Menaka vidange avadika gasoil?
Noravaina ilay orinasa sinoa etsy Andoharonofotsy saika hanao fikarohana momba ity ketrika iray ity dia ny famadihana menaka vidange ho lasa gasoil na solika! Vao 5 volana izy izay no efa nanao ny fanandramana dia efa heno sahady fa nisy zazakely maty tsy nahataty ilay fofona maimbo sy entona avoakan'ilay orinasa. Velon-taraina moa ireo mponina teny ka nanao antso avo ka izao tonga t@ fandravana ilay orinasa izao. Voamarina ary fa mbola tsy nahazo alalana tany @ ONE akory ry zareo eo @ fanajana ny tontolo iainana kanefa dia nanao andrana sahady.
Fa eo @ fifaninana ho an'ireo tanora mpandraharaha mendrika indrindra izay karakarain'ny banky bniCL kosa dia lasan'ilay tompon'i gastro pizza ny amboara 2008.Tsy iza moa izany fa i "Mr Mbinina" na Ambinitsoa Andrianaivo. Mbola afaka manitatra ny orinasany moa izy satria dia ahazo fampisamboram-bola tsy misy tambiny ao @ BNICL. Hoy aho oe :"Ny harena mila vintana".
Feno 59 taona omaly 12/12/08 ny filoha ny repoblika ary nankalaza izany izy sy ireo namany akaiky tetsy Iavoloha. Happy Birthday Mister President!!!
Bonus Krismasy:
14/12/2008, 19:10
Fa tsy mety anga raha atao @ toerana alavitra tsy misy mponina manodidina ilay orinasa?
Ka orinasa mbola tsy nahazo alalana t@ ONE koa moa nefa mitonatonana
13/12/2008, 13:45
Tandremo fa raha tsy hita tampoka ilay zaza dia lanin'ilay bitro voalavo izay !
13/12/2008, 13:05
Here's are some sites that may give insight into the subject. http://www.elements.nb.ca/theme/renewable_energy/wayne/groszko.htm http://autos.canada.com/news/story.html?id=f25c00ea-b366-4ff2-b7fc-c5c12296d717 Some ordinary people in North America also collect waste cooking oil from restaurants to use as fuel for their cars.
13/12/2008, 12:25
Tsy BNICL izany fa BNI Madagascar.
13/12/2008, 09:54
possible fa "rendement" kely...izay angamba no nahatonga azy tsy misy mpanao hatramin'izay...mety hoe vidange 1 barika = solika 1 sotrokely...
angamba ireo ny vy azo aminy no tena ilain-dry zalahy...
13/12/2008, 09:20
Finoanaranoiray => Ka mety possible ve anefa io e?
13/12/2008, 08:48
TSara kosa aloha ilay tetik'asa manova vidange ho lasa solika e...