Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Mikaikaika izay tsy izy ny mpitondra fiara karetsaka fa miandry efa ho adiny roa vao mahita mpandeha iray! tsy mahagaga izany satria dia any @ 4.000 Ar any ry zalahy vao mandeha ka alaivo sary antsaina oe ra hanejika fotoana hiala eo antanimena mankeo behoririka zany dia efatra arivo be izao ny saran-dalana! ny tompon'ny fiara anefa tsy te halala fa tsy maintsy mahita versement roa arivo sy iray alina izy isan'andro!!!
Nisy mpiasa ny jovenna izay mba nanontaniko oe fa nahoana no vao omaly no 110$ ny baril de ny ampitson'iny ihany dia efa miakatra ny solika kanefa efa telo volana mialoha ny antsika dia efa vita ny commande! dia io hono dia hitsinjovana ny vody andro merika! satria ny volantsika tsy hita be ihany izay mety ho sandany afaka telo volana! ny tena moa tsy dia manampahaizana @ resaka ekonomia! koa naleo nangina!
Ny fanjakana moa tsy afaka manao inona intsony satria efa nisitaka t@ fitantanana mivantana ny fividianana sy ny famarotana azy ity! dia azo inoana fa hiakatra indray izany ny vidin'entana @ ity fetin'ny paska ity!
Anisan'ny sakafo tian'ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly!
Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin'ireto tsondro ireto! ary entanina arak'izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina! voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona!
Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono!
Vaovao tapatapany hafa!
Heno zany zao fa ninjanona t@ heviny ny minisitra ny fanatanjahan-tena! andrasana izany izay mety ho sazy hahazo an'i madagasikara!
mahatsikaiky sy mampihomehy be ny miheno voka-pifidianana ao @ radio oe: " mitarika 100 isan-jato ny Tim" @ ireo vokatra voaray vonjimaika!
Mampalahelo ny nanjo ireto biby saika ahondrana antsokosoko ho any @ repoblika tcheque! satria dia sarona tatsy afrika atsimo izy ireo! izany oe tena gorobaka be mihitsy izany ny eo @ serana rehetra eto mandagasikara fa afaka mivoaka sy miditra eo daholo na bois de rose na irakianina tsy manana pasipaoro na ankizy kely te hitaingina fiaramanidina na rongony sy fitaovam-piadina sy ny biby kely toy ny sokatra aza dia tafavoaka eo daholo!
Asa izay ho fepetra ho raisina fa dia tena manala baraka ny maheno an'izany zavatra goragora izany! Tra tehaka tany afrika atsimo tokoa mantsy ny karazana tanalahy sy bibilava sy bibikely hafa, efa miala aina moa ny sasany t@ ireo biby ireo satria tsy nihinan-kanina nandritra ny diany! tombanana eo @ tapabolana eo eo moa izany fotoana efa nialany teto madagasikara izany!
Navotan'ireo mpitsabo biby ao afrika atsimo moa ireto biby ireto ary efa nalefa any @ Zoo @ izao fotoana izao! etsy an-danin'izay anefa dia mbola mikasa ny hampody an'ireo eto Madagasikara indray ny tompon'andraikitra ao @ governemanta ka ho voakarakara ve anefa izy ireo raha ampodina eto an-tanindrazana!
Na izany na tsy izany aloha dia tsy maintsy olona ambony sy mahitahita no afaka hanao izao trafika izao fa tsy ho vitan'ny olon-tsotra mihitsy! dia miandry ny tohiny isika fa tsy maintsy hisy olona ambony hidoboka indray eo atoato!
Loza fa ny fitiavan-tseza sy fitiavan-tena @ tombotsoa vitsivitsy mba tsy hitenena oe milomano ao anaty vola ny FMF dia ny Barea ny Madagasikara no atao takalon'aina noho ny tsy fahaizana miasa sy fahaizana nitanana h@ izay!
Hita mantsy izao fa tena atao fitaovana mihitsy izy ity @ ady misy eo @ minisitera sy ny FMF! ny ahy aloa mazava ny fijeriko azy h@ izay nomeko tsiny teny ampiandohana ny fihetsikin'ny minisitera oe tokony niandry kely izy t@ fanampahan-kevitra na ny nety kokoa dia tao aorinan'ny lalao ny nosy no avy dia noravana fa tsy t@ ity!
Etsy andanin'izay anefa dia tena miziriziry e! izay no mety hilazana an'ireo mpitondra ao @ FMF! ary hita fa tsy mijery izay tombon-tsoa ny baolina malagasy no jerena fa ny fitiavan-tena! izaho aloa tsy mba nahita oe nisy olona sahy niala t@ toerany teto madagasikara rehefa tsy nahomby! fa maninona e! tsy mba misy mahay nanaja tena mihitsy ve! fa raha mbola ireo lohadohany ao ireo no mbola ao dia aleo tsy misy satria tsy mahavita azy! firy taona izay tsy nisy ihany ny vokatra! tsy olana mihitsy io na tsy andray anjara ara isika @ sehatra iraisam-pirenena! io foana mantsy no aranty oe voasazy e! voasazy e! ka aleo saziana any mihitsy e! Na anao Can2010 aza anie isika tsy ho poinsa akory e! saria mifidy tavan'olona sy ranona sy ranona foana! fa tsy izay tena mahay no antsoina rehefa hanao ao @ Barea!
Efa any mantsy ilay ho delegasiona vaovao fa miandry isika fa @ alatsinainy vao avoaka hono ka andrasana indray oe iza io olona io! Iza ary o?
Tsy dia misy lanjany firy @ olona izay fifidianana hatao @ alahady 16 marsa ary ahiana ny fihenan'ny mpifidy @ ity indray maka ity! ary efa miakatrakatra ny marimpana ao ambony ao satria dia mihetsiketsika izay tsy izy ny governemanta @ famporisihina isan-karazany an-gazety sy @ televiziona oe zo ny mifidy!
Indrisy anefa fa tsy tafapaka any @ vahoaka izany!!! iza tokoa moa ny ho fidiana eo! toa ohatran'ny vato iray ihany anie no ho hita eo @ alahady 16 marsa io ka sao dia mba tokony atao oe fandatsaham-bato izy ity fa tsy fifidianana!!! ny mpifaninana rahateo tsy nisy sahy nirotsaka ny mpitondra anefa manao amboletra ary te hanamafy ny toerana @ alalan'ny fifidianana ka lasa ara-dalàna ho azy ny rafitra apetraka satria izay anga no atao oe demokrasia!
Dia ity no tonga @ ilay fitenenena oe "Pôlitika voretra" e! satria mandeha ny tsindry aloka izao manao oe ho saziana izay tsy mifidy! kanefa ny mpifidy anie efa voasazy @ fiainana sarotra sy fahantrana impito mandifotra olona! Tian'i Lery mantsy io isa fito io! LOL! ka izaho zao mety tsy ho bediny fa hanefa ny adidiko aho raha tsy misy ny sampona! enga anie! Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy na asarotina na ilana vanony izay maka taratasy any oh oe maka certificat de résidence sns! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo!
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||