Misaotra Anao Aho Ry Fiaradalamby Tena Manga Oa Ny Dia

news2dago 13 Aogositra, 2015 20:07 Fizanhan-tany Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Feno taona iray sy roa volana izay no niala ny dago izahay nankaty amerika avaratra aty eto Canada no misy anay izao. Tsy hita fa zanaka besetroka ny tena ka tena mankafia mandeha fiaradalamby. Fahiny, tokoa mantsy baojo no mande any bira sy tamaga tamin'izany fotoana mbola nandeha ny lamasinina nisy fotoana izahay sy dada mianga asabotsy maraina amin'ny 6 tonga any Antsirabe atoandro de mody ny alahady mianga amin'ny 1ora tonga etsy soarano @ 5 ora hariva fahiny tokoa izany. Mety hoy ianareo oe efa vorona azon'adala koa ny anlery izany ko raha tsy hisy atao koa. Nifindra aty British Colombia aty indray izahay izao ra tany akaikin'ny Montreal no nisy anay taloha ko dia revo ny anao lahy nijery ny fomba hifindrana tapaka ny hevitra fa andeha ilay Viarail laharana 1 mampitohy Toronto-Vancouver ary izahay 5 andro sy 4 alina ny dia. Gaigy be ty!!!

Nianaga tao Montreal ary ny 2 Jolay aminy 3 ora hariva nihazo an'i Toronto Central Union fiara laharana 67 ViaRAIL adiny 5 eo ny faharetany ny dia andro voalohany io tongasoa tao Toronto ny aliny ny 2Jolay teo amin'ny valo ora sasany alina teo eo mbola mazava ny andro hanomboka ary ny tena sakoroka handray ilay fiara laharana 1 Viarail mampitohy Toronto-Vancouver nisy fahatarana ny fiaingana raha voatondro hiala amin'ny 10 alina dia tsy nianga raha tsy tamin'ny 11 sasany alina maro ny mpandeha saika ry zareo karana sy kelimaso no betsaka dia lasa zao ra tsy mimbolisatra ary. Namakivaky an'i Ontario ny alina tontolo ny tontolo andro ny 3 jolay ihany koa. Saika honahona izany ny tanana rehetra nolalalovana otrany ny any Antsinana any dago ihany tsy dia mifakaiza loatra. Tonga ny alina nisy filazana nanambara anay fa ahemotra ora iray ny famataranandro anio alina vita ny andro faharoa. Maraina ny andro efa tonga mamaky ny faritra Manitoba indray izahay tsy de misy fiovana ny endriky ny tanana tonga tao Winnipeg tamin'ny 10 ora maraina ary nijanona ora 2 tao nivoaka ny Gara izahay mba nanao fizahan-tany izay moa vao sambany teto Winnipeg ny tena nahavarina ahy tao dia ilay tsangambato misy ny faritrin'ny aavon'ny rano tamin'ny safodrano ny taona 1950 efa ho 3 metatra eo ilay izy ary tena zavadoza ny fijery azy tena tsy tehamisavisa ny zavatra nitranga tamin'izany aho fa dia nijery fotsiny soa fa tsy misy intsony angamba izao.

Nianga indray ny fiara tamin'ny 12 atoandro namakivaky an'i Manitoba, nanambara indray ilay injeniera mpanamory fa hahemotra ora iray indray ny ora rahalina tonga tao Saskatoon misasakalina manahirana ahy mihitsy ny manonona ity faritany iray ity Sasckachewan nanomboka teo kosa dia marina ny tanana ary tsy takamaso intsony ny velaran-tany voavoly ny olona ny indostria sy ozina maro no mifandimby lalovanao mandram-piditra ao faritr'i Alberta. Mbola tsy leon-dalana ihany ny anao lahy afaka mivezivezy rahateo ao anaty fiara misy ihany koa ny fialamboly azo atao ny ahy moa dia ny maka sary no mba nataoko dia miresadresaka amin'ny olona oe ihany koa lasa miresaka tsy fidiny ihany koa no tena marina satria mifanatri-tava marain-tsiariva eo tsinona. Tonga tao Edmonton maraina izahay teo aminy sivy maraina teo alahady ny andro amin'io mba nivoaka kely indray aloha naka rivotra mangatsika velona tao tena nivihivihy mafy mihitsy ireo vazaha menasofina teo namazivazy moa zalahy oe tongasoa fahavaratra eto Edmonton e. Tsy laitrako ilay hatsika tao kosa alo! Lainga lainga.

Tsy dia naharitra izahay nijanona teo fa teo aminy 45minitra teo ihany nanainga indray. Ny tena nahavarina ahy ihany koa tamin'ilay zotranay dia manome lalana ny masinina mpitondra entana ny masininay miandry eo aminy 10 na 15minitra eo matetika ary rehefa mifanena dia nisy fotoana izahay nanisa tena 200 mahery ny wagon taritiny lohany roa farany kely. Niova kosa ny tanana lalovana nanomboka teo tsy de nisy trano firy intsony fa nondimbiasan'ny tendrombohitra harambato be toy ny eny Mandraka nifanesy ny tonelina kely tsy dia lava noho ny any Dago ny ilany havia ranobe maintso mafinaritra tazanina ny ilany havanana kosa tendrombohitra misy tendro fotsifotsy tsara tokoa namisavisa eo ny tena fa mahay zavatra ilay Andriamanitra izay.

Tena resilahatra ny tena amin'ny hatsara ny zavaboary nolalovana rehetra kanto de kanto ny any atsimo any dago lafatra ny ranomasina ao Mahajanga ao ary tsy mena mitahy amin'ny aty ihany koa tsy mba niangatra izy nanao zavatra fa samy nahazo ny anjara tandrify azy ny rehetra. Tonga tao Jasper izahay teo amin'ny 5 ora hariva teo tanana kely manasaka an'i Alberta sy British Colombia izy io ary be mpizaha-tany tokoa ka somary lafo fiainana aiza ve ko pizza iray de ho 50$ be izao tsss. Nahemotra ora izay farany izany ny famantaranandro ny alin'io.

Tonga taty amin'ilay toerana nialanay ihany moa izahay teo amin'ny roa maraina teo Kamloops North Station naharitra 5 andro ary 4 alina teny andalana satria mbola ora 3 niala teo vao tonga aty amin'ilay toerana misy anay izao nandeha fiara kosa tamin'io tena leo ihany aho ny farany ela ny ela. Aminy manaraka indray aho mamerina raha mbola velon'aina. Soa fa tonga tsara taty amin'izay toerana itodina vao nahita ity oronantsary ity Unstoppable saika nidiran'andro angamba raha nahita an'io taloha. LOL

Tapitra

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)