Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Androany alahady 30 marsa 2008 no notsofin-drano handeha hisotro ronono i sa grâce Mgr rémi Joseph Rabenirina izay Eveka ny diosesin'antananarivo ho an'ny finoana anglikanina! izy moa dia teraka t@ 1938 tao ambohidratrimo, ary tao @ sekoly angikanina tao anjazafohy ambohidratrimo no nanombohany niasa teo anivon'ny eklesia ny taona 1958 talen'ny sekoly tao izy nandritra ny 3 taona. Niditra tao @ kolejy Teolojika Santa Paoly ambatoharanana ny taona 1961. Ny taona 1964 ka h@ 1967 dia nanohy ny fianarany teolijia tany @ kolejin'ny santa Chad lichfield any angletera sy tao @ insitut Oecuminique de Bossey any soisa.
Ny taona 1968 moa izy no notendrena ho presbytera tao @ santa laurent ambohimanoro ary ny 13 mai 1984 izy no nohamasinina ho eveka ny diosesin'antananarivo.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana moa ny prezida mivady sy ny filoha ny andrim-panjakana isan'isany! araka izany dia miandry izay ho voafidy ho eveka vaovao hisolo azy indray izany ny mpino anglikanina @ izao fotoana izao.
| « | Martsa 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||