Kilalao Tamberina 2008

news2dago 30 Desambra, 2008 07:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity misy kilalao kely atolotro anareo mpitsidika eto @ news2dago dia mba mametraka tamberina kely ny taona 2008 ianareo asa na atao taga taga izy ity na tsy haiko fa ny fanirina dia ny handraisantsika rehetra anjara fotsiny. Manaraka izay dia mba mitsatoka ny mety hisongadina @ taona 2009 ihany koa.

Ny zavatra tadidiko t@ ity taona hadiva hifarana ity ohatra dia nodimandry i Rado sy Herizo Razafimahaleo. Ny lalao olimpika izay nahazon'i Phelps sy Bolt medaily volamena sy nadravan'ny zavabita tsara indrindra h@ izay. Eo koa ny nahalany an'i Barack Obama izay mainty voalohany hitondra an'i Bekintana. Eo @ resaka aterineto dia namoaka filomanosana @ aterineto indray ny google dia ny google chrome izany

Ny mety hisongadina @ taona ho avy kosa dia miongana @ izay i Robert Mugabe. Ary mety hiova pds kosa ny hitondra ny tanan'Antananarivo. Miandry izay handimby an'i Jentlisa kosa eo @ bombs @ teny malagasy???

Dia mirary taom-baovao 2009 ho antsika rehetra.

Jereo koa eto

 


Afa Bizana Ihany

news2dago 27 Desambra, 2008 07:28 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Valaka t@ fety teo dia tsy nahasokatra blaogy mihitsy omaly! t@ krismasy koa saika mba hanao update kely ny lahatsoratra kanjo tsy tafiditra mihitsy na tao @ namana serasera na takelaka na blaogy dia nakatona ny aterineto de naleo nitaiza zaza e!

Feno ihany mantsy ny progany t@ krismasy teo nifoha maraina tokoa moa izany t@ 4 ora dia efa nanao rano handrona. T@ 5 ora dia efa vita homana tsara daholo izahay hatr@ papozy kely izay hanao krismasy voalohany @ fiainany endrey nitsikitsiky ery izy tsy tsarony akory oe mbola tokony hatory anie. Tonga tao am-piangonana t@ 6 ora latsaka fahefany maraina efa feno hipoka ny tao @ rihina ambany dia tany ambony no nipetraka izahay telo mianaka kely fa mba afaka nisafidy ihany aloha dia nitoetra teo @ izay nahamandry tsara ny saina. Ny fotoana moa @ 6 ora sasany vao manomboka. 

Fa nametram-panotaniana ihany oe ary makaiza daholo ary ireto olona ireto rehefa alahady e? zara ary anefa mba misy krismasy mba afaka mivavaka ny rehetra. Misy koa anefa olona sasany tena mivavaka isan'alahady foana fa tsy mandeha kosa anefa rehefa andro fety!!! Angamba tsy te hisisika @ seza? Naredona ery ny hira tao am-piangonana no sady hira manetana fanahy koa moa no atao rehefa krismasy toy izao ka mba nanezakezaka ery na dia mpamala-kira aza! lol

Nirava izahay t@ 9 ora katroka! Hendry tsara i Fanilo kely ka tsy dia sahirana izahay. Nody nisolo akanjo aloha vao hamonjy ny fiarahana misakafo any @ fianakavina. Nahafinarira ny fiarahana fa saingy tsy nahovoka akory aho nony tena oe hisakafo!!! dia nojeren'ny vilia sy sotro teo fotsiny e. Efa hariva tany @ 7 ora sy sasany tany izahay vao namonjy fodina. Mbola hampandro zaza avy eo somary natao nafanafana ny rano @ izay izy afa-bizana tsara.

Dia toy izay sy izay ny fety taty @nay. Tany @ 9 ora alina tany vao nanomboka nandefa sms hiarahaba ireo havana akaiky nirary soa tratry ny fety. Efa mba nahatsiaro aloha dia angamba tsy ho tezitra izy ireo. Miandry ny @ herinandro indray isika e. Mbola mety mahasoratra ihany aloha angamba fa tsy hiletika be kosa e!

Jereo koa eto

 


Mirary Krismasy Antsika Rehetra

news2dago 24 Desambra, 2008 13:43 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eo ampiandrasana ny higadonan'ny fety ary dia faly miarahaba antsika rehetra sahady ary mirary anareo rehetra hanao fety sambatra daholo. Manararaotra sahady maka avance kely satria tena fantatro fa tsy hahasoratra mihitsy a rahampitso fa mbola hitolona an'ilay henakisoa sy vorotsiloza mendimendy ao. LOL

ireto ary ny fanomezana avy aty @ news2dago e! samia ary maka izay tiany. Misy ny efa nahazo fa omena ihany koa ireo izay mbola tsy nahazo.

Avia ry mino.mp3

Andro Noely.mp3

Special noel.mp3

In excelsis Gloria.mp3

Bonus fihirana.mp3

Ambondrona 5.mp3

Pazapa 6.mp3

Foza orana.mp3

JEREO KOA ETO

 

 


Lasa Ambasadaoro Any Ryad I Ramiaramanana Patrick

news2dago 23 Desambra, 2008 09:22 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitohy ihany ny fanomezana seza sy mofomamy eo @ samy mpisaosy ao @ fitondrana ao lasa Ambasadaoro any Arabia saodita ingahy minisitra sy ben'ny tanana teo aloha. Dia tsy maintsy ahitana toerana tsara foana kosa aloha izay tena tanan-kavanana i ra8 e! izy indray tsy manary namana izany mihitsy. Miandry ny anjarany zany izao i Hery Rafalimanana! LOL

Lasa niazo an'i Parisy kosa ingahy ben'ny tanana Andry Rajoelina ary voalaza moa fa afera privé no nandehanany any. Ary any izy no hanao fety ny 25 desambra sy ny faran'ny taona 2008. Aleo tokoa maka saina kely aloha raha maka ny toearany ny tena mandinika tsara maka ambony maka ambany izay lalan-kombana fa sao dia solafaka ka tsy ho tafarina eo intsony. Tohanako eto ny hevitr'i Tebokaefatra atsy ambadika oe tsy misy tsy vitan'ny fandeferana ny fiainana. Satria tsy misy tombony ho an'iza akory ny krizy sy korontana. Mampijaly vahoaka fotsiny eo.

Izay ny @ iny fa hiverenako kely ilay kintana 5 may omaly maraina. Voalaza zany izao fa tsy misy ambadika pôlitika akory iny voina izay nitranga iny fa resaka teknika tanteraka no tena fototrin'ny afo. Rehefa sendra zavatra ohatr'ireny tokoa mantsy dia mifanome tsiny no betsaka matetika. Fa na izany aza anefa dia lesoka tokoa ny fahazaina mamonjy voina rehefa tena sendra voina goavana sahalan'izao no mitranga. Raisiko ohatra fotsiny oe na tohatra lava aza tsy misy eo @ ireo mpamonjy hain-trano nefa ilay trano mijoalajoala tokoa. Mbola himpogatra etsy eroa anefa ity tranobe hiorona ity atsy ho atsy raha tsy hilaza afatsy ilay hiorona etsy Bemasoandro Itaosy isika @ taona ho avy io satria dia tranobe misy rihina 18 be izao anakitelo no aorina eny.

Mampikaikaika tokoa ny fitohanan'ny fiara ao Analakely ao ankehitriny. Azo lazaina fa tsetsina tanteraka mantsy ny lalana makao noho ireo mpivarotra tsy mpanaran-dalana mameno ny arabe sy ny olona maro mifamezivezy ihany koa. Miakatra any @ 8.000 Ariary any moa ny saran'ny taxi ankehitriny kanefa dia ny mandeha tongotra ary no mety ho tonga aloha raha andeha ho any Analakely.

Hidiran-doza moa ny vorotsiloza sy ny akoho amam-borona  rehefa fety ny faran'ny taona toy izao satria dia mora ihany no hamarotan'ny mpivarotra azy raha ny gisa ohatra satria io no mba nanotaniko omaly dia 25.000 Ariary ny iray ary ny akoho mifaha kosa dia eo @ 7.000 ariary eo. Ampina kely henakisoa atao bebe menaka izay izy ity andamba dia tsy misy mifankahita mihitsy. lol

Manaova fety sambatra daholo e! Rahampitso aho mametraka mp3 bobaka eto mba fanomezana kely avy aty @ news2dago satria tsy ampy aroso ho antsika rehetra eto ilay vorotsiloza sy henakisoa. Ndray milelamolotra sahady a ry zareo a!lol

Jereo koa eto


May Ny Hotely Kintana 5 Eny Ivato

news2dago 22 Desambra, 2008 15:59 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola tsaho ihany koa ity oe may indray koa hono ilay hotely tsara tarehy eny Ivato!!! Ny fahamarinany aloha dia rahariva vao mety tena ho fantatro. Ô leretsy e! Tsy mba mendrika hanana zavatra tsara mihitsy izany isika eto Madagasikara eto ka! dory daholo izay hitanareo mbola tsara eto. Tena fisainana mirefarefa @ tany mihitsy ka. Misy ambadika pôlitika io satria ny fivorim-be mihitsy no tian'ny sasany tsy hisy! Lozan'izay iavin'ny fanafitohinana.

Voalazan'ilay loharanom-baovao azoko teo ary fa tombanana any @ 70% any ho any hono ny fahavoazana ao @ ity hotely ity. Nanamafy anefa ny sinoa izay miantoka ny asa fa ho vitainy ara-potoana ihany io hotely io. Dia anjaran'iza indray ny manaraka satria efa may daholo na Andafiavaratra na ny Lapan'ny tanana na ny Rova ny manjakamiadana... Mila mailo ihany ary tokony hifandefitra hatrany ary tandrovana ny fananana fa tsy atao ohatr'izao.

Vaovao farany, dia tsy nisy nandoro akory ilay hotely fa nisy court circuit tao @ rihina faharoa izay misy kidoro sy hazo ary baoritra izay fantatra tsara fa zavatra mora mirehitra tokoa ka io no nampihitatra haingana ilay afo. Manaraka izany dia hita sahady ny lesoka @ ity hotely ity izany fa raha misy tokoa ny loza any aorina dia hirarakopana ny aina hafoy satria mbola tsy arifomba isika @ loza toy itony. Mila jerena akaiky koa ny momba an'iny.

Jereo koa eo


Hotapahana Koa Ny Aterineto!!!

news2dago 22 Desambra, 2008 08:54 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nataon'ny amiraly izy ity t@ fotoan'andro ka asa raha mety ho tanteraka koa ao aoriana kely hoy tokoa mantsy ny amiraly oe:"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"!!! Ka mety hiverina daholo izany na ny andrimasom-pokonolona izay hiaro an'ingahy ben'ny tanana @ fanamborana (izay mbola tsaho aloha hatreto), ny barazy antiekonomika (ny filoha ny ACEM izay efa lasa tanan-kavanana ny filoha ankehitriny ihany koa), ... Ary ny farany izay tena hany sisa lalana tokana afahana mampiely ny vaovao haingana dia ny fanampahana ny aterineto izany.

Hamaivay io taona 2009 io ka na lasa PDS ny hitondra an'Antananarivo na hiroso any @ tetezamita izy ity. Pôlitika avo lenta tokoa satria dia ny sakay sy maso taloha no lasa miray latabatra ankehitriny dia ny Tim sy ny Arema izany satria ny ankamaron'ireo olom-boafidy ao @ Tsimbazaza ao ohatra dia ny Arema ihany no lasa TIM dia inona moa izany fa tsy marina ilay teny oe ny Teo Ihany no Miverina.

Manaraka izany dia miverina @ ilay tsaho izay mora mandaitra @ ramalagasy aho satria rehefa sakanana ny haino aman-jery dia tsy maintsy mihonona @ hono hono ny rehetra ka indraindray mety marina izy ireny mety ho diso koa anefa. Ka ny tsirairay no mila mahay madanjalanja izay fahamarinan'ilay tsaho.

Tombontsoa ho an'iza tokoa moa ny fanapenam-bava e? Tsy efa tokony ho mailo ve ny mpitondra oe efa nahavoa ny teo aloha ity fomba fiady iray ity ka tokony hanitsy ny lalana ry zareo!!! Misy marina kosa aloha ny voalazan'i tgv @ ilay resaka mbs io satria dia tsy afaka manamparitaka sary sy feo manerana ny Madagasikara izy fa ny Tvm sy ny Rnm ihany no tokony afaka manao izany. Eo zao dia efa hita oe nilaozan'ny toetrandro ilay lalàna mifehy ny fifandraisana ka azo hiadina tsara any @ tribonaly mila fahasahina fotsiny io dia izay. Toriho aloha ny mbs oe tsy manara-dalàna ka tokony akatona, eo mantsy ho hitan'ny havany eo raha misy ambany ny lalana tokoa ve eto sa misy ihany ilay tsy maty manota.

Fa mialoha izany rehetra izany aloha dia avelao aloha izahay hifety zay nareo vao milahatra sy manao barazy @ izay. Ho hita eo ny tohiny eo isika mahita izy... I news2dago kosa aloha dia hilaza vaovao foana na tsara na ratsy ho ny andaniny roa raha tsy oe angaha hanao vazivazy ratsy indray ka hanapaka ny aterinaeto!!!

Jereo koa eto

 


Mandat D'arrêT Contre Andry Rajoelina!

news2dago 19 Desambra, 2008 08:06 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Njay ny anareo!!! Gina ny tena namaky gazety mivoaka isan'andro iray ary avy dia nahoraka be eran'ny tanana ilay vaovao izay fikasana hisambotra an'i Bandy kely. Dia hanao ahoana tokoa izany ny fety ho diavina atsy ho atsy raha ho soparan'ny rapôlitika indray!!! Enga anie ka tsy hisy ny korontana izay no rarina.

Fa amiko kosa aloha raha manao izany fisamborana izany ny fanjakana izay voalaza @ sihon-daresaka moa: "fa namory olona mpanao politika tsy nahazoana alalana tetsy @ La Rotonde ingahy ben'ny tanana" no tena antony mety hisamborana azy. Avy dia hita mivandravandra fa tsy mahazo maneho hevitra intsony eto dago izany. Noho izany tsy misy ny demokrasia. Ho hita eo moa ny tohiny ny tantara fa ny aina no mateza.

Andaniny kosa dia mandrora mitsilany ny mpitondra raha miroso @ izany satria mety tsy hitazam-potsiny ny olona 63% ny mpifidy teto Iarivo raha misy izany. Tsy azo lavina fa mety tena hisy ny gidragidra izany. 

Efa miakatra ny maripana raha izany fa miandry izay higadonany sisa isika samy manisa andro izany ny andaniny sy ny ankilany. Izaho kosa hitazan-davitra ihany fa tsy misy hidirako ny @ izay satria tsy misy hanome ahy ariary na ny andaniny na ny ankilany ny ahy any am-paosiko aza no manaraka @ fandoavaka 6% @ impôt synthetique ho an'Ingahy ben'ny tanana ary ny hetra TVA homena an'i ra8 hozaraina @ ireo mpisolelaka mpanao pôlitika omena 400 tapitrisa ariary be izao (vola be hono no nozaraina teny Mavoloha teny t@ 17 izany adalan'ireo izay tsy te hankeny).

Izahay vaohako kosa ity miady mafy @ fiainana andro aman'alina mba nisy nijery ve? eo ireo mararay mila vonjy eny @ hopitaly mety miandry vola kely afahana mividy fanafody sy ny sisa... Eo koa ireo olona be antitra miandry pension milahatra efa manomboka @ 3 maraina eny @ fandraisam-bola avy eo anefa voaendaka etsy ivelany @ tsy fisin'ny fandrimpahalemana ry zalahy anefa manao ampihimamba ny volam-panjakana sy ny fandehanana mitety izao tontolo izao. tsy hanao lava teny aho fa ampy izay isika rehetra mahalala tsara ny fahorin'ny isan-tokantrano ankehitriny.

Jereo koa eto 

 


Sary Hafa Kely

news2dago 17 Desambra, 2008 12:24 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity indray misy karazana sary hosodoko nisy nandefa taty amiko t@ mailaka. Mahavarina tokoa ilay izy ary mifono endrika maromaro ilay sary. Ankafizo sy diniho tsara anie fa ahita sary hafa ao @ ilay sary voalohany enao e!!!

Alaivo eto ary ilay sary mifono misitery mila power point ny mijery azy

Ny vaovao dia volakakafotra ny teo ihany no miverina dia ny viva tv mikantona sy ny mpanohitra hivangam-bao tsy hamonjy an'i Ramose Honoris causa! lol

jereo koa eto


Bye Bye VIVA TV

news2dago 15 Desambra, 2008 07:55 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny VIVA hatramin’izay nisiany, herintaona izao, dia niezaka hatrany tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpanjifa teo amin’ny sehatra fiaraha-miasa, na amina dokam-barotra (Publicité) sns...Ka n’inon’inona natao. Na teo amin’ny fampahalalam-baovao, na tamin’ny fandaharana novokarina dia natao izay hanolorana zavatra tsara ny mpanjifa, nametrahana ho ambony ny kolon-tsaina Malagasy ka nanomezana izay noheverina fa tsara tamin’ny sokajin-taona rehetra, ifantohan’ny filamatra hatrany manao hoe : « Le Feeling de toutes les générations ». Dia mirona amin’io ny foto-kevitra rehetra eo amin’ny fanabeazana na fampahalalàna amin’ny olom-pirenena ny zava-misy marina, tsy ny eto an-tanindrazana ihany fa izay vaovao lehibe misongadina miseho any ivelany ihany koa... Kanefa dia izao mijanona tsy afa-manohy izay tanjona hanome fahafaham-po ny mpijery izay ny VIVA noho ny fanapaha-kevitry ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisana ary ny Fifandraisan-davitra, nanao sonia ny taratasy voaray ny alin’ny 13 desambra 2008 hanajanonana ny TV, rehefa nandefa ilay fanehoan-kevitra fanazavàna ny zava-misy araka ny fahalalan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoham-pirenena teo aloha, ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena sy izay mahakasika an’ity Nosy ity. Marihana fa maro tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro no namoaka izany koa, andro vitsy talohan’ny nandefasan’ny VIVA izany ny sabotsy alina. Efa nisy televiziona sy radio ihany koa efa namoaka ny ampahany tamin’izany resadresaka nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka izany.

Dia mampametra-panontaniana ny VIVA amin’izao izy tonga tamin’ny fanakatonana ny Antenne tsy hahafahan’ny Televiziona manohy ny asany izao.

Ny VIVA dia maneho etoana ny fisaorana lehibe anareo rehetra mpijery sy mpihaino azy. Ary mbola mampanantena ny hanome ny kanto sy tsara hatrany ho antsika rehetra.

VIVA TV/Radio FM 98.8
Antananarivo, 14 desambra 2008.
Source Madagascar Tribune

Ze ataonla eo ozy Iary izay e! Mahoraka eto @ tanana ny fanakatonana ny viva TV izay an'i Andry Rajoelina. Iny aloha efa raharaha tadiavina ihany ny itsy farany satria efa arahana maso akaiky ny fitsiny rehetra ankehitriny ary io tsy nahay nitandrina iny dia zara ary misy hirika hanidina azy hoy ny fanjakana. Voaramaso hoy aho satria dia isan'ny dradraina t@ telem-panjakana fa tsy hita teny Iavoloha ny ben'ny tanana t@ 12/12/08 ary efa hita ihany oe misy zavatra hitranga atsy ho atsy.

Mbola tsy feno anefa ny vera hoy ny namana Jentlisa izay ao @ lahatsorany atsy ambadika ka mbola tsy hitokona ny vahoaka fa hano fety fa hitokona hanao inona koa moa e! Tsy efa io ve ilay nimatimatesana tetsy @ 13 mai t@ 2001 tsy nampatory andro aman'alina nanao andrimaso sao dia mananim-bohitra ny fanjakan'ny amiraly izay mbola ara-dalana t@ izany fotoana izany. Ny malagasy anie tsy mandeha @ laojika no mahavarina ahy @ fihetsiny e! Indraindray enao tiany indraindray enao halany ka tsy hita be ihany izay tena ao an-dohany ao.

Raha izaho manokana aloha tsy ho azon'iza na iza hirotsaka eny @ 13 mai izany intsony aho e! efa teny aho t@ 91 na dia mbola mpianatra tao @ lycée aza dia nirotsaka teny kay tena fitaka be vava ny an'ireto mpitarika fa niady seza sy nizara vola no ady kle nony vita ny tolona. Toy izany koa t@ 2001 oe "hanova sa tsy hanova?" tsy nakeny mihitsy aho raha ny sitrapoko satria efa fantatro ilay zavatra hitranga avy eo fa saingy ny ramatoako no tena nafana fo be t@ izany sady protestant rahateo izy ka tsy mahagaga raha mazoto ery. Ny tena moa mbola niandrandra fandresena ka tsy maintsy oe manaraka azy eny ihany sao misy mandrombaka tampoka eny. LOL!!! 

Ka raha misy hetaheta ho anareo mpitarika politika oe hirotsaka an-dalambe satria mety hiafara @ izay ihany izy ity satria tsy ho afaka mora foana eo ilay zalahy eo io fa sarotra lavitra noho ny manala an'i Ratsiraka io. Dia efa miteny aho izay. Tsaronareo tsara io teniko io indray andro any. Dia izao dia efa mihomana manofana kômadô tsy mora tambazana vola ny vola mantsy izy manana betsaka, any angamba no lalana metimety kokoa fa aza ny vahoaka no atao sorona ampy angamba izay.Tenaizay izy ity e! Rà mandrika no iafaran'ity tantara ity. Aza misy an'izany re olona.

Ny vaovao hafa kosa dia mikasika ireto mpamily na kamio mamon-drongony mitondra fiara  miridana etsy sy eroa ireto dia tokony hisy ny fepetra ho raisina mikasika azy ireo fa ny aina mantsy lahitokana ary mampahonena izay laozany @ hetraketraka ataon'ny sasany. Toy ity nitranga tetsy Ankazomanga omaly ity. Teo @ sampanan-dalana bolevara ny erôpa iny no tsy tafavily ilay kamio be ary nifatratra taty @ mpivarotra amoron-dalana ka zazalahy kely iray no maty eo. Voalaza moa fa niaraka t@ rainy izy ary naratra mafy koa ity rainy ity tsy izay ihany koa enefa fa ilay reniny dia miandry vohaka ankehitriny. Lakalaka tokoa ity fiainana ity e.

Jereo koa eto


Menaka Vidange Avadika Gasoil?

news2dago 13 Desambra, 2008 07:08 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Noravaina ilay orinasa sinoa etsy Andoharonofotsy saika hanao fikarohana momba ity ketrika iray ity dia ny famadihana menaka vidange ho lasa gasoil na solika! Vao 5 volana izy izay no efa nanao ny fanandramana dia efa heno sahady fa nisy zazakely maty tsy nahataty ilay fofona maimbo sy entona avoakan'ilay orinasa. Velon-taraina moa ireo mponina teny ka nanao antso avo ka izao tonga t@ fandravana ilay orinasa izao. Voamarina ary fa mbola tsy nahazo alalana tany @ ONE akory ry zareo eo @ fanajana ny tontolo iainana kanefa dia nanao andrana sahady.

Fa eo @ fifaninana ho an'ireo tanora mpandraharaha mendrika indrindra izay karakarain'ny banky bniCL kosa dia lasan'ilay tompon'i gastro pizza ny amboara 2008.Tsy iza moa izany fa i "Mr Mbinina" na Ambinitsoa Andrianaivo. Mbola afaka manitatra ny orinasany moa izy satria dia ahazo fampisamboram-bola tsy misy tambiny ao @ BNICL. Hoy aho oe :"Ny harena mila vintana".

Feno 59 taona omaly 12/12/08 ny filoha ny repoblika ary nankalaza izany izy sy ireo namany akaiky tetsy Iavoloha. Happy Birthday Mister President!!!

Bonus Krismasy:

Andro noely mp3

Antsan'ny kristy mp3

Avia ry mino mp3

Iny lalana iny mp3

jereo koa eto

 

 


Tsy Lavo Fa Potraka

news2dago 11 Desambra, 2008 12:25 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)


Herintaona izay no naharesy ahy teo amin’ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran’ingahy Hery Rafalimanana tao amin’ny Aceem Radio ny faran’ny herinandro teo. Nilaza izy tamin’izany fa adinon’ny TIM tanteraka ny tenany taorian’iny fifidianana ho Ben’ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon’ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin’ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben’ny tanàna. Manana andraikitra lehibe amin’ny tsy nahalany ahy izahay rehetra. Politika no nahalavo ahy, ary tsy maintsy politika no hiarenako.

" Tsy lavo aho fa potraka ", hoy ity filohan’ny delegasiona manokana teto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha ity. Toa manome tsiny avy hatrany ny antoko TIM ny tenany tamin’ny fitsabahana be loatra nandritra ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna farany teo ireny. Tsy TIM aho, fa mpiasan’ny MAGRO hoy ihany izy.

Hanangana fikambanana aho mba hanampiako ny sahirana. Hirona any amin’ny sehatry ny asa soa, ary heverina fa hanana andraikitra goavana momba ity sosialy ity aho rehefa ho tonga ny fotoana ahazoako toerana indray. Momba ny zava-misy eto amin’ny tanànan’Antananarivo, dia nambarany, fa aleo hiasa ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina. Manana ny politika nandreseny lahatra ny vahoaka teto andrenivohitra izy, ka miandry izany ny vahoaka. Vonona ny hanome hevitra ny TGV koa ny lehilahy raha ilaina, fa tsy marisika ny hiditra hiara-mitantanana ao raha toa ka antsoin’i Andry Rajoelina hiara-hiasa aminy.

Raha iny fanambarana nataon’ingahy Hery Rafalimanana iny no atao indray mijery, dia tapaka hatreo ny fiarahany miasa amin’ny fitondrana. Mihevitra ny hanomana ny ho avy politikany izy manomboka izao. Hanao ahoana anefa no mety ho fitiavan’ny vahoaka azy amin’izay ?

Hery Rafalimanana
source Madagascar Tribune
lundi 8 décembre 2008, par Penjy R.

Niniko nadika tsy nisy diso eto io lahatsoratra io satria nanaitra ahy ny namaky azy raha ny fijeriko manokana tokoa aloha dia tena tsy i Rafaly no tsy tian'ny mpifidy fa ny Tim t@ fotoan'andro! politika moa politika ihany ka asa na hirona any @ mpanohitra i Rafaly na hanao inona marina? azo antoka mantsy fa tsy adinon'ny olona tokoa ny zava-bitany tao anatiny 8 volana nisany izay ary tsy afenina fa betsaka ny resaka nande oe marary mafy sy ny sisa kanefa sihon-dresaka ihany moa ireny fa tsy misy voamarina hatreto. 

Manarak'izany dia mitohy hatrany ny ady@ mpivarotra amoron-dalana etsy analakely ary toa tena hita mihitsy fa manampatra fahefana ireo mpisa ny cua maka ankeriny ireo entana amidy. Satria sady dakany ny entana no avy dia raofiny ao anaty kamio vola be avy eo no alain'izy ireo raha te haka ny entany ireto mpivarotra. Mbola fitaka ara-politika ihany koa satria nazava tsara ny fampielezan-kevitra natao ny tgv oe tsy hisy intsony izany mpivarotra hifanejika @ kaominina izany. Enga anie ka mba diso fiheno aho t@ izay.

Avadika ny resaka ka manolotra ireto bonus krismasy ireto indray aho:

Antsan'ny Kristy mp3 special noel

Avia ry Mino mp3

Iny lalana iny mp3

aleo fa omeko eto koa ilay hira kalon'ny fahiny "t@ iny lalana iny" tadiavin'i Ikalamako fa aleo mba @ taona 2009 ataoko Bonne Année ho azy sy ho anareo rehetra mpitsidika.  LOL

Jereo koa eto

 


Tsy Hoavy Hono Ingahibe Noely

news2dago 08 Desambra, 2008 12:34 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mino aho fa hitomany izay tsy izy ny ankizy raha haheno ity lahatsoratra hosoratako eto ity!!! Ho avy mantsy ny fety ny noely rehefa afaka andro vitsivitsy. Ny ankizy moa no tena tsindrindaona mihitsy miandry ilay kilalao avy any @ 'Ngabe noely. Iarahana mahalala anefa ny fahasahiranana ankehitriny ary tena ao anatin'ny krizy ny tokatrano tsirairay. Sahiran-tsaina ireo ray aman-dreny mikaroka ny vola etsy sy eroa hividianana ilay kilalao kely ho an'ny ankizy. Indrisy anefa fa tsy vitsy @ izy ireo no tsy an'asa na very asa noho ny krizy ara-bola.

Koa noho izany dia hanoratra any @ 'Ngahibe noely ireo ray aman-dreny ireo manao oe: "Aza mandalo aty aloha @ ity taona ity fa tsy manana frais hiantohana ny dianao aty izahay!!!" Ilay zaza anefa etsy an-danin'izay tsy mitsahatra manafatra eo @ ilay hazo noely manao oe: "Hitondray mp3 sy mp4, pmp, Ipod izahay ary aza adino koa ireo telefôna finday sy fakan-tsary niomerika, de mbola ampina lecteur divx sy dvd, de mbola ampina playstation 1,2 ary 3,... miaraka @ jeux Pes2009, de izay kilalao vaovao mivoaka any an-dafy rehetra any ry Dadabe noely aza misy adinoana mihitsy an!!!"

Tena tsy an-jaza tokoa raha ny vidin'ireo kilalao ireo ary mbola maro moa ireo karazany hafa fa misy tsy tadidiko. Eto am-pamaranana dia mampahery ireo Ray aman-dReny rehetra manan-janaka aho @ fikarohana izay kilalao hovidina ho an'ny ankizy. Tsy azo atao tokoa mantsy ny tsy hanome ny zaza satria izy ireo tsy mahalala tsy misy. Henjana zalahy ny fiainana e!

Mba hampifalifaly dia ireto ilay bonus Krismasy:

Avia ry mino

Iny lalan'iny

Jereo koa eto

 

 

 


Androany Faha 33 Novambra???

news2dago 03 Desambra, 2008 13:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny ahy moa dia mitatitra ny zavatra malaza sy vaovao henoko etsy sy eroa no tanteriko eto @ blaogiko mazana. Izao indray ary no fiteny vaovao malaza ankehitriny: Ho an'ireo mpiasa birao matetika no tena mitranga ity fiteny ity matetika. Rehefa tapitra ny volana iray ka mbola tsy nandray karama ny mpiasa satria mety tsy mitotona zoma tsara ny faran'ny volana dia tohizana foana ilay volana itsahana aloha ka ny volana novambra izao dia nitotona alahady ny 30 novambra ka ny zoma 5 desambra 2008 vao tena handray karama ny mpiasa ka lasa misy izany ny 31,32,33,34,35 novambra!!! Fomba fiteny fotsiny moa io no sady vazivazy ny samy mpiasa matetika.

Ny vaovao hafa kosa dia tsy milamina ny tany fa mamono olona mihitsy ireo mpangalatra ankehitriny ary tokony mba handray fepetra ny mpitondra ambony fa tsy avela andry tsy lavoloha ny olona. Aiza ve koa misy paobasy sy olona maty na maratra foana etsy sy eroa teto Antananarivo tato ato izay.

Mitaona fako kosa no asan'ny ben'ny tanana ankehitriny izay vary mangatsika efa ho herinandro izay!!! Raha amiko manokana aloha dia naleoko nomena notantanan'ny fanjakana foibe ny fanalana io fako io @ tena afatsilo mihitsy ohatr'izay ny eo anivon'ny CUA tsy izany moa no nitranga fa lazaina atsojay no betsaka izao anefa tsy voataona akory ilay fako.

Bonus krismasy kosa:

Avia ry mino mp3

Iny lalana iny mp3

Jereo koa eto


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)