Mitohy Ny Daroka Ataon'ny HAT

news2dago 06 Mey, 2009 08:04 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mijaly ny mpitarika ny ara-dalana ary saika niafina avokoa izy ireo ankehitriny tsy omena tsiny ry zalahy fa efa mihatra aman'aina tokoa ny famonoana sy ny fisamborana ka aleo aloha maka saina tsara ka tsy hanindry ny fietanam-po be loatra aloha hatreto.

 

Vao omaly ny omaly izao no saika nosamborina ihany koa i Vola Dieu Donné Razafindralambo raha tsy nisy ilay lietna niteny mialoha an'i ingahy Vola Dieu Donné dia taraiky tao koa ranamana omaly. Hatreo moa dia tsy nisy mpitarika intsony ireto vahoaka ireto ka asa izao izay ho tohiny ny tolona. Ny radio mada efa mangina tanteraka noho ny fisamborana an'i Evariste Ramanatsoavina afak'omaly ihany koa. 

Diso tetika ihany ireto mpanao jadona ireto satria tsy ny fisamborana sy ny famonoana anie no ahafahana miazona fahefana. Etsy andan'in'izay kosa anefa dia very fanahy mbola velona ny mpanohana an'i Ravalomanana satria tena tapidalan-kaleha mihitsy ankehitriny. Ny maro moa dia milaza fa izao fihetsika izao no tokony natao t@ ireto mpanongam-panjakana ireto t@ izany fotoana. Tsy fotoana hifanomezan-tsiny intsony anefa izao fa fijerena ny ho avy kosa.

Hitan'ny jeneraly ramaroson alain tany Manjakandrina kosa ny fiara blindé anakitelo ny filoha Ravalomanana ka nentina t@ fiara be ny fivondronana moa ilay izy niakatra tety Ambotsirohotra fa misy code secret ka tsy nety velona. Pempo pempo be moa ilay fiara ka hita ho simba ihany raha ny fijery azy ety ivelany. Dia efa manao vazivazy moa ny mpitily oe mbola ho avy koa ny anjaranareo HAT ao aorina kely ao rehefa miongana ianareo. Dia hoy aho oe hifamaly faty eto fotsiny izany fa tsy hisy raharaha ho vanona eto.

Tapaka daholo ny rano ny jirama eny @ faritra maro eto an-drenivohitra indrindra ireo faritra avo toerana to ny eny Isoraka Antaninarenina Antaninandro Faravohitra sy andohalo rehetra iny ny eny Ampasampito mahazo sy ny eny @ Mosolé  sy Ankatso sy ny maro hafa e! tsy aleo indray delestazy toy t@ andron'ny dada toy injay ity tapaka rano ity.

Midina be moa ny sandan'ny ariary ankehitriny ka afaka manao bizina tsara ianareo any dilambato any raha sendra manam-pikasana ny hanao famantsim-bola aty @ tanana satria mety hitombo avo roa heny ny sandan'ny € atsy ho atsy hoy ny mpandinika. mety ho tafakatra any @ 5.000 ariary any moa ny 1 € ao aorina ao ary ahina mihitsy aza ny hiakarany hatrany @ 6.000 ariary any. Misaotra an'i reny malala mahay manjanaka ankolaka indray.

Jereo koa eto


Lazao Ny Marina Momba An'i Razily

news2dago 04 Mey, 2009 13:44 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

(sary topmada)

Izy no razily nilanja saina dia nosamborina!!! Ny mampalahelo dia tsy fantatra izay momba azy h@ izao. Tsy hay izy na maty na velona ity ary ny rohy iombonana aminy ho fanoherana ny jadona sy ny herisetra.

Mitohy ny adalana ataon'ny capsat

Jereo koa eto

Ans Ampefiloha Fandriana
 
75 sy kidoro 50 lasan’ny miaramila

        Nanomboka ny alatsinainy heriny lasa teo no tonga teny amin’ny Ans Ampefiloha ny mpitandro filaminana nirongo fitaovam-piadiana. Tonga haka ireo fandriana niisa 75 sy kidoro spaonjy 50 fampiasa amin’ny fampivondronana mpilalao ry zareo. Nandritra ny herinandro ny fandravana ireo fandriana ireo. Araka ny fanadihadiana natao, nitondra taratasy avy amin’ny sekretaria jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana avo momba ny tetezamita(Hat) ireo mpaka entana. Nahazo ny fankatoavana avy tamin’ny tale jeneralin’ny komity mpanomana ny lalaon’ny Nosy na ny Coji izany. Tsy nisy ny fanazavana ho an’ny mpiandraikitra ilay foibe fa noterena fotsiny hanatrika ny fandravana ny fandriana sy ny fakana kidoro izy ireo. Manamboninahitra kapiteny no nitarika ny fakana izany, izay tsy nilaza mazava ny hitondrana sy ny hampiasana ny entana nalaina.
 
Tsy nisy nanohitra ny fampiharana ity didy ity ny mpiasa tao na heverin’ny tompon’andraikitra azo an-telefaonina omaly, fa tsy mety aza. Fitaovana tena ilain’ny mpanao fanatanjahantena malagasy ireo kidoro sy fandriana ireo. Eny an-toerana hatrany no misy fampivondronana ireo ekipam-pirenena na avy amin’ny taranja inona na taranja inona. Ireo no hany fitaovana arifomba ampiasain’ny mpilalao kanefa noesorina tamin’izy ireo indray.
 

 
Tsy mahagaga
 
Niteraka fanakianana sy alahelo tamin’ny mpitia fanatanjahantena izao toe-javatra izao.
 
Tsy mahagaga loatra azy ireo anefa ny fihetsiky ny fitondrana mijoro. Zary ankilabao hatrany ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena hatrizay. Anisan’ny sehatra tsy mbola nahazo minisitra rahateo ry zareo ary toa tsy mahadodona akory ny fametrahana olona ho amin’izany. Araka ny vaovao farany azo, mahatratra folo ireo olona miady toerana ho minisitry ny fanatanjahantena. Anarana maro no miparitaka saingy misy amin’izy ireny anefa ny olona efa maloto : nanodikodim-bola tany amin’izay departemanta notantanany tany amin’ny faritra. Misy indray ireo olona tsy nahomby tany amin’ny federasionina nentiny teo aloha saingy nahatsiaro ho voailikiliky ny fitondrana teo aloha ka nijapy masinina niova ho Tgv. Manahirana ny fisafidianana ireo olona hapetraka ho minisitra, indrindra amin’ny vanim-potoana ilàna fanarenana goavana ny tontolon’ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena. Anisan’ny nankasitrahan’ny mpilalao ny fikasan’ny governemanta hametraka an’Atoa Ntsay Abel ho minisitra. Tsy hita popoka sy tsy azo tamin-telefaonina anefa ity farany ny andro namoahana ny lisitry ny mpikambana tao amin’ny governemanta.
 
Mitohy ny ady seza...

nalaiko tao @ taratra io lahatsoratra io. Tsy ampy kidoro ny miaramila ka nangalatra kidoro. Loza mihitsy

 


«Mialoha   1 2

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)