Ratsy Toerana Ny Barea
Mbola mitana ny sain'ny mpanarabaovao sy mpitia baolina kitra ny lalao mandroso natao ny barea tany gaborona. Na dia nisaraka ady sahala aza dia hita ho nanatombo ny nosy rahavavy maorisy satria nahatafiditra baolina izy raha nihaona t@ tanzania na dia nisaraka ady sahala 1 no 1 koa ry zareo.
Tetsy andaniny kosa dia resin'i elefanta t@ isa 1 no 0 i mozambika ireto ekipa roa ireto moa no iray vondrona @ barea ary hita sahady fa mifadanja ny ekipa roa tonta. Sarotra ihany izany ny ady miandry an'i barea satria mila mitazona an'i elefanta ary mila mandavo ny zebra sy ny mozambikanina.
Marihina mantsy fa mbola tsy nisy nanao can mihitsy na i madagasikara na i maorisy na ny nosy seisela i kaomaoro moa dia tsy kaonty mihitsy. Ka samy mikatsaka mafy ny hisantatra izany ny rehetra. Hita ho mitongilana any @ nosy maorisy ny vintana satria maivana kokoa ny iray vondrona aminy raha oharina @ miaraka barea.
Rahampitso moa no ho tonga eto dago ny barea ary avy dia hikatroka @ elefanta @ alahady. Andrasana indray izay hovokatra eo! Ary miankina betsaka @ io ny ho tohiny tantara.
Vaovao hafa kosa dia lasa any Roma ny filoha ra8 raha vao avy tonga avy any japon ny alahady tena miasa mafy mihitsy rangahy io! ary hinoana mba hahita soa sy vaondalana tsara izy @ ireny fandehanany mivaoka matetika ireny.