Aleo Asina 2éMe Session Indray Ny Bacc E!

news2dago 12 Septambra, 2008 12:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miditra ny mpianatra sahirana ny ray aman-dreny @ fisondrotana etsy sy eroa. Eo koa ireo mbola sasamiandry ny lisitra fanampiny @ bac izay hivoaka ato ato. Maro tokoa mantsy hono ireo ankizy tokony ho afaka kanefa dia tsy afaka satria tsy tafiditra tao anaty solosaina ny naoty sasany noho ny tandrevaka teo @ ireo mpandika ny naoty ao anaty solosaina! Loza anie zany re olona e! ny ho avy ny mpianatra iray manontolo no simba @ izany zavatra izany. Ary eto aho dia te hisarika ny saintsika oe tsy aleo ve averina ihany ny fihodinana faharoa eo @ ity bac ity e. Efa maro rahateo ireo sekoly ambony tsy miankina mila mpianatra vaovao sady misy tena ampy fitaovana izy ireny no azo antoka fa tsy hisy fitokonana toy ny eny Ankatso.

Nivoaka teny Iavoloha androany maraina ihany koa ireo mpampianatra 2719 nahavita fihofanana sy fianarana ka teo ambany fiahin'ny Filoha no natao izao famoahana azy ireo izany. Semban-drahona ihany anefa ity lanonana ity satria dia nisy mpampianatra 8 mianadahy niara-doza tany Mahanoro omaly maraina satria dia nivadika ny fiara mazda nitondra azy ireo. Tsy nisy aina nafoy akory fa ny ratra no betsaka. Saika hamonjy ilay lanonana eny Iavoloha mantsy izy ireo. 

Tsy totosa kosa ilay famoriana mpanao gazety saika ataon'ny ben'ny tanana omaly sy androany. Ny antony tsy nisin'ilay valan-dresaka aloha dia tsy mbola fantatra mihitsy satria iarahana mahalala fa tsy dia matotra tsara ara-politika ity Ranamana mitondra ny tanana ity ka tsy mahagaga raha mapiesona etsy sy eroa foana izy rehefa miteny. Hita tena goragora tokoa mantsy ny fitantanana ny tanana ankehitriny ary ny tsara rehetra vita teo aloha ary simba avokoa. Ny jiro rehetra manaingo ny lalana makeny @ anjelimainty etsy Anosy ohatra dia tapitra tsy nisy intsony. Ny etsy @ 13mai ihany koa dia torak'izany. Simba ny tanana izay no tena marina.

Farany dia nanomboka androany etsy @ lapan'ny kolontsaina etsy Mahamasina ny foara be mampiranty ny asa tanana sy vokatra avy any Egypta. 

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)