Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Valabe iompina omby
Naorina ao Ihosy ny valabe iray mifefy tsatoka miisa 4000 ka ny 1600 no efa voatsatoka hatramin'izao nandritra ny 2 volana izay. Marihina fa naorina izao valabe izao mba hanarahana maso ireo omby ompiana ao no sady iadiana @ dahalo ihany koa! mazava ho azy fa hisy miaramila hiandry ity toerana iray ity, ary ny omby matavy kosa avy eo dia amidy ho an'ireo mpiasa ao @ Dynatec sy Sherrit!!! io no tena nahavariana ahy t@ ity vaovao ity oe fa olona inona loatra ny vazaha miasa ao no tsy tia afa tsy omby matavy.
Faly ny olona any antsinana fa miverina ny fiara-dalamby mitatitra olona
Toamasina-Moramanga! Ela ny ela ka afaka hitaingina lamasinina indray ny mponina @ iny faritra iny! maro tokoa mantsy ny tanàna sy toerana tsy tonga ny fiara fa kosa lalovan'ny lalamby, in3 isaky ny herinandro no mandeha ity zotra ity ary @ alina ihany koa ka asa na anao ahoana na ahoana ny fandriampahalemana @ izany?
Hitrandraka volamena ara Indostria @ izay ny malagasy
Any @ iny faritr'i Diana iny izany no isantarana ny fitrandrahana volamena ara indostria, satria dia hampiasa fitaovana arifomba @ izay ireo mpitrandraka! marihina moa fa efa tafakatra any @ 300.000 FMG na 60.000 Ar ny grama ny volamena ankehitriny ary mirongatra izay tsy izy ny halatra volamena. Voalaza moa fa tena mirongo basy mihitsy hono ireo mpanendaka.
Ny farany dia resaka foza orana
ity resaka tanteriko farany ity moa dia tena lasa resabe mihitsy eto Antananarivo satria dia nalaza mihitsy izy ity tato ato izay! ny foza orana moa dia mpanimba ny voly ary mivelona @ loto sy maloto ny olombelona, manatody any @ 700 any hono ary tonga dia indray foy daholo izy io rehefa ao ny fepetra rehetra ilainy! ny lakadrano sy farihy ary ny dalle fanariana rano moa dia ahitana foza orana avokoa. Etsy adanin'izay dia misy mivarotra koa izy ity ary misy mividy ihany koa atao laoka angamba! izaho aloa tsy tia e! fa ny tena mahatsikaiky dia ilazana ireo sipa maivava sy jejojejo izy ity ankehitriny! ka lasa tsy afaka ambavan'ny tanora oe :"ireny misy foza orana" lol
Mbola tsara e! indramiko kely io fiarabana ao @ fahitalavitra tsy miankina iray ity e! vita fety, mangina ny tanàna ary tena maina ny tsena hoy ireo mpivarotra sendra tafaresaka t@nay! tsy mahagaga izany satria vita fety e!
Nahazo olona avokoa ireo fety sy lanonana natao teto Iarivo sy ny manodidina indrindra ny teny Antsonjombe niaraka t@ rebika, ny teny Ivato niaraka t@ Firmin sy ry Mima ary Jean Aimé ny tao @ Don Bosco niaraka t@ tsiliva Viavy Chila, ary nafana ny revy tao Atsahamanitra niaraka t@ Lianah sy wawa ny teny @ bypass moa tsy lazaina intsony fa tena nangoro vitsika izay no ilazana azy! io moa dia tena lasa toerana fitsangatsangana vaovao mihitsy! ary marihina fa tafakatra arivo ariary ny sarany ny betax sasany omaly raha roa alina ny sarany ny fiara karetsaka makeny @ bypass, ny teny analamanga park dia tena nanasana tongotra ny thb ny olona moa dia mitovy ny toerana hafa ihany ny isany!
Ho an'ireo izay tsy afaka nandeha lavitra moa dia nitsidika ny tetsy tsimbazaza ao @ valan-javaboary ary notanterin'ny tompon'andraikitra fa any @ telo alina tany ho any ny olona nitsidika tao omaly, ny sasany indray dia teo anjaridainan'ambohijatovo no nanala azy!
Raha ny voina sy ny loza kosa dia nihena ny isan'ireo maratra sy maty satria dia 5 no maty ary ny 405 no nandalo fitsaboana teny @ hopitaly hoy ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro! ny nahazo ireto mponina tao manjakandrina no tena vaovao nisongadina ihany koa satria dia olona 3 no maty ary 20 hafa no tsaboina any @ hopitaly be @ izao fotoana izao nohon'ny fihinana hen'omby izay maty hoazy kanefa dia novarotan'ny tompony ihany ilay izy dia izao no vokany!
Nilamina @ ankapobeny ny fankalazana ny alatsinain'ny paska, ary samy manao kaontikaonty tsotsotra ny rehetra ankehitriny hiandrasana ny farany volana indray handraisana karama sy andoavana ny trosa nanaovana fety!
Tsy dia hanao resaka be aho androany fa anjanoko kely daholo aloha izay zavatra mampiasa saina sy vaovao misy herisetra sy mampalahelo fa hifantoka kely @ aram-panahy androany! dia tsy inona fa ny andron'ny paska izany izay ho tsiahivin'ireo mpino maro be eran-tany rahampitso!
Koa dia mirary paska mahafaly ho antsika mpitsidika eto @ blaogiko aho aloa naleoko nalefa aloha ny firarin-tsoa satria rahampitso mety tsy hanam-potoana firy hanoratana mantsy!
Izay ary fa dia manaova fety sambatra daholo e!
Dia mahagaga fa tsy nahenoina feo mihitsy ny haino aman-jery teto an-toerana mba milaza ny vaovao momba ny baolina kitra ity fa dia t@ vaovao any ivelany indray no nahitako azy oe naato ny fifa i Madagasikara! Marihina moa fa tena vaovao andrasanay mpitia baolina ity fepetra navoakan'ny Fifa ity!
Efa samy vonona izany ka mioty ny vokatra sisa izao izany angaha no ilazana azy! afohy daholo aloa izay fihaonana iraisam-pirenena ary ravaina daholo izay fofompofona federasiona sy efa mambra tao h@ izay! ovay hatrany @ fotony mihitsy ra mila vokatra tsara!
Tokony hisikoponitra kosa ny fanjakana etsy andan'io zavatra natombony io hanampy ireo mpilalao eto an-toerana aloa ary hanao izay ho afany hiverenana ao @ fifa indray @ manaraka! ny fanantenana dia ny fivoarana fa tsy ny fihemorana akory!
miandry zany aloa ary mila miharitra raha te hanana ny soa! miandry anao izany izahay ry ngahy minisitra hanolotra olom-baovao! hanarina ity taranja maminay ity!
Fandaharana vaovao iray indray no novokarin'ny TVM ary zatovo daholo moa no manentana an'ilay fandaharana!! ny mampiavaka an'ity fandaharana ity moa dia izy @ teny anglisy tanteraka! mpianatra ao @ CCA no ankamaron'ireto zatovo sy tanora mpanentana ireto ka ny lohahevitra omaly ohatra dia momba ny tanora sy ny mozika!
Nasaina t@ io i Mamie ao @ tarika Imagine izay sady mpampianatra ao @ CCA ihany koa ary i Aina Cook izay zanaka Amerikanina Ray ary malagasy Reny! tsara ilay fandaharana @ lafiny iray satria dia afaka mamolaka ny teny vahiny ireo zatovo ireo ny teny vahiny tokoa mantsy tsy hay rahatsy ampiasaina! maro ny sehatra ilaina ny teny anglisy raha tsy ilaza afatsy ny fitadiavana asa fotsiny ohatra!
Etsy andanin'izay dia maro ihany koa anefa ny toerana azo hivelarana @ ity tenim-pirenena iray ity toy ny fanarahana ny BSF ohatra na ny Bible Study Fellowship ito moa dia ivon-toerana hianarana ny baiboly kanefa dia @ teny anglisy ihany koa ny fianarana ary tena maimaim-poana ny manatrika azy ary saika maneran-tany no misy an'ity BSF ity! eo ihany koa ny fihainoana ny BBC ohatra sy ny maro hafa koa!
Na izany aza anefa dia ny teny tiako omena ireto tanora ireto ary izay no tena tiako tsindrina @ ity lahatsoratra ity dia ny oe na mianatra teny vahiny maro aza isika zalahy an! dia aza atao ambanin-javatra ny teny malagasy! indrindra ny fanafangarona azy @ teny hafa toy ny teny vary amin'anana izay tena manimba ny sofiko mihitsy ny mihaino azy ary tena mba maha sarotiny ahy mihitsy io satria mantsy hono:"Ny teny malagasy hakafiziko ary ny an'ny hafa koa feheziko"!
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||