Arendrina Taratasy ô!

news2dago 23 Jiona, 2008 09:55 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia ny fankalazana ny fety no mampisomebiseby ny olona ankehitriny! maro moa ny zavatra nitranga t@ iny weekend iny teo ny fetin'ny mozika izay nankalazaina ny 21 jiona lasa teo ka carnaval no nankalazana azy teto antananarivo! tsy fahita moa izy ity ka tena nahalina tokoa ny nijery azy! tsy tsaroana intsony ny fitohanan'ny fiara io tontolo ny asabotsy io!

Mbola maro moa ny fety aman-danonana hotanterahana @ izao fetim-pirenena izao! anisan'izany ohatra ny seho sehatra lehibe ataon'ny tarika Iraimbilanja (Raimbla) @ 25 jiona 2008 ao antsahamanitra. Efa ela ny tarika no tsy niaka-tsehatra ka inoana fa ho faly ireo mpankafia azy @ izao fiverenany izao indray.

Feno entana sinoa kosa ny tanana ankehitriny! ary ny tena mampalahelo dia tsy hita firy intsony ny arendrina taratasy izay tsorina fa tian'ny ankizy tokoa fahiny, indrindra ireo zavavy kely ary jiro kapoaka ny fitondranay t@ izany! nifaly ery nifampitaona ny hanao arendrina ny ankizy rehetra tsy anavahana na iza na iza fa na ny ankizy fiadina aza dia mpinamana be @ io andro iray io! ny tsipoapoaka vita @ bougie sy ny vanjan'afokasoka moa dia eny an-tanana ihany!!! Fahiny tokoa izany. Izao mantsy dia itony karazana jiro kely maroloko itony no mameno ny tsena, tsy hita izay endriny fa dia jiro kely mande @ "pile" sisa no ho lalaovina zany @ 25 jiona alina.

Hatramin'izao koa dia mbola tsy hay na hisy ny afomanga na tsia, fa ny hita ao anaty ny fandaharam-potoana aloa dia tsy misy izany afomanga izany! efa tsy hahita matso izany dia mbola tsy ahia afomanga ihany koa, tena maivana tokoa izany fety izany ny vola rahateo tsy misy.

Vaovao farany kosa dia Voantendry ho Minisitrin'ny fanatanjahatena Ingahy Jean louis Robinson ary Paul Richard Ralainirina kosa no Minisitrin'ny Fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakavina.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)