Tonga Soa Fanilo

news2dago 25 Septambra, 2008 06:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity no lahatsoratra voalohany nosoratako ho an'i Fanilo zanako tongasoa teraka ny alatsinainy t@ 9h50 tao @ pavillon sainte fleur! Salama tsara ny reniny sy ny zanany na tsy maintsy nandalo fandidina aza ny reniny noho ny antony ara-pasalamana. Ny fanampin'anarana fanilo Haingotiana no nosafidinay mivady ho fiantso azy! faly ny tena ary tena misantatra izany oe mitaiza izany!

Efa nanomboka ny alahady no nakaty zao aho no tsy natory firy @ alina! ary mety tsy havaky ny hafatra apetrakareo aho zao satria mbola any @ hopitaly izahay h@ izao fa nikarakara kopia aty @ firaisana ho dia mizara ny hafalina eto @ tontolo ny blaogy aloha. LOL ! mando vola kely aty @ cyber tsy hita e!

izay aloha fa mandra-panoratra indray! dia misaotra mialoha @ firarintsoa valiko eo daholo rehefa tafody any an-trano izahay mandany fotoana lavalava aho!

 


Tiako Ianao Ry Teniko!

news2dago 20 Septambra, 2008 09:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsara levenana ny maty, voalevina omaly tokoa ny nofo mangatsikan'i Rado. Notron'ireo olona marobe toy ny olom-panjakana ny mpanankato ny mpikabary ary ny olotsotra marobe, tsy tambo isaina, izay nanamorona ny lalana niala teny Ankorondrano ka hatreny Faravohitra ary nifarana teny Anjanahary. Izany rehetra izany dia tao anatiny kopakopa tanana sy tehaka hatrany, miaraka @ ireo hira nosoratan'ity mpanakanto lasa nody ity.

Etsy an-danin'izay dia toa lasa zezika nampitsiry indray ny fitiavan'ny malagasy ny tenindrazany ity fahalasan'i Rado ity. Tsy hisy intsony mantsy ny sahy hanamavo ny olona mampiasa ny teny malagasy. Hita taratra t@ fitaizana nameon'i Rado ho an'ireo zanany izany. Nanaitra ahy tokoa mantsy ilay fanadaharana tao @ tvm izay nanoritroritra ny androm-piainany. Voalaza t@ izany ary fa ny zanany rehetra dia tsy mba miresaka @ teny vahiny rehefa miresaka. Anatra ho antsika taranaka aty afara izany, aiza ho aiza moa isika @ fitiavana azy ity. Ekeko mihitsy oe raha te hamolaka teny hafa dia tsy maintsy mampiasa azy aloha. Kanefa kosa mila mahay mandanja lanja ny tsirairay manoloana izany.

Kenda ihany koa aho raha namaky ny fikarohana nataona mpikaroka sy manampahaizana iray milaza fa @ taona 2050 any hoany hono dia tsy hisy intsony izany teny gasy mangarahara izany. Koa manoloana izany indrindra enga anie ka mba ho diso izany fikarohana vita izany, ialako tsiny @ ilay mpikaroka, no mampitsiry ny fanatenana ato anatiko oe misy antony ny nandaozan'i Rado antsika iny. Tsy maintsy hisy mantsy manomboka eto ny sehatra misy ny sangan'asany izay hahazo toerana bebe kokoa. Ary hanaitra ny ambompon'ny ankizy sy ny taranaka hifandimby ny hitondra izany fanilo izany.

Vaovao hafa kosa no hotanterina manaraka dia niovaoka ny didim-pitsarana ary voaeloka higadra asa anterivozona 10 taona sazy miatra i Rija Ramino zanak'i pasitera Ramino paul, izany moa dia eloka efa vitany tany @ taona 2004 tany ho any. Tena feno habibina tokoa raha ny filazan'ny gazety ny namonony ilay olona. Tena mafy ny mahazo ity Pasitera rainy ity.

Ankizy maro kosa no nitsindroka sy nihinanana yaourt à boire efa simba, ary voalaza moa fa maty mihitsy ilay ankizy 5 taona nihinana ity yaourt ity. jereo eto ny adininy misimisy momba izay.  

Jereo koa eto   


Fitadiavana Olona Tsy Hita.

news2dago 19 Septambra, 2008 08:31 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ireto indray ny vaovao tapatapany azoko zaraina @nareo androany. Nisy zaza vao teraka narina teny an-jaoridira  ka sendra mpandalo manam-panahy ka nitondra io zaza io teny @ mpitsabo mikambana omaly maraina ary velona soamatsara ilay zaza. Mitohy moa ny fikarohana mikasika io tranga iray io. Dia manontany tena oe efa nitondra azy 9 volana ihany ve? No sady efa nateraka, zay vao hanampakevitra ny hanary zanaka. Tena  adaladala mihitsy. Any zao anefa tena misy olona mitady zanaka mafy mihitsy kanefa dia tsy mahazo. Lakalaka mihitsy ity fiainana an-tany ity.

Resaka tropicana II ny manaraka. Nandritra ny andro vitsivitsy izao dia nisy izao fanambarana izao foana hitako an-gazety:"Izahay fianankavin'ireo taiwanais nandeha t@ sambo tropicana II dia milaza fa mbola tsy hita izy ireo h@ izao. Izay olona mahita azy ireo velona dia iangavina mba hiantso ny finday 033.17.815.74. Ny valisoa atolotray @ izany dia 200.000.000 fmg isaky ny olona velona hita. Marihina fa tazominay ho tsiambaratelo ny momba ireo olona izay manome vaovao." Midika zavatra maro izany fanambarana izany ary tena mino ireto fianankavina ireto oe mbola velona any ireo havany ireo. 

Atao veloma farany eny @ Fjkm trano vato Faravohitra kosa ny nofo mangatsika n'i Rado alohany hametrahana azy eny @ fasan-drazany eny Anjanahary. Marihina moa fa lany tsy misy intsony ny sangan'asa sy ny boky natonta rehetra nosoratan'i Rado eny @ mpivarom-boky rehetra. Hivalona tanteraka izany ny tantaram-piainany @ maha olona azy fa ny kanto sy ny asany kosa mitoetra mandrakariva ho antsika rehetra. 

Jereo koa eto 

 


Zaza Be Tangolaza!

news2dago 18 Septambra, 2008 07:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Milaza ny maro ankehitriny fa lasa resa-jaza ny ady ny cua sy ny governemanta. Ary tena marina izany satria mitovy tsy misy valaka @ ireny zaza be tatibolana manafitohana sy maha te hikapoka ireny. Vao misy zavatra kely mantsy dia manao valan-dresaka foana ireo mpikabana ao @ kabinetra ny kaominina. Maninona moa raha mitady vahaolana aloha vao mitatitra ny vaovao @ vahoaka. Fa tsy manao izao fanao ankehitriny izao.

Voalaza mantsy fa tsy nahazo solika ny CUA, raha tena nozohina ifotony anefa dia ny galana mihitsy no nanapa-kevitra hampiantona ny famatsina solika ireo tsy mpandoa vola. Tsy anavahana io na iza na iza ka ao anatiny ny kaominina fa lasa aiza indray ary ny vola sa dia ho lazaina indray oe ao anatiny ilay trosa h@ 1980 io ka tsy ho efainay intsony fa efa anjaran'ny fanjakana foibe ny mandoa izany.

Izay ny @ iny fa hivadika vaovao hafa mihitsy aho. Mampalahelo mantsy ny mahita ireto mponina etsy @ lalana digue iny fa nototofana ny ampahany @ tanimbary manamorina iny toerana iny. Voalaza moa fa natao amboletra izao fakana ny tanimbary izao. Vidin'ny fanjakana 10.000 Ar mantsy ny 1m toradroa ho an'ireo manana taratasy aradalana ary 5.000 Ariary kosa ho an'ireo tsy manana. Mahagaga ihany moa izao toe-javatra izao ary mandeha be ny resaka momba azy ity. Betsimitatatra moa no anisany mampiavaka an'Antananarivo satria sady mahavokatra no mamonjy ny mponina @ todradrano.

Anio no hiala ao an-tranony eny Ivato ny nofo mangatsika n'i Rado ary ho eny @ kianja mitafo eny Ankorondrano mba ho fiarahan'ny vahoaka miory @ fianankavina. Tsy dia tena mazava loatra moa izay tena marina @ ity fiandrasana ity eo ny milaza fa eny @ lapan'ny fanatanjahatena eny Mahamasina ny vaovao henoko farany anefa dia oe etsy Ankorondrano ka ho hita eo ihany izany rahariva oe aiza marina? 

Tokony hamonjy ny fivorina tsy ara-potoana any @ firenena mikambana any amerika kosa ny Filoha malagasy  kanefa noho izao nahafatesan'i Rado izao dia mety mbola hiova ny fandaharam-potonany. Marihina mantsy fa tena nandray anjara feno t@ fametrahana izao fitondrana izao i Rado ary tena nampietana ny tonon-kalo novetsoiny t@ izany fotoana izany "Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany".

jereo koa eto


Henin-Kaja Ny Maty Ary Omem-Boninahitra Ny Velona

news2dago 17 Septambra, 2008 07:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola mitana ny sain'ny maro ny nadaozan'i Rado ny malagasy mpiray tanindrazana aminy. Nahavita be tokoa izy teo @ fanandratana avo ny teny malagasy ary nataony rehareha tokoa izany. rariny loatra raha niondrika sy nitsapa alahelo ny fianankavina ny Filoha ny repoblika Marc Ravalomanana omaly hariva t@ enina ora. Ary niara nipetraka t@ fianankavina moa izy avy eo ary tsy niala teny raha tsy efa t@ 7 ora.

Samy maneho ny lahatsoratra momba azy avokoa moa ireo gazety miseho isan'andro rehetra ary ity ny matoan-dahatsoratra sedra mba tsikaritro: "saro-dimbiasana" hoy i taratra izay tena nanitikitika ny saiko tokoa. Dia tena nivalona tokoa moa izany ny asa soratra nataony sy ny fitandroana ny teny malagasy. Ankehitriny mantsy dia mba mikasa hemerina izany @ toerana misy azy ny mpitondra kanefa toa lalaovin'ny mpanao politika. Batina ery ny malagasy tsy hampiasa ny teniny lazaina hatrany fa mihemotra.

Saika takona daholo aloha ny vaovao hafa hatreto fa io ihany no tena mibahana ny toerana na izany aza misy ihany mba atolotro anereo toy ny fiakaran'ny vola malagasy raha sandaina @ $ sy ny € mbola ho tanteriko eto ihany ny vokatr'izany eo @ ireo orinasa afakaba izay tsy mijery afatsy ny tombotsoany manokana. Eo koa ny disadisa misy eo @ cua sy ny governemanta izay mitohy @ tsy fahazoana ny cua solika. Izay oharin'ireo mpanara-baovao toy ny zaza be tatibolana moa ny Cua @ izy ity.

Alaivo eto ny hira ho fatsiarovana an'i Rado

 


Lasa I Rado Poeta! (Updated)

news2dago 16 Septambra, 2008 05:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

T@ alahelo lehibe no nadrenesako t@ kiadaona maraina vao eo fa nodimandry i Rado. Very olomanga iray indray izany ny zavakanto malagasy. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavina isika mpiblaogy. Manome fanampim-baovao eo ihany rehefa mahazo.

Alaivo eto ny hira misy ny sangan'asany 


Aleo Asina 2éMe Session Indray Ny Bacc E!

news2dago 12 Septambra, 2008 12:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miditra ny mpianatra sahirana ny ray aman-dreny @ fisondrotana etsy sy eroa. Eo koa ireo mbola sasamiandry ny lisitra fanampiny @ bac izay hivoaka ato ato. Maro tokoa mantsy hono ireo ankizy tokony ho afaka kanefa dia tsy afaka satria tsy tafiditra tao anaty solosaina ny naoty sasany noho ny tandrevaka teo @ ireo mpandika ny naoty ao anaty solosaina! Loza anie zany re olona e! ny ho avy ny mpianatra iray manontolo no simba @ izany zavatra izany. Ary eto aho dia te hisarika ny saintsika oe tsy aleo ve averina ihany ny fihodinana faharoa eo @ ity bac ity e. Efa maro rahateo ireo sekoly ambony tsy miankina mila mpianatra vaovao sady misy tena ampy fitaovana izy ireny no azo antoka fa tsy hisy fitokonana toy ny eny Ankatso.

Nivoaka teny Iavoloha androany maraina ihany koa ireo mpampianatra 2719 nahavita fihofanana sy fianarana ka teo ambany fiahin'ny Filoha no natao izao famoahana azy ireo izany. Semban-drahona ihany anefa ity lanonana ity satria dia nisy mpampianatra 8 mianadahy niara-doza tany Mahanoro omaly maraina satria dia nivadika ny fiara mazda nitondra azy ireo. Tsy nisy aina nafoy akory fa ny ratra no betsaka. Saika hamonjy ilay lanonana eny Iavoloha mantsy izy ireo. 

Tsy totosa kosa ilay famoriana mpanao gazety saika ataon'ny ben'ny tanana omaly sy androany. Ny antony tsy nisin'ilay valan-dresaka aloha dia tsy mbola fantatra mihitsy satria iarahana mahalala fa tsy dia matotra tsara ara-politika ity Ranamana mitondra ny tanana ity ka tsy mahagaga raha mapiesona etsy sy eroa foana izy rehefa miteny. Hita tena goragora tokoa mantsy ny fitantanana ny tanana ankehitriny ary ny tsara rehetra vita teo aloha ary simba avokoa. Ny jiro rehetra manaingo ny lalana makeny @ anjelimainty etsy Anosy ohatra dia tapitra tsy nisy intsony. Ny etsy @ 13mai ihany koa dia torak'izany. Simba ny tanana izay no tena marina.

Farany dia nanomboka androany etsy @ lapan'ny kolontsaina etsy Mahamasina ny foara be mampiranty ny asa tanana sy vokatra avy any Egypta. 

 


Any @ RéAnimation Ny Poeta Rado

news2dago 09 Septambra, 2008 12:38 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eny @ Homi nanomboka ny farany ny volana aogositra i Rado na Georges Andriamanantena! izay mpanoratra sy poeta malagasy anisan'ny sangany @ izao vanim-potoana izao. Mihombo anefa ny aretina mahazo azy ary tsy maintsy naiditra eny @ fameloman'aina izy. Marihina fa aretim-po no mahazo azy ary efa notsaboana tany ivelany izy t@ taon-dasa. Hanampy ny fianankavina moa ny fanjakana @ izay mety ho lany rehetra.

Betsaka kosa ny ho rava trano @ fanamboarana ilay lalambe mikondana na "autoroute" mampitohy an'Ankadimbahoaka sy Ivato ary mandalo iny lalana digue rehetra iny. Avy any Soazilandy tokoa mantsy ny filoha t@ farany herinandro teo ary rarakivy raha nahita ny fandrosoana eo @ io firenena kely atsy afrika atsimo io. Satria betsaka ny foton-drafitrasa any an-toerana. Koa inoana fa nampihetsika ny ambopo ny malagasy izany zavatra hitany tany izany.

Jereo koa eto


Glita Be

news2dago 05 Septambra, 2008 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Zoma mahafinaritra indray ny andro! maro be ireo fety aman-danonana ary hisongadina @ ireny ny hetsika atao eny @ eldorado Cabaret concert tsy hisy afa tsy glita no tendrena ao ary fampisehona farany ataon'i Eric Manana eto Madagasikara @ ity taona ity. Maro moa ny mpanakanto miaraka hilalao aminy @ io eo ry Johary, Rija Ramanantoanina sy ny maro hafa tsy voatanisako...

Manomboka androany koa ny Festival Angaredona ary handritra ny 10 andro eo ity hetsika ara-javakanto ity izay maimaipoana moa ny fanmpisehona ary etsy ambohijatovo ny seho no atao marobe koa ireo mpanakanto vao misondrotra handray anjara @ io. I Rajery moa no mikarakara ny hetsika...

Eo @ toetr'andro kosa dia efa manomboka mafana ny andro eto Andrenivohitra, efa manala tsikelikely ny akanjo mafana ny olona. Mivadibadika be ihany anefa izany toetr'andro izany indraindray mbola mamanala ihany @ hariva. Tsy mahagaga moa izany satria tena hita misy fiovana ny toetr'andro maneran-tany. Eo ohatra ny ranomandry nirotsaka tatsy Kenya izay nahagaga ireo mponina tany. Eo koany rivo-doza mahazo ny any Amerika izay mifanesisesy izay tsy izy. Voalaza moa fa efa fantatra avokoa ny anarana omena ny rivo-doza aty @ faritra misy antsika aty.

Mandeha be kosa ny fizarana ny laharana fiara ary tsikaritra fa mihatsara ny fiara mifamezivezy ankehitriny. Efa any @ litera ....TAL moa izao ny marika @ takelaby raha ny eto Antananarivo no resahana. Midika izany fa manam-bola ihany ny gasy.

Vaovao henoko tao @ kidaona maraina kosa dia nisy mpanala bac tsy afaka izany angaha toa hoe namono tena fa ny toerana misy azy aloha tsy henoko tsara.


Omeo Sopapa A!

news2dago 02 Septambra, 2008 09:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kilalao kely atolotro ho anareo namana rehetra. Efa miandriandry ny vahiny kely moa izahay mivady ankehitriny ka ity misy fifaninana mba asaiko ataonareo!

Omeo fanampin'anarana oe ny zanako?

Fitsipika: Anarana malagasy, raha afaka manome ny dikany moa vao maika tsara!

Santionany mba tiako ohatra: Tsikisariaka, Ravakamalala, Mitia, Tokinao sns

Anarabositra kosa: Dadarabe, Pissoa, Maintikely sns

izay ary fa dia miandry ny tolotra avy aty @nareo

 

 

 


Eto Dago I Jim Carey!!!(Up Dated)

news2dago 01 Septambra, 2008 07:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mandeha ny andro ary tsy voafehy ny fotoana potoizay dia mivalona ny fakan-drivotra sy fialan-tsasatra ho an'ireo izay afaka nandeha moa dia saika efa tafaverina any @ toerana niaingana avy ny tsirairay ankehitriny ary hiatrika ny fidiran'ny mpianatra indray @ herin'andro ambony. Saika niaka bidy toy ny mahazatra moa ireo fitaovam-pianarana ka hita ho sahirana mihitsy ireo izay manana zanaka maro mbola mianatra.

Miarahaba ireo mpianatra afaka bac rehetra ary mampahery ireo izay mbola hamerina fa mbola ho avy ny anjara fa aza kivy. Nifamahofaho rahateo ny famoahana ny vokatra ka nampitebieby ireo mpiadina. Nampiavaka azy kosa dia nisy mpianatra 3 nahazo ny metion tres bien teo @ sokajy C ary mpianatra avy ao @ md misely moa izy rehetra ireo. Mazava ho azy fa hahazo vatsim-pianarana hianatra any an-dafy izy ary ny sekoly no miantoka izany. 13 taona kosa no zandriny indrindra @ ireo afaka bac ary sokajy tekinika izy.

Mandalo eto Dago kosa i Jim Carey ilay mpilalao sary mihetsika nalaza tany @ taona 1990 tany ho any.Eo @ lafiny fambolena moa no tena votoatiny ny diany aty Madagasikara. Horaisin'ny filoha Ravalomanana moa izy androany.

Nadoboka eny Antanimora kosa i Henry Lecacheur fanakorotanana ny filaminam-bahoka sy fanaovana meeting tsy nahazoana alalana moa no fanejehana azy @ izany. Mbola ho avy koa ny fanagadrana ireo mpanohatra hafa. Miandry tataka kely fotsiny sisa dia avy koa ny manaraka. Efa marika hitarafana ny fahalemeny ny fitondrana moa izao tranga miseho izao. 

Jereo koa eto


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)