Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
2008/03/11,14:05

Mbola resaka Federasiona ihany e! Raha amiko manokana aloa raha samy hanova ihany dia mba manolotra olona vaovao no tsara ary koa  olona mba efa nahavita sy tsy hinambola fotsiny! tsy dia fanaoko ny manonona anaran'olona fa tiana moa ity baolina kitra ity ka tsy nahasakana ny tena izany! satria rehefa marary ny kitra dia mahagaga fa marary ihany koa ny mpankafy azy! mbola andrasana moa izay tena ho hevitrin'ny FIFA @ io fihetsiky ny Minisitera io! satria moa rafitra mahaleo tena ny FIFA ary tsy baikon'ny politika sy ny fanjakana!

Ambetindresaka ataon'ny mpitia baolina kosa moa etsy an-daninin'izay dia izao oe iza tokoa ary no tena tsara atao prezida ny FMF e? ao ny miteny oe i Henry Roger no mety eo koa ny miteny oe i Tsoa Pacom no izy lay!!! raha pazapa moa izany izy ity dia efa nominé izy roalahy mianaka ireo! samy efa nahavita be sy nahitana vokatra t@ toerany avy! ilaina traikefa tokoa izy ity fa tsy misy andrakandrana intsony!

Ireo alo no fantatrin'ny olona ary singanina manokana tokoa aloha fa i Tsoa Pacom efa nilatsaka t@ 2003 fa nisitaka t@ ora farany noho ny fahatsapany fa misy kitranoatrano tao @ ilay fifidianana koa asa izy izao raha mbola tapa-kevitra ny hanandrana @ ity indray maka ity!

Ho hita eo ny tohiny e! ny irarina dia mba hiova any @ fanantsarana tokoa!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO

Noravana ny FMF na ny federasiona ny baolinakitra
2008/03/09,19:27

Vaovao somary nampalahelo no henoko sy hitako vao eo t@ fahitalavitra TVM oe noravain'ny minisitera ny fanatanjahatena hono ny FMF efa nampoizina ihany aloha satria tao aorinan'ny ireny korotana sy ny faharesena t@ ireo ekipa nandray anjara t@ lalao afrikanina ireny dia voaresakin'ny filoha tao @ fandaharana manokana "ny tenin'ny filoha" izay mandeha @ fahitalavitra sy @ radio nasionaly isaky ny alahady ny momba ny baolina kitra oe tsy nahay nadray andraikitra ny FMF t@ ireo korotana niseho teny mahamasina.

Voalaza moa fa ny FMF no tompon'andraikitra t@ korotana sy ny zavatra nitranga rehetra ary efa fantatra rahateo (ny FMF io) oe tsy tonga ny mpitsara kanefa dia namidy ihany ny tapakila sy ny sisa dia izay dia efa ampy andravana ny FMF! ary nandray fepetra sahaza @ izay ny minisitera dia ny fandravana izany ary hametraka delegasiona manokana hanao ny fifidianana vaovao! izany oe miverina zero indray izany ny taranja baolina kitra e! raha izaho manokana aloha dia ohatran'ny tsy dia azoazoko ny fomba fiasa toy izao satria dia simba indray ny zavatra efa natomboka h@ izay! indrindra moa fa ny fandraisana anjara @ fifanitsanana @ CAN 2010! izay efa tsinjo oe tsy ho tafakatra mihitsy isika!

Atao ahoana moa fa tsy maintsy milefitra ny mpitia baolina kitra satria ny lehibe no miteny! ovaina ny olona fa ny rafitra ny eo ihany no eo koa inona ary no dikany! na ovaina injato ary ny FMF tsy misy manjary eto raha tsy misy koa ny andraikitrin'ny fanjakana oe tena andray anjara mivantana @ fikarakarana ny ekipa mandray anjara @ sehatra iraism-pirenena izy! satria ny voninahitry ny firenena no arovany @ izay! ary koa hiantoka tanteraka @ fiantsoana ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy! raha izay angamba no ataony dia omeko rariny izy fa tsy korotanina ohatran'io ny zavatra dia any @ tsy alehany avy eo satria iarahana malala ihany ny zavatra rehefa tetezamita izay! fa samy manao izay danikibony ny mpitantana vonjimaika eo!

tsy oe miaro ny federasiona aho akory fa tsy naleo ve niandry ny fifidianana ho avy dia eo no miteny ny fanjakana! dia izay indray no izy zany aloha fa dia mbola ho ela isika vao ho tafarina raha resaka baolina no resahina!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO

Mila vola ny fifindra-monina any aostralia
2008/03/06,08:50

Nalaza indray tato ato tao aorinan'ilay fisolokiana goavana nataona maorisianina iray hanome mana sy  tantely any bahamas dia indro indray fa manangasanga any ny nofinofy aostralianina! feno ny trano tao @ motel anosy omaly raha nitafatafa t@ mpanao gazety sy ireo olona te hifindra monina any aostralia ny kabinetra iray misahana ny fikarakarana ny taratasy hifindra monina any aostralia!

Tsy azo mora foana anefa izany fa miantotena tanteraka ireo olona maniry ny hifindra monina any ary mandany any @ 10.000$ amerikanina any ho any izay te hifindra monina any aostralia! inona anefa moa no tena mety ho tombotsoa hifindra any raha tsy tena matipaika daholo ny zavatra rehetra! toy ny trano hivantanana ny asa mety ho atao sy ny ho entimanana @ sakafo ary indrindra ny fiantohana @ mety tsy fahasalamana tampoka! raha akapoka ireo vinavina rehetra ireo dia mety ho avo 2 na 3 heny @ io no tena ilain'ny olona iray izany raha te hifindra monina any ivelany ianao!

Etsy andanin'izay raha sahala amiko manokana ka oe manana ireo vola ireo aho dia aleoko mijanona eto madagasikara manangana orinasa madinika toy injay hitetateta ho any ivelany any aho! ka asa aloha izay tena mety mandrisika ireto tanora malagasy ho any an-dafin'ny rika ireto fa tena vonona tokoa ry zareo raha vao misy resaka fifindramonina tahak'itony! efa niforona ohatra ny agence iray mikarakara ny taratasy ho an'ny mpianatra maniry ny hianatra any lafrantsa! izy daholo no mikaroka izay fikafika sy taratasy rehetra ilaina! dia toy izany koa ireo mapanera mpiasa hiasa any liban izay iarahana mahalala ny fijaliana rehefa tonga any kanefa dia somary henjana ny traikefa ilaina toy ny fahaizana miteny frantsay tanteraka sy mahay ny asa an-trano rehetra! manodidina 200$ eo ny mety karama @ io! ny olona iasana anefa tsy fantatra na anao ahoana na ahoana!

Eto ampamaranana dia mba te hanaitra ireo malagasy namana aho oe tsy aleo ve eto no mikaroka ny tsara sy ny mahafinaritra dia miala sasatra no atao any ivelany any fa tsy oe hifindra monina izany e! samy eto an-tany daholo na aiza na aiza no mipetraka ary masoandro iray ihany no manazava antsika rehetra eto! hafa ihany anie ity Madagasikara ity leretsy e!

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO

Mamely ny kohaka sy gripa
2008/03/05,10:15

Tao aorinan'ny orana nikija t@ nandalovan'Ivan teo ireny dia nivadika namay be ny andro nandritry ny herinandro teo ho eo! @ izao indray anefa dia mamirifiry sahady ny hatsiaka! ary misy erikerika kely ny maraina raha tsy hiteny ny t@ alahady teo ohatra! tsy fantatra intsony na fahavaratra na maitany sa ririnina!

Noho izany dia mipoitra daholo ny karazana sery sy gripa dia mivadika kohaka tsy mety mihafana ilay izy! ary miafara @ fangovitana sy tsy fahatsapana hafanana intsony rehefa lazony elaela eo! maromaro ihany ny olona voan'izy ity ankehitriny! sady tsy sitran'ny paracetamol sy ny nivaquine ilay izy! io mantsy no mba fanafody fihinan'ny malagasy rehefa sendra marary an-doha na misy hafanana iny!

Tena angamba mety aretina azo avy @ ilay toetr'andro miovaova ilay izy! na izany aza tena mihanaka be ilay aretina ka atahorana hiova valanaretina indray! mino izahay fa efa mandray ny andraikiny ny tobim-pahasalamana sy ny minisitera @ izy ity!

Na izany na tsy izany dia mbola hita taratra @ endriky ny malagasy ihany ilay endrika mirana sy te hitraka! angamba fitsapana ataon'ilay nahary ho antsika malagasy mihitsy ny voina sy ny aretina toy izao mba hiveren'izay mania ao ambala!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO

Raraka ny Ajesaia
2008/03/04,15:20

Na dia naharesy 1 no 0 aza ny ajesaia dia raraka ihany satria efa resy 0 no 2 izy tany mozambika i Costa do sol moa no nihaona t@ ary lalao miverina no natao androany raha tokony t@ alahady no natao ny lalao dia iarahana mahalala ny zavatra nitranga t@ ilay rotaka be iny!

Dia tapitra hatreo izany ny lalao afrikanina ho an'ny malagasy satria ny adema koa dia resy 0 no 2 tany tanzania!

Ny barea zany sisa no hany hantenaina raha tena vonona ihany koa anefa isika hitradraka ny mpilalao any @ vazatany 4 any fa tsy hionona @eto antoerana fotsiny satria efa fantatra fa tena mbola ambany ny ahavon'ny lenta ananan'ny kitra malagasy raha oarina @ afrikanina!

Jereo koa eto na mihomeza ato

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype