Mangingina Fa Vita Fety

news2dago 25 Martsa, 2008 11:31 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola tsara e! indramiko kely io fiarabana ao @ fahitalavitra tsy miankina iray ity e! vita fety, mangina ny tanàna ary tena maina ny tsena hoy ireo mpivarotra sendra tafaresaka t@nay! tsy mahagaga izany satria vita fety e!

Nahazo olona avokoa ireo fety sy lanonana natao teto Iarivo sy ny manodidina indrindra ny teny Antsonjombe niaraka t@ rebika, ny teny Ivato niaraka t@ Firmin sy ry Mima ary Jean Aimé ny tao @ Don Bosco niaraka t@ tsiliva Viavy Chila, ary nafana ny revy tao Atsahamanitra niaraka t@ Lianah sy wawa ny teny @ bypass moa tsy lazaina intsony fa tena nangoro vitsika izay no ilazana azy! io moa dia tena lasa toerana fitsangatsangana vaovao mihitsy! ary marihina fa tafakatra arivo ariary ny sarany ny betax sasany omaly raha roa alina ny sarany ny fiara karetsaka makeny @ bypass, ny teny analamanga park dia tena nanasana tongotra ny thb ny olona moa dia mitovy ny toerana hafa ihany ny isany!

Ho an'ireo izay tsy afaka nandeha lavitra moa dia nitsidika ny tetsy tsimbazaza ao @ valan-javaboary ary notanterin'ny tompon'andraikitra fa any @ telo alina tany ho any ny olona nitsidika tao omaly, ny sasany indray dia teo anjaridainan'ambohijatovo no nanala azy!

Raha ny voina sy ny loza kosa dia nihena ny isan'ireo maratra sy maty satria dia 5 no maty ary ny 405 no nandalo fitsaboana teny @ hopitaly hoy ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro! ny nahazo ireto mponina tao manjakandrina no tena vaovao nisongadina ihany koa satria dia olona 3 no maty ary 20 hafa no tsaboina any @ hopitaly be @ izao fotoana izao nohon'ny fihinana hen'omby izay maty hoazy kanefa dia novarotan'ny tompony ihany ilay izy dia izao no vokany!

Nilamina @ ankapobeny ny fankalazana ny alatsinain'ny paska, ary samy manao kaontikaonty tsotsotra ny rehetra ankehitriny hiandrasana ny farany volana indray handraisana karama sy andoavana ny trosa nanaovana fety!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ATO 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)