Vaovao Voahangoko Androany

news2dago 28 Aprily, 2008 09:04 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eto dago i Dadarabe fantatry ny maro @ fanaovana tononkalo eto @ blaogy! ary ho any Mahajanga kosa izy @ herinandro ho avy eo. Marihina moa fa i Hery (sefo) no nandalo teto ihany koa t@ volana lasa iny! samy nanamarika moa izy mirahalahy namana ireo fa misy zavatra mahaliana sy mahatamana tokoa eto madagasikara. Koa miandry ireo namana hafa hitsidika koa isika!

Hipoka kosa ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanantajahan-tena omaly raha niseho sehatra tao i Melky izay tanora vao nisondrotra t@ ity sehatry ny kanto ity. Nanotrona azy tao moa i Mirado sy Nary (zay). Miandry ny hafa ihany koa isika hitsapa ny heriny.

Mbola tsy nahazo fahazon-dalana ny hilahatra sy hamory ny mpiasa kosa ireo syndicat ny mpiasa mikasa ny hilahatra @ 1 mai izay efa fantatra fa fetin'ny asa. Ahina mety hisy hanao ambadika politika indray angamba ka sakanana ny zoan'ny mpiasa @ izany.

Fisokafana kely hoy ny mpanaram-baovao satria dia notendrena ny asabotsy teo ireo senatera 11 anjarany! ahitana an'i Moxe, Rabetsitonta, Ruffine Tsiranana izay efa fantary ny maro ihany oe mpanohana azy h@ izay ihany ireo voatendry ireo ny 8 ambony moa dia ireo minisitra sy mpanolontsaina ary mpiara miasa @ tao prezidansa. tsy kaonty tao kosa i satrobory kanefa dia samy mpamono afo ihany izy sy Ingahy Moxe isaky ny misy hetsika ataon'ny mpanohatra.

JEREO KOA ETO

 


Tsy Azo Trandrahana Ny Hazo Sy Vato

news2dago 25 Aprily, 2008 09:54 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gagagaga ihany aho nandre ny resaka nataona mpandraraha iray mpandrafitra ny asany raha ny tena marina kokoa fa tsy misy hono ny hazo izao eto madagasikara, irony varongo irony mantsy no tena mba tsara hanaovana fanaka! kanefa dia tsy azo trandrahana intsony izy ireny @ izao fotoana izao. Tsy misy afatsy kesika sy hazo ala hono no azo ampiasaina! Misy lafiny tsara sy ratsy daholo moa ny fepetra rehetra raisina. Tsara satria mba miaina kely aloa ny hazo fa tsy tapatapaka fahatany intsony. Fa ny lafiny ratsy indray dia mety hiditra any @ "chomage technique" ny mpandraharaha raha tsy misy ny hazo ampiasaina. Kanefa hoy ry zareo misy ny olona ambony manondrana antsokosoko sy manangona hazo maro @ izao fotoana izao. Dia aleo fa ho tsarainy ny karatra eo foana izay manao ny tsy mety e!

Torak'izany koa ny resaka vato raràna ihany koa ny fanondranana vato any ivelany kanefa maro ihany ny mahitahita mahatafavoaka an'io vato io any ivelany, ary lasa varo maizina ilay izy avy eo. Mbola ny olona ambony sy manana fahefana tsy azo takarin'ny lalanà ihany no mahavita ireny fanondranana antsokosoko ireny fa ny olon-tsotra tsy mahavita an'io akory. 

Fehiny dia tsy misy zavatra mivoamboaka fahatany izany eto raha tsy ny olona tompony lalanà ihany no manao izany. Satria izy tsy mba azo enjehina fa raha enjehina Izy dia ny mpanenjika indray no migadra sy mijinja ny vokatra avy eo. Dia miandry ny rariny eo ramalagasy e!

Ny vaovao hafa kosa dia midehaka indray ingahy ben'ny tanàna oe nahazo fanampiana avy any shina ka hanao kianja maro isakin'ny firaisana!!! ka asa raha ho vitany indray izy ity fa ny lehilahy moa dia mahay miresaka izay tsy izy ka mora mambambo vahoaka. Ny tsena moa @ izao dia miverina mivarotra eny @ arabe sy ny sisin-dalàna rehetra eny ny mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra.

Jereo koa eto


Zanaky Ny Tena Enjana

news2dago 23 Aprily, 2008 09:51 Ekonomia Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola resaka serasera ihany aloha no anombohoko ny vaovao omeko anareo androany. Asa nareo raha nahatsikaritra fa omen'ny olona anaram-bositra avokoa ny finday amidy @ vidiny mirary rehetra ka omeko eto aloa izay mba hany fantatro fa manampy ianareo raha mahita hafa! hafa kely mihitsy an! ny motorola c113 ka h@ c119 ohatra dia ataon-dry lerony oe MBS na Motorola ny Bandy Sahirana. eo ihany koa irony ZTE irony io indray dia ataony hoe Zanaky ny Tena Enjana na ilay lohateny ny hira malaza hirain'i Samoela sy Princio ary Rakiky!!

 

MBSc118

Vaovao hafa dia nahazo vokatra sahady ny ampemba novolena teny @ fitaratr'i Madagasikara eny Iavoloha. Faly ery ny filoha ny repoblika fa tsara ny vokatra azo! ary mahasolo ny katsaka hono izy ity! ary mety tsara raha ambolena any @faritra Atsimo.

sorgho

Jereo koa eto


Vehivavy Mamoafady Oe!

news2dago 21 Aprily, 2008 12:35 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.

Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an'izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.

Etsy an-danin'izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony "rencontre" irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!

Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an'izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban'ny vola.

Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan'ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol

JEREO KOA ETO 

 


Chinatown In Tana

news2dago 19 Aprily, 2008 08:39 Ekonomia Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mahita atao mihitsy ity media consulting ity ka, hainy mihitsy ny mitady vola izay no azo ilazana azy, satria dia ho entiny etsy @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena indray izany ny vokatra vita sinoa manomboka ny 24 aprily ka h@ 27 aprily ho avy izao! tsy ho latsan-danja @ io zany fa afotaka ny fihinana lasopy sinoazy sy ny tsatsio kano! manginy fotsiny ny telefonina finday sy ny "menuiserie en aluminium" na ny rafitra vy ranty!!! izay tena kapoakany tokoa, eo koa my moto sy scooter sy ny maro hafa... enga anie ka mba izay tena raitra no omeny ny mpanjifa @ ity indray maka ity fa tsy ilay mora simba mampalaza ny sinoa ihany koa.

Hivoaka ato ato ihany koa ny moov 3G+ tolotra vaovao omeny ny mpamongady aterineto voalohany eto Madagasikara na ny MOOV izany. Afaka mampiasa azy ity avy hatrany moa ianao fa tsy misy ny atontan-taratasy be ilaina akory. Karazana "Clé USB" izy ity ary azo antoka fa misy irony "puce" kely irony atsofoka ao anatiny dia zay! afaka manome "debit" hatrany @ 384Kbps izy ity, raha 256Kbps ny tolotra telma sy ny orange net! mafinaritra fa afaka mifidy izay tiany ny mpanjifa ary tena tokony mba hidina ihany koa ny sandan'ny aterineto!

Hamokatra simenitra ihany koa etsy Ambohimanambola ry zareo sinoa efa mipetraka ao daholo moa ny fitaovana isan-karazany ka tombanana hamokatra simenitra voalohany izy @ volana jiona na jiolay any ho any!

JEREO KOA ETO

 


Ino Vaovao Tour

news2dago 18 Aprily, 2008 12:19 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.

Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?

Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.

Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.

JEREO KOA ETO

 

 


TanàNan'ny Filokana!

news2dago 16 Aprily, 2008 10:00 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manjaka indray ankehitriny ny fisarihina @ alalan'ny SMS na ny Short Message Service ho an'ireo mpikirakira ny finday eto madagasikara! samy mandrabiraby @ loka marobe daholo moa ireo mpamongady @ serasera an-telefaonina eto madagasikara ity.

Ny celtel no nanao izany voalohany t@ alalan'ny fialan-tsasatra iantohana tanteraka! maro no revo nanao an'io ary narahina mivantana t@ tvm ny fisarihina indrisy fa tsy ho hita ao ny laharan'ny finday-ko satria aho tsy nandray anjara! nefa mba te ho any venise sy parisy ihany ny tena! kanefa tsy mba mahazo mihitsy aho rehefa misy lalao toy itony.

Ny telma indray no nanao ny tolotra avy eo ka avy dia mahazo 1.000.000 Ar isak'herinandro izay tsara vintana! io ilay lalao antsoiny oe "million Naka"! mba nanadrana ihany aho t@ herinandro lasa iny fa tsy tao anaty lisitra indray koa e! dia naleoko tsy nanao intsony aloa!

Fa ny tena fakam-panahy be ho ahy ry zareo dia ity tolotra omen'ny orange ity e!loka voalohany mitsubishi sportero 4x4 ny faharoa suzuki alto ny fahatelo scooter dia mbola misy loka maro be ihany koa! tena mba manofinofy ihany ny tena oe sao mba mety ho poinsa kosa fa aleo manao ihany dia efa nandefa SMS iray aho zao androany aloa! na dia 1.000 Ar be izao ary ny sarany ny SMS iray. Mahay mitady vola ry zalahy e! tena hainy mihitsy ny mambabo anao @ izay kely foana mety ho jerenao oe rendrarendra kanefa dia voasariny ihany enao avy eo! Mahay ry zalahy ao @ marketing ao ary tokony mba hakarina kosa ny karamany rehefa hita fa voaverina ny vola ilaina @ ireo vidin-doka izay mitotaly any @ 300.000.000 Ar any ho any oe! raha ity tolotra orange ity fotsiny io! zany oe SMS 300.000 isa any no ilaina zany dia efa tratra ny "seuil de rentabilité"! dia mba handray anjara ihany aho aloa sao mba ho sendra sendra mahazo ihany kono! lakalaka mantsy ny fiainana hono.

 Loka Orange

 JEREO KOA ETO

 


Mirongatra Ny Sakan-DalàNa

news2dago 15 Aprily, 2008 10:07 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tantely amam-bahona ny fiainana ary semban-drahona indray ny mpanankato satria dia nodimandry omaly i Romule mpikambana ao @ kintana telo. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana izahay mpitoraka blaogy rehetra tsy ankanavaka! mahaiza mionona tompoko!

Vaovao hafa kosa dia mirongatra izay tsy izy ny mpanedaka eny @ lalam-pirenena faha 2 sy ny faha 4 iny eo anelanelan'i brickaville sy moramanga no tena matetika @ RN2 ary etsy Manerinerina Ankazobe kosa ny RN4. Avy dia atsivalan-drizalahy eo @ arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha @ fiara dia avy izy avy any an'ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny @ mpandeha. Miandry izay ho fihetsiky ny mpitondra mikasika an'izao tsy fahadriam-pahalemana izao.

Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana eny Ankatso ary manankan-dàlana ihany koa ireo mpianatra ny tena vontoatiny fitokonana moa dia tsy dia mazava loatra @ mpanaram-baovao! raha izao no mitohy dia tena andro sisa no isaina ho an'ingahy minisitra!!!

Milaza marary mafy eo am-pandriana kosa ingahy Henry lecacheur ka tsy afaka ny hanohy ny firotsahana an-dalambe aloha hatreto! marihana moa fa nisy nitifitra ny fiara noentiny t@ asabotsy lasa teo. Andrasa izay ho tohiny ny tantara!!!

Milaza ny ho avy eto Dago ihany kosa i Rossy satria toa tsy avy @ Filoha akory ny sakana tsy ahafahany manao ny seho kasainy atao fa avy @ Minisitera mpihay angamba! dia tena misangy ratsy koa ny ao Ambohinjatovo ao ka! ny baolina kitra ity tena bory tanteraka ny lohany satria mbola tsy mijoro ihany izay hitantana azy vonjimaika.

Jereo koa eto


Mety Ho Samborina Ny Minisitra Radavidson!!!

news2dago 14 Aprily, 2008 09:25 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena henjana ny lalao e! raha kilalao baolina kitra izy ity dia mety ho maro maro indray izany no hahazo karatra mena ato ho ato! raha tsy hilaza afatsy ny minisitra ny fanabehazana sy ny filohany federalista Henri lecacheur aho... eo ihany koa ireo mikonokonona korotana toy ny crn sy ny ny mpanara-dia azy. Ny ben'ny tanàna n'antananarivo moa dia tsy hita ihany izay hapoakany h@ izao milaza ihany koa izy fa voasakatsakana ka asa izay tena marina.

Ny vahoaka etsy an-daniny manohy ny fiainana andavanandro ihany, ary tena miady mafy mihitsy mba tsy hilazana oe mitrongy vao homana, na mpiasa miankina na ny tsy miankina moa dia efa samy leo sy lonilony @ fitondrana fa tsy afaka manoatra satria ny fanotaniana lehibe mipetraka dia ny oe iza indray no hasolo (Prezida) azy eo anefa! ny mpanohitra efa teo ihany ny ankamaroany ary tsy nahavita azy akory t@ izany fotoana!

Fa ny tena tiako ho tsindrina dia ity oe maninona ary no dia manangam-pahavalo @ manodidina azy i ra8 e! nisy tsy nifanarahana ve tao dia avy eo miady. Sanatria, ohatran'ilay kilalaonay fahiny ny raharaham-pirenena ankehitriny! saingy ity farany tena tonga dia fanagadrana no miantra an'izay mifandiso @ henjana fa tsy mba oe tsy ombonako intsony ela lol! Samy hotsarain'ny tantara eto daholo na iza na iza e! ny fiainana mitohy foana. Ianareo mpamaky no iriko hanohy izay hetahetanareo avy any.

JEREO KOA ETO

 


Tsy Raikitra Ny TapôLaka

news2dago 11 Aprily, 2008 10:08 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Asa na dia ota inona laotra no nataon'i rossy izany t@ ireto mpitondra ankehitriny fa tsy mbola fotoana tokony hanaovany seho eto madagasikara hono izao noho ny antony iaraha mahalala!!! inona anefa io antony iaraha mahalala io? misitery izany anaka!!! raha izao manokana aloa tsy mahafantatra koa e! Mametram-panotaniana ihany oe misy korontana ve eto sa misy fanoganam-panjakana sa misy mikomy? Ny heno fotsiny avy tao @ minisitera ny kolontsaina dia ny oe misy hifandraisan'ny 2002 hono ilay izy! isika anefa efa aty @ taona 2008. Dia tsy misy azo hifandeferana mihitsy eto izany fa rehefa mpifanandrina fahiny dia fahavalo mandrakizay! aiza ilay fair-play e! dia izao mihitsy ilay demokrasia afrikanina porofo azo tsapain-tanàna mihitsy.

Maty antoka be hono ny media consulting t@ io fikarakarana ny "ino vaovao tour 2008" io na ny fitsidiam-paritany ataon'i Rossy satria nofoanana avokoa ny fifanarahana rehetra. Asa raha mba honeran'ny fanjakana izany fatiantoka izany na tsia, satria dia roa herinandro mialoha ny seho no nandraràna ny hanaovana ny lanonana. Mbola tantàra mitohy ny @ iny.

Managam-peo ihany koa ny federasiona milaza fa mpiaro ny zon'ny mpanjifa @ fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny ary betsaka ireo tolon-kevitra naroso hisoroana ny fiakaran'ny vidim-piainana ary misongadina @ ireny ny famerenana ny karatra isan-dahy hanalefahana ny fandoavam-bola eny @ hopitaly hono, kanefa efa hiarana mahita fa na ny vola raisina @ TAFITA isan-taona isan-taona aza tsy hita oe lasa aiza na lasa aiza avy eo. Izany ve tsy oe rano atondraka an-damosin'ny ganagana fotsiny. Ireto ny santionany @ vidin'ny PPN: 1kg vary dia 1000 Ar, ny menaka Tiko 1L dia 2000 Ar,  ny sira 1 sachet milanja 200gr dia 120 Ar, ny laoka moa dia 6000 Ar ny kilao na ny hena kisoa io na ny hen'omby, ny vary 1/2plat eny @ vary mitsangana dia 700 Ar.  Ny saran-dalana moa dia 300 Ar. Asa mety azontsika sary an-tsaina angamba ny fahorin'ny malagasy ankehitriny, raha olona mikarama 50.000 Ar ka manofa trano, ary manan-janaka mianatra, mandoa jiro ary tsy maintsy misakafo fara faharatsiny indroa isan'andro!!! ary tsy mahazo marary mihitsy satria mbola hafa ihany koa iny! Mijaly e, izay no hamehezana azy, lanja miakatra tokoa ny fiainana...

JEREO KOA ETO

 


Misy Miketrika Rotaka Eto!

news2dago 10 Aprily, 2008 10:04 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.

Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!

Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!

Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!

JEREO KOA ETO


Vaovao Nisongadina Androany

news2dago 09 Aprily, 2008 09:11 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Efa notanteriko teto ihany ilay tranga iray teny andoharanofotsy, mikasika ilay zaza voalaza fa maty an-drano novonoin'ireo namany! ka tsy hita popoka izy io nanomboka ny alakamisy oe, omaly anefa dia nisy zaza nirenireny hita teny Tanjombato ary heveriny fa itsy zaza voalaza fa maty itsy io hita omaly io indray! mifamahofaho be ihany araka izany ny vaovao azo! kanefa dia efa nalefa eny @ zaza maditra ny iray t@ ireo nisangisangy ratsy t@. Andrasana indray araka izany izay mety ho tohiny satria tsy hanaikinaky foana ireo ray aman-drenin'ilay ankizy nalefa eny @ zaza maditra, mbola hitohy ny tantara ary ho tanterina eo ihany ny tohiny. Ny nahafinaritra fotsiny aloha dia tsy namoy ny ainy ilay zaza fa very izany izy raha ny tena marina satria vao haingana no tonga teto antananarivo fa avy any fianarantsoa ry zareo ka hianatra aty antananarivo no tena antodihany aty ary mipetraka @ rahavavin-dreniny izy aty.

Nahemotra @ 27 avril indray ny fampisehoana ataon'i Rossy noho ny andron'ny 20 avril izay anaovana ny fifidianana ho senatera. Marihina fa maro no mimenomenona @ ity fepetra noraisina ity satria hono tsy mahakasika afatsy ny mpifidy vaventy ity fifidianana izay ho loholona ity.

Nodiovina avokoa ireo tsena fivarotan-kena teto andrenivohitra nanomboka ny alatsinainy teo satria dia maro loatra tato ato izay ireo olona maty t@ fihinana hen'omby! ary koa be loatra ny gaboraraka misy @ fivarotana ny hena kisoa satria dia hena misy vaovary no amidy sy aranty eny an-tsena eny. Asa anefa raha handresy lahatra ny mpanjifa izao fepetra izao ny tsapa aloha dia nihena ny fividianana hena eny akalamanjana e! mahazo vahana indray izany ny eny @ grande surface.

Jereo koa eto


Faty Olona Mikararana!

news2dago 07 Aprily, 2008 09:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena maloka iny herinandro lasa teo iny satria dia maro laotra ny olona niaramboina teto @ firenena raha tsy hilaza afatsy ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14 tao anatiny indray mipimaso monja! efa voatatitra teto ihany moa izy ity any @ bologana sasany any! tany @ iny lalam-pirenena faha 7 iny no nitranga ny loza ary voalaza fa fiara nifanejika no fototra niavin'ny loza ka ny hafa tsy manantsiny no mamoy ny ainy avy eo! "tokony ho saziana @ sazy izay farany henjana izay nahavanon-doza": hoy ny praiminisitra.

T@ sabotsy indray dia ny varatra no namono olona! ary tena azo lazaina fa varamaina tokoa ilay izy  ary tena hita sy heno ho mahery vaika be izany satria dia tsy mitsahatra midoboka mihitsy! ny alin'ny sabotsy hifoha alahady moa no nitrangan'izay oram-baratra niampy havandra be efa hitovy @ totohondry tany @ faritra sasany teto @ nosy. Vokany, olona 3 no indray maty nolatsaham-potaka t@ toerana samy hafa teto antananarivo.

T@ iny herinandro iny ihany koa no nahitana tranga hafahafa satria dia ankizy kely 5 manodidina ny 5 ka h@ 12 taona eo no voarohirohy ho namono nahafaty ny ankizy kely iray namany izay vao 8 taona monja! voalaza moa fa natosika tany anaty rano itsy farany ary lasa nitsoaka ry zalahy avy eo! ka nokarohana nanomboka ny alakamisy ity zaza ity ary tsy hita raha tsy ny sabotsy! efa eny @ fampanoavana moa ny raharaha @ izao fotoana izao! ka andrasana izay ho tohiny ny raharaha.

Nifandona ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana sy ny polisy kaominaly ny sabotsy lasa teo torabato no nasetrin'iretsy mpivarotra ny polisy raha nikasa ny hanaisotra azy ry zareo ao @ kaominina! ny naratra no nisy aloa fa ny maty kosa mba tsy nisy tao aorinan'ny fifandonana!

Vaovao farany kosa dia nihazo an'i berlin androany ny filoha ravalomanana ka andrasana fatratra izay vaon-dalana ho entiny avy any! ary andrasa ihany koa izay mety ho tohin'ny ady seza eo @ antoko tim izay mifandrirotra te ho prezida ny senat avokoa ireo ngeza lahy eo @ ity antoko lehibe ity!

jereo koa eto


Ady @ Fingitrihan'ny Mpiasa!

news2dago 02 Aprily, 2008 10:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena lalina ny fahaizan'ny zanak'olombelona ankehitriny fa tsy misy tsy vita ny electronique sy ny informatique @izao! ny mpiasa moa dia somary manahirana ny manaramaso azy rehefa oe ho any @ dokotera na ostie izay fa raha tokony mba vita adiny iray na roa ny dia makany dia lanin-dry zalahy any ny azy ny tapakandro ny sasany aza moa dia ny tontolo andro mihitsy.

Asa tokoa na efa nifanaraka ny mpampiasa sy ny dokotera ny ostie @ izy ity fa dia tonga eto madagasikara tokoa ankehitriny itony karazana karatra mitahiry ny mombamomba anao rehetra ohatra ny abehana karapanondro ilay karatra asa mety mbola kely aza! dia ao daholo e! afaka mitahiry ny ora nahatongavanao ao @ ostie sy ny ora nivoahanao tao ihany koa, ny fanafody nomena anao, na ny aretina mahazo anao, na ny andro hakanao aina kely ka afahanao tsy miasa dia voatahiry ndry zalahy ao avokoa.

"Natao izao fomba manarampenitra izao": hoy ity sefon'ny dokotera eny @ ostie vaovao eny tanjombato ity mba ialana @ ilay fotoana lany @ fakanesana aty @ ostie! etsy andanin'izay dia misy azy ry zalahy mpingitrika indrindra fa ireo mpiasa @ orinasa afakaba ireny fa dia tsy misy fika intsony ny fanaovana kilavaka.

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA KELY ALOHA


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)