Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.
Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!
Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!
Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!
Nahemotra @ 27 avril indray ny fampisehoana ataon'i Rossy noho ny andron'ny 20 avril izay anaovana ny fifidianana ho senatera. Marihina fa maro no mimenomenona @ ity fepetra noraisina ity satria hono tsy mahakasika afatsy ny mpifidy vaventy ity fifidianana izay ho loholona ity.
Nodiovina avokoa ireo tsena fivarotan-kena teto andrenivohitra nanomboka ny alatsinainy teo satria dia maro loatra tato ato izay ireo olona maty t@ fihinana hen'omby! ary koa be loatra ny gaboraraka misy @ fivarotana ny hena kisoa satria dia hena misy vaovary no amidy sy aranty eny an-tsena eny. Asa anefa raha handresy lahatra ny mpanjifa izao fepetra izao ny tsapa aloha dia nihena ny fividianana hena eny akalamanjana e! mahazo vahana indray izany ny eny @ grande surface.
Tena maloka iny herinandro lasa teo iny satria dia maro laotra ny olona niaramboina teto @ firenena raha tsy hilaza afatsy ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14 tao anatiny indray mipimaso monja! efa voatatitra teto ihany moa izy ity any @ bologana sasany any! tany @ iny lalam-pirenena faha 7 iny no nitranga ny loza ary voalaza fa fiara nifanejika no fototra niavin'ny loza ka ny hafa tsy manantsiny no mamoy ny ainy avy eo! "tokony ho saziana @ sazy izay farany henjana izay nahavanon-doza": hoy ny praiminisitra.
T@ sabotsy indray dia ny varatra no namono olona! ary tena azo lazaina fa varamaina tokoa ilay izy ary tena hita sy heno ho mahery vaika be izany satria dia tsy mitsahatra midoboka mihitsy! ny alin'ny sabotsy hifoha alahady moa no nitrangan'izay oram-baratra niampy havandra be efa hitovy @ totohondry tany @ faritra sasany teto @ nosy. Vokany, olona 3 no indray maty nolatsaham-potaka t@ toerana samy hafa teto antananarivo.
T@ iny herinandro iny ihany koa no nahitana tranga hafahafa satria dia ankizy kely 5 manodidina ny 5 ka h@ 12 taona eo no voarohirohy ho namono nahafaty ny ankizy kely iray namany izay vao 8 taona monja! voalaza moa fa natosika tany anaty rano itsy farany ary lasa nitsoaka ry zalahy avy eo! ka nokarohana nanomboka ny alakamisy ity zaza ity ary tsy hita raha tsy ny sabotsy! efa eny @ fampanoavana moa ny raharaha @ izao fotoana izao! ka andrasana izay ho tohiny ny raharaha.
Nifandona ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana sy ny polisy kaominaly ny sabotsy lasa teo torabato no nasetrin'iretsy mpivarotra ny polisy raha nikasa ny hanaisotra azy ry zareo ao @ kaominina! ny naratra no nisy aloa fa ny maty kosa mba tsy nisy tao aorinan'ny fifandonana!
Vaovao farany kosa dia nihazo an'i berlin androany ny filoha ravalomanana ka andrasana fatratra izay vaon-dalana ho entiny avy any! ary andrasa ihany koa izay mety ho tohin'ny ady seza eo @ antoko tim izay mifandrirotra te ho prezida ny senat avokoa ireo ngeza lahy eo @ ity antoko lehibe ity!
Tena lalina ny fahaizan'ny zanak'olombelona ankehitriny fa tsy misy tsy vita ny electronique sy ny informatique @izao! ny mpiasa moa dia somary manahirana ny manaramaso azy rehefa oe ho any @ dokotera na ostie izay fa raha tokony mba vita adiny iray na roa ny dia makany dia lanin-dry zalahy any ny azy ny tapakandro ny sasany aza moa dia ny tontolo andro mihitsy.
Asa tokoa na efa nifanaraka ny mpampiasa sy ny dokotera ny ostie @ izy ity fa dia tonga eto madagasikara tokoa ankehitriny itony karazana karatra mitahiry ny mombamomba anao rehetra ohatra ny abehana karapanondro ilay karatra asa mety mbola kely aza! dia ao daholo e! afaka mitahiry ny ora nahatongavanao ao @ ostie sy ny ora nivoahanao tao ihany koa, ny fanafody nomena anao, na ny aretina mahazo anao, na ny andro hakanao aina kely ka afahanao tsy miasa dia voatahiry ndry zalahy ao avokoa.
"Natao izao fomba manarampenitra izao": hoy ity sefon'ny dokotera eny @ ostie vaovao eny tanjombato ity mba ialana @ ilay fotoana lany @ fakanesana aty @ ostie! etsy andanin'izay dia misy azy ry zalahy mpingitrika indrindra fa ireo mpiasa @ orinasa afakaba ireny fa dia tsy misy fika intsony ny fanaovana kilavaka.
Tena faly be mihitsy aho nahita ity hevitra natolotrareo eto @ tontolon'ny blaogy ity. Mahavelombolo izay no azo ilazana azy angamba satria tena mbola tafapaka tsara ilay fianarana taloha tany an-tsekoly t@ taranja malagasy. Ary tena voninahitra ho anay mpitoraka blaogy @ teny malagasy mihitsy ny toy itony.
Koa ireto no mba atolotro ho antsika androany! ary hotohizana raha mbola mahita ao aoriana kely.
Ny manao vary amin'anana @ teny frantsay no voalohany tokony mba fadiana raha misy ihany ny teny malagasy mahasolo azy.
Manaraka izany dia ireto no mba henoko matetika diso tenenin'ny olona ary tohiny ny nataon'i pissoa tao @ blaoginy izy ity satria tsy mifakaiza akory fa mety adinony fotsiny ny nanoratra azy tao.
malagasy fa tsy oe gasy io dia tena mampalahelo mihitsy fa dia fiteny matetika.
tamiko fa tsy taminà na taminah
amiko fa tsy aminà na aminah
mavesatra fa tsy mazefatra
famataranora fa tsy famataranandro ity farany angamba mety azo asolo ny kalandary satria io no mifanakaiky @ kokoa.
ny hevitra hafa moa dia efa tapitra voalazanareo daholo fa izaho no somary tara ka ialako tsiny eto.
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |