Mety Mba Ahavita Noho Ny Teo Aloha Ve Ny HAT?

news2dago 21 Martsa, 2009 08:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ratsy fiaingana sahady ny tetezamita satria tsy misy mankato azy ny firenen-dehibe rehetra afats'i Frantsa irery. Mandeha koa ny feo fa tsy handray karama intsony ny mpiasam-panjakana manomboka @ volana ambony ho avy io satria efa tapaka ny famatsim-bola avy any ivelany izay mampiodina ny 75% ny tetibolam-panjakana.

 

Ka sao dia mba hanao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana fotsiny ary ireto fahefana tetezamita ireto raha izany satria nilaza ry zareo mantsy oe amidy ny "air force one" ka ny 10% ny vola dia anamboarana hopitaly. Ary ny 90% kosa dia atao inona? Efa fantantsika ny valiny. Mora tokoa ny mandrava fa ny managana kay sarotra. Tsy vitan'ny vava be fotsiny izy io. Izao tokoa no oe mba manaova raha mahavita e! 

 

Maro tokoa ny olona no miandrandra fiainana hidina sy ho mora kanefa dia ny mifanohitra @ izay no hita ankehitriny. 32.500 Fmg sahady ohatra ny vidiny menaka ary any @ 40.000 Fmg any ny menaka vahiny. Ny dibera moa dia vidina 15.000 Fmg raha 9.000 Fmg teo aloha. Efa any ho any ilay sambo hitondra ny menaka 10.000 Fmg e! Aza taitra mihitsy fa ho mora lavitra ny fiainana tsy ho toy ny t@ andron-dRa8. Ho mora daholo ny zava-drehetra arak'ireo nampanantenaina tetsy @ 13 mai e! Izay rahateo no nanonganana an'i Ra8 oe nagoron-karena loatra oe.

  (sary topmada)

Izany eo ihany fa miseho lany sahady ny korontana eo @ samy tetezamita ankehitriny. Any Toamasina dia nosoloina an-keriny ny lehiben'ny faritra ary nosoloina ekipan'ny Tgv! tsy manaiky anefa ny ekipan'ny Rolland Ratsiraka ka mamory olona ao @ lycée teknika ao foana ary mitady ny hijoron'ny firenena federalista ka i Rolland no prezida. i Sylla koa tsy miala mihitsy fa izy koa hono mba nitolona t@ ora farany ka mba mety ho prezida ihany koa ho voninahitry ny faritra atsinanana. Dia toy izany koa ny ao Toliara i Lahiniriko no prezida tsy mila an'i Rajoelina koa ry zareo. Mbola raharaha ihany koa ny handravina izany. Maninona moa raha tonga dia tendrena ho Lehiben'ny Faritra ry zalahy ireo de mipirina e! Ireo koa no hanimba ny fihinanana vao hanomboka ity. 

 

Loza koa no nataon'ireo mpomba ny tgv ireto etsy nanisana satria dia nozaraina ny tany ao @ minisitera ny fambolena sy fiompina ka samy mba mamaritra izay toerana tiany eo daholo ny rehetra. Io anefa dia tany nomena ny amerikanana anaovana "projet pilote" ao anatin'ny 99 taona efa vita bail izany. Dia mbola manjaka ihany ilay fanjakan'ny baroa e.

  (Sary midi)

Nanafarana an'i Rossy mihitsy ny lanonana androany eny Mahamasina ka ho fety be eny zao sady hisy ny bal pôpilera ihany koa rahalina. Tsy maintsy hifalina foana kosa ny zavatra rehetra na azo t@ tsy fahamarinana aza ny fahefana e! Tsy misy hanatrika eny moa ny akamaron'ny ambasadaoro miasa sy monina eto amintsika. Mbola hanigana eo ihany koa i Lafrantsa sy ny ao @ katolika e! Asa ny FFKM raha ho avy na tsia? Ny fahatongavana eo moa dia midika avy hatrany fa fiandanina @ Andry Rajoelina.

JEREO KOA ETO


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)