RéV RANARIVELO Jaona Samoela

news2dago 31 Mey, 2008 16:42 Finoana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rév Ranarivelo Jaona no lany ho eveka ny diosesin'Antananarivo ho an'ny finoana Anglikana! Izy moa dia manana ny Doctorat en théologie ary tany Afrika Atsimo izy no nahazo io marimpahaizana io! izy izany no hisolo tena ny anglikanina eo anivon'ny FFKM.

Maro moa ny Presibitera nisy nanolotra ho eveka fa iray ihany no ho voahosotra! tsy azo ambara moa oe iza no nifaninana t@ farany. Tanora moa ny akamaron'ireo nirotsaka hofidina ary samy manana ny mahaizy azy avokoa.

Ny antenaina moa dia ny hivoaran'ny finoana anglikanina fa tsy ho faravavy eo anivon'ny FFKM foana! izy izany no hisolontena ny diosesy any @ fivorina any Lambeth Angletera @ volana jona ho avy izao! maro moa ny adidy miandry azy ka maneho firarintsoa ho azy izahay haleo halasana @ adidy miandry azy! mahavità be @ asan'ny Tompo ry Mgr Ranarivelo Jaona Samoela.

Vaovao hafa kosa dia nirava ady sahala 0 sy 0 ny lalao mandroso nataon'ny barea ny Madagasikara sy ny zebra ny Botsoana! nahazo tombony izany isika malagasy! ny fihaonana @ mozambika no lakile ny fiakarana @ dingana manaraka! faly izao ny mpikambana ao @ federasiona fa na dia naato aza ny kitra dia mbola nahazo vokatra ihany! voaporofo ko zany izao fa ilaina i Mamisoa @ fanidina ny trano. 

JEREO KOA ETO


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)