Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
araka ny voavao navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro iray dia efa maro be sahady ny dia mety ho ataon'ny filoha amperin'asa @ ity taona 2008 ity inoana fa ho maro arak'izany ny fivoahan'i prezida any ivelany any!
@ fivoahana atao oh itony moa dia inoana fa tsy maintsy misy ny voan-dalàna entin'ny raiamandreny ho antsika vahoaka rehefa tafaverina izy na izany misy mpanambola hiasa aty amintsika na misy manampahaizana malagasy alefa hiofana na hianatra any ivelany! voalazan'ity loaranom-baovao ity moa fa any azia any izany no tena mety ho alehan'ny filoha ka maro no mety sehatra ara teknôlôjia avo lenta eo @ infôrmatika sy elektrônika no tokony mba ho trandrahany any! satria ireo no tena mampandroso ny aziatika @ izao fotoana izao!
hinoana ihany koa fa tsy maintsy hijery akaiky ny fomba fitsitsin'ny arabo ny rano ny filoha rehefa hitsidika any dobay ny tenany @ volana aprily ary tsy maintsy ahitany hevitra io olana misy ao @ jirama io nalahelo mantsy hono ny filohan'ny antenimiera teo aloha fa voatery nandeha natsàka satria dia notapahan'ny jirama ny rano ao @ antenimieram-pirenena eny tsimbazaza nohon'ny trosa tsy voaloa! ka angamba mba ho mety ho "prioriter" ny fitadiavana vahaolana @ ity resaka jirama ity! ka tsy ho ambanin-javatra mihitsy ny fitadiavana fanampiana @ resaka solika any ampotiny any! satria tany mamokatra solika daholo ireo! indrindra fa ny any dobay!
fehiny, tombon-dahiny ho an'ny mpitondra fanjakana moa ny mivoaka oh io rehefa misy firenena manasa izy koa inoana fa tsy ho mariny ny filazan'ny olona oe: "mandeha mibalady fotsiny ra8" fa tena hikaroka izay tena hahasoa ny vahoaka marina izy!
jereo koa ity na ity
| « | Janoary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||