Tokony Ho Lany I JLR

news2dago 19 Septambra, 2013 13:18 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maro be ny hevitra mitosaka eny @ tamban-jotra serasera rehetra eny. Misy hevitra maro lafy mipoitra tokoa kanefa dia roa ihany no tena misongadina. Andaniny, manatsatso ny fanohanan’i PRM Ravalomanana an’i Dokotera Jean Louis Robinson na JLR. Ankilany, mametraka ny fitokisany kosa amin’io filoha teo aloha io. Ialako tsiny dieny mialoha fa ny ankolafy Ravalomanana ihany no ho resahako alo eto.

Raha atao jery todika kely ny tantara dia tonga eo amin’ilay tsy misy azo anoharana intsony ity ankolafy ity satria i dada tsy tafody, i neny voailika tsy hofidina, ny fara hery dia ny hanohana olona. Ka io no mahatonga ny resabe etsy sy eroa oe ny frantsay no ao ambadika ao mety ho marina tokoa raha ny filazan’ilay ambasadaoro [fr] ao @ tweet-ny. Tsy olana izany amiko andao lalaoavina ao @ kianjany izy (ny frantsay). Toy isika milalao «belote» ireny, anjarany aloha izao no miantso manaiky ny ambony, « Sans A tsy aky aritra io» mahaiza milalao fa na manana « Tri-As» ary enao mety tsy ho tsy afaka. Ny tiako hatongavana dia ity ho an’izay manohana sy mbola tia ny PRM Ravalomanana dia hatsaharo manomboka ny mason’andro anio ny fanenjehana frantsay izy ihany no nampianatra antsika mihatsaravelatsihy dia mba averina any koa ny baolina. Fadio ny manejika eny @ tamban-jotra sy ady hevitra rehetra eny, tsarovy fa arakaraka ny hanafosafona ny saka(frantsay) no mety hampatoritory  azy.

Atody tsy hiady amam-bato jereo ny tantara tany Lybia, Cote d’Ivoire, Mali, dia ho sanatria hisy Madagasikara koa ve ? Aleo isika mba mailo ka ny saina amin’izay no ampiadina fa tsy ny fo efa be izay 50 taona nandadizana izay. Mahaiza mifidy tsara kokoa ny mifidy olona noho ny hanao vato maty sy vato fotsy izay mbola tsy misy lanja mihitsy aty amin’ny tany andalam-pandrosoana.  Raha hifidy ihany anefa dia mety kokoa ny manohatra ny kandida atolotry ny foza. Na mangalatra fiaingana aza izy ireo tsy ho lasa lavitra noho ny fanjakana ratsy tantana nandritra ny tetezamita. Be ny tofoka sy kivy ka tsy hisafidy foza izany.

Koa na hizara ary ny vato azon’i JLR dia azoko antoka fa mety ho tafakatra any amin’ny fihodidinana faharoa izy satria mbola maro ny olona manina ny fandrosoana vita t@ andron’i dada. 

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)