Hazakazaka Lehibe
Ireto indray ary ny vaovao malaza eto dago @ ity faran'ny herinandro ity! himbahana toerana ny fanatanjahatena mazava ho azy! eo ohatra ny Course de solidarité izay atao ny 8 jiona izay misy halaviran-dalana 8 km eo eo mianga eo anosy ary mifarana eny @ Kianjaben'alarobia. Mahatratra any @ 15.000 any ny mpandray anjara ary 200 Ar fotsiny ny sarany dia afaka mandray anjara ny olona iray! mahazo T-shirt Orange moa ny mpandray anjara avy eo. Mila miomana tsara kosa anefa vao tokony anao itony fifaninana itony fa tsy izay te anao rehetra dia manao daholo satria mety ho torana sy safotra eny.
Manaraka izany dia ny lalao ny Barea sy ny Elefanta no malaza ihany koa! 3.000 Ar be izao kosa anefa ny vidim-pidirana! tsy tonga hilalao kosa ilay mpilalao malaza ny chelsea Didier Drogba! hiady ny baolina ka mahereza ry gasy kely lol.
Miandry fatratra ny fanombohan'ny Euro 2008 koa ny malagasy satria dia hafa ihany ny mijery baolina eropeanina! sady mitovy ny hahavo tekinika ny mpifaninana rehetra ka mety hahalina ny hijery azy!
Vaovao hafa kosa dia nanaitra ny masoko ny nijery ny tonelina ambanidia sy ambohidahy nofefena jiafotsy ny adaniny roa ny arabe ao anaty ny tonelina. hay hono asina carreaux ny rindrin'ny tonelina! tsara ny hevitra ary mora diovina izy avy eo.