Sabotsy Mihosindrà BIS!!! TGV Mpamono Olona

news2dago 31 Martsa, 2009 12:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Faty mikararana ao @ 13mai @ izao fotoana izao! ary hejehina basy hatrany ankadivato ny vahoaka @ izao isika manoratra izao. Ho sahy hilaza ny marina ary ve ny HAT? Izao ve ilay demokrasia. Ho avy eo ny tohiny rehefa avy eo. Mpamono olona ny TGV tokony hiala izy.

 

Vahoaka maneho hevitra Analik'isa no vonoina toy ny mamono akoho. Mbola hitsara ny tantara. 

 

 

 

Bala tena izy hamonoana vahoaka!!! Aiza ilay fahafahana nodradraina fahiny e! Kay mora ny miteny rehefa tsy mitondro fa rehefa eo kay mitovy daholo ny habibina ko

Misaotra Dadazily a! Izao ny olona rehfa tia tanindrazana sahy managana an'iny saina iny tsy mila basy aman-tafondro fa dia ny voninahitrin'ny fiandrianam-pirenena no akarina avo. Raha ireo miaramila nisambotra azy kosa dia tsy mendrika na ny hiankajo an'ireo fanaminy ireo aza. Tsy olona nananimbohitra io fa malagasy ohatr'azy any kanefa dia novonina ihany koa.

JEREO KOA ETO


Mihetsiketsika Ny Sezanla!!!

news2dago 27 Martsa, 2009 09:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola misahotaka ireo gadra nahazo famotsoran-keloka. Ankehitriny ary misy efa may vava be sahady ry zalahy milaza fa mpandainga ity fitondrana tetezamita ity. Izao no atao oe mitady raharaha ka hahita e!

  (sary midi)

Ny fahitako ity mpitondra ny tetezamita ity dia hadedahana no betsaka fa TSY misy risim-po sy fitiavan-tanindrazana. Dia izao no vokany basin'arifito hoy ny fitenenena.

  (sary midi)

Tenenina foana fa eeeeeeeeeeeeeeeeee! Misy fetrany ny zavatra azo vidim-bola e! Sa hividy vola ireo communauté internationale koa. Mbola ho henjana ny lalao e. Ny capsat no mety azo tambazana vola fa ny hafa kosa angamba tsy poinsa e.

  (sary lesnouvelles)

Dia notapahina daholo ilay tombotsoa kely ny mpiasam-panjakana! hatramin'ny fisondrotan-karama aza dia lazaina fa tsy ho zaka fa tsy misy ny vola. Te hanao aminy eo ka mandoa lanitra e! Areheto ny tanimena sy izay rehetra mety azo hatao fa mety tsy hateza ilay fitondrana raha izao no mitohy.

(sary l'express)

Ho avy i dada rehefa tsy hainareo ity tantara ity koa. Miombo isan'andro tokoa ireo olona etsy ambohijatovo ary tsy hay tohaina izy ireo. Hisy raharaha eto @ io asabotsy sy alahady io.

 

 

Jereo koa eto


No Comment!!! Sady Classe No Qualité

news2dago 25 Martsa, 2009 08:46 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

 

Vita tompoko!

Tapaka avokoa ny tombotsoa azon'ny mpisam-panjakana toy ny fiara fampiasa sy ny tapakila @ soilika ny fahana an-telefoana sy ny sisa. Mitady raharaha ilay HAT ity e! Efa maiakapeo ny olona maro eny anivon'ny minisitera isan-tokony eny ka ho hita eo ihany.

Jereo koa eto

 


Afabaraka I Madagasikara

news2dago 23 Martsa, 2009 10:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tao aorinan'ilay fianianana nataon'ny Filoha ny tetezamita Andry rajoelina dia afabaraka tanteraka ny malagasy satria dia olona tsy lanin'ny maro an'isa akory (tsy nisy fifidianana) dia nahasahy nisalotra ny samboady maha filoha ny repoblika!!! Manaiky izao fanoganam-panjakana izao koa izany ny eo anivon'ny HCC.

 

Loza inona re ity e!

 

I Andry Rajoelina moa no filoham-panjakana zandriny indrindra eto afrika raha ny taona no jerena. Tsy nisy nanatrika izao moa ny teo anivon'ny FFKM fa i Monsenera Odon Razanakolona no naningana. Tsy teo ihany koa ireo Jeneraly 3 tokony hitondra ity tetezamita ity kanefa dia nilaza izy ireo oe tsy nisy faneriterena moa t@ ilay taratasy namidrany ny fahefana ho an'i Andry Rajoelina.

Nifaly sy nitotorebika tokoa moa ny Taranak'i Gallieni Vaovao TGV ka nampifalina t@ afomanga sy ny bal populaire ny olona ny alina. Tena hipoka kosa aloha ny kianja be ny Mahamasina e! sarotra ny handainga sady tsy fomba koa. Dia hoy aho oe vokin'ny afomanga sy ny bal izany ireto taranak'i Gallieni Vaovao ireto izay hita sy tsapa tokoa oe olona tsy tsotraky ny fiainana akory.

 

Ny hany tsapako sahady izao omaly dia filma efa nandeha daholo ireny amiko tsy nisy zavatra vaovao mihitsy fa saika ny fihetsika rehetra nataon'ny Filoha Ravalomanana avokoa no nadikan'i Andry Rajoelina hatreto ka manahy aho oe sao dia disc gaoka ary izy ity e! Tsy ahita fiovana akory isika fa ny eo ihany no eo. Izany ohatra dia hita sahady eo @ haino amanjerim-panjakana TVM ny fitongilanana be makany @ fitondrana TGV ahiko ho voadotra indray izy io ao aorina kely ao. Aza hitako indray marina. Tsy nisy feo mikasika an'Ambohijatovo sy Ambohitrimanjaka mihitsy mantsy. Izay hetsika natao ny olona tsy mankasitraka izao fanonganam-panjakana izao. 

 

Mety hiova endrika indray mantsy ny olona mpitolona etsy @ 13mai ary hinoko fa tsy mbola vita ity lalao ity fa mbola tantara hitohy indray. Re ihany koa fa afaka 30 andro sisa dia lany ny tahirin-tsolika eto Antananarivo. Dia tena ahita fiainana milamina @ izay isika rehetra izany izao. 

JEREO KOA ETO


Mety Mba Ahavita Noho Ny Teo Aloha Ve Ny HAT?

news2dago 21 Martsa, 2009 08:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ratsy fiaingana sahady ny tetezamita satria tsy misy mankato azy ny firenen-dehibe rehetra afats'i Frantsa irery. Mandeha koa ny feo fa tsy handray karama intsony ny mpiasam-panjakana manomboka @ volana ambony ho avy io satria efa tapaka ny famatsim-bola avy any ivelany izay mampiodina ny 75% ny tetibolam-panjakana.

 

Ka sao dia mba hanao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana fotsiny ary ireto fahefana tetezamita ireto raha izany satria nilaza ry zareo mantsy oe amidy ny "air force one" ka ny 10% ny vola dia anamboarana hopitaly. Ary ny 90% kosa dia atao inona? Efa fantantsika ny valiny. Mora tokoa ny mandrava fa ny managana kay sarotra. Tsy vitan'ny vava be fotsiny izy io. Izao tokoa no oe mba manaova raha mahavita e! 

 

Maro tokoa ny olona no miandrandra fiainana hidina sy ho mora kanefa dia ny mifanohitra @ izay no hita ankehitriny. 32.500 Fmg sahady ohatra ny vidiny menaka ary any @ 40.000 Fmg any ny menaka vahiny. Ny dibera moa dia vidina 15.000 Fmg raha 9.000 Fmg teo aloha. Efa any ho any ilay sambo hitondra ny menaka 10.000 Fmg e! Aza taitra mihitsy fa ho mora lavitra ny fiainana tsy ho toy ny t@ andron-dRa8. Ho mora daholo ny zava-drehetra arak'ireo nampanantenaina tetsy @ 13 mai e! Izay rahateo no nanonganana an'i Ra8 oe nagoron-karena loatra oe.

  (sary topmada)

Izany eo ihany fa miseho lany sahady ny korontana eo @ samy tetezamita ankehitriny. Any Toamasina dia nosoloina an-keriny ny lehiben'ny faritra ary nosoloina ekipan'ny Tgv! tsy manaiky anefa ny ekipan'ny Rolland Ratsiraka ka mamory olona ao @ lycée teknika ao foana ary mitady ny hijoron'ny firenena federalista ka i Rolland no prezida. i Sylla koa tsy miala mihitsy fa izy koa hono mba nitolona t@ ora farany ka mba mety ho prezida ihany koa ho voninahitry ny faritra atsinanana. Dia toy izany koa ny ao Toliara i Lahiniriko no prezida tsy mila an'i Rajoelina koa ry zareo. Mbola raharaha ihany koa ny handravina izany. Maninona moa raha tonga dia tendrena ho Lehiben'ny Faritra ry zalahy ireo de mipirina e! Ireo koa no hanimba ny fihinanana vao hanomboka ity. 

 

Loza koa no nataon'ireo mpomba ny tgv ireto etsy nanisana satria dia nozaraina ny tany ao @ minisitera ny fambolena sy fiompina ka samy mba mamaritra izay toerana tiany eo daholo ny rehetra. Io anefa dia tany nomena ny amerikanana anaovana "projet pilote" ao anatin'ny 99 taona efa vita bail izany. Dia mbola manjaka ihany ilay fanjakan'ny baroa e.

  (Sary midi)

Nanafarana an'i Rossy mihitsy ny lanonana androany eny Mahamasina ka ho fety be eny zao sady hisy ny bal pôpilera ihany koa rahalina. Tsy maintsy hifalina foana kosa ny zavatra rehetra na azo t@ tsy fahamarinana aza ny fahefana e! Tsy misy hanatrika eny moa ny akamaron'ny ambasadaoro miasa sy monina eto amintsika. Mbola hanigana eo ihany koa i Lafrantsa sy ny ao @ katolika e! Asa ny FFKM raha ho avy na tsia? Ny fahatongavana eo moa dia midika avy hatrany fa fiandanina @ Andry Rajoelina.

JEREO KOA ETO


Hiditra @ Krizy Ekonomika @Zay

news2dago 20 Martsa, 2009 10:12 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita vita iny ny krizy politika hoy ny maro kanefa mbola kivy ihany ny rehetra satria mitatao ny loza ekonomika indray i Madagasikara ankehitriny.

(sary lesnouvelles)

Hiato daholo mantsy ny fanampiana avy @ ireo firenen-dehibe rehetra tsy mankasitraka ilay fanoganam-panjakana nisy teto iny. Voalohany @ ireny i Norvezy, USA sy ny UE, ary ny Sadc sy ny UA.Nanigana kosa i Lafrantsa tsy mahagaga intsony satria izy no tao ambadik'ireny korotana ireny. Hahavita tena ary ve ny fanjakana tetezamita?

  (Vondron'ny SADC)

Hikatona ihany koa ny Usaid, ny CRS, ny CI sy ireo organisma tantan'ireo amerikana eto Madagasikara. Ny peace corps moa dia efa tsy eto intsony. Olona firy indray izany no very asa ary olona nikarama tsy vary masaka akory fa tena tsara karama daholo ny mpiasa @ ireny organisma amerikanina ireny. 

Mahamenatra ihany koa ny fihetsika nataon'ny Capsat nandroba ny entana sy ny fanaka ary ny fiara miisa 3 tao @ tranon'ny Filoha ny repoblika teo aloha tetsy Faravohitra. Dia tena tsy misy hasiny intsony izany fihavanana nampalaza ny malagasy izany. Mbola resabe rahateo ny nahazo ny daroka sy ny fampijalina ny filoha ny FJKM. namaly moa ilay Kaomada tao oe lainga avokoa ny voalazan'i Lala Rasendrahasina (ela ela izy vao nilaza oe Pasitora) dia mbola nampiny oe tsy mendrika ny ho pasitora raha enao (mba tsy nataony ela) iny. 

  (Lafrantsa no ao ambadiky ny tolona)

Hamono omby 50 ny mpitolona rahampitso @ ilay fety etsy mahamasina. Nofon-kena mitam-pihavanana hono no atao mantsy. Tsy afaka ny hisalotra ny samboady moa ny filoha ny tetezamita satria tsy voafidim-bahoaka. Efa tsy andrin'ny tgv mihitsy io lanonam-be io izao. asa na ahafeno kianja na tsia? Eo isika mahita izy ozy.

Ho vasoka eo mantsy satria ny FJKM dia hanao vavaka ho an'ny firenena eo Mahamasina ihany koa @ alahady 29 marsa 2009. Na dia zavatra tsy fampitàha aza dia ohatra tiako ihany ny hanao izany satria tena mba voa mafy mihitsy ny FJKM tato ato izay. Soa ihany fa ny fitorina an'i Jesoa Kristy no atao fa tsy hanao fikomina akory na dia mbola tsy nilaza mivantana ny fanekena izao fitondrana izao ary ny fjkm. Nanameloka tanteraka ilay fihetsika mamaofady ihany koa ny FFKM ary mitaky ny hisiny filaminana @ izay.

 

Toa niala sahady koa ilay minisitra tetezamita misahana ny fiarovana! mahagaga ihany tsy mbola niasa akory dia nitsoaka an-daharana sahady sa kosa efa tonga saina fa tsy hisy hankato izao fanonganam-panjakana izao ny firenena hafa ka hanahirana ny hisahana ny fiarovana ao aorina ao. Manomboka koa ny ady seza satria dia vonona mba haka ny sezany koa Ingahy Ranjivason vao nivoaka ny fonja izy dia izay no teniny voalohany. Ka any @ Monja rondefo zany ny baolina zao. Tapitra ihany koa ny tolona ka vita hatreo ny ilàna ireo kitoza (olona eny @ faritra iva) nafana fo be t@ tolona ireny ka tsy hita izao izay seza sahaza azy ireny. Ireo mpanao politika rehetra mila anjara mofo mamy koa aza misy adinoina sao mitarika olona hikomy eo koa vao zava-doza eo. Manomboka tokoa ny fizaram-potoana faharoa hoy mpivazivazy izay.

JEREO KOA ATO


Sao Dia Lany Andro Hamaly Faty Eto

news2dago 19 Martsa, 2009 09:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Niarahana nahalala ny vaovao nampalahelo nahazo ny Filohan'ny FJKM Lala Rasendrahasina izay pasitera no isan'ny mpitondra ao @ FFKM izay mpanelanelana ihany koa t@ ireny fotoana sarotra nodiavn'ny firenena ireny. Novonoina sy nodarohana izy ary nasaina nisotro ny pipiany. Heloka ho an'ireo izay nahavita izany. Tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay.

  (Sary gazetiko)

  (sary midimadagasikara)

Manarak'izay dia mandeha ny antso avo ao @ Radio viva ny tokony hisamborana ireo rehetra nitondra t@ fitondran-dRavalomanana. Manomboka @ filoha Ravalomanana izany ka manaraka azy koa ireo minisitra sy ny senatera ny depiote sy talen'ny ladoany sy ny olona rehetra nihinana sy nanodina ny volam-bahoaka. Aza adino fa toerana hifadimbiasa io toerana io ka mba diniho ihany fa tsy anareo mandrakizay koa akory ny fitondrana. Tsy izany ihany moa ve no nahatonga antsika hankahala iny fitondrana iny izy nisambotra sy nanagadra ireo izay lazaina fa nangalatra sy nanodina dia izao voafandrikin'ny valifaty izao sahady nefa vao 2 andro monja no eo @ fitondrana.

Maro ny zavatra hafa tena maika amiko dia ny fanarenanana ny simba rehetra sy ny hamerenana ireo vahiny mpampiasa vola niasa teo aloha. Mandeha mantsy ny feo oe ho roahana daholo ireo vazaha ao @ QMM sy ny atsy ambatovy!!! Dia mbola kilasiko ho valifaty ihany koa izany fa tsy fitiavana tanindrazana sa oe endrika fivarotana tany @ vazaha koa ireo asa goavana indrindra eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao ity. Sao dia mba hidiran-doza @ izany e! Ny mpamatsy vola rahateo tsy maintsy hanidy ny robinet satria coup d'etat iny tranga teto iny. Ka zara ary misy an'ireo mba azahoana vola koa roahana aiza indray.

Manarak'izay dia maromaro ihany ireo orinasa hiala eto madagasikara satria tsy misy ny filaminana ara-politika ka any @ 5 na 6 taona any indray izireo vao hiverina. Ny orinasa afakaba sinoa no tena mitsaoka an-daharana satria maro maro ihany ny orinasa tantanin'izy ireo no voaroba t@ ireny krizy ireny. Ny etsy @ citic ohatra dia lasa nifindra any afrika atsimo ny tena tompon'ny vola betsaka tao. Torak'izany koa ny courts izay hanao chômage teknika koa manomboka ato ato ary efa atsasaka karama no raisin'ireo mpiasa ankehitriny. Manomboka sahady ny krizy ara-tsosialy eto Madagasikara. 

 

Misy olona mpiavady ohatra mitomany fotsiny no ataony ao @ radio ao fa may ny orinasa niasan'izy mivady ny trano hipetrahana anefa hofaina ny zanaka mandoa saram-pianarana. Ao ny mpivady lasa chômage sy ireo olona analina very asa tsy fidiny t@ iny ady seza teto iny. Ireo izao no tokony jerena akaiky mihitsy. Ny mpandraharaha malagasy maro izay banky tampoka tao anatin'ny 1 andro monja tao @ tranom-barotra citic sy ny etsy @ supreme ny tao @ zoom ny teny @ smart tanjombato. Mila mifehy kibo mihitsy enao ry Ingahy filoha ambony ny tetezamita fa hamay be ity fitondranao ity. Ny ady seza izay manomboka sahady eo @ samy mpitolona. Izahay moa dia mitazana fotsiny sisa koa nareo tsinona milaza fa mahavita azy ka ketreo ao aloha mba ho hita tsara ireny vava be teo @ kianja ireny e.

Jereo koa eto


Haringana Ny Malagasy

news2dago 18 Martsa, 2009 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita hatreo aloha ny tantara mikasika an'i Filoha Ravalomanana. Niala tao anatin'ny savorovoro izy ary azo lazaina fa mbola maro ihany ireo vahoaka tia azy fa tsy afamanoatra noho ny hery hananan'ny ankilany. Bye bye Ravalo hoy ny boay kely. Mbola hatsiarotsiaro ny fitondranao ihany ny vahoaka ao aorina kely ao. LOL



Manarak'izay dia araky ny tantitra nataon'ny namana rehetra eto @ blaogy dia vita izany ny tolona ka miatrika ny ho avy indray ny vahoaka malagasy izay tonga dia tsoriko oe hisedra krizy ara-panahy lehibe aloha voalohany indrindra satria hanjaka ny herisetra sy ny besandry. Dia ho avy koa ny krizy ara-tsosialy lehibe tokoa hitombo ny tsy an'asa, hiakatra ny vidim-piainana, maro ny tsy hinan-kaninana, hitombo ny asan-jiolahy izay hitondra fiadina mahery vaika tokoa.


Mafy mafy ihany ny adidy miandry ireto mpitondra tetezamita ireto. Kanefa dia safidiny io azy ny azy hotsarain'ny tantara eto isika rehetra.


Ny nahalasa saina ahy fotsiny dia nivavaka tany @ Fjkm aho t@ alahady fa avy be ny orana taty dago t@ io fotoana io ka tsy afaka nivavaka tany @ anglikana izahay telo mianaka fombanay mantsy ny mivavaka maraina be @ 6 ora sasany fa t@ io dia naleo nisafidy ny hivavaka any @ protestanta eto an-tanana ihany ka namonjy ny fidiranana t@ 10 ora izahay. Dia ity ny vakiteny novakiana tao t@ io fotoana io ary saika mifandraika @ izao vanom-potoana izao avokoa ny perikopa t@ ity taona ity hoy ny olona rehetra kanefa dia efa t@ taona lasa no natao izany fandaharana izany.

Zefania 2: 1 -3
1 MIANGòNA, eny, mivoria hianareo, Ry firenena tsy manan-kenatra [Na: tsy manina],

2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

3 Mitadiava an'i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.


Arak'io teny ny soratra masina io dia ho avy ny fahatezeran'Andrimanitra satria: Tia tena ny malagasy, tia vola, tia voninahitra, tia vetaveta, tia mamono olona, tia mangalatra, tia mandainga, tia mikomy,tia manompo sampy,tia mijangajanga, tia valifaty, tia korotana, tia ady, tia miteny ratsy ny fanahy masina, tia mifosa, tia manenjika, sy ny sisa... Mazava ny zavatra hitranga fa haringanina avokoa ny mpanota rehetra ary anisan'izany ny malagasy.

Jereo koa eto


Voaroba Ny Fiara Mpanatitra Vola Ao @ Banky Foibe

news2dago 17 Martsa, 2009 10:12 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Azo lazaina fa asan-jiolahy ihany ity zavatra ataon'ny miaramila ny Capsat ity satria dia norobaina avokoa ireo fiara mpanatitra vola ao @ banky foibe io maraina io. Miaramila mpioko miambina ny lapa eo no maka ny vola an-keriny.

 

Dia mbola hojereina fotsiny ve izao sa dia efa izay indray ny lalana mipetraka oe didin'ny besandry no mihatra. Miaramila manao fanamina mandroba tena mivadika ny glaoby eto madagasikara. Ny vatatay no mibaiko ny jeneraly. NY ben'ny tanana no manongana ny prezida!!! mahamenatra na ny mitanisany tranga ary.

 

Notafihina ihany koa ireo rezimanta hafa tsy mitovy hevitra @ zalahy dia ny eo anivon'ny polisy FIP etsy Antanimora izay namaly bontana moa ireo ka tsy sahy nifanehatra ela t@ FIP ireo mpioko mpihetraketraka ireto. Tany @ 2 ora maraina tany ho any io no niranga. Mbola tsy maty ao ampony ny polisy tokoa ny namany nodorana velona tetsy Sonerana. Mbola tantara hitohy koa io.

 

Tsy misy miala ihany eny iavoloha na andro na alina dia eo ihany ireto mpiaro ny ara-dalana ireto ary voasoratra ara-tantara mihitsy moa izao fihetsika izao hoy ny namana iray ao blongana atsy ambadika atsy. Ny vahoaka no mandray ny andraikiny rehefa tsy hanao ny mpitandro ny filaminana na dia tanam-polo aza dia tsy misy miala mihitsy ry zalahy ao. Ahoana kosa moa no omena maimaim-poana ho an'ny frantsay ny tany ny tena.

 

Mitohy ato ihany ny REFERENDUM virtoaly. Mitarika @ isa 70% izao ny Eny!!!

Jereo koa eto


REFERENDUM Hanaiky Ve Ny 13 Mai?

news2dago 16 Martsa, 2009 10:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kely finoana aho raha sahy tena hitsapa vahoaka ry zareo eo @ 13 mai ireo. Asa anefa fa tena io no lalana demokratika tena ahafantarana oe iza no mbola mamim-bahoaka. 13 mai sa Iavoloha?

 

Na izany na tsy izany aloha dia mba tiako ho fantatra ny hevitrareo? Ka mba manaova adidy ato!!!

  (sary les nouvelles)

Vaovao farany izay efa nampoizina dia tsy nanaiky ny fitsapan-kevimbahoaka Ingahy Andry Rajoelina!!! Tsy mahazaka vahoaka sa matahotra ny ho afa-baraka. Inona ary no tena tanjona? Sa mihevitra ry zareo oe ho vita eny an-dalambe ity fanoganana ity. 

 

Ny maro an'isa mantsy mbola tsy naneho ny heviny mihitsy hatreto fa nanaiky ny ady varotra nataon'ny roa tonta. @ fifidiana ihany no azo anehoana ny hevitra raha tany demokratika. samy mahay manongana daholo anie na iza na iza fa tsy oe ny tgv ihany no mahavita mitolona e.

Ny tena naha lasa saina ahy anikeo koa dia ny naheno tao @ radio Viva oe tena sahy maty iaraka @ vahoaka eo tokoa ve ravalomanana? Izay no averim-berina foana ao miampy ilay resaka mpikarama an'ady. Dia manontany tena ihany ny tena oe dia tsy misy hevitra azo ampiadina sy irika hafa intsony ve fa tsy maintsy izay famonona olona izay no tena tanjona farany. Io an'Andriamanitra ny aina fa fikasana ihany ny an'ny olombelona ka asakasak'izay sahy handidy alohan'Andriamanitra eo.

JEREO KOA ETO


Tsy Misy Ilana Azy Ny Fifidianana

news2dago 14 Martsa, 2009 12:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mivoatra foana ny toe-draharaha ankehitriny. Mahazo vahana indray ireo mpanohana ny tgv na dia tsy dia mahoraka loatra etsy @ 13mai t@ fotoana nandalovanay teny an-toerana io maraina io. Ny eny Iavoloha kosa tsy dia haiko loatra izay hamaron'ny olona eny satria tsy teny aho ka tsy afaka ny hanely tsaho eto koa. Toy ilay niely omaly oe hanafika eny Iavoloha hono ny fiara mifono vy.

  (sary midimadagasikara)

Efa atomotra ny fandresena hoy ny TGV. Mbola prezida ihany ra8 hoy ny TIM??? Tsy hita intsony izay marina @ ity raharaha ity. Tonga teny @ 13 mai moa Ingahy Jacques Sylla niaraka t@ i Andry Rajoelina androany. Gaga ny akamaron'ny olona ny tenako kosa tsy dia taitra loatra satria rangahy io efa fantatra fa nandalo tao @ PSD dia nivadika AREMA dia nivadika UNDD dia lasa TIM dia miandry izay hiakatra eo indray izy izao lol.

 

Maro karazany mihitsy ny palitaon'ireto mpanao politika ireto ka.

 

Tsy izy irery fa saika izy rehetra dia mitovy fa tsy maningana akory. Dinôzôro @ palitao mivadibadika daholo. Tsy misy mendrika hofidina izany satria tsy mena mivadika.

 

Noho izany amiko dia tsy misy ilana azy izany fifidianana izany aty @ tany mahantra ny vola ihany no miteny aty. Ary mbola hiteny foana izy any aorina. Lany andro fotsiny mifidifidy izany fa na iny ahongana an-dalambe toy ny mahazatra na iny ny mpitondra mihitsy no manongana azy @ alalan'ny didy hitsivolana. Tsy hitako izay ilana azy izany. Tsy misy hanaja akory ny safidinao avy eo.

Jereo koa eto


Hovonoina Ny Prezida Ravalomanana

news2dago 13 Martsa, 2009 07:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa tafakatra eny @ Capsat ny fiara mifono vy avy eny Imeritsiatosika. Ary efa misy ampahana miaramila mpihoko tafiakatra eny @ manodidina ny Lapan'Iavoloha. Efa nody andakazery koa ny akamaron'ireo mpiambina manokana ny Filoha. Inona no hitranga androany? Andriamanitra ihany no mahalala izany.

 

Nihaona mangigina teny Mahazoarivo koa ny Praiminisitra sy Ingahy Monja Rondefo izay praminisitra noetndren'ny tetezamita. Tsy nisy nipika ny dinika t@ izany.

(sary La vérité)

Misitery ny zavatra hitranga androany. Izaho manokana aloha dia efa tany @ alatsinainy alina tany no efa nahazo antso an-tariby t@ olona mikasika an'io fanafiana eny Iavoloha io. Fa niniko tsy nosorata teto mihitsy aloha sao dia mba tsaho ihany ilay izy. Ankehitriny anefa dia efa ny radio mihitsy no milaza izany ka tsy hitako intsony ny antony tsy anoratako azy eto.

  (Sary midi madagasikara)

Miandry izany ny rehetra ary tsapa ihany fa tsy milamin-tsaina ny rehetra naheno ilay filazana avy @ masoivoho amerikanina hampody tsy misy hatak'andro ireo teratany amerikanina mipetraka sy monina eto Madagasikara. Enga anie ka hilamina ny tanana izay no angatahiko mafy @ Andrimanaitra fa tsy hisy ahazo tombotsoa eo akory raha misy ny korotana sy ady an-trano.

JEREO KOA ETO


Nanenina Ny Akamaron'ny Olona!

news2dago 09 Martsa, 2009 08:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

63% no nomen'Antananarivo an'i Andry Rajoelina t@ fifidianana ben'ny tanana. Nanantena hahita zavatra kanjo??? Zavadoza anefa no nitranga ankehitriny dia ny: Ady, korontana, fiantsina, fampihorohorona, fandrombana sy ny asan-devoly rehetra...

(sary midimadagasikara)

 

Maro ny programa an'asa nomeny t@ izany eo ohatra ny kianja isakin'ny firaisana 6. Hamboarina ny esplanade etsy analakely asina tsena ambony ambany. Atao kianja mitafo manaram-penitra ny etsy Antsonjombe. sy ny maro hafa koa...Heritaona aty aorina anefa toa ny mifanohitra @ izay no hita. Potika ny tanana tsy misy ho jerena intsony may sy ravarava ny toerana rehetra mba nahafinaritra jerena teto Iarivo... Onena ny tena mahita ny fiainana andavanandro ny olona. Maro moa ny olona mifampiresaka oe ny nenina tokoa tsy eo aloha fa ao aorina handatsa. Anatra ho an'ny manaraka ireny ny oe aza miatsapy @ hazo tsy fantatra.

Zavatra hafa indray ny mahamay azy (Ingahy ben'ny tanàna io) nefa ity tanàna kely ity aza jereo ny nanaovany azy koa raha lasa mpitondra indray ve tsy asa fotsiny indray. Asa aloha fa izay ny hevitrin'ny maro an'isa oe!!! Dia toy izany koa ny hevitrin'ny miaramila sasany manaradia azy. Samy ho tsaraina @ asany avy ny olona tsirairay ka ho hita eo ihany izay tena mety ho tohiny.

 

Mbola tsy misy vaovao marim-pototra hafa aloa hatreto fa milaza eo ihany raha vantany vao misy.

Manomboka ny fandrombana eny Tanjombato, misy ny 13mai, ary hisy koa ny hetsika ataon'ny mpiaro ny ara-dalàna etsy Mahamasina @ izao ora hanoratako izao daholo izany zavatra izany. @ 12 ora atoandro izao.

Jereo koa eto


Demokrasia Malagasy Mahamenatra

news2dago 03 Martsa, 2009 08:06 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitohy ihany ny tolona etsy @ 13 mai ary omaly no nanomboka ny fitokonana faobe. Tsy dia tafita 100% moa izany hetsika izany na dia niezaka mafy ary ny mpanentana sy ny mpikomy handresy lahatra ny olona. Nifarana t@ vaky trano sy ny fandrobana arakin'ny mahazatra moa ny hetsika. Lasibatra avokoa ny teny Tsaralalana sy ny manodidina soa ihany fa teo ny mpitandro ny filaminana.

 

Mbola nahitana razana ihany koa tao @ ilay tranombarotra may "Trading center" ka naranty teo @ 13 mai ireo razana ireo. Tsy naneho ny heviny moa i Andry Rajoelina t@ ireo faty hita ireo fa nanamarika fotsiny izy fa faty nafenin'ny fanjakana tao ireo!!! Napetraka teo anolon'ny lapihazo teo moa ireo razana ireo. Asa inona ny antony tsy mbola mazava.

Nisy korotana ihany koa teny Ambohipo omaly satria dia nanao barazy eran'ny tanàna ny mpomba ny 13mai ka noravan'ny emmonat ny sakana nisy naratra mazava ho azy noho ny fandosirana ny sasany t@ ireo nanao barazy. Voaelingelina arak'izany ny fivezivezena eo @ fiara sy ny mponina manodidina. Mbola demokrasia malagasy koa izany.

 

Niely koa ilay tapakila na banky azon'Ingahy Rajoelina avy any @ José Viane. Ny fahamarinany kosa aloha tsy fantatra satria efa avo lenta ihany ny teknolojia izao ka mety azo amboarina ihany itony zavatra itony. Na izany aza tsy midika koa oe tsy mitombona ilay izy fa natao ieritreretana tokoa oe sao dia mba marina ihany ary!!!

 

Nokorotanin'ny fanjakana ihany koa ny onjam-peo ny fahitalavitra sy ny radio viva ka tsy nisy feo sy sary intsony nanomboka ny asabotsy ny nakaty!!! Hany herin'ny radio viva dia nafindrany na notsindriny avy hatrany koa ny onjam-peo ny radio fahazavana izay radio ara-pilazantsara an'ny protestanta. LOL

(sahalan'izao angamba ny fitaovana ampiasaina handravana ny radio tele viva tena samy be atidoha marina)

Jereo koa eto 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)