Nanova Endrika Ny Pejy Fotsiny Aloha De Ho Hita Eo Ny Tohiny

news2dago 01 Martsa, 2020 07:35 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Salama daholo!
Tena tsy mahita vaovao ho zaraina anareo intsony aho de naka aina kely aloha.
Sendra nahita lahatsoratra nahalina ny namana Jentlisa tao @ FB a de nanokatra ilay rohy de tafatotona tato indray. Tena tsy nikitika an'ity intsony aho efa ho 4 taona izay. Nojereko ny endrika sy ny sisa tena efa lany andro le pejiko.
Namaky ireo lahatsoratra sasany ny namana ihany koa hay mbola ato daholo ihany isika ireto kay.
Asa hoe rahovina indray no hanoratra? 
Asa angamba atsy ho atsy. 




Kitra: Tsy TOP TEN Tsony Brazil

news2dago 10 Jolay, 2012 12:01 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena ela ny ela ka nidina laharana faha 11 i Brazil eo filaharana eo anivon'ny fifa boribory moa ny baolina ka ny ambony mety ho mbola ho ambany ka dia tonga eo @ ilay ambany toerana alo zany zao ry zala braziliana tsy hita fa ekipa mba ankafiziny ny tena moa ry zala ireo ka mba ohatrany marary fo kely ihany LOL.

 

Filaharana fifa.com

Mazava be moa ny filaharana fa dia Spain zany no tompony ady kle tsy mahagaga moa zany fa vao avy nibata ny euro in2 nisesy zala 2012 sy 2008 no nibata ny amboara eratany ihany koa ny taona 2010. Normal be satria manana ireo klioba vaventy sy kalaza indrindra eratany dia Real de Madrid sy Barca zovy moa ny mpilalao kitra no tsy mba mitsiriritra ny hisalotra ny ankajo ny iray @ ireo klioba ireo!!!

Potika be ry zala Italiana t@ ilay famaranana ny euro2012 iny na dia malaza @ fanidina trano aza montsana be 4 no Aotra be izao tsy te hierika baolina tsony angamba zay ry Hery sy ry Ikalamako LOL atao ahoana fa izay voa mangina fa tsy mbola be style oh Ingahy Balettoli ihany hi3

Eo ampiandrasana ny fiverenany zala Braziliana eo @ laharana voalohany ary de aleoko alo mankafy mijery ity clip ity tsara kosa le mamakely mandihy2 eo fa lainga lainga an lol

 


Tsy Tafa-Blaogy Mihitsy

news2dago 05 Martsa, 2011 14:55 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena tsy tafa mihitsy ny fanaovana blaogy, facebook, twitter, radio2dago, GVM sy ny forum... tena miala tsiny @ rehetra mihitsy fa repotra be mihitsy tsy hita fa mbola miketrika mafy e! Ny vaovao anefa maro sy bobaka te hanoratra mafy fa tena tsy araka intsony ny mamoaka azy ireny vao hiezaka ny hanoratra eto ihany.

Tapitra


Miarahaba Anao TRATRY Ny TAONA

news2dago 01 Janoary, 2011 06:24 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mirary soa anao hamakivaky ity taona vaovao ity eo ambany ny fahasoavan'ny Tompo.

Dia manaova fety sambatra dhl

tapitra

 


Diary Ny News2Dago

news2dago 24 Novambra, 2010 07:13 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miroborobo ny sehatra ara-tserasera ary tena ilaina tokoa ny manara-baovao @ izao vanim-potoana ny fandrosoana izao. I news2dago moa dia te hizara hatrany ny vaovao hitany sy reny ka indro ary misy rohy vaovao omena anareo indray karazana diary ahitana ireo vaovao maro miely ao @ twitter ny news2dago.

Mazotoa ary @ fanarahana ny vaovao.

Tapitra

jereo koa eto

news2dago 24 novambra 2010


1 2 3 4 5  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)