivo ariary ny sarany ny betax sasany omaly raha roa alina ny sarany ny fiara karetsaka makeny @ bypass, ny teny analamanga park dia tena nanasana tongotra ny thb ny olona moa dia mitovy ny toerana hafa ihany ny isany!

Ho an'ireo izay tsy afaka nandeha lavitra moa dia nitsidika ny tetsy tsimbazaza ao @ valan-javaboary ary notanterin'ny tompon'andraikitra fa any @ telo alina tany ho any ny olona nitsidika tao omaly, ny sasany indray dia teo anjaridainan'ambohijatovo no nanala azy!

Raha ny voina sy ny loza kosa dia nihena ny isan'ireo maratra sy maty satria dia 5 no maty ary ny 405 no nandalo fitsaboana teny @ hopitaly hoy ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro! ny nahazo ireto mponina tao manjakandrina no tena vaovao nisongadina ihany koa satria dia olona 3 no maty ary 20 hafa no tsaboina any @ hopitaly be @ izao fotoana izao nohon'ny fihinana hen'omby izay maty hoazy kanefa dia novarotan'ny tompony ihany ilay izy dia izao no vokany!

Nilamina @ ankapobeny ny fankalazana ny alatsinain'ny paska, ary samy manao kaontikaonty tsotsotra ny rehetra ankehitriny hiandrasana ny farany volana indray handraisana karama sy andoavana ny trosa nanaovana fety!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ATO 


Mirary Paska Sambatra Ho Antsika!

news2dago 22 Martsa, 2008 11:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy dia hanao resaka be aho androany fa anjanoko kely daholo aloha izay zavatra mampiasa saina sy vaovao misy herisetra sy mampalahelo fa hifantoka kely @ aram-panahy androany! dia tsy inona fa ny andron'ny paska izany izay ho tsiahivin'ireo mpino maro be eran-tany rahampitso!

Koa dia mirary paska mahafaly ho antsika mpitsidika eto @ blaogiko aho aloa naleoko nalefa aloha ny firarin-tsoa satria rahampitso mety tsy hanam-potoana firy hanoratana mantsy!

Izay ary fa dia manaova fety sambatra daholo e!


Naato Ny Fifa I Madagasikara

news2dago 20 Martsa, 2008 19:11 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mahagaga fa tsy nahenoina feo mihitsy ny haino aman-jery teto an-toerana mba milaza ny vaovao momba ny baolina kitra ity fa dia t@ vaovao any ivelany indray no nahitako azy oe naato ny fifa i Madagasikara! Marihina moa fa tena vaovao andrasanay mpitia baolina ity fepetra navoakan'ny Fifa ity!

Efa samy vonona izany ka mioty ny vokatra sisa izao izany angaha no ilazana azy! afohy daholo aloa izay fihaonana iraisam-pirenena ary ravaina daholo izay fofompofona federasiona sy efa mambra tao h@ izay! ovay hatrany @ fotony mihitsy ra mila vokatra tsara!

Tokony hisikoponitra kosa ny fanjakana etsy andan'io zavatra natombony io hanampy ireo mpilalao eto an-toerana aloa ary hanao izay ho afany hiverenana ao @ fifa indray @ manaraka! ny fanantenana dia ny fivoarana fa tsy ny fihemorana akory!

miandry zany aloa ary mila miharitra raha te hanana ny soa! miandry anao izany izahay ry ngahy minisitra hanolotra olom-baovao! hanarina ity taranja maminay ity! 

Jereo koa eto


Teen TALK Ao @ TVM

news2dago 20 Martsa, 2008 09:24 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fandaharana vaovao iray indray no novokarin'ny TVM ary zatovo daholo moa no manentana an'ilay  fandaharana!! ny mampiavaka an'ity fandaharana ity moa dia izy @ teny anglisy tanteraka! mpianatra ao @ CCA no ankamaron'ireto zatovo sy tanora mpanentana ireto ka ny lohahevitra omaly ohatra dia momba ny tanora sy ny mozika!

Nasaina t@ io i Mamie ao @ tarika Imagine izay sady mpampianatra ao @ CCA ihany koa ary i Aina Cook izay zanaka Amerikanina Ray ary malagasy Reny! tsara ilay fandaharana @ lafiny iray satria dia afaka mamolaka ny teny vahiny ireo zatovo ireo ny teny vahiny tokoa mantsy tsy hay rahatsy ampiasaina! maro ny sehatra ilaina ny teny anglisy raha tsy ilaza afatsy ny fitadiavana asa fotsiny ohatra!

Etsy andanin'izay dia maro ihany koa anefa ny toerana azo hivelarana @ ity tenim-pirenena iray ity toy ny fanarahana ny BSF ohatra na ny Bible Study Fellowship ito moa dia ivon-toerana hianarana ny baiboly kanefa dia @ teny anglisy ihany koa ny fianarana ary tena maimaim-poana ny manatrika azy ary saika maneran-tany no misy an'ity BSF ity! eo ihany koa ny fihainoana ny BBC ohatra sy ny maro hafa koa!

Na izany aza anefa dia ny teny tiako omena ireto tanora ireto ary izay no tena tiako tsindrina @ ity lahatsoratra ity dia ny oe na mianatra teny vahiny maro aza isika zalahy an! dia aza atao ambanin-javatra ny teny malagasy! indrindra ny fanafangarona azy @ teny hafa toy ny teny vary amin'anana izay tena manimba ny sofiko mihitsy ny mihaino azy ary tena mba maha sarotiny ahy mihitsy io satria mantsy hono:"Ny teny malagasy hakafiziko ary ny an'ny hafa koa feheziko"!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO 


Niakatra Ny Vidin-Tsolika!

news2dago 18 Martsa, 2008 17:51 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mikaikaika izay tsy izy ny mpitondra fiara karetsaka fa miandry efa ho adiny roa vao mahita mpandeha  iray! tsy mahagaga izany satria dia any @ 4.000 Ar any ry zalahy vao mandeha ka alaivo sary antsaina oe ra hanejika fotoana hiala eo antanimena mankeo behoririka zany dia efatra arivo be izao ny saran-dalana! ny tompon'ny fiara anefa tsy te halala fa tsy maintsy mahita versement roa arivo sy iray alina izy isan'andro!!!

Nisy mpiasa ny jovenna izay mba nanontaniko oe fa nahoana no vao omaly no 110$ ny baril de ny ampitson'iny ihany dia efa miakatra ny solika kanefa efa telo volana mialoha ny antsika dia efa vita ny commande! dia io hono dia hitsinjovana ny vody andro merika! satria ny volantsika tsy hita be ihany izay mety ho sandany afaka telo volana! ny tena moa tsy dia manampahaizana @ resaka ekonomia! koa naleo nangina!

Ny fanjakana moa tsy afaka manao inona intsony satria efa nisitaka t@ fitantanana mivantana ny fividianana sy ny famarotana azy ity! dia azo inoana fa hiakatra indray izany ny vidin'entana @ ity fetin'ny paska ity!

Aza adino ny mitsidika eto ary mihomeza kely ato


Trondro Maina Nahafaty Olona 3

news2dago 17 Martsa, 2008 17:21 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Anisan'ny sakafo tian'ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly!

Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin'ireto tsondro ireto! ary entanina arak'izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina! voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona!

Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono!

Vaovao tapatapany hafa!

Heno zany zao fa ninjanona t@ heviny ny minisitra ny fanatanjahan-tena! andrasana izany izay mety ho sazy hahazo an'i madagasikara!

mahatsikaiky sy mampihomehy be ny miheno voka-pifidianana ao @ radio oe: " mitarika 100 isan-jato ny Tim" @  ireo vokatra voaray vonjimaika!

Aza adino ny mijery eto na mihomehy ato 


Trafika Na Biby Sarona Tatsy Afrika Atsimo

news2dago 16 Martsa, 2008 10:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mampalahelo ny nanjo ireto biby saika ahondrana antsokosoko ho any @ repoblika tcheque! satria dia sarona tatsy afrika atsimo izy ireo! izany oe tena gorobaka be mihitsy izany ny eo @ serana rehetra eto mandagasikara fa afaka mivoaka sy miditra eo daholo na bois de rose na irakianina tsy manana pasipaoro na ankizy kely te hitaingina fiaramanidina na rongony sy fitaovam-piadina sy ny biby kely toy ny sokatra aza dia tafavoaka eo daholo!

Asa izay ho fepetra ho raisina fa dia tena manala baraka ny maheno an'izany zavatra goragora izany! Tra tehaka tany afrika atsimo tokoa mantsy ny karazana tanalahy sy bibilava sy bibikely hafa, efa miala aina moa ny sasany t@ ireo biby ireo satria tsy nihinan-kanina nandritra ny diany! tombanana eo @ tapabolana eo eo moa izany fotoana efa nialany teto madagasikara izany!

Navotan'ireo mpitsabo biby ao afrika atsimo moa ireto biby ireto ary efa nalefa any @ Zoo @ izao fotoana izao! etsy an-danin'izay anefa dia mbola mikasa ny hampody an'ireo eto Madagasikara indray ny tompon'andraikitra ao @ governemanta ka ho voakarakara ve anefa izy ireo raha ampodina eto an-tanindrazana! 

Na izany na tsy izany aloha dia tsy maintsy olona ambony sy mahitahita no afaka hanao izao trafika izao fa tsy ho vitan'ny olon-tsotra mihitsy! dia miandry ny tohiny isika fa tsy maintsy hisy olona ambony hidoboka indray eo atoato!

Jereo koa eto na mihomeza ato


Atao Takalon'aina Ny Barea Ny Madagasikara

news2dago 15 Martsa, 2008 13:32 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Loza fa ny fitiavan-tseza sy fitiavan-tena @ tombotsoa vitsivitsy mba tsy hitenena oe milomano ao anaty vola ny FMF dia ny Barea ny Madagasikara no atao takalon'aina noho ny tsy fahaizana miasa sy fahaizana nitanana h@ izay!

Hita mantsy izao fa tena atao fitaovana mihitsy izy ity @ ady misy eo @ minisitera sy ny FMF! ny ahy aloa mazava ny fijeriko azy h@ izay nomeko tsiny teny ampiandohana ny fihetsikin'ny minisitera oe tokony niandry kely izy t@ fanampahan-kevitra na ny nety kokoa dia tao aorinan'ny lalao ny nosy no avy dia noravana fa tsy t@ ity!

Etsy andanin'izay anefa dia tena miziriziry e! izay no mety hilazana an'ireo mpitondra ao @ FMF! ary hita  fa tsy mijery izay tombon-tsoa ny baolina malagasy no jerena fa ny fitiavan-tena! izaho aloa tsy mba nahita oe nisy olona sahy niala t@ toerany teto madagasikara rehefa tsy nahomby! fa maninona e! tsy mba misy mahay nanaja tena mihitsy ve! fa raha mbola ireo lohadohany ao ireo no mbola ao dia aleo tsy misy satria tsy mahavita azy! firy taona izay tsy nisy ihany ny vokatra! tsy olana mihitsy io na tsy andray anjara ara isika @ sehatra iraisam-pirenena! io foana mantsy no aranty oe voasazy e! voasazy e! ka aleo saziana any mihitsy e! Na anao Can2010 aza anie isika tsy ho poinsa akory e! saria mifidy tavan'olona sy ranona sy ranona foana! fa tsy izay tena mahay no antsoina rehefa hanao ao @ Barea!

Efa any mantsy ilay ho delegasiona vaovao fa miandry isika fa @ alatsinainy vao avoaka hono ka andrasana indray oe iza io olona io! Iza ary o?

Jereo koa eto na mihomeza ato


PôLitika Voretra!

news2dago 13 Martsa, 2008 15:30 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy dia misy lanjany firy @ olona izay fifidianana hatao @ alahady 16 marsa ary ahiana ny fihenan'ny mpifidy @ ity indray maka ity! ary efa miakatrakatra ny marimpana ao ambony ao satria dia mihetsiketsika izay tsy izy ny governemanta @ famporisihina isan-karazany an-gazety sy @ televiziona oe zo ny mifidy!

Indrisy anefa fa tsy tafapaka any @ vahoaka izany!!! iza tokoa moa ny ho fidiana eo! toa ohatran'ny vato iray ihany anie no ho hita eo @ alahady 16 marsa io ka sao dia mba tokony atao oe fandatsaham-bato izy ity fa tsy fifidianana!!! ny mpifaninana rahateo tsy nisy sahy nirotsaka ny mpitondra anefa manao amboletra ary te hanamafy ny toerana @ alalan'ny fifidianana ka lasa ara-dalàna ho azy ny rafitra apetraka satria izay anga no atao oe demokrasia!

Dia ity no tonga @ ilay fitenenena oe "Pôlitika voretra" e! satria mandeha ny tsindry aloka izao manao oe ho saziana izay tsy mifidy! kanefa ny mpifidy anie efa voasazy @ fiainana sarotra sy fahantrana impito mandifotra olona! Tian'i Lery mantsy io isa fito io! LOL! ka izaho zao mety tsy ho bediny fa hanefa ny adidiko aho raha tsy misy ny sampona! enga anie! Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy na asarotina na ilana vanony izay maka taratasy any oh oe maka certificat de résidence sns! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo! 

JEREO KOA ITY na MIHOMEZA ETO 

 


Maninona Moa Raha I Tsoa Pacom No Atao Filoha!

news2dago 11 Martsa, 2008 13:05 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola resaka Federasiona ihany e! Raha amiko manokana aloa raha samy hanova ihany dia mba manolotra olona vaovao no tsara ary koa  olona mba efa nahavita sy tsy hinambola fotsiny! tsy dia fanaoko ny manonona anaran'olona fa tiana moa ity baolina kitra ity ka tsy nahasakana ny tena izany! satria rehefa marary ny kitra dia mahagaga fa marary ihany koa ny mpankafy azy! mbola andrasana moa izay tena ho hevitrin'ny FIFA @ io fihetsiky ny Minisitera io! satria moa rafitra mahaleo tena ny FIFA ary tsy baikon'ny politika sy ny fanjakana!

Ambetindresaka ataon'ny mpitia baolina kosa moa etsy an-daninin'izay dia izao oe iza tokoa ary no tena tsara atao prezida ny FMF e? ao ny miteny oe i Henry Roger no mety eo koa ny miteny oe i Tsoa Pacom no izy lay!!! raha pazapa moa izany izy ity dia efa nominé izy roalahy mianaka ireo! samy efa nahavita be sy nahitana vokatra t@ toerany avy! ilaina traikefa tokoa izy ity fa tsy misy andrakandrana intsony!

Ireo alo no fantatrin'ny olona ary singanina manokana tokoa aloha fa i Tsoa Pacom efa nilatsaka t@ 2003 fa nisitaka t@ ora farany noho ny fahatsapany fa misy kitranoatrano tao @ ilay fifidianana koa asa izy izao raha mbola tapa-kevitra ny hanandrana @ ity indray maka ity!

Ho hita eo ny tohiny e! ny irarina dia mba hiova any @ fanantsarana tokoa!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO


Noravana Ny FMF Na Ny Federasiona Ny Baolinakitra

news2dago 09 Martsa, 2008 18:27 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vaovao somary nampalahelo no henoko sy hitako vao eo t@ fahitalavitra TVM oe noravain'ny minisitera ny fanatanjahatena hono ny FMF efa nampoizina ihany aloha satria tao aorinan'ny ireny korotana sy ny faharesena t@ ireo ekipa nandray anjara t@ lalao afrikanina ireny dia voaresakin'ny filoha tao @ fandaharana manokana "ny tenin'ny filoha" izay mandeha @ fahitalavitra sy @ radio nasionaly isaky ny alahady ny momba ny baolina kitra oe tsy nahay nadray andraikitra ny FMF t@ ireo korotana niseho teny mahamasina.

Voalaza moa fa ny FMF no tompon'andraikitra t@ korotana sy ny zavatra nitranga rehetra ary efa fantatra rahateo (ny FMF io) oe tsy tonga ny mpitsara kanefa dia namidy ihany ny tapakila sy ny sisa dia izay dia efa ampy andravana ny FMF! ary nandray fepetra sahaza @ izay ny minisitera dia ny fandravana izany ary hametraka delegasiona manokana hanao ny fifidianana vaovao! izany oe miverina zero indray izany ny taranja baolina kitra e! raha izaho manokana aloha dia ohatran'ny tsy dia azoazoko ny fomba fiasa toy izao satria dia simba indray ny zavatra efa natomboka h@ izay! indrindra moa fa ny fandraisana anjara @ fifanitsanana @ CAN 2010! izay efa tsinjo oe tsy ho tafakatra mihitsy isika!

Atao ahoana moa fa tsy maintsy milefitra ny mpitia baolina kitra satria ny lehibe no miteny! ovaina ny olona fa ny rafitra ny eo ihany no eo koa inona ary no dikany! na ovaina injato ary ny FMF tsy misy manjary eto raha tsy misy koa ny andraikitrin'ny fanjakana oe tena andray anjara mivantana @ fikarakarana ny ekipa mandray anjara @ sehatra iraism-pirenena izy! satria ny voninahitry ny firenena no arovany @ izay! ary koa hiantoka tanteraka @ fiantsoana ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy! raha izay angamba no ataony dia omeko rariny izy fa tsy korotanina ohatran'io ny zavatra dia any @ tsy alehany avy eo satria iarahana malala ihany ny zavatra rehefa tetezamita izay! fa samy manao izay danikibony ny mpitantana vonjimaika eo!

tsy oe miaro ny federasiona aho akory fa tsy naleo ve niandry ny fifidianana ho avy dia eo no miteny ny fanjakana! dia izay indray no izy zany aloha fa dia mbola ho ela isika vao ho tafarina raha resaka baolina no resahina!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO


Mila Vola Ny Fifindra-Monina Any Aostralia

news2dago 06 Martsa, 2008 07:50 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nalaza indray tato ato tao aorinan'ilay fisolokiana goavana nataona maorisianina iray hanome mana sy  tantely any bahamas dia indro indray fa manangasanga any ny nofinofy aostralianina! feno ny trano tao @ motel anosy omaly raha nitafatafa t@ mpanao gazety sy ireo olona te hifindra monina any aostralia ny kabinetra iray misahana ny fikarakarana ny taratasy hifindra monina any aostralia!

Tsy azo mora foana anefa izany fa miantotena tanteraka ireo olona maniry ny hifindra monina any ary mandany any @ 10.000$ amerikanina any ho any izay te hifindra monina any aostralia! inona anefa moa no tena mety ho tombotsoa hifindra any raha tsy tena matipaika daholo ny zavatra rehetra! toy ny trano hivantanana ny asa mety ho atao sy ny ho entimanana @ sakafo ary indrindra ny fiantohana @ mety tsy fahasalamana tampoka! raha akapoka ireo vinavina rehetra ireo dia mety ho avo 2 na 3 heny @ io no tena ilain'ny olona iray izany raha te hifindra monina any ivelany ianao!

Etsy andanin'izay raha sahala amiko manokana ka oe manana ireo vola ireo aho dia aleoko mijanona eto madagasikara manangana orinasa madinika toy injay hitetateta ho any ivelany any aho! ka asa aloha izay tena mety mandrisika ireto tanora malagasy ho any an-dafin'ny rika ireto fa tena vonona tokoa ry zareo raha vao misy resaka fifindramonina tahak'itony! efa niforona ohatra ny agence iray mikarakara ny taratasy ho an'ny mpianatra maniry ny hianatra any lafrantsa! izy daholo no mikaroka izay fikafika sy taratasy rehetra ilaina! dia toy izany koa ireo mapanera mpiasa hiasa any liban izay iarahana mahalala ny fijaliana rehefa tonga any kanefa dia somary henjana ny traikefa ilaina toy ny fahaizana miteny frantsay tanteraka sy mahay ny asa an-trano rehetra! manodidina 200$ eo ny mety karama @ io! ny olona iasana anefa tsy fantatra na anao ahoana na ahoana!

Eto ampamaranana dia mba te hanaitra ireo malagasy namana aho oe tsy aleo ve eto no mikaroka ny tsara sy ny mahafinaritra dia miala sasatra no atao any ivelany any fa tsy oe hifindra monina izany e! samy eto an-tany daholo na aiza na aiza no mipetraka ary masoandro iray ihany no manazava antsika rehetra eto! hafa ihany anie ity Madagasikara ity leretsy e!

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO


Mamely Ny Kohaka Sy Gripa

news2dago 05 Martsa, 2008 09:15 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tao aorinan'ny orana nikija t@ nandalovan'Ivan teo ireny dia nivadika namay be ny andro nandritry ny herinandro teo ho eo! @ izao indray anefa dia mamirifiry sahady ny hatsiaka! ary misy erikerika kely ny maraina raha tsy hiteny ny t@ alahady teo ohatra! tsy fantatra intsony na fahavaratra na maitany sa ririnina!

Noho izany dia mipoitra daholo ny karazana sery sy gripa dia mivadika kohaka tsy mety mihafana ilay izy! ary miafara @ fangovitana sy tsy fahatsapana hafanana intsony rehefa lazony elaela eo! maromaro ihany ny olona voan'izy ity ankehitriny! sady tsy sitran'ny paracetamol sy ny nivaquine ilay izy! io mantsy no mba fanafody fihinan'ny malagasy rehefa sendra marary an-doha na misy hafanana iny!

Tena angamba mety aretina azo avy @ ilay toetr'andro miovaova ilay izy! na izany aza tena mihanaka be ilay aretina ka atahorana hiova valanaretina indray! mino izahay fa efa mandray ny andraikiny ny tobim-pahasalamana sy ny minisitera @ izy ity!

Na izany na tsy izany dia mbola hita taratra @ endriky ny malagasy ihany ilay endrika mirana sy te hitraka! angamba fitsapana ataon'ilay nahary ho antsika malagasy mihitsy ny voina sy ny aretina toy izao mba hiveren'izay mania ao ambala!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO


Raraka Ny Ajesaia

news2dago 04 Martsa, 2008 14:20 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Na dia naharesy 1 no 0 aza ny ajesaia dia raraka ihany satria efa resy 0 no 2 izy tany mozambika i Costa do sol moa no nihaona t@ ary lalao miverina no natao androany raha tokony t@ alahady no natao ny lalao dia iarahana mahalala ny zavatra nitranga t@ ilay rotaka be iny!

Dia tapitra hatreo izany ny lalao afrikanina ho an'ny malagasy satria ny adema koa dia resy 0 no 2 tany tanzania!

Ny barea zany sisa no hany hantenaina raha tena vonona ihany koa anefa isika hitradraka ny mpilalao any @ vazatany 4 any fa tsy hionona @eto antoerana fotsiny satria efa fantatra fa tena mbola ambany ny ahavon'ny lenta ananan'ny kitra malagasy raha oarina @ afrikanina!

Jereo koa eto na mihomeza ato


Tananan'ny Gangs!!!

news2dago 03 Martsa, 2008 11:12 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Isan'andro dia tsy maintsy ahenona vono olona sy halatra foana eto antaninarivo nanomboka t@ volana janoary no nankaty! tsy vao ela akory moa no nifanafika ny polisy sy ny jiolahy! dia izao indray dia ny jiolahy no mandripaka ny vahoaka!

Tsy sanatria hamendrofendro no anoratana ity lahatsoratra ity fa tena zava misy ilay izy ka tsy mandry ny saina raha tsy mampahafantatra izany ny tena! dia ho sanatria ve ho lasa tanàna ny gangs eto Antananarivo!!

Tsy izany mantsy fa t@ androny propagandy dia oe laharapahamehana ny fandriampahalemana ary saika nivoy an'io daholo ny mpifaninana! @ izao fotoana izao anefa dia toa very fanahy mbola velona ihany ny mpiarabelona fa toa tena ataon'ny jiolahy haza lambo mihitsy! 

Tsy hita moa izay iatorahana fa dia samy miaro tena ny rehetra ary aleon'ny olona aza maka alika masika "chien de race" toy injay maka mpiambina fa toa oe ireny ihany hn no mamely @  ankapobeny ny halatra! toy ny eny mahabo andoharanofotsy izao dia alika be masika daholo no miandry tanàna! 

Mandeha be mihitsy ny fampiterahana alika @ izao fotoana izao ary tena misy mahasahy mividy lafo mihitsy! satria dia any @ 1.000.000 Ar any ny alika iray izao! rehefa voabaiko tsara. Ny biby indray izany izao no atokisan'ny olona kokoa noho ny olona. 

JEREO KOA ETO na mihomeza ato

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)