Feno dimy taona sahady ny Radio Des Jeunes ary nomarihana androany ny fankalazana izany. Ity radio ity moa dia voalaza fa radio akaikin'ny tanora ary efa mahazo ny toerana mihitsy raha eo @ sehatrin'ny haino aman-jery eto @ tanana. Izy ihany koa no radio mandefa mivantana ny fandaharany @ aterineto @ alalan'ny webradio izany. Mirary soa ho azy isika toy ny fanao moa dia ny oe ho tonga ny tsingeringerina hatrany. LOL!!! Mba faniriko ihany koa ny hanorina radio toy itony fa mbola miandry sosy kely aloha ny tena fa ny hevitra efa maty paika daholo.
Natsangana indray izany ivon-toerana misahana ny fitsikilovana ny vola miditra sy mivoaka ao am-paosin'ny tsirairay. SAMIFIN moa no anaran'ity ivon-toerana iray ity ary fitaovana arifomba avokoa no ampiasaina ao. Mpiasa eo @ 11 eo no miasa ao @ izao fanombohana ny asa izao. Voalaza moa fa fantatra ao daholo ny vola mihodina eto Madagasikara. Natao moa izao ny mba hiadivana @ fisin'ny fanadiovana vola maloto eto Madagasikara.
Mamirifiry izay tsy izy kosa ny hatsika eto Antananarivo ary manodidina ny 5°C any ho any ny marimpana voaray ary mety efa any @ 0°C ny any Antsirabe. Navoaka daholo moa ny akanjo mafana rehetra iadina @ hatsika. Mety hiakatra indray ny sahalan'isa eo @ zaza teraka @ taona ho avy io. LOL
Hanomboka @ alatsinainy 28 jiolay ho avy izao kosa ny fanadinana Bac ka mirary soa @ ireo zandry kely hanala io fanadinana io.
20/07/2008, 21:51
Simp => zany ve tsy ilay dihin'ny ramanenjana no hanjaka ao! ilay antsoina oe tektonic izany
20/07/2008, 19:37
tsy zany wa fa 5taona sahady ny rdj ee :)
hisy televisiona vaovao tdj ihany koa :roll:
20/07/2008, 09:19
Pissoa => 5 taona ny rdj e!
simp => inona indray zao no mapime @ izany!lol
20/07/2008, 09:13
Lehilahytsyresy => Ho avy e! fa mila alamina tsara ilay izy.
Simp = Vao 5 taona ny RDJ ka na izany aza tena vety2 le andro
Ikalamako => Mafana ery zany bodifotsy izany indrindra ny vitan'ny somacoa
19/07/2008, 18:55
tena mila par-dedans izany hatsiaka be zany ry news2dago, sy couverture double...face (oups saika tsy tadidiko hoe face moa sa fesse) :-P
19/07/2008, 15:52
Vao 5 taona angaha moa ny RDJ ... lol, ohatra ny efa ela no tany Dago niady lava tamin'i Zandrinay fa zahay te hihaino RDB moa izy te hihaino RDJ pffff
Ilay SAMIFIN koa ve dia haharaka ny vola ampiasain'ny gasy kely tsy manana bank account e ! Sa ho terena hanana bokim-bola avokoa ny fianakams an-tapitrisa hi hi hi.
Ary degany be izany hatsiaka any izany a. Misenina be le baby boom @ herintaona ha ha ha
19/07/2008, 14:38
mety hitombo indray ny sahalan'isa an'ireo zaza teraka hahaha
19/07/2008, 13:14
i Lhlhtsr dia ho anisan' ireo auditeurs fideles rehefa manokatra webradio i news2dago indray andro any eh.
Aleo tokoa mitandrina fahasalamana tsara amin' izao ririnina mangatsiaka be izao.