Avia Ry Mino mp3

news2dago 30 Novambra, 2008 15:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hifarana ity ny taona 2008 ary tonga @ fiomanana sy ny fitsenana ny noely isika ankehitriny ho an'ny mpino kristianina tokoa mantsy dia alahadin'ny adventa androany. Izay taom-baovao kristianina ihany koa, ary alahady 4 sisa no ho diavina dia hankalazana ny 25 desambra isika ary hatsiarovantsika ny naterahan'ny mpamonjy izany andro izany.

Ho anay anglikanina moa dia misy ny fitovizana kely @ litorjia katolika ihany saingy mirona betsaka @ fomba protestanta izany rehefa atao ny fanompom-pivavahana any ampiangonana. Iray ihany tokoa moa ny inoana dia Jesoa izany. Koa tsy dia hitako izay fahasamihafana rehefa mivavaka any @ protestanta aho na any @ Katolika na koa any @ loteriana torak'izany koa ireo antoko fivavahana hafa. Raha zohina mantsy dia sampana iray ihany no fototra hiaingana.

Koa indro ho fiomanana @ noely ary dia atolotro anao eto ny karoly krismasy nataon'ny amboara-peo Anglikanina Avaratr'anjoma na ny ATMA izany (alaivo eto ny avia ry mino.mp3). Iriko indrindra izy ity mba ho voalahatra ao @ radio vazogasy! raha sendra mandalo eto ny tompon'andraikitra dia azonareo alahatra tsara ity hira ity. Ary hiezaka ny hanome hira iray isan'alahady aho mandram-pahatonga ny 25 desambra 2008! Misy azy indray izao i tokinao maheno ny rakikira ato.

Mahazoa fafinaretana ary ary samy ho tratry ny fety daholo isika raha sitrapon'ny Tompo.

Jereo koa eto


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)