Avia Ry Mino mp3

news2dago 30 Novambra, 2008 15:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hifarana ity ny taona 2008 ary tonga @ fiomanana sy ny fitsenana ny noely isika ankehitriny ho an'ny mpino kristianina tokoa mantsy dia alahadin'ny adventa androany. Izay taom-baovao kristianina ihany koa, ary alahady 4 sisa no ho diavina dia hankalazana ny 25 desambra isika ary hatsiarovantsika ny naterahan'ny mpamonjy izany andro izany.

Ho anay anglikanina moa dia misy ny fitovizana kely @ litorjia katolika ihany saingy mirona betsaka @ fomba protestanta izany rehefa atao ny fanompom-pivavahana any ampiangonana. Iray ihany tokoa moa ny inoana dia Jesoa izany. Koa tsy dia hitako izay fahasamihafana rehefa mivavaka any @ protestanta aho na any @ Katolika na koa any @ loteriana torak'izany koa ireo antoko fivavahana hafa. Raha zohina mantsy dia sampana iray ihany no fototra hiaingana.

Koa indro ho fiomanana @ noely ary dia atolotro anao eto ny karoly krismasy nataon'ny amboara-peo Anglikanina Avaratr'anjoma na ny ATMA izany (alaivo eto ny avia ry mino.mp3). Iriko indrindra izy ity mba ho voalahatra ao @ radio vazogasy! raha sendra mandalo eto ny tompon'andraikitra dia azonareo alahatra tsara ity hira ity. Ary hiezaka ny hanome hira iray isan'alahady aho mandram-pahatonga ny 25 desambra 2008! Misy azy indray izao i tokinao maheno ny rakikira ato.

Mahazoa fafinaretana ary ary samy ho tratry ny fety daholo isika raha sitrapon'ny Tompo.

Jereo koa eto


Lanonana Zoma Manifika

news2dago 28 Novambra, 2008 09:39 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny vaovao eran-tany no anombohoko azy dia tsy inona akory fa ny fitokonana ataon'ny mpanohitra any Bangkok izay nanidy ny seranam-piaramanidina nanomboka ny ny talata lasa teo ka foana avokoa  ny sidina anabakabaka makany @ ity firenena ity. Ny tiako hatongavana dia firenena fanaovan'ny gasy transit mantsy ny ao thailand rehefa hibizina haka entana any Shina ny malagasy. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny teratany malagasy any an-toerana @ izao fotoana izao. Mafy ny mahazo rehefa tratra ny tranga toy izao any an-tany lavitra any ka raha sanatria tsy misy ny vola no tena gidraka be.

Ny any Mombay kosa angamba no mety misy herijika kely oe tsy hisy malagasy any an-toerana fa ireo bory satroka kosa no mety manana havana any na sendra mandalo any ihany koa. Mafana ny toe-draharaha maneran-tany @ izao fotoana izao. Tsy matahotody kosa anefa ireo mpampiorohoro raha ny tsy manatsiny no tena lasibatra amiko dia fahalemena foana ny tsy fahasahina mifanadrina mivantana @ ilay heverin'izy ireo ho fahavalo.

Etsy andaniny kosa dia nisy namako akaiky lasa matiloan-tsambo lery ary namonjy ny toerana hiasana nanomboka ny 19 novambra lasa teo niazo an'i Frantsa ary ho any Italy izy any mantsy ilay sambo iasany no miandry azy ary ka ho any @ izany Florida izany izy avy eo. Marina aloha fa be tokoa ny vola ho raisina sy ny tany mety ho diavina fa na izany aza dia tsy te ho eo @ toerany kosa aho anefa satria 9 volana be izao tsy ahita ny vady aman-janaka no sady mahery vaika ihany koa ireo piraty @ izao fotoana izao. Mirary soa azy kosa aho anefa hahavita ny asany.

Fety be indray manomboka androany zoma e! Ny tena moa tsy afaka makaiza fa mitaiza! lol fa na izany kosa aza dia mba mitatitra ireo seho sehatra malaza eto @ tanana kosa e! Hiakatra etsy @ lapan'Akorondrano ohatra i Iary ilay tovovavy mpandala ny mozika rock rahariva manomboka @ 7. CCESCA kosa no hisy an'i Mika sy Davis ary ao @ Mon Goûter kosa i Dadah sy Fafah mbola androany hariva ihany koa manomboka @ 9 ora alina. Mety hosoparan'ny orana kosa anefa ireo fety ireo raha ny vinavina ao @ meteo.

Jereo koa eto na ato 


Niova Bika I news2dago!

news2dago 26 Novambra, 2008 13:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mba nahavarina ahy mihitsy ny blaogin'i kdaomba tato ato izay! Ka soa moa fianatra ka dia mba nanara-dia azy kely ahy sady ohatra ny efa leo ilay endrika teo iny aho saria efa ho hivalona tokoa ity ny taona ka aelo ovaina any ny endrika efa voky taona iny. Tsy naka ilay violety ny kala pissoa aho fa ohatra loko marevaka loatra. Asa indray izao raha mbola hisy ilay soratra oe tsy mahazo mijery eto ianao rehefa mamela hafatra ny mpandalo!!! misy mantsy ny namana sasany dia tena sosotra mihitsy mahita azy iny. Somary manindry ny bokotra F5 aloha rehefa avy mamaky ny lahatsoratra izay no hafatra mba tadidiko.

Ny vaovao moa dia efa saika voatatitra atsy ambadika tanterin'ireo namana ka tsy dia hiverenako firy intsony. Ny tiako amafisina fotsiny dia ity oe nanova ekipa ny TVG mba tsy hivadika VGT angamba atsy ho atsy ka naka an'i Ny Hasina Andriamanjato sy Elia Ravelomanatsoa indray ny ao @ CUA ao ary nahongana kosa i serge Radert sy i Mme Annick. 

Maro kosa ireo fonja vaky tato anatin'ny iray volana izay tatsy Ambositra moa no nitranga farany izy ity. Efa gadra 30 mahery izao no tafaporitsaka t@ izany. Mila mailo fa ho avy ny farany taona ity.

Jereo koa eto


Azonareo Indray Ity Tagytagy Ity An!

news2dago 24 Novambra, 2008 10:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa namoaka lahatsoratra aho teo kay aho voatondro tatsy ambadika dia mba manoratra indray ny fahitako an'i afrika. Isaorana i kdaomba manadala ahy lol.

Afrika dia kaontinanta anisan'ny niangaran'Andriamanitra satria dia ao aminy no misy ny harena be tsy hita nonoa eo @ harena an-kibony ny tany. Kanefa dia mbola mahatra ara-toetsaina izy satria misy ireo olona hafa tsy mitovy loko aminy izay fetsy sy mpampiady angely etsy sy eroa ka rotiky ny ady sy ny korotana i Afrika. Ary sokajin'ireo fetsy ireo ho sarangan'olona ambany izy satria dia havahana mihitsy izy raha eo @ lafina volokoditra. Raha samy misy olona tratra miklandy ohatra any eropa dia ny afrikanina ihany no tena lazaina sy dradraina lava @ haino aman-jery na samy misy eropeanina tatsinana sy aziatika aza samy tratra ao.

Tsy atao mahagaga izany satria tsy maintsy hifandimby hanana ny heriny ireo lokom-bolokoditra rehetra ireo. Efa madiva hifarana ity ny herin'ny fotsy ka hirona any @ mavo indray izao ny hery izay hinona marimarina fa karazana tetezamita hanampy ny mainty hoditra hiakatra sy haka ny toerana tokony hisy azy. 

I Barack Obama moa no tena pitik'afo nadrehatra ny ambopo ny afrikanina hitraka oe tokony havita zavatra ny mainty rehefa tena hanao. Santionany io fa maro ireo safiotra sy mainty hoditra no manam-pahaizana sy kinga eo @ lafiny fanatanjahan-tena. Ireny olona ireny moa dia azo antoka fa taranaka afrikanina miely etsy sy eroa noho fivarotana andevo taloha. Ireto ohatra ny olona mainty mba fantatro anisany malaza indrindra: Péle mpanjaka ny baolina kitra, Tiger Woods, Lewis Hamilton, Ry Michael jackson, Jordan ..., Ry Venus sy Serena... ireo aloha no tsaroko fa mbola betsaka fa tsy ary ho voatanisako eto avokoa. Ny tiako hatongavana fotsiny dia ity oe! tsy latsan-danja @ hafa akory i afrika fa manana ny maha izy azy.   

Raha te hiala @ izao fahatrana misy azy izao i afrika dia tokony hahay hifandamina aloha ny firenena tsirairay sy ireo mponina eo aminy. Izany dia tsy ezaka ho azo rampitso dia rampitso akory fa mety mbola taonjato maro any aorina any vao ho tratra satria mila adinoin'ireo taranaka ho avy aloha ny tontolo misy azy izao vao miorona tsara ny fitiavan-tanindrazana hipoitra ao anatiny ao.

Niniko natao toy izao ity lahatsoratra ity satria isika afrikanina mantsy dia fatratra @ fitanisana ny lasa ka manetretra ny fiainana taloha izay efa tsy ho diavina intsony fa efa nivalona ho tantara sisa fa tokony hahay himbajina ny ho avy sy hanao tomban'ezaka sy hanisy tanjona tsaratsara kokoa mihoatrany anio. Fehiny dia faniriko tokoa raha ny afrikanina no hanoritra ny ho aviny sy izay mety sy tsara ho azy fa tsy ny firenena hafa akory. Mbola maro ny torapo tiako soratana ka aleo aloha faranana eto ny anio.

Tageko indray:

Tomavana: lasa mpaka sary malaza ao geneve ao mba hamoaka sary indray mipika ho an'i afrika.

Hery: tia tsikitsiky ao afrikaItaly ao.lol

Pissoa: izay atsy afrika atsimo mahafatra tsara ny fisainan'ny afrikanina

Tsikisariaka: izay any ejypta

Helisoa: ao frantsa izay mamaphery @ lahatsoratra mitory ny filazantsara izay tsy ampy eto afrika.

Lehilahytsyresy: Izay atsy japon izay mpametraka hafatra eto aminy blaogiko tsy tapaka izay hinoako fa manakambara tokoa @ ity lalao ity.

 


Fifaninanana Masina!!!

news2dago 24 Novambra, 2008 09:47 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Velon-taraina ny orinasa malagasy oe tsy mandeha ny entana satria mitobaka ny vokatra vahiny eny @ tsena! isan'izany ohatra ny orinasa savonnerie tropicale izay tsy izy ovina @ malagasy eo @ famokarana savony. Ny tranombarotra Magro moa no omeny tsiny @ izany @ famarotany ilay savony lava citron plus!!!  Gaga ihany aho naheno ity ady hevitra tao @ kidaona maraina t@ herin'andro satria dia ohatra manome tsiny be fahatany ny tranombarotra Magro ny olona sasany kanefa iarahana mahalala fa orinasa nanana ny tombondahany ity savonnerie ity satria nanao monopole izy efa an-taonany maro saingy tsy mba nahay nanitatra sy nanatsara ny vokatra novokariny.

Ilay savony "nosy" kely fony za mbola zaza no mbola amidy @ izao za efa raim-pianakavina izao. Tsy mba nisy fanovana ny fonony sy ny habeany fa dia iny ihany ilay savony h@ izao. Alaim-panahy ihany aho manao oe tsy mahay marketing angamba ny mpitantana ao @ ity orinasa ity fa variana any @ zavatra hafa. Manaraka izany dia somary misy fofona izay ny savony lava ka tsy dia tiako ny mividy azy satria tena tsy mahazaka ilay savony ny tanako manao allergie. Dia aleoko mihitsy mampiasa ilay citron plus sady tsy misy fofona no mandroatra tsara rehefa hanasana lamba. Mila manao ezaka izany ny orinasa malagasy manenjika ilay fenitra tokony arahana fa tsy tokony hitabataba etsy sy eroa fotsiny. Ny mpanjifa mifidy izay mety aminy fotsiny.

Hivoaka @ alakamisy izao ihany koa ny sarimihetsika malagasy "malok'ila fan'4" izay vokarin'ny scoop digital izay mpamokatra sarimihetsika anisany sangany eto Madagasikara. Eo ihany koa dia mbola mimenomenona ihany koa oe lasan'ny mpanao piraty ny tsena sy ny vola @na miliara fa izy tsy mahazo tombony. Kanefa amiko dia ny piraty no famatarana voalohany oe tena misy mpankafy izay ilay vokatra natao. Io na film vazaha aza misy foana ny piraty e! tsy misy fika io fa tsy maintsy misy foana.

Norombahan'ny akademia ny antsika ny amboaran'i madagasikara 2008 eo @ baolina fandaka sic!!! (fantsiarovana an'i rajentlisa elaela tokoa izy izay tsy nanoratra lahatsoratra momba azy ity! lol). Nody ventiny izany ny rano natsakaina 8 taona aty aorina ny niorenan'ity ivo toerana fanofanana sy fampianarana ankizy hilalao baolina. Mitovy tsy misy valaka @ ilay Asec mimosa atsy cote d'ivoire izy ity ary voalaza fa ilay namorona an'io ivo toerana io ihany no nanorona ity academie ny antsika. 


Vehivavy Gasy 4.000 Te Hanambady Vazaha

news2dago 17 Novambra, 2008 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga eto Madagasikara ireo mpanera vazaha ka nampiantso ireo malagasy te hanambady vazaha. Gaga fotsiny aho nahita ity tantitra an-gazety fa mahery ny 4.000 izy ireo no milingilingy te hanambady vazaha. Ary voalaza fa arahan-dranomaso mihitsy oe ireo izay tsy lany. Indrisy tokoa fa dia hitomanina ankehitriny ny hanambady vazaha.

Hividy fiaramanidina hfa indray hono ingahy Filoha fa tsy afapo @ ilay air force one keliny ao izy.Etsy an-daniny dia voalaza fa hiaka-bidy indray ny jiro sy rano. Ny solika moa dia tsy nisy fidinany mihitsy fa ariary be no mba fihenam-bidy. Ny baril anefa efa 60$ sisa. Misy fetsy be mihitsy ireo be vola ireo an.

Niletika kely ranews2dago teo ho eo izay satria variana @ fiainana an-davanandro. Eo ny fitaizana ny zaza eo ny asa somary maimaina tato ato izay. Fiainana daholo izany. Fa ny tena nahatonga saina ahy dia ny nijereko ny alimanaka fa hay efa madiva hivalona ity taona 2008 ity. Jereko ihany anefa izay tomban'ezaka toa ny eo ihany no eo. LoL ny tena no miantitra fa tsy hita izay tena zavatra niova.


Malaza Ny Zafindraony

news2dago 11 Novambra, 2008 08:33 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy nisy farany intsony ity hira mitondra ny lohateny oe: "Iny lalana Iny" ataon'ny tarika Saotra sy Dera avy any @ toby Manolotrony any @ faritra ny betsileo iny ankehitriny. Tsapa izany t@ alahady teo t@ famaranana ny JKM teny Mahamasina. Dodoria ihany koa ny fandehanany @ radio. Mitsidika eto andrenivohitra moa ry zareo ireto @ izao fotoana izao. Tsara ilay hira ary tena milay be ny mihaino ny feo mikaratsana ataon'izy ireo. Izany moa no atao oe hira zafindraony.

Koa indro mba zaraiko @ nareo eto ny santionany mba hakafizanareo azy ihany koa any tany lavitra rehetra any. lol

Fanamarihana: Raha sendra tsy mety ny fampidinana ilay mp3 dia azonareo angatahana @ko mivantana ao @ mailako [email protected] izany.


Mba Mitombina Ve Itony E?

news2dago 08 Novambra, 2008 07:21 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mahazo mailaka sahala @ ity etsy ambany aho matetika! ary alaim-panahy hiteny oe mpisoloky ilay olona mandefa azy io. Satria mety hosodoka @ ilay volabe arangaranga ny tena dia mety ho roboka tokoa. Raha izaho manokana kosa aloha tsy mba handany andro hifanoratra @ io a! Satria tsy maintsy hisy vola angatahany amiko any aorina any oe! mila mandoa hetra 15% aty @ ity kaonty ity ianao vao azo alefa any @ nao io vola io sy ny sisa...

Maro mantsy ny olona fantatro efa voa t@ izy itony ka izay no tsy mampiraika firy amiko @ izy ity. Izao ary ny vontoatiny ilay mailaka tonga aty amiko:

From Mr Lusee mark (B.O.A)
Bill and Exchange Manager,
Bank of Africa(B.O.A)
Ouagadougou Burkina Faso.
West Africa.
 
ATTN,   
                                                         
 
Sorry to distract your attention, I am Mr Lusee mark the bill and exchange manager in the bank of Africa Ouagadougou Burkina Faso.
 
In my department, I found the deposited fund amounted SEVEN  MILLION TWO HUNNDERED THOUSAND DOLLARS (USD7,200,000.00).customer who died in the air crash with his entire family.
 
 However, I shall detail you with the full information as soon as I hear from you.
 
Can you be able and capable to assist me  provide your receiving bank account where this fund will lodge in your favour?
 
I shall give you 30% of the total sum as soon as this fund hits your account and I shall visit you in your country for the shearing.
 
Please this is very confidential. If you are interested, please forward me the bellow information's;
 
Your name:............................
 
Your country:.........................
 
Your phone Number:......................
 
Your tel/fax:...........................
 
Your age:...............................
 
Your occupation:.......................
 
Thank for your anticipated co-peration.  
Your's  Faithfully.
Mr Lusee mark 

Tsy mbô za hoy ilay hira izay! 

Aleoko ihany mionona @ ariary sy ariariroa eto!lol

Jereo koa eto

 

 


Tonga Ny Bemidina

news2dago 06 Novambra, 2008 12:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nalaza mihitsy izany oe bemidina izany fahiny. Ka tonga teto amiko ry zalahy androany nanotany ny patanty ny asako!!! LOL za kosa aloha tena mba mpanaran-dalana ihany fa t@ ity taona ity aho tena nahatsiaro sahirana izany ka nampandeferina ny an'i Kaisara tsy izy manontolo akory fa ny iray ampahatelony sisa no tsy voaloa kanefa mbola tsy azoko ny patanty raha tsy voaloa izy rehetra.

Iny moa tsy maintsy aloa ihany tsy olana fa ny fahasahiny ilay bandy mpamory hetra oe omena 100.000 Ar hono lery tonga dia vita ny tantara rehetra (omena ny patanty 2008). Raha tsy izany dia akatona ny trano fiasana. Tsy nanaiky kosa aho aloha satria maty be mihitsy aho satria ny vola 2/3 ny hetra efa nalohako dia kaontiny ny arina fotsiny izany satria amboarina ny raharaha! Bianco aiza enao e! toa dradraina fotsiny. Vola be mihitsy anie zany ny azon-dry le maty raha manao toy izany @ olona 10 ohatra dia efa mahazo 1.000.000 Ar. Tsy rariny kosa e!

Ny tena olana manaraka izay dia ny oe ny ben'ny tanana hono no maniraka manao an'io! dia mbola tsy rariny koa raha izany koa no mbola marina. Mampiome mahasosotra ihany ilay izy @ lafiny iray. 


Mbola Tsy Afaka @ Piraty Ny Malagasy.

news2dago 04 Novambra, 2008 09:54 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Pirate No! io no heno etsy sy eroa kanefa tena mbola lavitrin'ny afo ny kitay hoy ny fitenin-jatovo izay. Raha izaho manokana aloha dia tena mandainga raha oe tsy mampiasa zavatra piraty e!. Ny logika miasa ato amiko ato izao dia piraty avokoa tsy misy manana fahazon-dalàna na iray aza ny mandeha @ ity solosaina ity. Niniko atao teny malagasy sao dia kobon-dry lerony eo. lol

Tsy maintsy izay mantsy ny zavatra miainga fa tsy hanana vola omena an'i Bill Gate sy ireo namany marobe aho. Aiza ve koa na inona na inona logika miasa sy tokony ampiasaina dia mandoa vola daholo ny fahefana mividy anefa tsy maharaka an'izany akory. Ka ialako tsiny @ dry zalahy ireo fa ny tena mba te haharaka ny tekinolojia ka tsy maintsy mba makamaka kely. Fa etsy ankilana kosa anefa dia miaiky an'ireo mpanao piraty mihitsy aho satria dia vitany daholo ity kiraky (crack) sy lakilebobakabe (keygen) maro samy hafa. Somary mijery kely tranokala misy irony vehivavy miboridana irony dia voavaha daholo ny olana rehetra.

Dia revo ny anao lahy ary nanomboka t@ farany herin'andro teo nilalao ity oe PES2009 ity santionany io @ piraty ato amiko ato. Tsara ny sary efa ao daholo ny akamaron'ireo transfert vita tany eoropa farany teo. Ary misy ny lalao uefa champion's league ilay izy izay tsy nisy t@ireo zokiny teo aloha. Asa na ovina izy ity no nivoaka tany dilam-bato tany fa za aloha efa manana ny fantako. Ny mp3 gasy sy vazaha sy ny film divx sy clip vcd moa dia tsy omby intsony ny Hard disk izay efa eo @160Go eo. Saingy tsy ho amidiko kosa aloha izy ireo fa ataoko fanalana azy ato an-trano. Io izany ilay oe aza mitondra anay @ fakam-panahy fa manafa anay @ ilay ratsy. izay mila dia afaka manoratra aty amiko mivantana. lol

Ny vaovao kosa dia zavatra mampioro-koditra daholo ka tsy maha te hizara @nareo mihitsy eo ohatra ilay mpifankatia tetsy mahamasina vao 24 sy 21 taona nahavita namono nahafaty ny ray aman-dreniny sy ny mpanampiny tao an-trano satria voarara ny fiarahan'izy roa kely. Leo mihitsy aho mihaino sy mijery radio sy gazety ka tsy hitatitra zavatra ratsy firy intsony aloha. satria ny vaovao mantsy tsy voatery ho ratsy foana izay lasa tarazo ho an'ny mpilaza vaovao ankehitriny izany.

Jereo eto 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)