Gidragidra Be Teny Alarobia!

news2dago 09 Jiona, 2008 13:21 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nisahotaka ny rehetra teo @ kianjaben'alarobia hoy ny gazety mpiseho isan'andro iray eto andrenivohitra raha nitatitra ny vaovao nitranga teny. Vokatrin'ny fandrombahana T-shirt moa no nahatonga ny savorovoro. Tonga dia hita taratra mihitsy oe mbola mirefarefa @ tany ny toetsain-dramalagasy satria raha vao misy mihitsy ny oe zavatra zaraina maimaim-poana dia tsy manaiky gisitra mihitsy. Tsy mba misy mahay manaja tena mihitsy, hita mihitsy oe mahantra ara-toetsaina isika.

Momba ny akon'ny lalao teo @ barea sy ny elefanta kosa dia nanao ny tsy ambinina ny malagasy ary tsy mahay manararaotra mapidim-baolina mihitsy! efa nivoraka tanteraka mantsy ny elefanta kanefa dia tsy nahita irika ireo mpanafika malagasy. Tsy mahagaga izany satria ry kolo touré no ao izay fahita matetika @ fahitalavitra izy moa dia milalao ao @ arsenal. Na izany aza anefa dia hita ho tsy afaka teo @ dry mamisoa sy ry sedera ihany koa ny mpanafika ivoarianina! mendrim-piderana daholo ny tsirairay ary dia hahazo vola be 500.000 Ar isan'isany avy ny tsirairay satria niaro ny tanindrazana! Mbola mafy anefa ny hiandry @ lalao manaraka ary tokony hiezaka hampiditra baolina 2 @ fihaonana @ mozambika @ alahady ho avy izao, raha mbola te hiandrandra ny hanao can any angola ny taona 2010. Mitarika vonjy maika ao @ vondrona faha7 mantsy i cote d'ivoire sy botsoana raha nandresy an'i mozambika tany maputo izany oe tao @ taniny izany izy omaly 2 no 1 no isa nisarahan'ny roa tonta.

Mba gaga ihany koa aho raha nijery gazety androany fa tsy mba misy fanakianana ny tsy fahitana ny euro2008 mihitsy ireo gazety sendra voavakiko androany! koa inona izany fa tsy izahay sy jentilisa irery no manasa vangy sy manao toram-po eto mikasaka an'io! kanefa tena SORENA daholo ny olona @ izy ity.

Vaovao hafa kosa dia heno izao fa nesorina ny ambasadaoro ao geneva ary tambatambazana toerana any kosa i Rajemison Rakotomaharo! "elimination politique" (miala tsiny @ teny baiko) hoy ny mpanaram-baovao satria tsy afaka mihetsika intsony izy rehefa any ivelany any! tapa-doha izany ireo mpomba azy eto an-toerana! toy ny ao @ crtim sy ny mahaleon-tena sasany ao tsimbazaza ao! manginy fotsiny moa ireo senatera arema niaraniasa t@ tao anosikely fahiny.

Jereo koa eto 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)