Lasan'ny Espana Ny Amboara!

news2dago 30 Jiona, 2008 08:13 Finoana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia arabaina izany ry zareo espaniola fa nahazo ny amboara ny eoropa 2008, maro moa ny malagasy no mankafy ity ekipa iray ity ary mba mampitahy ihany koa @ mpilalao malagasy ihany koa oe mila manana mpamono baolina ohatran'i torres iny ny barea dia azo antoka fa mba mety hanao can ihany indray andro any.

Totosa soa aman-tsara omaly alahady 29 jiona ihany koa ny nametrahana ny eveka Ranarivelo ho evekan'ny diosesin'antananarivo eo @ finoana anglikanina. Mbola hiverina any afrika atsimo moa i Mgr Ranarivelo @ 6 jiolay ho avy izao ary avy eo dia hanatrika ny Kongresy lehibe any Lambeth any Londre @ ity volana jiolay ity. Nanatrika izany moa ny Filoha malagasy Marc Ravalomanana ary maniry ny tenany ny hitohizan'ny fiara-miasa eo @ fiangonana sy ny fanjakana.

Lasa niazo an'i Ejypta any Sinay Charm el sheik kosa ny tenany avy eo hanatrika ny fivorim-be faratampony ny firenena afrikanina ary hanaony sonia ny handraisan'i madagasikara ny fivorina lehibe @ taona 2009. Maro moa ny zavatra ho dinihina any toy ny fandriam-pahalemana sy ny fahatrana mihatra @ i afrika ary indrindra ny disadisa misy any zimbaboe.

jereo koa eto

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)