Voasazy Ramalagasy (Updated)

news2dago 08 Jiona, 2008 08:58 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nirava ady sahala ny baolina teo @ elefanta sy ny barea 0 no 0! Sokajina ho vokatra tsara hono izao vokatra izao. Mbola ho henjana anefa ny lalao manaraka satria mbola hiatrika an'i mozambika @ 15 jiona.

Ela ny ela hoy aho ka tsy nahita euro ny mpijery baolina kitra! Tsy mahagaga izany satria tsy mahavelona ny baolina e! ny fivorimbe ny afrikanina @ 2009 no maika toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny ivato sy ny any toamasina mba hisehosehona @ ralahy afrikanina oe tsy mahantra ny gasy fa mahavita azy. Indrisy ry gasy kely a! ka nareo anie tsy nifidy Tim ko inona no omena anareo eo. Raha izany koa naninona raha antananarivo irery no sazina fa tsy ny malagasy rehetra.

Raha fetsy zao ny mpanao politika dia managana ecran geant anakiray fotsiny eo @ 13mai de manao kabary kely fotsiny tonga dia poinsa oe mahazo olona! soa ihany fa tsy mpiblaogy ry zalahy ireny ka nahazo an'io sopapako io! angamba dia tsy hisy raharaha ho vanona eto @ 26 jiona fa dia hanjaka ny korotana! soa ihany.

Vaovao hafa kosa dia nikijabe ny orana omaly hariva ary tapatapaka ny jiro! kanefa tena efa ao anatin'ny ririnina tanteraka ny andro izao! mazava ho azy fa mamirifiry tokoa ny hatsiaka! misy azy ireo 15.000 mpiazakazaka sy ny mpijery baolina mahery ny 25.000 eny mahamasina satria tena mila manao mafana tsara raha tsy izany mety hanavy eo.

Jereo koa eto 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)