Telenovela Na Tantara Mitohy...

news2dago 16 Mey, 2008 12:15 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Malaza indray ankehitriny ny fanarahana tantara mitohy @ fahita lavitra ary saika ny tele rehetra dia samy mandefa tantara mitohy daholo ary samy mahaliana sy mahasarika ny mpianakavy mihitsy ny mijery azy isan-kariva! iny enao reradreraka iny dia lasa voafantsika eo ambodin'ny tele rehefa @ hariva. Indraindray aza moa tena mila tsy hahay andrindra ny programa mihitsy fa mifanitsaka ny ora andehan'ilay telenovela.

ireto ary ny santionany ka iza no mba fijerinao raha eto madagasikara ianao ka tia mijery tantara mitohy ihany koa! ary ho anareo any ivelany mpitsidika ny blaogy kosa dia mampahafanatra anareo fotsiny aho oe ireo indray ny tantara mahavarina an-dramalagasy ankehitriny:

Ao @ Matv no ahitana ny "destins de femmes" za aloa mbola tsy nahita an'io fa lazain'ny olona oe tsara be! azonao jerena @ 7 ora sasany alina

Ao @ Tvm kosa dia izany "Au coeur des passions" izany no ao ary mandeha isan'andro @ 8 ora sasany alina

Ao @ Viva kosa dia izany "Prison break" zany mandeha @sivy sasany alina

Ao @ Mbs kosa dia izany "Les feux de l'amours" izany  io kosa dia mandeha @ 7 sy fahefany alina ity dia tantara tsy mety tapitra mihitsy kanefa dia misy mijery foana mahagaga ahy mihitsy.

Farany dia ao @ RTA no ahitana ny "Monica brava" mande @ 7 ora hariva sy izany tantara mitondra ny lohateny oe "luna" izany io kosa dia azonao jerena @ 8 ora alina.

Etsy andanin'izay moa dia fanamarihina fotsiny ny ahy oe somary lava laotra ny dokam-barotra mandeha eny anelanelan'izy ireny matetika ary indraindray aza tena alaim-panahy aho hilaza oe lava noho ny tantara aza izy ireny indraindray!!! eo ihany koa ny lalao sms izay ahazoana loka marobe e! dia samy revo eo daholo ny rehetra mba mitsapatsapa vitana eo ihany koa.

Jereo ko eto na mihomeza kely ato

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)