Hiverina Etsy @ 13mai Ny Mpanohatra

news2dago 28 Febroary, 2009 08:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiverina hidinika indray i Andry Rajoelina torak'izany koa ny mpanelanelana Monsenera Odon Razanakolona filoha ny FFKM amperinasa ankehitriny.

(sary gazetiko)

Etsy andanin'izay dia mitohy ihany ny fiantsina ao @ Radio Antsiva sy ny Viva. Io moa dia efa kapoakan'ireo haino aman-jery ireo h@ izay.

Voatendry ihany koa ny delegué au maire enina (6) ho an'ny boriboritany enina eto antananarivo izay notendren'ny PDS Guy Rivo. Ho an’ny
Bor I: Atoa Andrianarivo Jaosoa Rabenandrasana;
Bor II: Atoa Rasoamanana Gerard Marie André;
Bor III: Rakotomalala Rivoniaina Rija;
Bor IV: Radimiarisoa Richard Albert;
Bor V: Rajaofetra Jean Marc;
Bor VI: Rakotomihanina Solofo Jaona.

Nosavain'ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tranon'ingahy Alain Ramaroson omaly. Izy moa efa nilaza fa raha misy fisamborana atao azy dia mety hamaly bontana ny tenany!!! asa aloha oe inona no mety hetsika ataony @ izany.

  (sary midimadagasikara)

Nisy maty indray tany Fianaratsoa omaly vokatrin'ny fifanosehana teo @ ireo mpitolona nandositra sy natahotra ny ho voasambotra. Nefa raha ny filazan'ny mpitantara indray dia oe voatifitra mihitsy olona maty io. 

  (sary gazetiko)

Mahagaga ihany koa ny fanentanana voaray sy hitako tao @ tvplus omaly fa ny filohan'ny Malagasy tonga saina MTS ny Rolland ratsiraka indray no hitarika ny tolona etsy @ kianja ny 13mai androany. Manitikitika ihany oe sao dia lety mihitsy aza no mitady hiakatra eo @ fitondrana eo e? Ny tantara no hamaly an'izay.

Hanome fanampim-baovao eo avy eo raha sanatria misy ny fifandonana etsy @ 13mai sy ny manodidina!!!

JEREO KOA ETO


Ravao Ihany Koa Ny 13 Mai

news2dago 27 Febroary, 2009 08:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

(sary gazetiko updated)

Velom-bolo ny olona tsy tia fikomina omaly raha naheno fa niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandrava ireo mpikomy tetsy Mahamasina.

Maro mantsy ny olona saika hivarotra omaly teo @ iny toerana iny kanefa dia nasain'ireto mpikomy nangoron'entana ry zareo ka tsy afaka nivarotra. Voatohitohina arak'izany ny fahafahan'ny hafa ka mila ny fandraisan'andraikitra avy @ mpitondra @ izay. Hetahetan'ny maro ihany koa ny hitohizan'izao fandravana izao mba hitohy hatreny @ 13 mai ihany koa. Voamarina ihany koa fa mitondra fitaovam-piadina ireto mpikomy ireto toy ny langilangy sy ny hazo lavalava hidarofana mpitandro ny filaminana dia aza manatena ny ho afamaina @ izay raha voasambotra eo. Heloka be vava tokoa ny miandry ireo olona mamono mpitandro ny filaminana am-perinasa.

 

Manarak'izay dia nitohy ny dinika teny @ hotely Ny Hintsy Ambohimanambola omaly saingy tsy tonga indray ny ekipan'ny tetezamita. Izay nanao be fiavy afak'omaly ka nahatonga ny teo @ fitondrana nihemotra tamin'ny ora farany tsy hamonjy ny dinika noho ny lafin'ny filaminana anatiny. Rariny ihany aloha izany satria tsy ny delegasiona nifanarahana no tonga tao fa tonga tao daholo i babay sy lovohatra ka azo antoko fa tsy hisy raharaha ho vanona akory satria olona maivava be daholo no tonga tao ka naleon'ny ankilany izany nanaja tena ny tsy hanatrika ny dinika. lol

(sary presidency)

Ny FFKM moa no nitarika ny fanelanelanana na dia efa nitsaoka an-daharana aza i Maosenera Odon Razanakolona izay filoha ny FFKM am-perinasa dia tsy niamboha adidy kosa iretsy mpiaramiasa aminy fa nanohy ny fanelanelanana hatrany na dia sarotra aza ny raharaha ny Eveka Anglikana Ranarivelo samoela Jaona indray arak'izany no nitondra teny ny FFKM omaly.

  (sary presidency)

Nihaona manokana t@ ilay solontena ny firenena mikambana moa ry zareo tao @ FFKM avy eo teny an-toerana ihany. Nihaona ihany koa t@ Prezida Ravalomanana izy ary avy eo kosa dia nakeny Ambatobe teny @ Andry Rajoelina.Tsy nisy nipika kosa anefa ny dinika na dia nilaza aza ny TGV fa oe fametrahana tetezamita no tena aton-dihany teto amintsika omaly iny.

Vaovao hafa kosa dia misy migafy ny tamban-jotra ny telma fixe ankehitriny didin'ireo mpandroba @ antsy mantsy ilay tariby mivoaka avy any ambany ny tany iny ka tapaka daholo ny akamaron'ny telefona fixe eto andrenivohitra indrindra iny faritra ambohimanarina sy alarobia iny. Ny olana anefa hoy ny olona mitaraina dia tsy azo mihitsy ny tompon'andraikitra misahana ny mpanjifa ao @ 80800 fa sahirana foana ny tambajotra. Ny andro rahateo mbola ao anatin'ny krizy ka tena ilaina dia ilaina tokoa izay telefona izany.



Mihena ihany koa ny tolotra @ fahita lavitra anekehitriny ary azo lazaina fa mahamonamonaina ny mijery ny fandaharana satria dia tsy misy dikany daholo ny fandaharana mande @ tele ankehitriny tsy afaka mizapy firy koa fa efa vitsy dia vitsy sisa ny tele mandeha ka dia mionona @ izay alefany eo. Ny sasany moa dia tsy misy afatsy resaka politika no mandeha ao ny tena anefa efa boda be ihany koa ny loha mba te hijery zavatra hafa soa ihany fa nisy ilay tele LTV (fahitalavitra ara-pilazantsara) iny manala sorisory fa raha tsy izany angamba dia namidy koa io fahitalavitra io. LOL

Nanao fanambarana ihany koa ny Radio Fahazavana fa nisy nampiasa ny maridrefy 88.6Mhz omaly hariva t@ 4 ora hariva nandritra ny fandaharana mofon'aina iny mihitsy no tapaka tampoka ny radio ka lasa resaka politika fotsiny no nandeha tao. Tsy avy @ radio velively akory io fanetanana io fa avy @ ilay Ratsy hoy ry zareo. Dia efa tsy menatra intsony mihitsy ry ratsy izany ka.

JEREO KOA ETO

 


Nilefitra Ihany I Andry Rajoelina

news2dago 22 Febroary, 2009 08:15 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Toy ny varisosoa voatapon-drano ireto mpitokona tetsy @ kianja ny 13mai raha naheno fa nahazo taratasy fanasana avy any @ FFKM ny tenany (Andry TGV) mba hihaona @ Filoha Ravalomanana Marc omaly asabotsy 21 febroary. Tsy hisy aloha ny dia be fa aleo mamonjy ity fihaonana ity hoy izy. Nirava aloha be arak'izany ny fikomina omaly satria voatondro @ 1 ora atoandro ny fihaonana.

(sary malagasy aho)

Iza moa no tsy efa nilaza h@ fiandohany ny krizy oe ny midinika an-databatra boribory ihany no vahaolana fa tsy ny fizirizirina hikomy sy hanakorotana etsy sy eroa. Andrasana efa misy faty olona maro sy zavatra simba betsaka vao tonga saina oe ilaina ny fifampidinihina. Tsy misy hanome anao fahefana eny an-dalambe izany eo na iza mpitondra eo na iza. Nefa dia nilaza mihitsy moa t@ izany fotoana oe za tsy hiaona @ mpamono olona e! za tsy hidinika raha tsy tetezamita sy ny sisa. Tsy fotoana ny fandatsana intsony moa izao fa fotoana tokony hibanjinana ny ho avy.

  (sary malagasy aho)

Mbola mampitandrina ihany moa i Andry Rajoelina oe aato ny fikomina fa tsy tapitra akory!!! Ny hany tsapa ny mpanaram-baovao aloha dia ny fihenan'ny mpanaradia sy ny fahalanin'ny vola nampiasaina t@ izany fikomina natao izany. Teo koa ny tsy fahombiazana teo @ tetika natao hatrany amboalohany. Ny fanaganana governemanta eny an-dalambe sy ny famakina minisitera sy ny fitarihina ny olona hiditra any @ faritra mena mba hisin'ny sorona sy ny rà latsaka. Izany no natao moa hoy Ingahy Manandafy dia ny mba hanalana baraka an'Ingahy Ravalomanana fotsiny @ ireo any ivelany oe olona lia-drà ny mpitondra toy ny natao @ 10 aogositra. Ie tsy nitarika olona ho eny Iavoloha tokoa izy t@ izany fa ry Pasitera sy ry Zafy no nampidikizo ny vahoaka teny.

Na izany aza anefa dia mba nahavelom-bolo ihany ny nahenona ny fisiin'ilay fihaonana ary samy nandefitra ny andaniny avy ka afaka nifampidinika ihany. Ny tsara atao kosa nefa dia tsy mihaino lakolosy tokana avy any @ ekipan'ny tgv fotsiny fa mba tokony henoina koa ny feon'ny mpanao politika hafa sao mba misy hetahetany koa ireo hafa ireo ary azoko antoka fa manana tokoa izy ireo.



Miandry ny ampitso izany isika manomboka izao. Efa saika ratsy ihany ny zavatra nitranga satria efa vonona ny @ ady an-trano mihitsy ry zareo mpikomy satria efa natsoina ny reservista sy ny miaramila sasany hanampy azy ireo ary haka basy any an-dakazery eto andrenivohitra omaly ka nandeha foana ny fanaingana ny andrimasom-pokonolona hiaro ny toerana vitsy vitsy teto antananarivo omaly. Tsy nisy fihetsika hafahafa kosa anefa hatreto aloha.

Ny irarina moa dia ny hifaranan'ny fikomina tanteraka sy ny hisin'ny filaminana maharitra. Ary hita ho miramirana avokoa ny rehetra namonjy fiangonana androany alahady. Hanomboka herin'andro vaovao indray isika rahampitso ka entina am-bavaka hatrany mba hisy vokany izay dinika ataon'ny roa tonta izao.

Jereo koa eto

Sur invitation des « Raiamandreny am-panahy » , le Président de la République, Marc Ravalomanana, a pris part, ce samedi 21 février 2009, à l’Episcopat Antanimena, aux pourparlers dirigés par les 4 Chefs d’Eglise, dirigeants du FFKM (Conseil chrétien des Eglises), en présence de M. Andry Rajoelina et en vue de la recherche d’une solution à la situation politique actuelle.
 
Selon le communiqué lu par le FFKM à l’issue de cette rencontre, les deux parties se sont convenues  :
 
- D’arrêter toute forme de provocation, de dénigrement, et de diffusion de fausses nouvelles par le biais de l’Audiovisuel.
- De faire cesser tout acte de pillage et de vandalisme visant des biens des particuliers et de l’Etat
- D’arrêter toute manifestation dans la rue
- De cesser toute forme d’arrestation et de poursuites à caractère politique

Les dirigeants du FFKM ont salué « la volonté et le courage » des deux parties d’avoir bien voulu honorer leur invitation.
Les pourparlers se poursuivront.

 Source : Présidence de la République de Madagascar 


Votsitra Indray Ny Minisitera Azo

news2dago 20 Febroary, 2009 06:28 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Velona ny valim-botana nataon'ny fanjakana alina ka nisy ny fifampitifirana teo @ ireo andrimasom-pokonolona sy ny miaramila rifatra nandositra moa ny andrimaso noho ny poabasy tsy akijanona nanomboka t@ 2 ora maraina. Mpandromba tokoa satria dia vakitrano ampahibemaso no lazain'ilay Jeneraly Organes iny fa modely tokony arahana ny rehetra. Ô re olona e!!! fa loza inona ary ity hoy aho izao ve no atao modely. Tsy menatra akory izy milaza izany an! Mbola tsy fantatra izay maty tao fa arak'ilay vaovao azoko dia nisy tokoa ny gly tao.

 

Manarak'izay dia kivikivy ihany ny vahoaka manohana ny ara-dalàna alina satria dia resy tsy niady izy ireo noho ny fahitana ireto mpanohatra miditra ao @ minisitera. Velona moa ny antso an-tarobia oe aleo hidiranay @ izay ny fisamborana rehefa tsy hanao ny fanjakana e! Marina tokoa izany satria mbola eo ampelatanana tokoa aloha ny fahefana feno dia tokony ampiarina fa tsy asina indrafo izany. Efa tany miady io mantsy ka izay mifanadrify @ izay no tokony arahina. Mazava koa ny tenin'ny Alain Ramaroson t@ fahitalavitra oe tokony dorana daholo ny tranona minisitra rehefa mitady hisambotra azy. Izany ve dia tokony mbola hisy hanaovana marimaritra iraisana hoy ny mpanaradia ny ara-dalana.

Azo antoka koa fa efa niditra tao @ minisitera ireo mpandromba ka asa izay zavatra very tao izay ny vavahady rahateo efa voapitsoka aby. Mila mampiasa hery @ izay rafanja fa ela loatra a! Izahay anie miandry top fotsiny e! rehefa oe tairina izy tia dia raiketo ny hazalambo.Ny vaovao farany azoko avy @ ireo namana akaiky vaditany dia milaza ry zalahy fa vaditany fôpla ireo nentina nolazina fa vaditany ireo ny tena marina dia vaditany mpianadraharaha ry lerony ireo. Dia ahoana ihany ary izany! Fitaka sy lainga foana ve izany no hitaritana ilay vahoaka sa inona mihitsy no tena tanjona.

 

Vaovao farany henoko t@ olona sy ny radio kosa dia feno fiara mifono vy ao anosy ao @ izao fotoana izao ary nahazo akanjo vaovao miaro @ torabato ny zandary sy ny polisy. Tsy hilefitra mora foana izany ny fanjakana ara-dalàna ary rariny ny azy. Efa nitsipaka ny fakana fahefana eny andalam-be koa moa ny minisitra anglisy ka mino izahay fa hanaradia ny ara-dalana ireo firenen-dehibe rehetra ka ho vasoka eo lafrantsa mpiatsaravelatsihy.

Mbola maro kosa ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana ka tonga nanohana ny antso nataon'ny Filoha teny Iavoloha omaly. Akory atao moa fa dia tohanana ny ara-dalàna fa tsy hanaiky mpaka fahefana eny an-dalambe sy ny mpaky trano.

 

Jereo koa eto


Ny Bevoaka Sy Ny Zazakely No Ato Bouclier Radem

news2dago 19 Febroary, 2009 10:35 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Samy sorena aby ny mpanaram-baovao naheno oe ny vadin'ny miaramila no aroso eo aloha mba hakana seza sy ny minisitera. Namaly moa ny maro oe tsy mety ve raha ny vadin'ny mpitari-tolona no atao eo aloha eo.

 

Raha tsy mahomby io dia mety ny zazakely sy ny vehivavy bevoka ary ireo be antitra no ho entina atao takalon-tsorona eny @ 13mai. Aza hitako ka mijery eto ny mpitarika tolona ka haka ity sopapa ratsy ity. Andeha fafako indray ity fa sao dia mampidin-kizo ny hafa. LOL

 

Manarak'izany dia tena olona mpandromba mihitsy ireto etsy @ 13mai ireto satria dia nisaritaka sy ny nikorotana be omaly hariva ny tanana rehetra manodidina. Noana tany @ grevy tany mantsy izy mianankavy ka norobainy avokoa ireo mpivarotra koba sy mananasy tetsy analakely etsy @ "sept prix" iny nitohy h@ mpivarotra kafe sy mofo izay an'ny madinika mba mitady sy sahy miatrika fiainana no samaritahana ohatran'io.

 

Voaroba avokoa ny versment ny taxibe iray tetsy @ petite vitesse iny. Ireo mpandalo sendra mifanena aminy moa dia tsy misy miangana fa lasany avokoa ny finday sy ny vola rehetra eny @ eny. Tsy mety fay mihitsy ry zalahy ireto satria entin-javatra izany mifoka môly no tena marina. Tena ilay olona eny @ faritra iva sy tsy an'asa ireny no manao ity fandrombana ity. Mody mifangaro @ mpitolona ao ry zalahy dia avy @ angady sy ny harona rehefa avy eo. Efa misy sarety kely entiny mihitsy moa eny hiaomana entana voaroba. Tokony avy dia tifirina kosa ry zalahy ireo fa tsy ho hendry intsony raha ny fijeriko azy.

JEREO KOA ETO


Horaisin'ny Tafika Ny Governemanta

news2dago 18 Febroary, 2009 07:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tankina ny mpitolona etsy @ 13mai ary voton-dranomaso ny mpanohana ny fitondrana saingy mahazo laka kely ihany itsy farany satria hijanona @ toerany ihany ny filoha ny repoblika hitohizan'ny fahazom-bola avy @ ireo mpamatsy vola.

 

Hiroso @ tetezamita hanatanterahana ny fifidianana no atao ary hanangana rafitra eken'ny besin'ny maro. Tsy azo resahana firehana politika intsony mandritra ny fitondrana maramila hakatona avokoa ny radio viva sy ny tele viva torak'izany koa ny radio mada eto Antananarivo ny any @ faritra ihany koa dia tsy mahazo miresaka politika intsony. Samborina ary gadraina avy hatrany ireo izay mandranitra adim-poko. Ireo izay mandromba sy manakorotana. Hiroso @ fampiavanam-pirenena isika. Hijoro kosa ny FFKM ho raiamandreny ampanahy.

 

Ireo no mety hitranga atsy hoa atsy raha tsy mety hidinika ny etsy @ 13mai sy ny eo @ fitondrana. Ny vahoaka kosa dia miandry izay isin'ny filaminana hatrany no te hiasa hanao ny fiainana andavanandro tsy misy rahoraho. Efa mipetrapetraka rahateo ny lamina nomen'ny filoham-pirenena ivoahany @ izao fitondrana izao.

 

Ary mihomana @ izay fifidianana mety atao afaka 2 na h@ 5 taona maha filoham-boninahatra azy eto Madagasikara fa kosa tsy manana fahefana betsaka intsony izy fa ny manamboninahitra ambony ao @ tafika no tompon'ny fahefana feno hamita izany tetezamita izany.

 

Jereo koa eto


Nanao Taridositra Ny Fozaorana!!!

news2dago 16 Febroary, 2009 15:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nivoatra haingana be ny tantara androany satria dia nivadika ny rasa. Izy samy izy ihany no nifandramatra. Teny ampiandohana dia haka ny minisitera no tanjona voalohany na dia efa vitsy dia vitsy aza ny olona teo @ 13mai dia mbola nanapakevitra ny haka minisitera ihany ny mpitari-tolona. Nasaina nialoha làlana ny mpiandry ary ny delegasiona tarihina no manaraka azy. Dia i monja rondefo sy ilay minisitra ny fiarovam-pirenena izany.

Nanala devoly moa ny mpiandry tetsy @ BNI analakely ny mpomba ny tgv ary ny barazy kosa dia eo anolonan'ny RM1 iny avy eo moa dia nanatona ny delegasiona nifampiraharaha teo mazava ny resaka fa tsy mahazo mihoatra eo nareo fa faritra mena ny minisitera hitifitra izy izany angamba no tena marina tao. Niala bala haingana ireto mpitarika ka nilaza fa tsy misy olona intsony ao @ minisitera ka sao mba misy vaditany ao @ mpitolona ao! Tsy nisy vaditany kosa anefa tao @ iretsy mpitolona. Teo vao mody nilaza oe aleo fa atao rahampitso indray ny fakana minisitera fa tsy mety raha izao sao dia lazaina fa mangalatra ao indray isika.

 

Tezitra ny vahoaka teo ary nitagoronan'ny olona ilay 4x4 misy ny PM ny tetezamita. Nahozongozon'ny olona ilay fiara avy eo. Zay vao taitra ny mpamily ka namelona ny fiara haingana ka nirifatra nakany ambadikin'ny pavillon analakely. Nitomany teo ny vahoaka tena TGV irigiriny avy eo ka nilaza mihitsy oe "Tsy ianareo no nanana havana maty teny ambotsirohotra ko dia avelanareo toy izao izahay". Aiza i Andry aiza i Andry. Avy hatrany moa dia namaly ny ao @ radio viva oe lasa nakeny @ 13mai izy fa tsy nitsoaka izany. Nidina nakeny indray ny olona tsy nisy olona mptarika koa teny. Avy indray dia ny fanamafisam-peo no nogidraina teo lasa nitsoaka koa ireo. 

 

Inona indray zao no atao rahampitso efa manomboka tsy hita tabilao rahateo ireo lohadohany rehetra i Dollin i Rolland sy ny sisa. Efa raikitra rahateo koa ny ady seza satria i Nadine Ramarosona dia nodina fanina sy nomena toerana fa naleo nampiditra ny ekipan'ny Pierrot Rajaonarivelo. Vasoka fotsiny ireto nanomboka ny tolona nafana fo izany!!! Mahatsiaro tena ho tohotra fiakarana fotsiny. Manamarina izany ilay fanagonan-tsonia omena an'Ingahy Andry Rajoelina hampiditra an'i Nadine ho minisitra. 

 

Sarotra ny mitondra vahoaka ary raha tsy mitandrina dia hifoteran'ny hatezerany indray avy eo. Manasarotra ny tolona ihany koa ny hamaron'ny olona tonga teny Mahamasina ny asabotsy lasa teo. Efa lany koa angamba ny vatsy sy ny vola ka tsy hita izay hevitra hitondrana ny tolona avy eo. Ny olana dia miala pa ohatra ny fialana fozaorana ireto dinôzôro ankehitriny ary avelany irery eo ity TGV ity. Karazany nanolom-bato mafana ho azy ihany izireo. Soa lavo ahay hamindra e! mbola lavitra ny dia.

Jereo koa eto 


Hipoka Tanteraka I Mahamasina

news2dago 14 Febroary, 2009 09:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

 

Na asaina mando fidirana 75.000 Fmg aza izahay hiaro ny safidinay t@ 2006 dia vonona izahay ho avy  hameno ny kianja hoy ny olona hiaro ny 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ fifidianana. @ 11 ora sy 45 minitra izao ary efa feno ny gradin ary tonga hatreny @ atsasaky ny kianja ny hamaron'ny olona ankehitriny. Maina tsara ny andro eto Antananarivo fa tsy toy ny t@ alarobia lasa teo.

Tonga eny Mahamasina ny Filoha Ravalomanana Marc @ 12 ora sy 45 mn izao! hikiaka tsy misy hifandrenesana eto @ kianja ankehitriny. Mitsanga avokoa ny olona eto Mahamasina izay nolazaina moa @ ilay onjam-peo iray oe voavidy vola 75.000 Fmg de mandeha moa ny vazivazy oe koa raha tsy ny etsy 13mai koa ny antsika 250.000Fmg lol. Resaka tsy mitombina na izy ara no inona @ izao fanany efa tapitra fongana izao dia handany vola @ napa ve? Asa aloha!!!

 

Saika tsy afaka niteny ny filoha Ravalomanana marc fa niantsoantso mafy ny vahoaka oe "sambory TGV sambory TGV". Na izany aza dia nilaza ampahabemaso indray izy fa vonona ny hiresaka satria samy malagasy oe. Aza mamaly fiantsina ianareo hoy izy fa izaho kosa tsy hamela anareo irery ary hiaro ny safidinareo ihany koa. Nihoraka tsy nisy fijanonana intsony nanomboka teo ny olona ny onja mandeha ihany ny tehaka sy ny sihoka. Mitovy @ ireny Barea mahafaty baolina ireny ny hafalin'ireo mpanohana azy. Tsy nisy nanampo koa moa oe hoavy i Ramose!!! lol

Ny ankilany etsy @ 13mai kosa @ io dia manedry ireo minisitra ihany. Ary nilaza ny tgv oe hanatitra minisitra @ alatsinainy. Dia efa raharaha tadiavina ny an'izay manaraka azy @ izany. Izy rahateo tsy manery akory fa sitrapon'ireo izay mpitolona io ka tsy misy azo hanomezana tsiny azy. Nifarana moa ny fikomina avy eo ka nisy ny ampahan'olona niseho be loha oe hiantsy ny eny mahamasina nony avy eo ary niazo iny RM1 iny ny andihana olona vitsy dia vitsy manao feloha orange. Sady mandeha ihany ny hogahoga sy ny siotsioka nifanehatra tokoa t@ ireo vahoaka ny Mahamasina ry zalahy tao anaty ny tonelina ambohidahy ka vaky nirifatra nanao taridositra niverina. Nihomehezany iretsy farany fotsiny.

Ny manahirana kely ny saiko fotsiny dia ny maheno ny vavaka misandratra etsy @ 13mai rehefa hanomboka ny kabary. Tsy ilay mivavaka akory no ratsy fa ilay fo tsy madio manantanteraka azy. Satria na inona na inona dia karazana fikomina io atao eo io. tsy mifanaraka @ soratra masina izany. Miala tsiny aho fa mety hanafitohana ny sasany indray izao ity soratro farany ity an! 

Manome fanampim-baovao eo avy eo.

Jereo koa eto


Voafatotrin'ny Lelany Ny Etsy @ 13mai

news2dago 13 Febroary, 2009 09:18 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena sanganehana ihany aho naheno ny ben'ny tanàna lefitra Ramatoa Ratsivalaka Michelle toa saropiaro ery @ safidim-bahoaka 63% azon'ny t@ fifidianana ben'ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra ny taona 2007. Izy hono no mpisolo toerana ny ben'ny tanàna rehefa misy raharaha ataon'itsy farany. Etsy @ 13 mai anefa dia atao tsinotsinona mihitsy ilay 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ 2006 izay ny malagasy rehetra no nifidy azy fa tsy mponina teto Antananarivo renivohitra fotsiny.

 

Manarak'izany dia mitohy hatrany fampihorohorona ny olona mpanelanelana ankehitriny satria dia nisy nitoraka sy nihaodihaody ny manodidina ny tranon'ny filohan'ny Fjkm Lala Rasendrahasina. Tsy mahagaga izany satria dia dradraina ao @ radio viva isan'andro oe mpiray tsikombakomba @ mpitondra jadona.

 

Efa nahazo ny anjarany koa ny maosenera Razanakolona Odon t@ alahady tetsy Mahamasina. Hampiorohorona hatramin'ny mpitondra fiangonana rehefa tsy mitovy hevitra @ etsy  13mai.Efa naheno feo ary aho oe nisy fiangonana Fjkm efa nodorana fa ny toerana no mbola tsy haiko oe aiza (enga anie mba hijanona tsaho ihany io). Ny foibe fjkm etsy analakely moa dia nisy sahy nilaza mihitsy oe nisy mpikaramanady nitifitra t@ 7/02/09??? Fa inona loatra no olona @ fjkm e? Ovay dieny izao ny fomba fijery sy famindra fa tsy mety izany. Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika na inona na inona. Ary efa olona voahosotra daholo ny mpitondra fivavahana rehetra.

Mitohy hatrany moa ny lainga afafy isan'andro etsy @ 13mai lazaina ampahibemaso fa nozaraina vola ny olona tonga marobe tetsy mahamasina! lol maro ny havanay teny nanotaniko kanefa tsy nahazo na ny ariary aza! fa dia fitiavana no nandehanana teny. Misy ny vola sandoka miparitaka etsy sy eroa sy ny sisa...Aoka fotsiny fa dia marina avokoa izay voalaza teo angamba e! Kajikajy tsotsotra fotsiny raha nisy olona 30.000 teny Mahamasina nozaraina 75.000Fmg avy dia any @  2.250.000.000 Fmg any ho any izany no vola nozaraina teny. Sao mba nihoatra iray ary ny Zero nosoratako teo!lol

 

Ny tena mampihome dia ny nanesorana ireto mpiambina oe misy mitady hamono hono i TGV ka aleony maty mitolona toy injay maty @napa. Dia velom-panotanina aho izany oe maty @napa izany ve ireo olona t@ asabotsy niady irery tsy nisy mpiaro tetsy Ambotsirohotra satria tsy hita tabilao teny ilay ranamana io t@ izay andro izay raha tsy diso aho an!!! Asa aloha nareo no mahalala. Manginy fotsiny ny fanampariahana ny tsaho oe misy "tireur d'élite" etsy @ hotely papango e! misy mpikaramanady etsy @ Louvre e! sy ny sisa tsy voatanisa e. Nanome fanamarihina daholo moa ireo hotely voatonona rehetra ireo oe tsy marina izany. Ka iza ihany ary no mpandainga e. Izay no ataoko oe ho voafatotra @ lelany ry zalahy ireo ny farany.

Jereo koa eto


Terroriste Guerre Violence = TGV

news2dago 11 Febroary, 2009 13:14 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Izay no nanakoako eran'ny Mahamasina androany! Feno ny kianja na dia nikija aza ny orana. Norahonana tao @ Radio Viva avokoa ireo mpanankato saika handray anjara etsy Mahamasina. Torak'izany koa ny mpivarotra etsy @ pavillon analakely oe an'ny kaomina hono io ka dorany rehefa tsy manao ville morte!!! Efa tsy demokrasia intsony kosa izany.

Voaporofo koa fa mbola vahoaka ihany koa ireto miaritra ny orana mikija t@ 12 ora sy 45mn io sary io mbola betsaka noho izao ny vahoaka t@ 1ora sasany. Mbola maro koa ny tsy nanatrika teny nefa manohana ny filoha Ravalomanana satria miasa sy mianatra. Hanao ahoana indray ary ny tohiny ny tantara?

(Tsy mila TGV - sambory TGV)

Marina mihitsy ilay lahatsoratra nosoratan'ny namana atsy ambadika manao oe "Rehefa tsy miaraka @nay dia fahavalonay" dia inona izany tsy demokrasia ny fampihorohorona. Marihina fa na ireo mpitondra fivavahana aza dia voatevateva ao @ io radio viva io!!! Miantsy fahakalana olona hatrany ary mitoky teny fatratra ho manana irery ny marina ry zareo. Maro moa ny haino aman-jery  tsy mandeha intsony satria matahotra toy ny matv sy ny record. Ny tvplus sisa no mba milaza vaovao tsy mahagaga fa an'ny ankilany koa io. Soa ihany fa vita ny Tvm ary tsy topotrano miono intsony ny malagasy any anindrana fa maheno vaovao tsara.  

Jereo koa eto


Manipulation Diabolique

news2dago 09 Febroary, 2009 08:37 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rano raraka an-tany

(sary avylavitra)
Manakory aby ianareo tompoko, mamangy amin’ny fahoriana tompoko. Tsy lahatry ny miankandrefam-baravarana izao fa hetraketrakin’ny mpanao politika. Antontanio Ratsiraka : iza no namono ny olona tamin’ny 10 aogositra 1991 ? Voatery nitifitra ny miaramila rehefa notarihina hananika an’Iavoloha ny vahoaka aman’alina. Iza no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireny maty tamin’ny 10 aogositra ireny : Ratsiraka sa ny Hery Velona ?


Vahotra tokoa ny lela raha, 18 taona aty aoriana, voatery mamerina ny fanontaniana sy ahiahy rehetra efa nosoratako tao amin’ny Madagascar Tribune («Ni Iavoloha, ni 13 mai», 12 août 1991). Fa voaozona inona loatra ny mpanao politika malagasy no tsy mahita irika afa-tsy ny fanaovana sorona ny olona ? Tamin’iny 10 aogositra 1991 iny, mbola niala nenina nampitandrina ny olona tonga teny Tanjombato ny Praiministra Razanamasy : «aza mandingana mihoatra eto ianareo fa raharaha ny ao aloha ao». Tsy nisy nihaino azy. Impiry impiry, hatramin’ny nanombohan’izao raharaha izao, no nitsangana sy niteny ny olona maro sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny aroa : «mampidi-kizo izao fiziriziriana izao, tsy maintsy ny resaka no vaha-olana».
Tsy misy nihaino isika.

 

Tsy fomban-tany, na aiza na aiza, na oviana na oviana, izany hoe manani-drova. Faha-Mpanjaka dia voaheloka ho faty izay milingilingy amin’izany. Raha nijanona teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny kabary sy ny fanambarana isan-karazany, tsy ho nisy izao rà mandriaka izao. Anontanio ny any Eoropa sy Amerika raha tojo vahoaka an’alina mananontanona ny lapam-panjakana ka mikasa hanao amboletra hiditra ao : ho jerem-potsiny ? Ka inona intsony no maha Fanjakana ny Fanjakana ?


Hatramin’ny 1972 dia ny faty olona no fetran’ny fitondrana. Efa diso hay loatra izany. Lasa tetika politika. Nahazera an’i Tsiranana. Nahalavo an-dRatsiraka. Izao mahasolafaka an-dRavalomanana izao. Kizo ho an’ny vahoaka, kendry tohana ho an’ny mpitondra, tsiny ho an’ny mpanohitra. Mbola mafana ny fo, mbola mamaivay ny fery, saingy teny tsy maintsy atao izao, zokin’izay aoriana rehetra, mba sanatriavina ka tsy ny fanaovana sorona ny olona foana no handrombaham-pahefana eto Madagasikara.


Ilay Filoham-pirenena, tsy hita, tsy nandrenesam-peo, mahabe ahiahy ny olon-tsotra manara-dalàna sady tsy tia korontana. Raha mba miteny indray, lavitra loatra, toa zary miafina, sanatria toa efa lositra. Fa Fanjakana inona loatra ity eto amintsika ity ? Tompon’andraikitra amin’ny haja sy voninahitra fotsiny fa mialangalana rehefa misy fahasahiranana ? Ianao ihany, Ravalomanana, no nihomehy ilay mpiandry omby miandry omby tokana : «tsy fantatra intsony, hoy ianao, iza no sefo, izy sa ilay omby». Mbola sefo ve ianao, Ravalomanana ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Vaovao farany dia nametram-pialana ny minisitrin'ny fiarovam-pirenena. Ary andrasana etsy @ kianja mitafo ny mahamasina ireo soronan'ny tolom-bahoaka 2009. Tsy mbola misy resaka hidirana any @ marimaritra iraisana mihitsy hatreto.

Jereo koa eto


Nanafika Ny Lapa Dia Voatifitra

news2dago 07 Febroary, 2009 13:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga @ tanjona niriny ny mpitarika ny tolona dia ny hisin'ny rà latsaka izany. Iza no tsy mahalala fa faritra mena eny Ambotsirohotra? Nefa dia notsofina rano ny vahoaka ho eny.

  (sary topmada.com)

  (sary topmada)

15 no maty ary mbola gidragidra be ao zao...Poa basy tsy mijanona olona sahabo eo @ 3000 eo ireo natao tohotra fiakarana dia bado tokoa anie ramalagasy e! Hiomehezan'ny vazaha fotsiny.

  sary topmada

Vaovao voaray farany moa dia oe faty mikararana no raofina ao Antaninarenina ao!!! Indrisy ry malagasy mbola voafitaka @ resaka adiseza hatrany ny maro @nao.

Ny mampalahelo dia ireo mpitarika ny tolona tsy nisy naninona na dia iray aza fa ny vahoaka ihany no lasa sorona. Voaporofo ihany koa fa tsy misy miaramila miaraka @ andry rajoelina izany. Efa manomboka moa ny fisamborana izay nitarika izao voina izao. Samy tompon'andraikitra ny tsirairay @ izay zavatra ataony.

Tsy kely lalana moa ny ratsy fa eo ihany koa ny mpanararaotra izay mbola nangalatra tao hotel colbertnadromba tao @ louvre namaky ny banky Boa!!! Sao dia efa tsy rariny intsony kosa e

Jereo koa eto


Rossy Mazava Ny Atondihiny

news2dago 06 Febroary, 2009 09:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mody tsy manao politika izy kanefa dia miray petsapetsa @ mpanao politika h@ izay. Saika olomanga ny gasikara mihitsy kanefa noho ny fidirany @ resaka politika voretra dia lasa io olom-bomanga io ny niafarany. Tsy maintsy tonga eto antananarivo hono izy hirahira etsy @ 13 mai sambany kosa izy no lasa mihira eo @ 13 mai io izay lazainy oe faritra mena t@ izy mbola nahazo ranondranony tao @ Radidy. Toro hevitra ny ahy tsy aleo ve mijanona mpanakanto toy izay mandoto tena @ ze politika e. Mba bandy mahay mamoron-kira ihany!!

(Izy no Rossy milaza ho irery any antanin'olona kay tena be akama tokoa any)

Misy azy indray izany ireo jomaka sy bemiranga rahampitso fa hampanaovina asa maloto @ fanankorotanana. Mahantra rahateo ka sitrany ahay mba misy dimy arivo kely hividianana vary 4 kilao aloha. Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy zava-doza ketrehana ao rahampitso. Dia avy eo indray hiteny ny mpitarika oe tsy tompon'andraikitra @ hatezeram-bahoaka. Ilay vahoaka no anilihina ny andraikitra rehefa misy ny fihoaram-pefy sy maty @ sorona. Tsy mendrika kosa raha izany toetra fetsifetsy izany no hakana ny fahefana.
(ireto ny mpanao gazety ao @ radio Antsiva)

Tondro molotra fontsiny mantsy izao dia maharava trano sy voaroba ka ilaina mailo tsara mihitsy ny miresaka @ olona. Tsy mety rahateo ny fomba ataon'ny radio viva sy ny antsiva izay milaza mivantana ny laharan'ny ny fiara sy ny toerana misy ilay olona ary lazaina ampahibemaso oe fahavalontsika sy tsy namantsika. Izany ve no atao nefa mba mieritreritra ny hitondra firenena ianao. Maniraka ny mpanaradia anao hamono sy handroba ny olona tsy miovy hevitra @nao. Tokony mba hieritreritra ihany lahy fa tsy izao ihany anie no iainana eto Madagasikara e.

"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!!!". Mba meteza kely fotsiny eo @ toeran'ireo voaromba ireo mpanao gazety manondro molotra ireo mba manana vady aman-janaka ihany. Ovay ihany koa ny fomba fanao fa mbola tsy tara. Tao aorinan'ny 17 janoary no nankaty izao dia maro ireo olona voaroba. I Moxe Ramandimbilahatra, nanaraka azy omaly i Eugène Randriamiandrisoa teo koa i Saholimalala izay mpanolotsainam-paritra ny antoko Tim dia farany izay natao antsoantso omaly t@ radio viva dia i Jaquot ny tarika Green. Lazaina fa fahavalom-bahoaka daholo ireo olona ireo dia robaina ny fananany.
(vahoaka madinika tsy maneho hevitra)
Marina ihany koa fa misy ireo "olona mangina tsy maneho hevitra" izay maro an'isa lavitra noho izy roa tonta mifampiantsy @ izao dia atao ahoana ny hevitr'izireo? 50% ny malagasy no nifidy an'i Ra8 ho filoha ny repoblika ary 63% ny olona teto Antananarivo @ mpifidy 44% tonga nifidy no nifidy an'i Andry Rajoelina izany oe ampaham-bato ihany izany no tena azony fa tsy izy manontolo akory. Ny ambony tsy naneho hevitra izay maro an'isa lavitra dia atao tsinotsinona ankehitriny.Te hiasa ampilaminana ireo te hianatra ny zanak'izireo tsy tia resaka politika izireo kanefa dia tsy misy mihaino ny feony satria olona tsy tia tabataba sy miady ry zareo. ny fahendrena malagasy anefa dia milaza fa "Izay mangina volamena". 

Jereo koa eto


Mizotra Makany @ Ady An-Trano

news2dago 05 Febroary, 2009 06:56 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Na inona na inona dia misy hadison'ny vahiny ihany izao zavatra mitranga eto Mandagasikara izao. Misy tena mahatsiaro very tombotsoa manokana indrindra fa ny reny malala hatramin'izay niakaran'i Ra8 teo @ fitondrana izay ary mazava ho azy fa tsy mankasitraka izany izy ireo ka manao izay hatongavana any @ ady an-trano.

 

Raha tsy mitandrina isika dia ho tody @ zavatra iriny ireto firenena matanjaka ireto satria mantsy afaka miditra mivantana eto ny tafika vahiny hampandry ny tany sy hiaro ny teratany vahiny monina eto amintsika no sady afaka manao ampihimamba maka ny harenan'ny malagasy toy ny vehivavy sy ny vatosoa ary ny safira sy ny lavanila... Misy mivohy foana mantsy izao ny resaka merina sy tanindrana any @ sisiny any ary voalaza fa misy manejika ny mpiavy tany @ faritr'i sava iny ary efa nisy 4 no maty t@ ireo mpanao varo-mandeha.

 

Ny zavatra mitranga anefa dia ny samy merina no miady seza eto andrenivohitra ny mpanaraka azy ireo anefa dia hita misy fahasamihafana mihitsy satria ny mpanohana ny fitondrana dia olona manana ny toerana salan-tsalany fa ny manohana ny Tgv kosa dia ireo kilasy fahatelo hita izany @ sary maro samihafa ireo izay mora karamaina vola sy tsy mijery lavitra satria efa tena ao anaty fahatrana tanteraka. Mahita izany ireo fanetribem-pirenena izay voakarama ny firenena lehibe ihany koa ka mijapy ilay Tgv sy miantsy ady hatrany handranitana an'i adim-poko io.

 

Tsy izaho velively no handeha hampianatra ireo ngeza lahy roa mifanandrina eto Iarivo eto fa tokony hahay hanindry fo izy ireo. Ka tsindriko eto mihitsy ny oe tokony hahay hifandefitra satria samy diso samy marina fa tsy misy manana ny marina feno akory afatsy Andriamanitra irery ihany. Zavatra tsy ampoizina akory mantsy dia mety hanimba ny taranaka maro hifandimby. Ny zanak'ireo mpitondra sy mpanakorotana sy mpanao politika ireo moa dia any an-dafy any avokoa. Ka sady tia tena zany ry zareo no tsy mendrika ny hizaka ny zom-pirenena malagasy ihany koa. Asakasak'izay manan-tsaina hitarika adim-poko eto.

 

Ny vaovao farany eto dago aloha dia ny fifanolanana @ le resaka PDS sy ny fandravana ny sefom-pokotany 192 ka androany no voalaza fa hametraka ny solontena ny PDS ny eo anivon'ny fitondrana  hanendry sy hametraka ny eny @ firaisana ary hanedry ny prezidam-pokotany kosa ny ekipan'ny tgv. Mitohy hatrany ny ady saritaka efa manomboka mahatofoka ny vahoaka.

JEREO KOA ETO 


Soloy PDS @ Izay Ny Ben'ny TanàNa Andry TGV

news2dago 03 Febroary, 2009 08:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nanala tena tsy ho ben'ny tanàna intsony ny tenany (andry TGV) t@ nandraisany an-dalambe ny fahefana sy ny fibaikona ny "firenena" koa dia malalaka izany ny ao @ CUA fa tsy misy mpitantana intsony ka rariny loatra raha manendry PDS @ izay ny fanjakana mahefa ankehitriny. Miavosa ny fako ny làlana simba sy feno lavaka ny zaridaina tsy misy mikarakara fa laozana mandany andro etsy @ 13mai fotsiny.

 

Nampetraka omaly teny @ fitsaranaavo kosa ilay taratasy mampiato ny filoha ny repoblika @ asany voalaza moa fa nanitsakitsaka ny lalam-panorenana ny filoha amperinasa ankehitriny.

 

Ny mpiara miasa akaiky @ ben'ny tanana moa no nanatitra izany omaly hariva t@ 6 ora hariva. Dia i Ny hasina Andriamanjato sy Nadine Ramaroson izany.

  

Ho eny Tsimbazaza kosa ry zareo androany hametraka ilay taratasy ihany koa ho eo @ ireo solombavam-bahoaka sy ny loholona. izao moa no natao mba hanana saritsarina demokrasia ilay fandrombahana fahefana natao ny asabotsy lasa teo.

  (sary avylavitra)

Miditra mianatra androany kosa ireo mpianatra eny @ sekoly katolika. Ny any @ faritra hafa moa dia milamina avokoa ary efa nandray ny asa aman-draharaha avokoa ny mpiasa mpanjakana rehetra omaly. Tsy nisy nanaraka izay baiko tetsy an-dalambe moa arak'izany ireo mpiasa. Mitaraina kosa ny mpitarika ny tolona eo @ mpiasam-panjakana fa voasakan-tsakana hono ry zareo. Kanefa ny mpiasa mihitsy no tsy te hamonjy ny tolona. Mazava ho azy fa tsy misy olona firy intsony mamonjy ny kianja ny 13 mai.

  (sary topmada)

Inona indray ary no ho lazaina eny @ 13 mai androany efa leo mihitsy ny olona @ ity tolona tsy hita soritra mazava izay tena tanjona tiana hatongavana ity. Heno indray izao fa mikasa ny hitondra vahoaka ho eny Iavoloha indray. Dia efa tena mirediredy mihitsy. Olona  1.000 ve no lazainao hisolontena ny vahoaka 20 tapitrisa. Mila mianatra manisa tsara mihitsy aloha vao mitarika vahoaka fa tsy mety intsony izao atao izao. Efa manomboka miatraika @ vahoaka indrindra ny eto andrenivohitra koa ankehitriny ny fidangan'ny vidim-piainana.  

Akon'ny 13 mai kosa dia niangavy ny vahoaka ny ben'ny tanana fa aato kely aloa ny 13mai fa @ asabotsy indray mihaona no sady hampiseho ny governemanta an-dalambe no hampiseho ireo miaramila mpioko. Ho any Diego kosa hono izy rahampitso raha ny filazany fa ny vaovao miely kosa anefa dia ny oe hikarakara ny fandosirana ny tenany ankehitriny. Mihena be mihitsy mantsy ireo olona tonga teny @ 13 nanomboka ny asabotsy teo no nakaty.

JEREO KOA ETO


Kobosoroka Makaiza

news2dago 02 Febroary, 2009 09:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mazava ny fanampahan-kevitra eo anivon'ny vondrona afrikanina dia ny ara-dalàna ihany. Melohina tanteraka izay fanonganam-panjakana tsy ara-demokratika sy tsy mifanaraka @ lalam-panorenana. Tsy kaonty izany ilay tarihin'ny ben'ny tanana ankehitriny.

 

Eo ampiandrasana ny zavatra mety hiseho sy hitranga androany dia manotany tena ny rehetra eo rahovina ihany vao hifarana ity disadisa ity na dia maro ary ny olona tsy dia marisika laotra intsony @ fanarahana ny tolona. Raha tombanana tany @ 80.000 ny olona tany amboalohany ny 17/01/09 dia 3.000 sisa izy ireo ny 31/01/09 izany oe 3,75% ny olona sisa no mahatoky ny tolona atao ankehitriny.

(sary NYtimes)

Hita kenda roroka ihany anefa ny mpitarika Andry Rajoelina satria tsy hita intsony izay fomba hitantanana ilay hetsika ny mpanohana mitabataba demokrasia sy tetezamita ny mpanolotsaina mila manala ra8 tsy hitany intsony izay aleha. Voamarika ihany koa fa mikorotana ny fandridrana (protocol) @ ankapobeny ny sasany miteny oe ataovy @ teny malagasy ny fanambarana ny hafa manery oe teneno eo fotsiny (ny momba ilay art 162 ny lalam-panorenana io).Hita ihany ingahy ben'ny tanana oe tsy manana ny tena foton-kevitra hijorony fa te hamita ilay iraka ampanaovana azy fotsiny dia ny ialan'i Ravalomanana izany.

Ny olona moa dia manohy ny asany fanaony andavanadro ihany. Tsy mila resaka politika izany tsy hisy hanome sakafo tokoa etsy @ 13 mai ho voky kabary fotsiny eo ny kibo anefa tsy maintsy misakafo foana isan'andro fa tsy velona @ kabary tsaralahatra fotsiny. Tsy mahazo ahy intsony koa raha izay resaka filaharana lava izany e! Ny hafa no tsy haiko fa raha izaho manokana tena tsy any @izay intsony.

Fa hiverenako ilay tenin'ny ben'ny tanana oe miray tsikombakomba ny fitondrana sy ny mpitondra fiangonana. Mahagaga tokoa fa tsy mba hita taratra mihitsy ny mpitondra fivavahana katolika t@ ireo solontena ny ffkm nanao ny fanelanelanana sao misy ambadika hafa ihany koa. Tsy tontosa mihitsy moa izany fanelanelana izany mandrak'androany. Sao mba misy adidy tsy hefa kosa ry raiamandreny am-panahy marina. Mijaly anie ny vahoaka e! Mila mandray andraikitra ianareo.

  (sary madanight)

Mbola tsy dia misy vaovao etsy @ 13 mai fa mbola kabary sy filaharan'ireo mpiasa ny orinasan'ireo mpitarika ny tolona no ao dia ry zareo ao @ savonnerie tropicale izany. Miantso ny mpiasa ny jirama sy ny madarail izy hanampy azy ireo. Hay ve vao antsoina indray fa tsy mbola voabaiko Ingahy ben'ny tanana izany orinasa maro notononina teo izany. Mitaraina koa izy ireo oe misy miaramila miambina ny minisitera rehetra. Aleo koa aloa izay sao de doranareo eo koa oe tsy zakanareo. Ingahy ben'ny tanana moa dia mbola tsy hita ihany h@ izao? 

JEREO KOA ETO.

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)