Fin Du Monde 2012!!! Tay Be Ty Kle LOL

news2dago 17 Martsa, 2011 05:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

2012 Tapitra andro LOLEo ampiandrasana ny fara andro dia manao izay tiny atao raolombelona!!! Maniry loza koa etsy an-daniny hany ka manome sopapa any Razoky ao ambony @ fika handravana izao tontolo tsy misy fotony izao.

Za alo tsy mbola nahita ity horonan-tsary mampatahotra be ity na dia feno aza eny @ sisin-dalana. Izay efa nahita dia miangavy anareo aho mba hamintina izany fohy2 etsy @ fanehona hevitra raha tsy mahadiso!!!

Fa raha ny fijery izao sary zao kosa aloha tena tsy misy velona intsony ny zava mananaina rehetra na hitady fika bomba be aza i simplex!!! LOL tena kozy e. Aiza ve ko ny tany mitresaka ny ranomasina manonja be izay tsy izy. Tsy misy miangana intsony izao e.

Maty nonoka fontsiny ny faminanina nataon'i Maihol ho lasa prezida @ 2013 aza manody ny goavy tsinà LOL.

Tsy hateza intsony ny fitondrana tetezamita fa tsy hahazo fankatoavana intsony. Tsy hisy fika koa ny risoriso any @ Masinda Piera @ "bois de rose" sy ny tsolotra satria tsy miteny any ny vola Ariary fa vola baoritra be. Ny Bianco sy ny fitsarana indray no hiakatra fitsarana an-tampony @ fanaovana fitsarana vilana tety an-tany. 

Mety ho faly ny Movansa 3 hoe ho vita amin'izay ity tolona tsy misy fiafarany ity. LOL  

Na izany aza anefa dia kely finoana a oe hisy ity 12/12/12 ity satria hoy Jesoa oe tsy hisy hahalala na ny andro na ny ora afa tsy ny Ray ihany. Tombatombana fotsiny itony ary fitadiavana sosy sy laza ary voninahitra fotsiny ihany.

Fa ny farandro kosa anefa dia hisy fa aza taitra nareo. Ary eo indrindra isika izao samy misaina ny asany avy ka hijery oe ho afaka sa tsia ho afaka @ ilay fanadinana farany. Tsy hisy ny deuxieme tr fa premiera tr de Vita. Na hosoronana afo miaraka @ be tandroka na hanana fitoerana milay be miaraka @ Razoky Jesoa.

Tapitra 


Camille Ihany No Vital Kotozafy Ihany No Leksisy

news2dago 16 Martsa, 2011 10:20 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Inona ny vaovao ao? Tsy misy e! ny Teo Ihany no Miverina. Ny malok'ila 1 ihany no malok'ila 1. LOL

Tsy iza ny PM vaovao fa mbola i Vital ihany no hisolo an'i Vital. Tsy hisy RI "reconnaissance internationale" izany eo na andeha ambakin'ny loha aza satria mbola ny eo ihany no eo tsy misy fisokafana na @ iza na @ iza io. "Wait & See" sisa sa ahn?

Filma efa nande kosa hoy ny sasany. Nisy nanantena fiovana ihany anefa ny olona sasany fa raha za kosa aloha de efa nampoiziko mihitsy io oe ny eo ihany no eo ary mety hitohy 20 taona ity tetezamita ity raha izao no mitohy. LOL

Tapitra

reconnaissance internationale


Tsy Tafa-Blaogy Mihitsy

news2dago 05 Martsa, 2011 14:55 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena tsy tafa mihitsy ny fanaovana blaogy, facebook, twitter, radio2dago, GVM sy ny forum... tena miala tsiny @ rehetra mihitsy fa repotra be mihitsy tsy hita fa mbola miketrika mafy e! Ny vaovao anefa maro sy bobaka te hanoratra mafy fa tena tsy araka intsony ny mamoaka azy ireny vao hiezaka ny hanoratra eto ihany.

Tapitra


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)