Ny Hitako Teny Rehetra Teny,

news2dago 26 Oktobra, 2010 14:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Sendra mba niakatra tany @ Ville (Analakely) aho androany dia mba hitantara zavatra kely tsy de manao ahoana akory fa tsy maintsy oe hosoratako eto ihany na dia tsy misy dikany firy aza. Voalohany ary dia niverina indray ilay fitohanana ny tamban-jotra na taxibe eo Soarano na efa t@ andron-dRazanamasy sy ry Lalatina ary no nahitako azy farany ilay eo @ kihon'ny fiolanana eo @ Pochard io indrindra tonga dia azonao an-tsaina mihitsy ny fitohanana fa fantatro. Ny antony dia tapaka ny lalana makany @ petite vitesse Isotry iny satria nomena ny mpivarotra ny arabe. Faharoa, dia afaka miverina ihany koa @ iny lalana eo amin'ny Pochard iny mankaty Antanimena nefa efa tery ilay izy. Rariny raha mitohana ny lalana eo ny taxibe rahateo manandoha izay ihany ny saofera ka tsy mahagaga raha mivaralila ny fitoanana.

Manaraka izay dia gaga aho fa lasa misy bazary ao @ gara ny soarano hitako lavitra fotsiny fa ohatra misy botika izany ao anatiny gara ao mihitsy! Ilay gara ny soarano fanaovana RDV fahiny iny na hipetrapetrahana rehefa vizaka mandendeha mitety arikady fahiny. Tadidy ery rehefa ho any Antsirabe fa tsy hifankahitana ny olona mifanaretsaka eo miandry ny lamasiny tonga @ 5ora hariva!!! Ny tena rahateo zanaka mpiasa ny gara ka tsy misy tsy hay ny ora fiaingana sy fahatovan'ireny zotra ireny fahiny. Indrisy fa tsy mbola ato ato mihitsy izany zotra an-dalamby izany no hiverina ahiko tsy hiverina intsony mihitsy e. Aiza ve koa ny gara natao hiantsonana ny fiara-dalamby avy ity no lasa tsena toy ny etsy Soarano ny eny Soanierana moa dia lasan'ilay orinasa Total hivarotana lasantsy. Tsy mba hitaingina lamasinina zany ny taranaka malagasy ary mety tsy ahafantatra akory izany masinina izany akory aza.

Tsy mbola vita ihany koa ilay lapan'ny tanana oe ho vita alohan'ny fahaleovan-tena io indray dia tsy mahagaga ahy satria ny Rova ny manjakamiadana izay nantenaina ho vita ary ity toa tsy nihetsika intsony ny fanamboarana!!! Aleo aloha izy iasa e! ho hita eo raha mahavita na tsia TPT.

Manoloana indrindra ny Hotel de France iny indray raha nitopy niankavia ny masoko ka hatreny @ sicam taloha izay efa lasan'i Glacier manotolo izy izao dia fiara madio be tsy misy pentina vraky be no hitako misy soratra oe amidy "A VENDRE" misy tena tsara mihitsy an ireny clio1, polo na 405 ... vraky e misy isafidianana ao asa anga oe ohatrinona ny vidiny fa tena manambaka vaovao mihitsy raha ny fijery azy ety ivelany. Ny eo @ parking ampovoany kosa dia ireony fiara mercedes sprinter ireony eo mbola tsara ihany koa ary tena hita mihitsy oe mbola tsy dia niasa firy ilay izy eo ihany koa ireny dzama (mazda) be soratra irony izay familina @ ankavanana ny akamarony nafarana avy any korea mihitsy ireo fa siora a. Dia nanteraka hivarotra zavatra efa niasa ramalagasy e tsy mba mendrika ny hitondra vaovao mihitsy fa dia fripy ihany no sahaza azy aleo atao @ teny vahiny hafa oe "USED" dia mba ohatra ny maivamiavana ilay izy. TPT

Manoloana ny Baolai kosa dia feno fiara efa mondraka izany ireny fiat,  R9, R18 na 305 misy soratra indray eo @ fitaratra manao oe: "Manamboatra GSM: Décodages, Flashage, Réparation foza orana sinoa!!!" Tonga dia azoko antsaina fa ilay telefonina ampiasaiko ato io koziny eo io dia ilay foza sinoa mora vidy be kanefa dia mahazaka sim roa miara mande misy tele bluetooth  misy radio mahavaky mp3 sy mp4 na 3gp mahay zavatra anie ny sinoa e! Hay zany mba misy mahavita ihany izy itony rehefa simba ko.   

Tapitra

News2dago faha 26 Oktobra 2010

Jereo koa eto 


Tsena Mora Ny Ary Ambany Faotra Ary!!! TPT

news2dago 25 Oktobra, 2010 07:46 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Inona ny malaza? Tsy misy, ary ny vaovao? Mbola tsy misy koa!!! Dia inona ihany ary zany. Vola kakafotra e! ny omaly tsy miova ny FATy ihany no mbola faty... 

Alatsinainy indray ity ny andro mangingina ny eto @ tanana ka manorisory aleo ihany le misy sakoroka be ireny mba misy action e! de mba betsaka ny twitter sy ny vaovao miely eto @ nety eto fa tsy maina be ohatr'izao. Ny vedety aloha hatreto dia ity nahazo ny delegasioana malagasy tany Montreux Soisa ity. Ndray tsy misy baraka afaka izany intsony re olona fa dia natsongoloky ny olona ny anaran'i Madagasikara a. Ny nahazo tany aloha tsy haiko fa za tsy nanatry maso fa ny tatitra sy video miely @ aterineto dia efa miteny ho azy ny sary fa tsy misy mankasitraka izao fitondrana halatra izao ny rehetra na koa mety paika ihany koa io ho any vondrona miteny frantsay mba maka 19 @ rehetra izy e. Asa aloha fa za vahiny eee

Zay ny amin'iny aloha fa hiverina kely @ ty resaka Tsena mora ity indray a. Tsy mbola nahita mpivarotra misy an'ireo entana mora vidy be ireo mihitsy a hatreto mba nitady ihany tety amin'ny manodidina fa eeee tsy nisy e! Fika be indray ity oa angamba toy ny mahazatra ihany. Ny tena marina dia tsy misy mety mampanofa trano ho an'ilay varotra ny olona mety maro ny antony mahatonga izany matahotra sao hivadihiny ny vahoaka eo ka ho may eo ny trano rehefa raikitra ny sakoroka io moa efa fomba fiady indray ity mandorodoro fanananolona ity ka tsy mahagaga raha mailo ny olona ny fiangonana aza misy mandoro nefa tranon'Andriamanitra ko maika fa izay tranon'olona io ve hisy vidiny @ ze mpisotasota. Mbay tany ry anona aaa!!! Vao kobon'ny olona fotsiny ilay revy miainga oe avy @ fitondrana dia miala pa ny olona vokany sahirana ny vaomiera sosialy ao @ fitondrana mitady fivarotana. Dia mbola tsy tonga saina ihany ry zala.

Ny afisy ny fifidianana moa dia hanazana lamba fotsiny ary izay mipetraka eo dia rovitra avy hatrany manginy fotsiny ny ompa sy ny hogahoga mahazo ireo mpanao fampielezan-kevitra. Tsy mbola tonga saina ihany!!! Asa ihany izy ity fa dia kely finona a raha mba hisy tokotanoniny ity fifidianana ity na ho vita ary io dia angamba 2% ny olona hifidy eo. Tsy rarahiny eee! Ny azy ny revy mandeha foana. Miandry ny kapoaka ho feno indray izany sisa e! ny mahagaga a dia tsy mety feno mihitsy ilay kapaoka na dia efa ho 2 taona mahery ary. Mety misy goaka koa angamba ilay izy dia tsy mety feno ko. TPT

Etsy andaniny dia miakamidina ohatra ny lelon-jaza ny mpanaraka ny movansa 3 asa angaha oe inona no anton'izay? betika izy bobaka be mila tsy ho omby mihitsy ny kianja ny magro indraindray kosa anefa tena vitsy kely mampite hiteny oe hajanony @ izay io fa lany andro eo nareo! TPT Ny tena marina dia miandry zavatra ny vahoaka ireo mpitarika rahateo tsy mena mivadika izany androany mafana fo be rahampitso anefa lasa eny Tsimbazaza ko inona ihany kosa ary izany e, lasa fitadiavan-tseza sisa ilay izy fa tsy ny hitady ny ara-dalàna intsony. Jereo tokoa anie fa izay nivadika rehetra ohatra ny tsara toerana daholo ao @ le FAty e. Ny vahoaka @ izay very fanahy mbola velona toy ny vahoaka tsy misy mpiahy izany. hany ery ka raha vao misy zavatra mitranga dia mirohotra ny olona toy ny fitsenana ny Tantely teny Ivato dia mbola ho avy koa i Deba dia jereo tsara fa olona tsy olona koa ny hitsena azy eny.

Tapitra

News2dago 25 Okobra 2010

Tsindrio eto 

 

 


Mirary Soa Ho An'i PELE

news2dago 23 Oktobra, 2010 05:45 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitsingerina androany tokoa ny taona nahaterahan'ilay mpanjaka ny baolina kitra (fandaka) dia i Pele izany. feno 70 taona katroka androany tokoa ny lehilahy izy moa dia nanamarika ny tantara ny baolina kitra sy ny mondial @ ankapobeny mihitsy tsy mbola misy mpanao baolina mitovy aminy h@ izao na dia maro ary ny kalaza sy kinga @ ity taranja ity @ izao fotoana izao. Izy no mpilalao feno araka filazan'ireo mpahay ity baolina ity kinga izy @ fijijina baolina tsy misy very ny baolina zarainy an'ireo namany ary mahay mamono baolina ihany koa.

Edson Arantes do Nascimento, izay no tena anarany ary efa nibata ny amboara in-3 ny mondial ny lehilahy ary lasan'i brezila tanteraka moa ilay kopy be t@ 1970satria azony in'3. Ny tena moa dia mbola tsy ary t@ izany fotoana nilalaovany izany kanefa hinoko fa mahay tokoa izy satria dia milaza izany avokoa ireo olona rehetra nahita azy nilalao baolina taloha ary t@ androny rahateo no nandeha nivantana t@ fahita lavitra ny amboara eran-tany. Tsindrio eto raha mila fanazavana fanampiny momba ity mpilalao malaza ity ianao.

Tapitra.

News2Dago 23 Oktobra 2010 

Tsindrio eto


Nakaiza Ny Orana? Mamely Ny Gripa!!!

news2dago 22 Oktobra, 2010 13:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiverina hiblaogy indray aho hanala sorisory @fiainana andavanandroko fa tena mihamaloka mihitsy izy tato ato izay. Avelako kely any aloha ny politika ho an'ireo mpiangaly azy fa ny fiainana @ankapobeny indray no hitondrako vaovao kely ho antsika rehetra alony.

Miditra @ fotom-pahavaratra ny eto Madagasikara raha ny tokony ho izy saingy nivadika ny glôby ka mbola vanim-potoana ny manalasala angamba no hilazako ny vonon'andro eto aloha. Tsy mangatsika tsy mafana fa tena manalasala e. Maraina mangatsika @ antoandro mafana be @ hariva miverina indray ny hatsika ny rahona anefa milondolondo toy ny hanao azy ery ny orana saingy tsy mety latsaka izy aloha hatreto fa miazoazo ihany. Raha latsaka eo io tena angamba dia hanavandra mihitsy.

Vokany, mamely ny gripa tena tsy misy hevitra fa mandripaka tokoa na kely na lehibe dia lazony avokoa. Ny  maripana tafakatra any @ 40° any ho any ho an'ireo izay manavy ary tena mangorangorana tokoa rehefa voan'ilay gripa. Tsy afaka mihitsy raha tsy mandray kely antibiôtika "amoxi" na ny "tetra" soa ihany fa azo vidina eny @ mpivarotra anana ny akamarony ny fanafody somary ampina kely paracetamol 2 indray mitelina mandritra ny 5 andro eo dia misava ihany ilay gripa. Tsy hita moa re olona fa manao dokotera tena eo rehefa voa fa sitrany ahay tokoa mba vola mipetraka ny vidina "consultation" any @ radoko!!!

Efa nolazaiko anareo teto ihany koa ilay Tsena Mora atolotra ho an'ireo Gasy mahantra dia 500Ar hono ny kapaoka ny vary  ary 1000 Ar ny litatra ny menaka izany oe hovokisana vary be menaka zany ny malagasy TPT mandritra ity fampielezan-kevitra hitsefotra ity. Manotany tena ihany aho manao oe toa vonjy tavan'andro fotsiny izany zavatra atao izany mamono afo angamba e! satria tsikaritra tokoa ary voamporofo any @ lahatsoratra nosoratan'ny namana hafa any faha karazan'olona hafa mihitsy no akamaron'ireo nilahatra ny alatsinainy lasa teo ireny. Ireo ilay olona mataty saoka amin'ny gidragidra ireo fa tsy le zanak'i dada intsony. Tsy maintsy ho tambazana ihany aloha sao hanahirana atsy ho atsy.

Tapitra

News2Dago faha 22 Oktobra 2010

Aza adino ny Mitsidika eto


Tsisy Miraharaha Ze Fifidianana Any E

news2dago 16 Oktobra, 2010 14:33 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Atao daholo izao fika rehetra izao fa tsisy rototra ny pokona e! aleo ihany mitady vola sy mitady izay ho arapakin'ny vava aloha. Za zao oh tsy kôpy na inona na inona momba ity fifidianana aferan-daomy ity sa aferana doma ity no marina kokoa e! TPT Ny dobla enina rahateo efa natelin'i rajoelina any aminy any koa tsy efa fanatra ve ny valiny oe lany ny eni na tsy ampy isa ary ny eo ambony latabatra e.

Gaga koa a naheno sy nahita oe toa nitalakotrokotroka hono ny nitsenana an'i Tantely teny Ivato zao!!! De ho avy tsy ho ela koa oe ilay raikalahy taloha ka asa koa izay ho afitsony eo na inona no tena ketrika tina atongavana amin'izany fiditra vedety izany na inona.

Ny vaovao eto @ tanana moa dia tsy de misy firy fa makafoka daholo ny olona @ setroka doron-tanety maizain'ny setroka ny tanana efa lasa zary fiainana andavanandro koa ka tsy misy mivaky loha intsony koa, ny gasy koa moa maka tsy taitra izay. Miandry ny loza hiatra vao mety ho may volotratra efa tara laotra amin'izay fotoana izay.

Ny akaotr'izay moa efa tsy vaovao intsony satria efa fantatrareo dôly ny radio maromaro nakatona, ny mambra ao @ CT sy CTS  notendrena, ny faharesen'ny barea fanidrony indray, ny lalana eo @ 13 mai notapahana ilay manolona ny lapan'ny tanana tsy mety vita io sic kely sisa ka efa ho vita ihany.

Ny vaovao vao mafana dia hanokatra fivarotana PPN isakin'ny firaisana ny eo anivon'ny kaominy hirary hono ny entana amidy amin'ireo fivarotana ireo ka asa indray na an'iza ny vola miditra avy eo na ho an'iza misitery izany mon ami.

Tapitra.

Miala tsiny fa natao maimaika ny lahatsoratra fa lazain'ny sasany fa tsy miblaogy intsony oe fa varina any ho any!!! 

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)