Mbola Hiblaogy Ve I news2dago?

news2dago 18 Septambra, 2009 08:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy mbola nisy fahasahiranana tahak'ity teo @ fiainako!!! Mihena ny fidiram-bola noho ny toe-draharaha eto @ firenena ny zavatra ilaina andavan'andro anefa midangana izay tsy izy. Ny ankizy tojo tsy fahasalamana tampoka ary midika avy hatrany izany fa famoaham-bola tsy ampoizina. Ny trosa isam-bolana anefa tsy maintsy aloha foana dia ny aterineto, ny finday sy ny fahitalavitra midina avy any @ zanam-bolana (TPS)... izay pitsopitsony tsy dia ilaina akory kanefa mba afaka nigalabona t@ izany ihany tany aloha tany. Misy akony @ fiainako andavan'andro mihitsy ny fidinan'ny sandam-bola malagasy 1€=3000 Ar ankehitriny. Miakatra aby ny vidin-javatra ary miakatra ihany koa ny saran'ny entana fanafatra toy ny solosaina sy ny finday...

Very fanahy mbola velona ihany ny tena ankehitriny mahita ity fiainana miha mikoroso fahana ny tena anefa mba nahita fianarana ihany fa tsy de oe olona nôfa be akory. Fa ny tena mampihaiky ahy dia mahita ny olona mbola manana tsirim-panantenana ihany @ izao fotoana izao ary rariny loatra kosa aloha izay e! Raha de samy hiraviravy tanana eto daholo kosa moa ve tsy de tena vita tompoko ny amin-dramalagasy e! 

Hany hery dia ny mionona @ izay anjara sisa tsy hisy mangirana ihany ve ao aorina ao e! Hany ka na ny hanoratra eto @ blaogy ary dia malaindaina izany tsy ny oe ny vaovao akory no tsy misy fa ny tena mihitsy no tena mbola mila maka aina kely mihitsy aloa mandinika tsara ny lala-kombana!!! 

Tapitra


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)