Ny Didy Folo No Voan-Dalana Omeko Anareo

news2dago 31 Jolay, 2008 11:53 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga omaly alina ny Filoha ary nitondra ny dika mitovy @ ireo vato fisaka anakiroa misy ny didy folo! dia mila manaja an'io didy io ny rehetra fa tsy atao haingo trano fotsiny. Na ny mpitondra na ny vahoaka dia samy tokony hahay hanaja izany. Lol

Resy indray ny Barea omaly resiny Mambas Mozambikana t@ isa 2 no 1 teo @ lalao manasa-dalana @ Cosafa cup. Tapitra hatreo indray aloha ny aminy iny izany. Ny mahagaga ahy dia rehefa tsy miraharaha izay vokatra aho dia mandresy ry zalahy fa rehefa manadihady sy mikaroka ny vokatra kosa aho dia resy foana ny Barea. Asa ianareo raha mba mitovy amiko?

Vita androany koa ny fanadinana Bac ka hanala azy izany manomboka rahariva. Miandry ny vokatra sy ny valiny avy eo. Ary eo koa no manomboka ilay safidy henjana indrindra @ fiainana satria io no antoky ny ho avy! mahereza ry zalahy.

Tapaka matetika kosa ny jiro tato ato izay ka asa na fiverenana @ delestazy izy ity na kosa misy fanamboarana atao any @ Jirama any. Enga anie ka mba ito farany fa raha ny delestazy no hiverina dia ho sahirana indray ny vahoaka.

Jereo koa eto


Vaovao Manodidina Ny Lalao Olimpika

news2dago 30 Jolay, 2008 07:39 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fanamby lehibe nomen'ny filoha ny repoblika moa t@ lalao ny nosy ilay fandehanana makany Beijing. Dia maro ireo atileta nahazo ny medaily volamena no hivahiny any Beijing efa tomombana any @ 75% ny ho entimanana sy ny fikarakarana ity valisoa ho an'ireo atileta malagasy ireo, marina tokoa mantsy fa niaro ny voninahim-pirenena ry zareo t@ iny lalao ny nosy iny. Ny resaka mandeha kosa anefa etsy andanin'izay dia ireo mpanazatra namolavola ny atileta sy nanome ny toromarika sy ny tetika matipaika hazoana fandresena dia tsy ao anaty lisitra ka maneho ny alahelony ry zareo fa tsy mba hijery ny lalao olimpika any Beijing. Hinoana fa efa ren'ny minisitera mpihay izany fitarainana izany.

Androany kosa ny lalao manasa-dalana eo @ lalao ny castel cup atsy Afrika atsimo ka miandry ny vokatra ataon'ny Barea indray ny malagasy tia baolina kitra, ary mba manantena vokatra tsara isika @ izay. Manodidina ny 200.000.000 Fmg any moa ny vola azon'ny ekipa mandresy @ ity lalao ity.

Mivahiny any Gabon kosa ny filoha Ravalomanana ankehitriny ary mety handalo any @ Kadhafi Libia izy avy eo. Manodidina ny fivorim-be ny afrikanina @ taona ho avy moa no tena ho dinihina any Libia, fa ny resaka ASECNA kosa no tena antondia any Gabon. Somary nahagaga ny maro ihany koa ny naheno ny tenin'ny Filoha oe mbola tsy misy vola an-tanana mihitsy izao hanatanterahana ny MAP. Ny hirarina moa dia ny hialan'ny malagasy maro @ ity fahatrana mahazo ity.   

Jereo koa eto


76777 No Isan'ny Mpanala Bac

news2dago 28 Jolay, 2008 08:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tonga tokoa ity ilay androm-panadinana ho an'ireo mpanala Bac ny taranja filôzôfia moa no adinina @ andro voalohany. Mirary soa ho an'ny ankizy mpiadina rehetra. Efa nivaly t@ asabotsy hifoha alahady kosa ny Bepc ary manodidina ny 49% eo no taham-pahafahana t@ izany. Miarahaba ireo afaka ary mampahery hatrany an'ireo tsy afaka kosa, mila miomana tsara indray @ taom-pianarana manaraka fa mbola misy izany ny lesoka.

Nifarana t@ asabotsy teo koa ny fifaninana lalao mm's tournement ka norombahan'i Andritiana efa tompon-daka t@ taona lasa ihany ny amboara t@ ity indray maka ity. Azo ambara fa tena havanana ny lehilahy @ lalao PES 2008 satria dia tena sahirana tokoa ireo nifaninana t@. Miandry ny lalao kitram-pokotany indray izany izao ny kilonga efa miala sasatra izay hanomboka @ 2 aogositra ho avy izao.

I Nina sy ny street fighters kosa no nahazo ny amboara teo @ fifaninana tecktonik. Na ilay dihy malaza ataon'ny tanora ankehitriny. Raha mijery an'ity dihy ity moa ka tsy asiana feo ny fahitalavitra dia tena sanatria ohatra ny mahita olona voan'ny ramanenjana ireny. LOL, samy manana ny vanom-potoanany moa ny dihy rehetra ny anay zao dia ny smurf sy ny breakdance no nalaza. Taloha tokoa izany.

Tafakatra eo @ dingan'ny manasan-dalana kosa ny Barea ny Madagasikara eo @ lalao cosafa castel cup! lalao atao any Afrika atsimo naharesy an'i Angola t@ isa 1 no 0 moa izy t@ ampahefa-dalana ary hidona @ i Mambas Mozambika indray. Mety mba hamaly bontana kosa angamba ireto omby masika ireto androany. 

Jereo koa eto


Mampatahotra Ny Lozam-Pifamoivoizana!

news2dago 26 Jolay, 2008 08:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kamiao be anakiroa omaly no nanapaka ny lalana RN4 vokatry ny loza naterakin'ny tsy fitandremana. Voalaza mantsy fa nifanenjika ireto kamiao anakiroa ireto ka izao niteraka fitohanana sy lalana tapaka izao soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahavoazana ara materialy no betsaka! tao ny rava trano ny kamioa moa potika tanteraka ny Kaontenera nentina nidoboka sy nitsivalana teo @ arabe. Ny Kamiao iray moa dia nidofotra tetsy Antanety Ambohimanarina ary nifaoka trano anakitelo ny faharoa kosa dia teo @ ilay fidinana Ambodimita ary nifatratra tany @ tranon'olona ihany koa! soa fa niandry faty ireto tompotrano ka tsy nisy tao fa raha tsy izay angamba dia faty nikararana no hita.

Nisy olona maty hita natsingevan'ny rano indray tetsy @ ilay lakan-drano etsy Andraharo mbola eny @ iny faritra Ambohimanarina iny ihany no niseho ny tantara. Vehivavy lehibe ilay izy ary mbola teny ankodiny daholo ny fitafiny rehetra. Ity rano ity moa dia ahitana ohatr'izao foana rehefa miditra ny rano. Mbola misitery ny antony nahafaty ity olona ity fa ny tena nampahonena dia ny tsy fikarakaran'ny Kaominina ny razana. Ireny Kamiao be mpitaona fako ireny mantsy no nakana ilay faty!!! ary onena daholo izay sendra nandalo sy nahita ity tranga ity omaly oe sanatria ve efa fatim-biby no dia atao ohatr'izao. Toy izao koa mantsy hono no nanaovana ireo enin-dahy maty teny Ivato herinandro lasa izay. Mba tokony jeren'ny tompon'andraikitra akaiky ihany ny ohatr'izao.

Efadahy mpikambana sy mpikarakara Rallye ao @ FMMSAM no indray maty tsy tra-drano tany Ilempona Antsirabe raha nisava ny lalana kasaina hanaovana ny fifaninana ao aorina kely ao. Rehefa ho avy moa ny loza tsy mba mampilaza. Dia bangana indray izany ny tontolon'ny fanatanjahatena. Vokatrin'ny fandehanana mafy moa no tena nahatonga ny loza ary tsy teny @ lalam-pirenena akory no nitranga fa tany @ route secondaire ary voalaza fa tsy tafiditra tao anaty tetezana ilay 4x4 netin'izy efadahy ka izay no tena nahatonga izao loza izao.

Hivadika lafim-baovao hafa kosa tanteraka aho aloha fa efa ho lava izany zavatra mampalahelo notataraiko teo izay. Dia ny lafin'ny toetrandro izany, diso fanantenana tanteraka mantsy ny olona mpanao vakansy any Toamasina ankehitriny fa tsy misy masoandro mihiratra mihitsy fa dia orabe mikija foana izay efa ho herin'andro izao. Ka asakasak'izay mbola te handeha any aloha.

Jereo koa eto   


Atao Fitadivam-Bola Ny Mpianatra Manala BAC

news2dago 24 Jolay, 2008 09:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy misy hetsika afatsy fanentanana ny ankizy mpanala BAC hanala azy ankehitriny ao @ onjam-peo sy ny fahitalavitra. Izany no tena oe tsy mivoaka ny ala akory dia efa misihoka. Asa zao raha mba hifantoka tsara @ fanadinana ireto ankizy mpianatra ireto na tsia fa dia tena mahonena ny maheno ireo dokam-barotra. Eo ohatra ny manala azy vita bac miaraka @ Olombelona Ricky iray izay, ny faharoa dia ny dihy techtonik mandramaraina, ny fahatelo dia ny smile party eny ankorondrano, ary farany dia Tovo jhay. Ny mahalasa ny saiko fotsiny dia ny oe fa heverin-dry zalahy manambola be ary ireto ankizy cibler-ny ireto!!! sady avy eo dia hanaonao foana any satria hivoaka alina koa, misy azy ny raiamandreny raha mba afaka moa maninona fa raha sanatria tsy afaka no tena voa mafy. Tokony mba hieritreritra ihany ny mpikarakara lanonana fa diso tia tena loatra.

Manaraka izay dia nodimandry t@ alahady 20 jiolay teo i Rabenahy Paul izy moa dia mpampianatra physique chimie no sady maitre de conférence eny ankatso tao @ sampana science, ary nampianatra tao @ acem. Mety misy mahafantatra azy ihany ny akamaron'ny mpianatra nanao cours tao @ Acem. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankavina isika.

Marary mafy eny @ réanimation eny Ilafy kosa ny filoha ny Leader Fanilo Herizo Razafimahaleo. Avy nodidina moa ny lehilahy ka tsy nahatsiaro tena intsona na oe etat comateux izy izany ankehitriny. Ity vaovao ity moa dia navokan'ny gazety mpiseho isan'andro iray eto madagasikara.

Mbola mahalasa saina ihany koa ireo zavatra boribory maro hita tao Manakara. Ary lasa resaka be mihitsy ao @ radio sy ny tele satria dia ny mponina no nahia ireo zavatra ireo. Ny filoha moa dia niteny oe misy manao trafika na fitaovam-piadina eto. efa misy mafia zany eto amintsika ka ahina ny fifandonana @ fisamborana ireo atidoha manao io trafika io.

Jereo koa eto 


Fandrindram-Piterahana Mety Hahomby Ve?

news2dago 22 Jolay, 2008 08:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ady @ hamaron'ny zaza teraka ankehitriny no fanamby omen'ny fitondrana ka mila arindra ny fiainam-pianakavina. Tsy vitsy mantsy ny fianakavina malagasy no mbola mihaotra ny zaza enina ao an-trano kanefa ny vola raisina tsy mahatoraka ny vola mivoaka @ famelomana. Mbola marikin'ny fahatrana ihany koa moa ny hamaron'ny zaza teraka. Tsy dia hita kosa anefa ny tena politika tena matipaika hiadina @ izy ity fa toa resaka ambony latabatra fotsiny no betsaka. Ka ireo mipetraka ety ambonivohitra sy misy ny serasera no tena madaitra fa ireo tambanivohitra kosa tena mbola lavitra ny asa. Eo ihany koa ilay soatoavina malagasy izay mahamenatra ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo @ olona tsy fantatra sy eo @ ray aman-dreny sy zanaka.

Nambaran'ny filoham-pirenena kosa fa misy orinasa lehibe manao trafika na basy eto Madagasikara. Mampitandrina ny tenany fa tsy hitsitsitsitsy izay tratra @ izy ity. Nisy sary maromaro moa nasehony t@ izany ho porofo @ fisin'ilay trafika. Midadasika ny morotsiraka ary tsy azo lavina fa sarotra ny fanaraha-maso ny morotsiraka fa ilaina ny fiara-miasa @ vahoaka izany vao mety ho vita. 

Mafotaka kosa ny lalao MMS tournement ao @ fahitalavitra MBS. Izy ity moa dia lalao @ PS2 ka lalao ady baolina kitra no atao ilay PES2008. Tena kinga tokoa ireo kilonga kely ary tsy diso anjara ihany koa ireo lehibe milalao sy manaraka azy ity. Ny tena moa mba milalao ihany fa eto @ solosaina eto ihany no mikatroka fa tsy sahy mifanejana @ ireo kilonga ireo satria azo antoka fa resy bobaka be ka aleo manaja tena. Ho tanterina miandalana eto ihany moa izay mety handrombaka ity lalao ity.

Nisondrotra omaly indray kosa ny vidin-tsolika ary 3100 Ar izy ankehitriny raha 2970 Ar teo aloha ny gazoala kosa dia 2980 Ar. Dia miaritra izay hiafarany eto moa ny rehetra fa hiteny inona intsony moa. Ny shell ihany no hany mbola nitazona ny vidiny taloha.

Jereo koa eto


Vazaha Taratasy

news2dago 21 Jolay, 2008 14:13 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia lasa vazaha hono ilay mpihira malaza malagasy izay! tsy iza io fa i Rossy nahazo ny zo-pirenena frantsay mantsy ny lehilahy mba hanamora kokoa ny asany no nanaovany izao fangatahana izao. Dia hoy aho oe mba miangatra kosa ny vazaha izany an! Firifiry moa ny malagasy maniry sy mangataka an'io fa tsy mba mahazo i Rossy anefa taona vitsy monja no nipetrahany tany an-dafy tany dia efa nahazo. Maro tokoa hono ny tombotsoa azo rehefa mizaka ny zo-pirenena frantsay ny olona iray!!! dia "tsy mbô za tsy mbô za marina mafy io raha mbô za" no hangataka zo-pirenena frantsay izany.

Tsy mahataitra ny mpitantana ao @ airmad kosa ny fialan'ireo mpanamory marobe lasa any @ quatar airways, any ry zalahy mantsy tonga dia vola be 22.000$ ny karama ambany indrindra raisiny, efa any @ 264.000$ any izany no vola raisina heri-taona. @ io ny tany rehetra voatety tsy andoavam-bola na ny ariary aza! Io ilay lazaiko foana oe ny harena mila vitana. Ny mampalahelo dia ny mahay ihany no miala sy mitsoaka any ivelany any. Dia ny valala mpiandry fasana no sisa eto.

Roalahy niady kosa ary nifanaiki-molotra ry zalahy. Niala tanteraka ny molotra ambany ny iray t@ izy mitsam voatery naidira hopitaly moa ranamana t@ izany. Angamba kosa izy io banga ka tsy nahavita nanaikitra tsara ka izao voa mafy izao. Sambany kosa aho vao naheno oe lehilahy miady ka mifanaikitra molotra izany.   

Jereo koa eto


Miarahaba Ny RDJ 96.6Mhz

news2dago 19 Jolay, 2008 08:26 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Feno dimy taona sahady ny Radio Des Jeunes ary nomarihana androany ny fankalazana izany. Ity radio ity moa dia voalaza fa radio akaikin'ny tanora ary efa mahazo ny toerana mihitsy raha eo @ sehatrin'ny haino aman-jery eto @ tanana. Izy ihany koa no radio mandefa mivantana ny fandaharany @ aterineto @ alalan'ny webradio izany. Mirary soa ho azy isika toy ny fanao moa dia ny oe ho tonga ny tsingeringerina hatrany. LOL!!! Mba faniriko ihany koa ny hanorina radio toy itony fa mbola miandry sosy kely aloha ny tena fa ny hevitra efa maty paika daholo.

Natsangana indray izany ivon-toerana misahana ny fitsikilovana ny vola miditra sy mivoaka ao am-paosin'ny tsirairay. SAMIFIN moa no anaran'ity ivon-toerana iray ity ary fitaovana arifomba avokoa no ampiasaina ao. Mpiasa eo @ 11 eo no miasa ao @ izao fanombohana ny asa izao. Voalaza moa fa fantatra ao daholo ny vola mihodina eto Madagasikara. Natao moa izao ny mba hiadivana @ fisin'ny fanadiovana vola maloto eto Madagasikara.

Mamirifiry izay tsy izy kosa ny hatsika eto Antananarivo ary manodidina ny 5°C any ho any ny marimpana voaray ary mety efa any @ 0°C ny any Antsirabe. Navoaka daholo moa ny akanjo mafana rehetra iadina @ hatsika. Mety hiakatra indray ny sahalan'isa eo @ zaza teraka @ taona ho avy io. LOL

Hanomboka @ alatsinainy 28 jiolay ho avy izao kosa ny fanadinana Bac ka mirary soa @ ireo zandry kely hanala io fanadinana io. 

Jereo koa eto


SoAbika Na Bigest Loser Gasy

news2dago 15 Jolay, 2008 07:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mahazo vahana mihitsy itony tele realité itony eo @ ireo fahitalavitra malagasy ankehitriny. Efa tsy vaovao @tsika intsony ohatra ny fandaharana Pazapa izay isany nisantatra itony tele realité itony teto Madagasikara. Izy io moa dia fifaninanana mihira ka ny mpijery no mifidy izay tiany hahazo ny vola be Roapolo tapitrisa Ariary @ farany tsy mahagaga raha roboka daholo izao bodo sy adala rehetra izao! LoL ialantsiny @ teny somary hejakenjana, satria dia fafinaretana ho an'ny mpikarakara ny mampiseho ireo olona miteniteny foana @ tonon-kira tsy fantatra na teny inona na teny inona. Mety misy ny tsy nianatra nandray anjara @ izy itony kanefa eo koa ny sasany tena tsy ampoizina mihitsy oe olona ohatr'izao ihany ve kanefa dia tena miteniteny foana ohatr'izany. Asakasak'izay mbola tsy tonga saina ihany @ ity fandaharana iray ity aloha e.

Avelako eo ny @ iny satria samy manana ny safidiny ny olona ka tsy azontsika sakanana @ izay tiany akory. Dia hanomboka tsy ho ela koa ny fifaninana hanahia tena ampahibemaso satria dia andeha mivantana eo @ fahitalavitra eo izany ny fikotsanana!!! sy ny fifadina hanina ho an'ireto tovovavy sy ramatoa bota be miisa 500 be izao, samy mba te hahazo bika hono izany angaha ny "motivation" tena nanaovan'ny ankamaron'ireo mpifaninana ireo. Dia tena karazany tokoa moa izany ao ny botrefona fohy kely eo ny trozona lavabe eo ny katavy tsy hoby varavarana!!! Dia hisy azy indray ny hijery an'ity fifaninana ity ka na dia mangalatahaka ilay "Bigest loser" atao any ivelany any aza.

Mbola maro moa ny tele realité ataon'ny vazaha ho an'ireo fahitalavitra hafa tsy mbola mamoaka ny azy eo ny "Fear Factor" eo koa ny "Bachelor" eo koa ny "triumph" sy ny sisa ka miakina @ fahavonona ny tsirairay sisa izay dia hijery foana aloa sady ny fialam-boly tsy misy firy eto @ tanana. Ny fandehanana any @ vakansa moa efa iarahana mahalala fa henjana nohon'ny lasantsy tsy takabidy no sady faritra mena daholo ny lalam-pirenena satria misy manakan-dalana any ankodahoda any.

Jereo koa eto

 


Sambo Kely Tsy Hitapopoka

news2dago 14 Jolay, 2008 13:04 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rendrika ity sambo kely antsoina oe tropicana II ity izay nitondra mpizahatany thailandé 9 ary mpanamory sy tatsambo malagasy 4. Tsy hita tao @ tanjon'i masoala moa io sambo kely io ny zoma lasa teo. Ary tao aorinan'ny ny fikarohana dia voalaza fa velona ireo malagasy 2 fa ny olona 12 hafa kosa mbola tsy hitapopoka h@ izao.

Mikorotana kosa ny mpivarotra amoron-dalana izay henjehin'ny mpiasa ao @ fivondronana io maraina io raha ny filazan'ny radio tsy miankina iray izay tsy mbola fantatra marina moa izay tena zavatra mitranga marina ao fa ny fantatra fotsiny dia oe mbola tsy milamina ity resaka varotra amoron-dalana ity h@ izao.

Mbola tsy milamina ihany koa ny eny @ gara routiere Ampasapito satria dia tsy nanaiky ny fandaminana ataon'ny kaominina ny koperativa kopima. Milaza ho maty antoka moa itsy farany satria tsy maintsy miandry tour vao afaka mianga kanefa manana fiara maro ry zareo. mbola hita ihany koa zany ny tsy fahaizan'ny ben'ny tanana mandamina eto.

Misy azy kosa ireo tariby na telefonina an'ny Telma fa dia lasibatr'ireo tsy valahara mpangalatra toy izany koa ny tariby ny jirama, itsy farany moa dia tsy asina teny intsony satria dia misy foana ny fahaverezany ary kilometatra maromaro mihitsy no alain'ny mpangalatra @ izany.

Jereo koa eto

 


SoiréE Bleu-Blanc-Rouge!!!

news2dago 12 Jolay, 2008 07:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nandeha be ny resaka oe hanao bal populaire etsy Andavamamba ny frantsay @ fankalazana ny 14 jiolay. Fetiny moa io tsy atao mahagaga izany izay ankalazany azy any tsy mampaninona fa ny faneligelenana ny hafa kosa no mila tandremana. Heno mantsy fa oe ho tapahana ny lalana manoloana ny Alliance française io @ alatsinainy ka asa izay mba ho fihetsika ataon'ny kaominina @ izany.

Ho raisina @ fomba manetriketrika eny Iavoloha kosaireo 11 mianadahy nahavita ny fianarany tany amerika. Ny filoha ny repoblika moa no nanome vatsim-pianarana ho azy ireo ka rariny raha mba manome voninahitra kely azy ireto mpianatra tao aorinan'ny nahavitany ny fianarany. Misy @ ireto ankizy ireto moa ny mbola hanohy ny fianarany any @ benkitana ihany hamita ny Masters sy ny Phd. Eo ihany koa anefa ireo nisafidy ny hijanona eto an-tanindrazana @ izay.

Fisolokiana kosa no tena marina t@ ilay resaka fivohahan'ny laza adina bepc tany mahajanga satria dia laza adina t@ examen blanc no natao photocopie ary naparitaka eran'ny tanana mba hanosoram-potaka ireo mpikarakara ny fanadinana. Efa mandeha moa ny famotorana @ izao fotoana izao. Ny irarina dia ny hizoran'ny fanadinana ara-panjakana manaraka ampilaminana sy ao anatin'ny fahamarinana.

Mangigina kosa ny tontolo ny blaogy ankehitriny satria tena efa ao anatin'ny fialan-tsasatra ny ankamaron'ny fianakaviana. Ny hilazako an'izany dia ny olona mamela hafatra sy ireo lahatsoratra vaovao miseho. Mirary fialan-tsasatra mamy ho antsika rehetra. Tandremo sao dia mahazo loko laotra ary. LOL!!! 

Jereo koa eto 


Loza Nahatsiravina Teny Ivato (Updated)

news2dago 11 Jolay, 2008 07:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Namoizana ain'olona 6 be izao ny atadrevaka nataon'ny orinasa iray nisahana ny fandrodanana ny trano tao @ tobin'ny BANI teny Ivato. Ity fandrodanana ity moa dia ao anatin'ny fanitarana ny seranana karakarain'ny Adema. Manjavozavo be ihany moa ny zavatra tena niseho fa ny heno fotsiny dia ny oe tsy mbola nahazo fankatoavana t@ ireo manampahaizana ireo mpiasa nadrodana ilay trano fa avy kosa dia nanatsofa ny andry ampovon'ilay trano ka io no nampirodana avy hatrany ilay tafo ary nanototra ireo mpiasa 6 tao. Voalaza moa fa maty tsy tra-drano avokoa izy ireo.

Hamonjy ny asany any Geneve kosa ny ambasadoaro vaovao Rajemison ka nanao veloma sy nangataka tso-drano tany @ praiminisitra ny tenany omaly. Marihina moa fa @ alahady ho avy izao izy no hanainga.

Tsara karakara tokoa ireo kambana siamois Mahagaga sy Mahalatsa ary nalefa ao @ Pavillon Sainte Fleur moa izy ireo satria ao no misy ny fitaovana arifomba sy mpampivelona manana ny traikefa momba ny fikarakarana ny zaza teraka. Nitsidika azy miralahy moa ny manampahefana ao @ minisitera ny fahasalamana ka nanome ireo kojakoja kely ilain'ny zazakely. 

Jereo koa eto


Mahamenatra Ve Ny Tsy Fahaizana Teny Vahiny?

news2dago 10 Jolay, 2008 09:19 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena vaka ny saiko nahita ireo matoan-dahatsoratra an-gazety mivoaka isan'andro milazalaza ny fiverenan'ny fanagasina indray any @ ireo sekoly ambaratonga fototra. Ny tena moa niaina mihitsy t@ izany andron'ny fanagasina izany kanefa toa mba nahavita fianarana ihany taty aorina, koa tsy dia hitako laotra izay mahalasa resabe azy ity ankehitriny. Ny tena marina dia hitsikerana hatrany ny fomba hitondran'ny mpitondra ankehitriny izy ity ka lasa resaka politika hatrany. Toy ny oe potika ny ankizy malagasy @ fanagasina sy ny sisa. Amiko manokana dia lasa anavahana ny toerana misy eo @ fiarahamonina ny resaka fanagasina ankehitriny satria mahantra ara-toetsaina ny malagasy ka lasa tsy tia ny azy intsony.

Menatra mantsy ny malagasy raha tsy mahafehy ny teny vahiny indrindra raha mandiso ny rafitra sy ny fitsipika @ io teny io noho ny mandiso ny fitsipika sasany @ fanoratana ny teny malagasy. Izaho zao dia anisany faly mihitsy mahita ireo namana mpiblaogy namana manitsy hatrany ny tsipelina disoiko eto @ ity blaogy ity midika izany fa mbola misy ihany ireo tia ny teny malagasy ka sarotiny @ izy io. Indrisy anefa fa marary io teny io ankehitriny satria dia atao ankilabao, tsy mahagaga raha ho simba io afaka taona vitsy ao aoriana ao.

Saika lasa adim-poko kosa ny disadisa ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina. Soa ihany fa niravina ihany ny ady teo @ ireo zanak'avaratra sy ny zanak'i Toliara tao aorinan'ny fanelanelanana nataon'ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Ny mahalasa saina kely fotsiny dia azon'ireo indray ity maka maka takalon'aina ity ary saika nodoran'izy ireo t@ lasantsy moa ilay azo takalon'aina!!! dia ny olona toy ireny ve dia mba mendrika ny hahazo diplaoma sy hanana ny toerana eo @ fiara-monina. Sao dia mba tokony ho sazina mafy kosa fa tsy any Iraka na any Gaza akory eto Madagasikara.

Vita soamatsara kosa ny fanadinana BEPC ary nilamina ny fizotran'ny fanadinana @ akapobeany. @ 28 jiolay kosa ireo zokiny no hanala ny BAC! koa mirary soa sy fahombiazana hatrany ho an'ireo zandry kely ireo ny tena. Maniry kosa anefa fa mba tsy ho simba ny fankana an-keriny rehefa tonga eny @ anjely manontolo fa mba hianatra, hianatra tsara, hianatra mafy...LOL ianareo no tompon'ny taona 2000! eee fahiny tokoa izany.

Jereo koa eto%


Nodimandry Hono I Ndoundoulah!!!

news2dago 08 Jolay, 2008 07:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hatairana ny naheno ity feo nandeha androany maraina t@ nahenoiko radio iray teto andrenivohitra oe maty hono i ndoundoulah!!! ilay mpihira malaza tsy izy ovina @ isika @ izao fotoana izao satria dia ao anatin'ny lazany tokoa ankehitriny indrindra eo @ gadon-kira mihetsika! kay tsy izy akory no lasa fa ny rainy. Koa dia mirary fihononana ho an'ny fianankavina isika mpiblaogy.

Misy mikasa hifofo kosa ny ain'ny filoham-pirenena ankehitriny ka dia nohamafisina izay tsy izy ny fiarovana azy! voamarika izany t@ matso lehibe teo mahamasina fa dia tena mirongo fiadiana mahery vaika avokoa ireo mpiambina. Sihon-dresaka moa no heno oe olona any ivelany any no mikasa hanao ny asa ratsy ka mila mailo hatrany ny tenany. Tsy mahagaga moa izany satria dia efa azo porofo izao fa misy ny solika eto madagasikara. Ka azo antoka fa ny firenena vaventy ihany no mikasa hisompatra an-dramalagasy.

Ampandoavina vola ihany izany ireo fiara miantsona eny antaninarenina ary ny CUA no misahana ny fikirakirana ny vola azo avy @izany!!! marihina anefa fa notsikeraina izay tsy izy ny fomba fiasan'ny teo aloha ny @ ireo fiara niatsona tetsy analakely t@ fotoan'andro. Mivadibadin-dela foana izany ny mpitondra ny tanana ankehitriny. Tsy mahagaga izany satria vao mianadraharaha ry zareo no sady ny akamaron'ireo lohadohany ao @ CUA dia efa fantatra t@ laza ratsy fahiny. hangarahara ary ve ny fitantanana sa mbola hokobonina toy ny teo aloa ihany ny vola ampiasaina ao?

Jereo koa eto


Enimbolana Niasana Nisy Asa Vita Ve?

news2dago 07 Jolay, 2008 08:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miova andriana hono miova sata ary tokony hiova ny fomba fiasa! dradradraina moa t@ ny fampielezan-kevitra oe tsy nahavita azy rafaly nadritra ny 8 volana kanefa izao toa ny asa vitany rehetra aza noravaina avokoa. Rava ny zaridaina tetsy @ 13 mai, ny tetsy antanimbarinandriana ary ny tetsy andohalo. Lazaina moa fa tonga ny asa dia atomboka nony injay simba ny zavatra tsy misy vola akory kay eny an-tanana. Mahagaga mihitsy ny zavamisy ankehitriny eo @ fitantanana ny tanana ary alaim-panahy aza ny tena hiteny oe sao mba lolom-po kosa no mimbahana ao an-tsaina! ka andrava ny efa vita no tena tanjona sy hamafa ny dian-tanan'ny teo aloha.

Voalaza mantsy t@ fotoan'andro fa voasakan-tsakana ny asa ny Injet sy ny Domapub mety misy angamba izany @ izao dia lasan'ny Injet avokoa ny dokam-barotra ao @ fivondronana nitombo isa ny isan'ny takelaby vaventy ary saika feno ny dokam-barotra ataon'ny Telma ny andrin'ny tsatokana telephone  zay mazava ho azy fa ny orinasa Injet no nanao azy!

Ny tiako antongavana dia ny oe! mahagaga raha tsy ho tia tena ny olona satria ny azy ihany aloa no mahamaika fa ny mpifidy sy ny vahoaka ambin-javatra hatrany. Izao manjaka ny gaboraraka tsy laizan intsony ny mpivarotra mivarotra eny @ izay tiany hivarotana ary tena saika ny lalana rehetra dia feno mpivarotra avokoa! tsy voafehy akory izany izireo aiza anefa ny tena nomena t@ fampielezan-kevitra! 

Etsy an-danin'izay dia hita fa atao izay hizaran'ny olona ny loko ny antoko TGV satria dia nolokoina manga sy loranjy ny gradin toy izany avokoa ny lokon'ny akanjon'ny mpiasan'ny fivondronana! inona no tena tanjony @ izao isika no aoka hieritreritra! Miala tsiny @ ireo izay mety ho tafitohina aloa fa izao dia ampy hitarafana ny toetran'ity ben'ny tanana vaovao ity oe! mitovy tsy misy valaka @ ingahy prezida ihany izy fa tsy hafa akory.

Vaovao hafa kosa dia natao tao avaratr'andohalo ny zoma lasa teo ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Dawily ilay mpanao tantara malaza fahiny tao @ radio madagasikara. Mitoetra hatrany moa ny tantara nolalaoviny hatramin'izay satria dia nahalina ny mpihaino ny manaraka ny tantara t@ radio fahiny.

Nanomboka androany kosa ny fanadinana BEPC ka mirary soa an'ireo zandry kely lahy sy vavay nanala io fanadinana io izahay tsara andro moa ry zareo satria dia antonony tsara ny marim-pana teto iarivo androany.

Jereo koa eto 


Lehilahy Mitondra Vohaka!!!

news2dago 04 Jolay, 2008 10:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mba nanaitra ahy ity vaovao hitako t@ fahitalavitra vahiny iray androany maraina ary hamafisin'ireo mpilaza vaovao an-tsoratra marobe any ivelany any! tsy fahita firy moa izy ity ka izay no mba nanoratako azy eto sy mba zaraiko anareo izay mbola tsy naheno ilay vaovao. Ny vehivavy ihany mantsy no mitondra vohaka sy bevoka izany fa ity kosa dia lehilahy no mitondra izany ary tena misy kibo mihitsy kanefa tsy misy nono fa dia tratran-dehilahy be no sady koa misy volom-bava ranamana!!!

Ny vaovao eto amintsika kosa dia ny fahatongavan'ny prezida avy any ejipta no malaza aloa "avy any @ tany masina mantsy hono izy ka dia lehibe tokoa ny finonay" hoy izy tetsy ivato! voatatitra tokoa mantsy fa nitsidika ny tendrombohitr'i sinay izy. Io ilay tendrombohitra manan-tantara eo @ kristianina sy ny zanak'israely. Ka dia tsy maintsy atao izay hampitolagaga ireo vahiny manakaja ho avy aty fa mahavita azy ny malagasy.

Mety hanao fanintsina ny governemanta kosa ny mpitondra ato ato ka ireo minisitra nijanona ela t@ toerany no mila ovaina toerana! etsy an-danin'izay kosa dia miandry ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro any algerie kosa ingahy Mahafaritsy Samuel ampodina kosa izany i Vola Dieudonné Razafindramiandra izay tompon'ny toerana h@ izao fotoana izao.

Jereo koa eto 

 


Fandidina Fo Ho Takatrin'ny Mahantra Ve?

news2dago 03 Jolay, 2008 09:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mirentirenty an-gazety ary saika matoatenim-baovao mihitsy ny nahavitan'ny clinique mahaleon-tena iray ny fandidina sy ny fanokafana fo, ary anisan'ny lehibe sy arifomba, indrindra eto madagasikara. Ny ezaka vita eo fisaboana aloa dia tsy asiko teny sy tsikera kely eto fa ny sarany sy ny vola ho lany ho an'ireo marary kosa no mba tiako tsindrina kely oe ho araka ve? satria mantsy efa mba be be ihany izany olona henoko niresaka oe tena tsy an-jaza ny mitsabo tena ao @ io clinique iray io satria dia volabe tokoa ny aloa ao rehefa ho didina! misy ary ny sasany toa tena nanaovana cabaret mihitsy hitadiavana vola handoavana ny saram-pitsabona satria tany @ 180.000.000 Fmg tany hono!!! no saran'ilay fandidina. Etsy an-danin'izay dia malaza koa ny feo mandeha oe rehefa misy mamangy ny marary dia mbola mandoa vola ihany koa ilay marary satria ireo mpamangy dia ampanaovina akanjo manokana mihitsy toy izany ny aro tanana sy ny aro tongotra ary aro vava!!! ny tena aloa mbola tsy nahita fa resaka mandeha no tanterina eto ka anjarantsika izay efa nandalo tao no manamafy na mandiso io tantitra henoko io.

Tsy mbola azo atao kosa ny fanasarahana ilay kambana "siamois" fa mbola osa ny fahasalamany @ izao fotoana izao! satria dia tsy ampy lanja ireo zaza ireo izy roa mitambatra no 3Kg mahery kely ka sarotra ny hanao ny fandidina ary mety hatahorana ny manao ilay fandidina raha tsy salama tsara ireo zaza. Na eo aza izany dia mirary fahasalamana ho azy isika.

Manomboka kosa ny Braderie ary efa tena zatra an'io moa ny mpijery sy ny mpanjifa ka dia mahasarika olona foana izy ity na dia atenatenam-potoana be aza. Asa na hisy fihenam-bidy ihany ny entana amidy ao na tsia? Ny azo antoka aloa dia ny mpisam no tsy maintsy hahazo laka ao satria be olona mivezivezy, tsy hanavahana moa io asa io fa t@ andihany farany teo ohatra dia zatovovavy 3 be izao no tratra tao.

I Noel Rakotondramboa kosa no voafidy ho prezida lefitra eo anivon'ny antenimeran-doholona izy moa dia tsiahivina fa nisolo ny toeran'iRajemison izay lasa ambasadaoro ao @ onu sy any soisa.

Jereo koa eto


Kambana Mirahalahy "Siamois" Ho Sarahana!

news2dago 01 Jolay, 2008 12:26 Finoana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mampalahelo no mahita ny sarin'ilay zaza kambana ary tena nikambana tokoa ny kibony. Sambany hono ny hanao izao fandidina izao ny ao @ HJRA ary mety ho voalohany eto afrika ihany koa anefa. Marihiny fa ny fanjakana malagasy no handray an-tanana ny lany @ io fandidina io. Dia mirary soa sy fahasalamana ho azy roalahy isika mpiblaogy ary mahatsiaro azy am-bavaka ihany koa ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra.

Lasa ambasadaoro any soisa kosa ingahy Rajemison! ary tonga dia tsy maintsy miasa zao dia izao hono raha mba nikasa ny hamarana ny fivorim-be ny senatera h@ farany ny tenany izay hifarana @ zoma izao. Mahagaga ihany ilay fihetsikin'ny minisitera ny raharaham-bahiny izay sady mpihay ny ambasadaoro no maniraka azy koa.

Mpanazatra alemana indray hono no hafarana hanazatra ny barea eo @ lafiny baolina fandaka!

Jereo koa eto


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)