Miatra Ny Couvre Feu

news2dago 27 Janoary, 2009 17:17 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mbola miaina ao anatin'ny tebiteby ny vahoaka tsy madady arona ankehitriny. Mandray ny andraikiny kosa anefa ny fanjakana ka norotsaka ny EMMO NAT ary tsy azo atao ny mivorivory na mandeha mihoatra ny @ 9 ora alina.

Mandeha ny tsaho oe i Andry rajoelina no namoaka ireo miaramila ireo!!! Raha marina tokoa izany enga anie ka ho diso aho dia efa naman'ny mangorona entana ny fitondrana Ravalomanana. Ny RDB kosa anefa dia namoaka ny tenin'ny Filoha ary nanome baiko ny mpitandro ny filaminana @ izay ary tsy misy mahazo milahatra intsony manomboka eto. Ho hita eo raha mbola sahy hidina etsy @ 13 mai ihany ireo jiolahimboto mpandroba ireo.

Ny any @ faritra aloha ny vaovao henoko farany dia tapitra nodorana sy norobaina avokoa ireo tranombarotra magro. Hiampy indray izay ny mpisom! noho ny tsy fisainana kely fontsiny sy ny ambom-po diso toerana. Tapitra hatreo koa ny resaka fifampidinihina izany. Be kaomandy laotra mantsy ilay ben'ny tanana fa oe nahazaka jiolamboto mpandromba ka manao ramatahora eran'ny madagasikara.

Jereo koa eto


Alin'ny 26 Janoary 2009 Teo Iarivo!!!

news2dago 27 Janoary, 2009 09:05 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mangidy ny rora ary manakifin-doha ny sasany mijery ireto zatovo miandahy miambavy mitaona ny entana norobaina teny @ tranombarotra vaky teto an-drenivohitra. Fa loza inona re ity nataon'ny zanak'Antananarivo ity e. Tsy tahotra tsy henatra fa dia miseho mazava eny izy rehetra milanja izay voaray ny tanana. Dia lasa fanjakan'ny baroa tokoa ny tanana. Efa madiva hilentika eto ny masoandro tsy misy mandeha intsony ny fahitalavitra ary radio vitsy sisa no heno.

  (namoatsapona le zalahy ity)

Gina sy mangasihasy ny rehetra ary nilatsaham-panenenana izay toa mandatsa ihany ankehitriny manao oe "Tahak'izay" izay mitovy @ tsy misy ihany. Tsy voafehin'ilay amboadia mitafy hodin-janak'ondry ireto olona notaritiny izay tena nihaom-pefy mihitsy mandromba sy mamaky trano etsy sy eroa nasesiny avokoa nanomboka teny @ CITIC sy supreme Center etsy behoririka ny magazay courts niampy ny Naza electronic sy ny shoprite Analakely ny vakitrano. Simba ny tanàna manjaka ny asan-devoly. Miraviravy tanana ny vahoaka tsy hita izay hiatorahana. Ny miaramila rahateo tsy nahavita niaro akory ireto vahoaka.

  (sary ravatorano)

Ny radio ara-pilazantsara iray Vaovao Mahasoa izay isaorana eto noho ny fitondrana am-bavaka ny firenena tsy akin-janona ny vavaka nasandratra avo dia avo. Manondro @ 9 ora alina latsaka folo ny ora no niditra mivantana tao @ Radio ny Praiminisitra izay hita ho feno feno tokoa ary voton-dranomaso miantso ny vahoaka ho tony ary efa miroso @ fampindinihina ny roa tonta. Velom-panantenana teo ny rehetra oe hifarana @ izay angamba izao fitaitainana izao. Fotoana fohy avy eo anefa dia namaly indray ny ben'ny tanana avy eo manao oe tsy marina velively izany. Tankina ny tena naheno oe ary manotany tena tokoa oe ankasitrany ary ve izao zavatra mitranga izao? 

  (sary ravatorano)

Manondro @ 12 ora sy sasany alina ny ora no naneno ny finday-ko antso avy any @ havana ihany ilay izay mampilaza manao oe misy manampoizina ny rano ary zatovolahy miisa 5 no mandromba sy mamaky trano eny @ 67 Ha rehetra iny. Miantso vonjy ireo traboina kanefa tsy nisy afaka namonjy ary maromaro mihitsy ny olona tapaka lalan-drà oe noho ny fitaitainana teny @ iny faritra iny. Efa poa basy tsy misy hifandrenesana eto Analakely hoy izy ary mijoalajoala efa ho 7 metatra ny afo eo @ Naza electronic. Manao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana mandamina.

Asa izay any gaza sy bagdad any fa tena mandry tsy lavo loha arabakiteny ny tena ity tsy mahita tory mihanohaino oe inona indray no hitranga avy eo. Soa fa nisy ilay fahitalavitra LTV iny teo azo nojerena nandefa hiram-pivavahana. Mavaivay tokoa ny fitsapana nahazo ny zanak'Antananarivo ka noho izay angamba no nahatonga ity hafatra fohy SMS ity tonga aty amiko dia ny oe "ronjom-bavaka atao manomboka @ 9 ora ary ao @ Daniela 9:4-19".

vao mangiran-dratsy dia efa taitra sahady ny tena ary somary mangina ny tanana heno rahateo koa fa aato aloa ilay fihaonana etsy @ 13 mai izay notarihin'ny amboadia mitafy hodin-janak'ondry izay milaza fa tsy hanakorotana sy hilamina tsara kanefa dia mibolila mandromba etsy sy eroa. ary hita sy kinendry ihany ilay izy hatr@ voalohany oe korotana sy rotaka no kobonona mampatsiahy ny andro fahiny rehefa resy ny club M de vaky ny vetmad sy ny bata tsy hiteny aho oe t@ andron'iza no nisy an'izany.

Ny tena moa dia niezaka hatrany mba nandajalanja ary miezaka hatrany mba hanana ny fijery marolafy ka namoaka lahatsoratra indraindray mety hifandiso @ fijerinao mamaky kanefa zontsika ny miady hevitra hatrany mba hirosona any @ tsaratsara kokoa. @ 6 ora sasany maraina ny andro ary navadika any @ marin-drefy ny RDB ny radio ka indro nifandimby niteny tao ny ben'ny tanana ny PM ary farany ny Prezida Ravalomanana izay samy miantso ny olona ho tony sy mba hifampidinika. Manomboka eto kosa dia ho vasoka @ izay tena fanetribe ny firenena.

Re koa izao fa manomboka ny fandrombana any mahajanga. Mazava ho azy fa avy @ ny tgv sy ny ekipany no fototry ny korotana rehetra kanefa dia mbola sahy manadio tena ihany ny ben'ny tanana na dia tsy ho afaka @ ny andraikitra nitarihiny ireo olona marobe miampy ny jiolahimboto nokaramain'ny antoko ny fitondrana teo aloha. Adala ihany Antananarivo mandrora ny azy ka izao no alehany. Ilaharana sahady ny menaka ny vary moa va tsy efa fahita t@ andron'ny amiraly izany.

Jereo koa eto


111 Ny Maty Ary 80 Maratra Mafy(Updated)

news2dago 26 Janoary, 2009 11:09 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nodoran'ny olona ny RNM ary hiazo ny MBS ny vahoaka tsy hay tohaina. Vahoaka be tokoa ireto milahatra ireto raha ny tantitra henoko farany.May ihany koa ny tranon'ny loholona Moxe Ramandimbilahatra. Miazakazaka be ny vaovao ankehitriny.

Tsy toy izao intsony izany ny zavatra mety ho tazana ao Anosy ao! Indrisy tsy mba hanana zavatra tsara mihitsy isika.

Nahatafiditra baolina izany ny ekipan'ny TgV androany raha ny filazan'ny olona satria dia may koa ny MBS @ izao za manoratra izao @ 1 ora sy 30 moa eto Antananarivo. Inona no mbola andrasana e! sa miandry faty olona vao hifampidinik.

Rotaka be ny tantara e! nisy nifampitifitra tetsy @ mbs ka 1 no maty tsy nahasakana ny olona maro be anefa izany fa tafiditra ato @ mbs ihany ry zareo ka potika tanteraka koa ny mbs. mIrodorodo makaty @ 67ha indray ny olona ankehitrinytsy hay oe ho aiza na ho aiza. Mafana ny raharaha ary tena mampahonena ny korotana. Tanterina eto ihany ny vaovao manaraka. 

Nikatona avokoa ny mpivarotra rehetra ary nasaina nody ny mpianatra eny @ sekoly katolika. LOza ny niafaran'ilay tolona ary rà mandrika izy ity ao aorina ao.

May daholo ny fananan'i ra8 eto Antananarivo  ny etsy Ankorondrano indray zao no mirehatra ary miakatra ny setroka nalaina ny entana sy ny zavatra rehetra tao ny Magro io. Dia io efa miakatra io koa ny setroka etsy @ magro tanjombato. Asa oe aiza indray ny manaraka??? Mbola miantso olona ho eny @ 13 mai indray ny ben'ny tanana @ 4 ora latsaka fahefany eto Antananarivo. 

Zazalahy kely vao 14 taona no maty tetsy @ mbs Anosipatrana androany ary lasa sorona tsy fidiny @ ity politika maloto ity. Ny ambetitenin'ny olona moa dia oe: "Miteniteny foana i ra8 no mahatonga ny olona ho romotra sahalan'io". Inona ary no hitranga rahampitso sy rahafaka ampitso. Efa mndeha koa ny tsaho oe efa tsy manaraka baiko intsony ny polisy ankehitriny fa ny zandary sisa no ao. Raha ny resaka moa dia oe ny olona mihitsy no naka ny basy teny antanan'ireo miaramila niambina ny mbs!!! Mazava ho azy fa mikorotana ny tanana ankehitriny. Vao tonga ny sary dia asiko haingony ity lahatsoratra ity na dia somary mampalahelo ihany ny fihodin'ny raharaha ankehitriny

Horera

 Jereo koa eto


Tampina Ny Daomy! Updated

news2dago 26 Janoary, 2009 03:56 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita hatreo ny momba ny viva radio sy ny ben'ny tanàna satria dia nandray andraikitra ny fanjakana t@ ireo nigafigafy eran'ny tanana. Efa tsy mandeha intsony ny viva radio @ izao fotoana anoratako izao. Mety efa vosambotra ihany koa ny ben'ny tanana. Ny hany henoko tety @nay izay tsy dia lavitra @ foibe ny viva radio dia zavatra nipoaka be inimbetsaka teo @ 1 ora maraina teo. Hijanona hatreo ary ve ity raharaha ity? Miandry ny rehetra...

Miandry ny vaovao ny rehetra miteny ho azy kosa ny sary afahana mitsakotsako ny korotana nitranga sy ny zavatra mety hitranga androany. @ 6 ora sy 10 maraina izao eto Antananarivo.

Voalaza fa vazaha afrikanina tatsimo no nokaramaina naka ny emetteur ny viva radio. Niaraka t@ filoha avy any ary ve ireto mpikaramady ireto. Niady ihany ny andrimasom-pokonolona fa atody miady amam-bato!!! fa dia nahoana kosa ary no olona avy any ivelany no asaina manao izany asa izany. Voalaza ihany koa fa novakin'ny olona ny magro behoririka. Vaky avokoa ny fitaratra ary voahongotra h@ varavana vy nanidy ity tranombarotra ity.

Efa misy olona mitagorona ihany koa eo @ 13 mai ary efa mipetraka ny fanamafisam-peo. Mbola tsy voasambotra akory ny ben'ny tanana hatreto ny androany no tsy fantatra. Maro ihany ireo orinasa nihidy androany indrindra ireo orinasa ny karana. Mihidy ihany koa ireo birao ny firaisana. Mila miditra antsehatra kosa ireo mpanelanelana e! angamba fotaonany izao. Mbola miantsy sy manejika ny tolona ihany koa anefa ny ao @ mbs toy ny natao ny viva ihany koa. Lakolosy tokana aloha izany no heno hatreto. Tsy mandeha ihany koa ny tvm sy ny rnm eto Antananarivo ny any @ sisiny mbola mandeha tsara hoy ny namana any. Latsaka kely izao ny @ 10 oro maraina miandry ny hetsika etsy @ 13 mai indray sy izay mety tatitra ho heno eo. 

 @ 11 ora katroka izao mikabary eo @ 13 mai i Andry Rajoelina ankehitriny voalaza fa vahoaka vorilanina ihany koa no ao ankehitriny raha ny vaovao azoko @ antso an-tariby. Miantso izy "ny hivoahan'ny mpianatra sy ny mpiasa ary milaza fa ry zalahy no mampiasa fitaovam-piadina". Ho eny @ tribonaly ny mpilahatra ankehitriny satria misy ireo mpianatra nosamborina. Ny mpilahatra moa dia miaogahaoga oe "izahay tsy matahoatra kaomandô".

Etsy andaniny dia heno koa fa nisy nandoro ny tranon'ny loholona Moxe Ramandimbilahatra. Misy ny sakan-dalana etsy sy eroa ankehitriny.

Jereo koa eto


Breaking News!!!!! Updated

news2dago 25 Janoary, 2009 08:38 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raikitra ny gidragidra satria nivoaka ny didy fampisamborana ny ben'ny tanana!!!Mangitakitaka sy mitaitaina ny vahoaka ankehitriny. Miangavy sy maniry ny tsy hisin'ny rà latsaka ny maro an'isa. Hiaino ve ny mpitondra hanaiky mora foana ve ny ankilany?

  sary avylavitra

 

MIARAMILA Maro maro MANAO SAROTAVA MIAKATRA ENY AMBOHIMITSIMBONA sy miaodiaody eran'ny tanàna ary Miezaka ny hanala ny emetteur ny viva radio ireo sy andeha hisambotra ny ben'ny tanana eny Ambatobe @ izao ora hanoratako izao raha ny filazan'ny viva radio moa dia oe mirodorodo miakatra eny ihany koa ankehitriny ny andrimasom-pokonolona.

  (sary avylavitra)

Miroso makany  @ fifadonana ny raharaha mazava ho azy.

 

Etsy ankilany dia manao antso avo ao @ TV MBS ny mpomba azy mba hitsena ny filoha amim-boninahitra izay avy namita iraka avy atsy afrika atsimo voalaza moa fa @ 2 ora izy no higadona eny ivato ary hanao izay ho afany ry zareo hampiseho oe mbola mamim-bahoaka ity filoha ity. H@ ovina indray no lasa misy fitsenana ny prezida alefa @ tele izany e! Efa alohalika tokoa ny ranom-bary kanoa.

 

Mandeha be ny toe-draharaha ankehitriny ary ady @ serasera no tena misy ankehitriny dia miroso eo daholo ny taim-bava mandranitra ny vahoaka hifankahala na ny mbs, radio mada h@ radio fahazavana  mpanohana ny fitondrana aandaniny ary ankilany kosa ny viva ny antsiva ny radio don bosco manohana ny andry rajoelina dia samy manao itony antso mivantana avy @ mpihaino itony. Mazava arak'izany fa samy manana filazany ny rehetra ary milaza ho mahatarika olona daholo.

  (sary avylavitra)

Nisy fanerena ny olona rehetra isan-tonkatrano teny ambohibao hivoaka ny trano miaraka @ karne hitsena ny filoha ary hanofanofa saina eny @ arabe. Mivoaka daholo koa ireo fiarakodia mandeha eran'ny tanana mandefa ny fanetanana hitsena ny filoha dia mitovy @ ireny oe misy propangady ireny mihitsy e. Dia samy manohana ny azy eo daholo. Fa ny olana sy indro kely dia miantso ny mpitondra ireto vahoaka(nitsena ny filoha ireto) hisambotra an'i tgv. Dia namaly moa ny praiminisitra oe: "Aza matahoatra fa rahariva ihany!!!"

Arak'izany dia ahina mafy mihitsy ny hisin'ny ady ny samy malagasy sy ny korontana. Mbola lavitra raha ny ho @ izay latabatra boribory izay. @ 3 ora marina moa izao eto Antananarivo ary efa ningadona ny Filoha izay nody tampoka avy any afrika atsimo na dia tokony mbola tokony hivory aza izy rahampitso. Tanteriko eo ihany raha vao mahazo fanampim-baovao. 

JEREO KOA ETO


«Mialoha   1 2 3 4 5 6  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)