Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Mirary paska sambatra ho antsika!
2008/03/22,12:54

Tsy dia hanao resaka be aho androany fa anjanoko kely daholo aloha izay zavatra mampiasa saina sy vaovao misy herisetra sy mampalahelo fa hifantoka kely @ aram-panahy androany! dia tsy inona fa ny andron'ny paska izany izay ho tsiahivin'ireo mpino maro be eran-tany rahampitso!

Koa dia mirary paska mahafaly ho antsika mpitsidika eto @ blaogiko aho aloa naleoko nalefa aloha ny firarin-tsoa satria rahampitso mety tsy hanam-potoana firy hanoratana mantsy!

Izay ary fa dia manaova fety sambatra daholo e!

Naato ny Fifa i Madagasikara
2008/03/20,20:11

Dia mahagaga fa tsy nahenoina feo mihitsy ny haino aman-jery teto an-toerana mba milaza ny vaovao momba ny baolina kitra ity fa dia t@ vaovao any ivelany indray no nahitako azy oe naato ny fifa i Madagasikara! Marihina moa fa tena vaovao andrasanay mpitia baolina ity fepetra navoakan'ny Fifa ity!

Efa samy vonona izany ka mioty ny vokatra sisa izao izany angaha no ilazana azy! afohy daholo aloa izay fihaonana iraisam-pirenena ary ravaina daholo izay fofompofona federasiona sy efa mambra tao h@ izay! ovay hatrany @ fotony mihitsy ra mila vokatra tsara!

Tokony hisikoponitra kosa ny fanjakana etsy andan'io zavatra natombony io hanampy ireo mpilalao eto an-toerana aloa ary hanao izay ho afany hiverenana ao @ fifa indray @ manaraka! ny fanantenana dia ny fivoarana fa tsy ny fihemorana akory!

miandry zany aloa ary mila miharitra raha te hanana ny soa! miandry anao izany izahay ry ngahy minisitra hanolotra olom-baovao! hanarina ity taranja maminay ity! 

Jereo koa eto

Teen TALK ao @ TVM
2008/03/20,10:24

Fandaharana vaovao iray indray no novokarin'ny TVM ary zatovo daholo moa no manentana an'ilay  fandaharana!! ny mampiavaka an'ity fandaharana ity moa dia izy @ teny anglisy tanteraka! mpianatra ao @ CCA no ankamaron'ireto zatovo sy tanora mpanentana ireto ka ny lohahevitra omaly ohatra dia momba ny tanora sy ny mozika!

Nasaina t@ io i Mamie ao @ tarika Imagine izay sady mpampianatra ao @ CCA ihany koa ary i Aina Cook izay zanaka Amerikanina Ray ary malagasy Reny! tsara ilay fandaharana @ lafiny iray satria dia afaka mamolaka ny teny vahiny ireo zatovo ireo ny teny vahiny tokoa mantsy tsy hay rahatsy ampiasaina! maro ny sehatra ilaina ny teny anglisy raha tsy ilaza afatsy ny fitadiavana asa fotsiny ohatra!

Etsy andanin'izay dia maro ihany koa anefa ny toerana azo hivelarana @ ity tenim-pirenena iray ity toy ny fanarahana ny BSF ohatra na ny Bible Study Fellowship ito moa dia ivon-toerana hianarana ny baiboly kanefa dia @ teny anglisy ihany koa ny fianarana ary tena maimaim-poana ny manatrika azy ary saika maneran-tany no misy an'ity BSF ity! eo ihany koa ny fihainoana ny BBC ohatra sy ny maro hafa koa!

Na izany aza anefa dia ny teny tiako omena ireto tanora ireto ary izay no tena tiako tsindrina @ ity lahatsoratra ity dia ny oe na mianatra teny vahiny maro aza isika zalahy an! dia aza atao ambanin-javatra ny teny malagasy! indrindra ny fanafangarona azy @ teny hafa toy ny teny vary amin'anana izay tena manimba ny sofiko mihitsy ny mihaino azy ary tena mba maha sarotiny ahy mihitsy io satria mantsy hono:"Ny teny malagasy hakafiziko ary ny an'ny hafa koa feheziko"!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO 

Niakatra ny vidin-tsolika!
2008/03/18,18:51

Mikaikaika izay tsy izy ny mpitondra fiara karetsaka fa miandry efa ho adiny roa vao mahita mpandeha  iray! tsy mahagaga izany satria dia any @ 4.000 Ar any ry zalahy vao mandeha ka alaivo sary antsaina oe ra hanejika fotoana hiala eo antanimena mankeo behoririka zany dia efatra arivo be izao ny saran-dalana! ny tompon'ny fiara anefa tsy te halala fa tsy maintsy mahita versement roa arivo sy iray alina izy isan'andro!!!

Nisy mpiasa ny jovenna izay mba nanontaniko oe fa nahoana no vao omaly no 110$ ny baril de ny ampitson'iny ihany dia efa miakatra ny solika kanefa efa telo volana mialoha ny antsika dia efa vita ny commande! dia io hono dia hitsinjovana ny vody andro merika! satria ny volantsika tsy hita be ihany izay mety ho sandany afaka telo volana! ny tena moa tsy dia manampahaizana @ resaka ekonomia! koa naleo nangina!

Ny fanjakana moa tsy afaka manao inona intsony satria efa nisitaka t@ fitantanana mivantana ny fividianana sy ny famarotana azy ity! dia azo inoana fa hiakatra indray izany ny vidin'entana @ ity fetin'ny paska ity!

Aza adino ny mitsidika eto ary mihomeza kely ato

Trondro maina nahafaty olona 3
2008/03/17,18:21

Anisan'ny sakafo tian'ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly!

Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin'ireto tsondro ireto! ary entanina arak'izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina! voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona!

Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono!

Vaovao tapatapany hafa!

Heno zany zao fa ninjanona t@ heviny ny minisitra ny fanatanjahan-tena! andrasana izany izay mety ho sazy hahazo an'i madagasikara!

mahatsikaiky sy mampihomehy be ny miheno voka-pifidianana ao @ radio oe: " mitarika 100 isan-jato ny Tim" @  ireo vokatra voaray vonjimaika!

Aza adino ny mijery eto na mihomehy ato 

«Mialoha   1 2 3 ... 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype