Aiza Ary Ze Bizina?

news2dago 29 Oktobra, 2009 09:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Henjana ny lalao izay no azo hilazana azy satria dia saika mikatso avokoa ny asa asa ankehitriny. Maro ny very asa maro ihany koa ny mitady asa na aiza io na aiza dia tsy ankifidy intsony fa atao daholo sitraniahay vazamihetsika hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny mitady asa ankehitriny ny mpampiasa vola rahateo miala an-daharana avokoa ny akamarony. Inona ary ny hevitra hoy ianareo? Valiny tsotra dia ny mivarotra kely amoron-dalana izany.

Vokany dia feno mpivarotra eran'ny arabe indrindra fa iny manoloana ny Behoririka rehetra iny manoloana  ireo mpivarotra sinoa lehibe rehetra eo Soarano tsy misy andinganana intsony ny arabe ka dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana hidina aty behoririka makany @ ranomaibo iny ka voatery manivaka midina eto @ pochard ny fiara lasa azo hifanenana zany ilay arabe manolona ny polisin'ny gara io raha ho any Antanimena ambany ny avy aty analakely. Tsy hita izay jojony fa samy manao izay saim-pantany ny rehetra hita mihitsy oe tany tsy misy mpifehy sy fanjakana fa lasa fanjakan'ny baroa.

Mbola manamafy izany koa ny fahamaron'ny vary mitsangana be dia be eny amoron-dalana rehetra eny na fiarakodia io na tsangam-by no asina labasy de vita ny ady asina seza kely ao anatiny de asina vitrine vita aluminium ny FDC dia haranty eo ireto composé be dia be sy lasary isan-karazany. Tsy adino koa ny nem sy ny sambos ary ny hena baolina sy ny mofo dipaina. Feno mpivarotra "gargotte" ny sampan-dalana rehetra eo analakely toy ny etsy @ Raberaivelo ohatra de manoloana ny pavillon mpivarotra taratasy dia fiara indray no eo lokoina volon'oranjy sy tapany fotsiny ireo fiara dia asina vitrine dia izay.

Ny azoko tenenina dia mangalan-tahaka ny ataon'ny hafa ny olona sasany. "Gargotte" iray no mitsangana eo dia afaka andro vitsivitsy dia misy anakiray hafa mitsangana tsy lavitra akory an'io. Tsy miova kosa ny asa eo @ 13 mai fa mbola eo avokoa ireo mpanao "décodage" sy mpanamboatra finday ao anaty fiara rano araraka an-damosina ganagana ny fampitandremana ataon'ny cua. Mbola eo avokoa ireo mpibizina vato sy mpivarotra fiara. Na dia somary mahalana ary ry zalahy vao mahalafo fiara dia mbola ao ihany hanao inona tokoa moa efa io no asa natao h@ izay.

Mino aho fa azonareo sary an-tsaina ny saritsary ny endrikin'ny tanana ao analakely ao @ izao fotoana izao. Loto tsy loto, olona tsy olona, fiara tsy fiara, taxi be sy ny taxi tsy adino eo koa ireo mpivarotra sy mpangarom-paosy izay mameno ny arabe sy ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Asa izao nga ilay antsoina oe Bord...

 

Tapitra


Ho BôMbina Sa Ho Bombs

news2dago 26 Oktobra, 2009 12:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

”"

Ela ny ela ka nisy nahatsikaritra ity blaogy bômbina-ko ity marina. Hazavaiko kely aloa ny dikan'ny oe bômbina sao mbola misy tsy mahalala indray ny oe bômbina dia entina milaza fa zavatra nataotao fahatany na alasafay angaha no tena milaza azy na koa entina hilazana zavatra vazivazy ihany koa ny tanora moa rehefa miresaka dia milaza oe mi-bômbina indray ialahy na koa oe mitoraka bilao koa ela zany. Efa mba namaky ireo blaogy ny namana vitsivitsy ihany aho de samy gaga tokoa aloa oe vao bombs tao avokoa aika ity zavatra natao. Izy ity moa tsy dia oe mila doka sy tamby vao atao fa fitiavana te hiserasera no tena marina. Ny tena nanokafako ity blogana ity moa dia ny fitiavana te hampahalala vaovao ho an'ireo rehetra izay mitsidika. 

Miezaka hatrany moa hanaraka vaovao kanefa ny vaovao dia tena misy tokoa isan'andro fa ny fotoana hanoratana izany eto no tsy ampy koa dia nodikaiko ny akamarony sady manorisory koa no betsaka ka naleoko avy dia adinoana izy ireny matetika satria dia saika vaovao ratsy foana no misy sy henoko matetika ka naleoko tsy nanoratra izany sao dia hiteny indray ny sasany oe hilaza loza inona indray ra-news zao androany. lol

Koa dia fidio zany ny blaogy-ko koa inona moa! Fa ny tiako ho marihina fotsiny ho an'ireo mpikarakara ny fifaninana dia mba asio fanamboarana ihany ry zalahy ity tranokala ity fa tena faninana tanteraka ny tenanay niditra tao tsy hita oe aiza no mifidy ireo efa "nominé" sa moa mbola tsy misy izany fifidianana izany fa ajanona fotsiny @ le oe news2dago espace 32 lol satria ny dotmg efa esapace 31. Tsy pazzapa moa izy ity sady tsy ho fidina @ soratra maro sosona SMS ihany koa fa dia mbola miandry ny fanazavana @ zala oe ahoana no hifidianana ireo efa nominé. 

Izay fa dia mazotoa mifidy izay tsara ary koa fa mety ho lasako premier-tour de vita tompoko izy ity ko.

 

 

 


N'inona N'inona Hitranga Jesoa...

news2dago 22 Oktobra, 2009 08:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Miaratsy ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra ankehitriny ary vao maika izany nahazo vahana tao anatin'izao krizy izao. Mijaly ny vahoaka malagasy tsy hita intsony izay hianteherana ny mpitandro ny filaminana izay tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray ity mbola variana any @ fiambenana ny kianja malalaka isan-karazany. Dia efa tsy mahagaga fa miaro ny sezan-dry zalahy no tena marina.

Fa hiverenako @ izay ilay lohateny nofidiko androany io izay tononkalon'i Rado ary hiraina any @ fihirana protestanta. Notsongaiko satria dia mavaivay tokoa ny fampahorina sy fitsapana mahazo ireo mpino sy mpitandrina Fjkm ankehitriny ary dia gaga mihitsy ary aho fa dia lasa vazivazy fampiasan'ireo olona sasany ankehitriny ny hoe:"Ataoko ohatran'ny protestant eo an" izay entina milaza ny hoe:"Ataoko minan'ny amaniny eo an". Dia sanatria ve efa tonga any @ izany famingavingana ny fiangonana isika @izao. Vao omaly ohatra ny filoha ny Fjkm no nitaraina fa misy manafika ireo mpitandrina eto an-drenivohitra ary misy koa rahonana. Vao fantatr'ireo jiolahy oe misy alahadin'ny mpitandrina ny alahady dia efa tonga izy ny alina hanamboatra ilay mpitandrina. Mampieritreritra ihany ny hoavin'ity firenena ity rha izany.

Eto aho dia te hanamarika fa nisy resaka henoko t@ olona nitantara fa efa nisy olona nanana tsindrimandry (vison) nitantara ny zavatra hitranga rehetra ary efa miha-tanteraka ilay izy amin'izao fotoana izao. Dia izany "Mama Germaine" izany no nanao famelabelaran-kevitra teny mandriambero toby ny LLB fa tsy maintsy hisy fahorina mafy ho diavina eto ary isika kristiana no tian'ny Tompo hiverina any aminy ary ho diovina avokoa ny malagasy ary ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc satria avy aminy no hiavin'ny fampandrosoana ny malagasy satria efa voasedra izy.

Efa noteteziny avokoa ireo mpitondra ao @ Fat rehetra ireo ary na ny solombavam-bahoaka teo aloha rehetra ary dia nisy ihany koa no nandray izany olona izany teo ireo nandray teo kosa anefa ireo nandà mafy ny tsy handray azy mihitsy dia anisan'izany Atoa Andry Rajoelina. Milaza moa izy fa tokony hiala amin'izay ireo mpitondra fat ireo satria efa vita ny iraka nampanaovina azireo kanefa dia tsy nanaiky ireo. Singanina amin'izany koa fa nandray azy antanan-droa kosa ingahy Monja Roindefo ary nomarihiny mihitsy ary ny oe misy iraka mbola ilana anao miaraka amin'i Filoha Ravalomanana. Tsy resy lahatra moa Atoa Roindefo ka mbola nisalasala sy te hifikitra @ toerany ihany.

Izany sy izany no vaovao henoko ary ialako tsiny fa amin'ny ambangovangony ihany no voatantarako aminareo eto fa lava dia lava ilay izy ka ireo aloa no masaka azoko atolotra anjarantsika no mandray izay tandrify antsika amin'izany. Ny azoko tenenina fotsiny dia ny hoe ho avy ny farany ary tsy maintsy ho ravana izao tontolo izao fa feno loatra ny loto sy ny mpandoto azy.

Tapitra

Mbola Misy Antenaina Ve Ny Gasy?

news2dago 20 Oktobra, 2009 08:38 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Resy mazava ny mpanao basikety malagasy t@ lalao afrobasket 2009 izay natao teto Madagasikara. Izaho manokana aloa dia tsy dia nametraka fanantenana firy @ lalao iraisana intsony satria iarahana mahalala ny zavamisy sy ny entimanana. (sary tsenagasy)

Tandrametaka sy vonjy tavanandro no betsaka @ ilay fanatanjahan-tena malagasy ka tonga dia fantatro ny vokatra oe resy indray e. Mbola nahazo ny hafatra avy amin'ny mpijery koa moa ireo manam-pahefana tonga nijery sy nisalovana andraikitra tao sakoa izay hoy ny maroan'isa tsy maneho hevitra. Mbola aiza no ahazo an-tenisany @ fifidianana.

Izay ny amin'iny fa tranga hafa indray no miseho eny anivon'ny fampianarana ankehitriny dia misy mivoaka foana h@ izao ny lisitrin'ny ankizy tafiditra eny @ Epp ny CEG ary ny Lycée. Ho raisin'ny fanjakana an-tanana avokoa moa ny famonoana ny ho avin'ny ankizy malagasy satria dia taingim-be izay no azo hilazana azy e! ny isan'ny mpianatra eny @ ireny sekolim-panjakana ireny. Aiza ve koa sekoly tsy mahazaka afa tsy ankizy 700 lasa mandray mpianatra 1500 misy hatrany @ seconde 24 ny lycée iray. Mitaraina moa ny mpampianatra fa tafakatra any @ ankizy 80 na 90 any ho any ny kilasy iray. Mazava ho azy fa tsy hisy fianarana ho vanina mihitsy @ izany fa dia ny ditra no azo bebe kokoa fa tsy ny fanabehazana.
(Addis_Ababa_Bole_International_Airport)
Ho any Etopia avokoa ireo ankolafy 4 @ 3,4 ary 5 novambra ho avy izao. Hifanasa vangy @ ady seza any indray ireto ngeza lahy eto amin'ny tanana. Tokony mba hijery ny vahoaka @ izay ary hahay hampadefitra ny ambom-po ny tsirairay fa tsy tia tena sy ho tia toerana lava ary tokony ho tsapan'izireo fa manadalo ny fiainana an-tany fa tsy ho tetezamita mandrakizay akory. Ny tsapan'ny maro aloa dia oe any ny amiraly no hifety ny 73 taony ka hahazo mofo mamy @ iretsy 3 lahy mianaka ary ve sa hahazo ny pasotolaka indray.

Manomboka memely ny delestazy any faritra maro manerana ny nosy ary ny rano sy ny jiro mihitsy no tapaka @ izay fa tsy vitany oe jiro ihany. Tany Maintirano ohatra dia nahafatesana olona 2 mihitsy izany tsy fisin'ny rano izany satria voatery matsaka eny @ renirano ny olona ka nisy ny maty an-drano t@ izany.

Miroso @ fitsarana ny blongana tsara indrindra (BOMBS) indray ny mpikirakira aterineto ankehitriny iza indray no handimby an'i ra-Jentlisa? za ve? lol. Ny hany tsikaritro fotsiny aloa hatreto dia latsa-danja be ny bolongana manoratra manotolo @ teny gasy asa mety misy antony manokana kosa angamba fa ny akamarony aloa dia @ teny vahiny avokoa no betsaka voatonona ao ho hita eo ihany ny fivoaran'ny fifaninanana fa izay mendrika no aoka hibata izany. Raha i news2dago manokana aloha dia ohatrany tsy hita tabilao mihitsy ny tontolo misy azy ao @ ilay fifaninana. Asa ratsy loatra angambany ny zavatra ataoko eto. LOL

tapitra.


Arabaina Fa Tratry Ny Fety

news2dago 14 Oktobra, 2009 09:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ela tsy niblaogy ary efa saika adino ary ny oe tokony hamoaka lahatsoratra efa maro ny draft ato fa saingy tsy vitako h@ ny farany matetika ka dia manov hafa indray avy eo. Mety ho gaga angamba ianareo mahita io lohateny io fa dia faly aho mampandre anareo namana mpamaky ny blaogiko fa tsingeritaona-ko ny andro androany e! Efa antitra ny tena efa hananika ny efapolo indray izao. Efa mihamaro ny volo fotsy! lol

Tsy tafa-blaogy teo aloa teo fa sahirana mikarakara ny asa sy ny tokatrano e! aza tsiny fa maro ireo blaogy mahafinaritra azonareo vakina no sady mamoaka vaovao mahalina hatrany tsy hanonana anarana blaogy aho fa sao misy adinoko ka tezitra eo ny sasany tsy voalaza. Misy ihany ny vaovao fa saingy ny mampalahelo no betsaka ka aleoko tazomina ho ahy samirery aloha fa mbola tsy fotoana izao ny hitantarako azy aminareo.

Izay fa dia mankahery anareo rehetra dia mirary soa e! Samy ho tahin'Andriamanitra.

news2dago 

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)