Tsy Hoavy Hono Ingahibe Noely

news2dago 08 Desambra, 2008 12:34 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mino aho fa hitomany izay tsy izy ny ankizy raha haheno ity lahatsoratra hosoratako eto ity!!! Ho avy mantsy ny fety ny noely rehefa afaka andro vitsivitsy. Ny ankizy moa no tena tsindrindaona mihitsy miandry ilay kilalao avy any @ 'Ngabe noely. Iarahana mahalala anefa ny fahasahiranana ankehitriny ary tena ao anatin'ny krizy ny tokatrano tsirairay. Sahiran-tsaina ireo ray aman-dreny mikaroka ny vola etsy sy eroa hividianana ilay kilalao kely ho an'ny ankizy. Indrisy anefa fa tsy vitsy @ izy ireo no tsy an'asa na very asa noho ny krizy ara-bola.

Koa noho izany dia hanoratra any @ 'Ngahibe noely ireo ray aman-dreny ireo manao oe: "Aza mandalo aty aloha @ ity taona ity fa tsy manana frais hiantohana ny dianao aty izahay!!!" Ilay zaza anefa etsy an-danin'izay tsy mitsahatra manafatra eo @ ilay hazo noely manao oe: "Hitondray mp3 sy mp4, pmp, Ipod izahay ary aza adino koa ireo telefôna finday sy fakan-tsary niomerika, de mbola ampina lecteur divx sy dvd, de mbola ampina playstation 1,2 ary 3,... miaraka @ jeux Pes2009, de izay kilalao vaovao mivoaka any an-dafy rehetra any ry Dadabe noely aza misy adinoana mihitsy an!!!"

Tena tsy an-jaza tokoa raha ny vidin'ireo kilalao ireo ary mbola maro moa ireo karazany hafa fa misy tsy tadidiko. Eto am-pamaranana dia mampahery ireo Ray aman-dReny rehetra manan-janaka aho @ fikarohana izay kilalao hovidina ho an'ny ankizy. Tsy azo atao tokoa mantsy ny tsy hanome ny zaza satria izy ireo tsy mahalala tsy misy. Henjana zalahy ny fiainana e!

Mba hampifalifaly dia ireto ilay bonus Krismasy:

Avia ry mino

Iny lalan'iny

Jereo koa eto

 

 

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)