Gidragidra Be Teny Alarobia!

news2dago 09 Jiona, 2008 13:21 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nisahotaka ny rehetra teo @ kianjaben'alarobia hoy ny gazety mpiseho isan'andro iray eto andrenivohitra raha nitatitra ny vaovao nitranga teny. Vokatrin'ny fandrombahana T-shirt moa no nahatonga ny savorovoro. Tonga dia hita taratra mihitsy oe mbola mirefarefa @ tany ny toetsain-dramalagasy satria raha vao misy mihitsy ny oe zavatra zaraina maimaim-poana dia tsy manaiky gisitra mihitsy. Tsy mba misy mahay manaja tena mihitsy, hita mihitsy oe mahantra ara-toetsaina isika.

Momba ny akon'ny lalao teo @ barea sy ny elefanta kosa dia nanao ny tsy ambinina ny malagasy ary tsy mahay manararaotra mapidim-baolina mihitsy! efa nivoraka tanteraka mantsy ny elefanta kanefa dia tsy nahita irika ireo mpanafika malagasy. Tsy mahagaga izany satria ry kolo touré no ao izay fahita matetika @ fahitalavitra izy moa dia milalao ao @ arsenal. Na izany aza anefa dia hita ho tsy afaka teo @ dry mamisoa sy ry sedera ihany koa ny mpanafika ivoarianina! mendrim-piderana daholo ny tsirairay ary dia hahazo vola be 500.000 Ar isan'isany avy ny tsirairay satria niaro ny tanindrazana! Mbola mafy anefa ny hiandry @ lalao manaraka ary tokony hiezaka hampiditra baolina 2 @ fihaonana @ mozambika @ alahady ho avy izao, raha mbola te hiandrandra ny hanao can any angola ny taona 2010. Mitarika vonjy maika ao @ vondrona faha7 mantsy i cote d'ivoire sy botsoana raha nandresy an'i mozambika tany maputo izany oe tao @ taniny izany izy omaly 2 no 1 no isa nisarahan'ny roa tonta.

Mba gaga ihany koa aho raha nijery gazety androany fa tsy mba misy fanakianana ny tsy fahitana ny euro2008 mihitsy ireo gazety sendra voavakiko androany! koa inona izany fa tsy izahay sy jentilisa irery no manasa vangy sy manao toram-po eto mikasaka an'io! kanefa tena SORENA daholo ny olona @ izy ity.

Vaovao hafa kosa dia heno izao fa nesorina ny ambasadaoro ao geneva ary tambatambazana toerana any kosa i Rajemison Rakotomaharo! "elimination politique" (miala tsiny @ teny baiko) hoy ny mpanaram-baovao satria tsy afaka mihetsika intsony izy rehefa any ivelany any! tapa-doha izany ireo mpomba azy eto an-toerana! toy ny ao @ crtim sy ny mahaleon-tena sasany ao tsimbazaza ao! manginy fotsiny moa ireo senatera arema niaraniasa t@ tao anosikely fahiny.

Jereo koa eto 


Voasazy Ramalagasy (Updated)

news2dago 08 Jiona, 2008 08:58 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nirava ady sahala ny baolina teo @ elefanta sy ny barea 0 no 0! Sokajina ho vokatra tsara hono izao vokatra izao. Mbola ho henjana anefa ny lalao manaraka satria mbola hiatrika an'i mozambika @ 15 jiona.

Ela ny ela hoy aho ka tsy nahita euro ny mpijery baolina kitra! Tsy mahagaga izany satria tsy mahavelona ny baolina e! ny fivorimbe ny afrikanina @ 2009 no maika toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny ivato sy ny any toamasina mba hisehosehona @ ralahy afrikanina oe tsy mahantra ny gasy fa mahavita azy. Indrisy ry gasy kely a! ka nareo anie tsy nifidy Tim ko inona no omena anareo eo. Raha izany koa naninona raha antananarivo irery no sazina fa tsy ny malagasy rehetra.

Raha fetsy zao ny mpanao politika dia managana ecran geant anakiray fotsiny eo @ 13mai de manao kabary kely fotsiny tonga dia poinsa oe mahazo olona! soa ihany fa tsy mpiblaogy ry zalahy ireny ka nahazo an'io sopapako io! angamba dia tsy hisy raharaha ho vanona eto @ 26 jiona fa dia hanjaka ny korotana! soa ihany.

Vaovao hafa kosa dia nikijabe ny orana omaly hariva ary tapatapaka ny jiro! kanefa tena efa ao anatin'ny ririnina tanteraka ny andro izao! mazava ho azy fa mamirifiry tokoa ny hatsiaka! misy azy ireo 15.000 mpiazakazaka sy ny mpijery baolina mahery ny 25.000 eny mahamasina satria tena mila manao mafana tsara raha tsy izany mety hanavy eo.

Jereo koa eto 


Hazakazaka Lehibe

news2dago 05 Jiona, 2008 09:07 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ireto indray ary ny vaovao malaza eto dago @ ity faran'ny herinandro ity! himbahana toerana ny fanatanjahatena mazava ho azy! eo ohatra ny Course de solidarité izay atao ny 8 jiona izay misy halaviran-dalana 8 km eo eo mianga eo anosy ary mifarana eny @ Kianjaben'alarobia. Mahatratra any @ 15.000 any ny mpandray anjara ary 200 Ar fotsiny ny sarany dia afaka mandray anjara ny olona iray! mahazo T-shirt Orange moa ny mpandray anjara avy eo. Mila miomana tsara kosa anefa vao tokony anao itony fifaninana itony fa tsy izay te anao rehetra dia manao daholo satria mety ho torana sy safotra eny.

Manaraka izany dia ny lalao ny Barea sy ny Elefanta no malaza ihany koa! 3.000 Ar be izao kosa anefa ny vidim-pidirana! tsy tonga hilalao kosa ilay mpilalao malaza ny chelsea Didier Drogba! hiady ny baolina ka mahereza ry gasy kely lol.

Miandry fatratra ny fanombohan'ny Euro 2008 koa ny malagasy satria dia hafa ihany ny mijery baolina eropeanina! sady mitovy ny hahavo tekinika ny mpifaninana rehetra ka mety hahalina ny hijery azy!

Vaovao hafa kosa dia nanaitra ny masoko ny nijery ny tonelina ambanidia sy ambohidahy nofefena jiafotsy ny adaniny roa ny arabe ao anaty ny tonelina. hay hono asina carreaux ny rindrin'ny tonelina! tsara ny hevitra ary mora diovina izy avy eo.

Jereo koa eto

 


Ratsy Toerana Ny Barea

news2dago 02 Jiona, 2008 18:19 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola mitana ny sain'ny mpanarabaovao sy mpitia baolina kitra ny lalao mandroso natao ny barea tany gaborona. Na dia nisaraka ady sahala aza dia hita ho nanatombo ny nosy rahavavy maorisy satria nahatafiditra baolina izy raha nihaona t@ tanzania na dia nisaraka ady sahala 1 no 1 koa ry zareo.

Tetsy andaniny kosa dia resin'i elefanta t@ isa 1 no 0 i mozambika ireto ekipa roa ireto moa no iray vondrona @ barea ary hita sahady fa mifadanja ny ekipa roa tonta. Sarotra ihany izany ny ady miandry an'i barea satria mila mitazona an'i elefanta ary mila mandavo ny zebra sy ny mozambikanina. 

Marihina mantsy fa mbola tsy nisy nanao can mihitsy na i madagasikara na i maorisy na ny nosy seisela i kaomaoro moa dia tsy kaonty mihitsy. Ka samy mikatsaka mafy ny hisantatra izany ny rehetra. Hita ho mitongilana any @ nosy maorisy ny vintana satria maivana kokoa ny iray vondrona aminy raha oharina @ miaraka barea.

Rahampitso moa no ho tonga eto dago ny barea ary avy dia hikatroka @ elefanta @ alahady. Andrasana indray izay hovokatra eo! Ary miankina betsaka @ io ny ho tohiny tantara.

Vaovao hafa kosa dia lasa any Roma ny filoha ra8 raha vao avy tonga avy any japon ny alahady tena miasa mafy mihitsy rangahy io! ary hinoana mba hahita soa sy vaondalana tsara izy @ ireny fandehanany mivaoka matetika ireny. 

JEREO KOA ETO


Iza No Ho Tompon-Daka Ny ErôPa?

news2dago 19 Mey, 2008 12:29 Spaoro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ajanoko kely indray aloa ny fanomezana vaovao avy aty dago androany fa hitodika kely @ ity lalao famaranana ny ho tompon-daka ny Erôpa ity aho, tsoriko mantsy fa tena lina tanteraka @ izy ity ny malagasy isan-taona. Tsy mahagaga izany satria dia ahitana ireo mpilalao malaza eran-tany milalao moa ity Champion's League ity! ary ity no fifaninana tsy mba ahitana firy klioba anjakan'ny frantsay ka mahafinaritra ny mijery azy.

Raha mbola somebiseby @ fanarenana ny lapan'ny tanàna ny olona dia ny ady baolina kitra goavana hikatrohan'ny Chelsea sy Manchester United no malaza ankehitriny, ary tena hita fa mifadanja tokoa ny herin'ny roa tonta ankehitriny raha ny fitiavan'ny malagasy azy no ambara. Ao ireo tia an'i Ronaldo Christiano tsy vitsy koa anefa no mirevy an'i Didier Drogba!!! ka ho hita eo indray izay hahavoa @ ity indray maka ity.

Ny ahy manokana izao dia mitongilana kely any @ chelsea ny fitiavako ny antony dia tsotra fotsiny tsy mbola nahazo mihitsy izy kanefa dia efa sokajina ho klioba matanjaka any Eropa, sady voan'i manu t@ kely foana izy t@ "premier league"!

Ny fanirina moa dia ny mba hahita ny lalao mivantana h@ farany fa indraindray mantsy manondrana ny Tvm rehefa misy vaovao momba ny hetsika ataon'ny mpitondra izay dia any @15mn any aorina ny fanombohon'ny fotoana vao alefany ny lalao toy ny niseho t@ CAN farany teo.

Ho santatry ny lalao olimpika sy ny euro2008 moa izy ity, ny nofinofy dia ny mba oe rahovina ihany ilay gasy kely vao mba hojerena mivantana @ fahitalavitra ary?

Jereo koa eto na mihomeza kely ato

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)