Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Mirongatra ny sakan-dalàna
2008/04/15,12:07

Tantely amam-bahona ny fiainana ary semban-drahona indray ny mpanankato satria dia nodimandry omaly i Romule mpikambana ao @ kintana telo. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana izahay mpitoraka blaogy rehetra tsy ankanavaka! mahaiza mionona tompoko!

Vaovao hafa kosa dia mirongatra izay tsy izy ny mpanedaka eny @ lalam-pirenena faha 2 sy ny faha 4 iny eo anelanelan'i brickaville sy moramanga no tena matetika @ RN2 ary etsy Manerinerina Ankazobe kosa ny RN4. Avy dia atsivalan-drizalahy eo @ arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha @ fiara dia avy izy avy any an'ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny @ mpandeha. Miandry izay ho fihetsiky ny mpitondra mikasika an'izao tsy fahadriam-pahalemana izao.

Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana eny Ankatso ary manankan-dàlana ihany koa ireo mpianatra ny tena vontoatiny fitokonana moa dia tsy dia mazava loatra @ mpanaram-baovao! raha izao no mitohy dia tena andro sisa no isaina ho an'ingahy minisitra!!!

Milaza marary mafy eo am-pandriana kosa ingahy Henry lecacheur ka tsy afaka ny hanohy ny firotsahana an-dalambe aloha hatreto! marihana moa fa nisy nitifitra ny fiara noentiny t@ asabotsy lasa teo. Andrasa izay ho tohiny ny tantara!!!

Milaza ny ho avy eto Dago ihany kosa i Rossy satria toa tsy avy @ Filoha akory ny sakana tsy ahafahany manao ny seho kasainy atao fa avy @ Minisitera mpihay angamba! dia tena misangy ratsy koa ny ao Ambohinjatovo ao ka! ny baolina kitra ity tena bory tanteraka ny lohany satria mbola tsy mijoro ihany izay hitantana azy vonjimaika.

Jereo koa eto

Mety ho samborina ny Minisitra Radavidson!!!
2008/04/14,11:25

Tena henjana ny lalao e! raha kilalao baolina kitra izy ity dia mety ho maro maro indray izany no hahazo karatra mena ato ho ato! raha tsy hilaza afatsy ny minisitra ny fanabehazana sy ny filohany federalista Henri lecacheur aho... eo ihany koa ireo mikonokonona korotana toy ny crn sy ny ny mpanara-dia azy. Ny ben'ny tanàna n'antananarivo moa dia tsy hita ihany izay hapoakany h@ izao milaza ihany koa izy fa voasakatsakana ka asa izay tena marina.

Ny vahoaka etsy an-daniny manohy ny fiainana andavanandro ihany, ary tena miady mafy mihitsy mba tsy hilazana oe mitrongy vao homana, na mpiasa miankina na ny tsy miankina moa dia efa samy leo sy lonilony @ fitondrana fa tsy afaka manoatra satria ny fanotaniana lehibe mipetraka dia ny oe iza indray no hasolo (Prezida) azy eo anefa! ny mpanohitra efa teo ihany ny ankamaroany ary tsy nahavita azy akory t@ izany fotoana!

Fa ny tena tiako ho tsindrina dia ity oe maninona ary no dia manangam-pahavalo @ manodidina azy i ra8 e! nisy tsy nifanarahana ve tao dia avy eo miady. Sanatria, ohatran'ilay kilalaonay fahiny ny raharaham-pirenena ankehitriny! saingy ity farany tena tonga dia fanagadrana no miantra an'izay mifandiso @ henjana fa tsy mba oe tsy ombonako intsony ela lol! Samy hotsarain'ny tantara eto daholo na iza na iza e! ny fiainana mitohy foana. Ianareo mpamaky no iriko hanohy izay hetahetanareo avy any.

JEREO KOA ETO

 

Tsy raikitra ny tapôlaka
2008/04/11,12:08

Asa na dia ota inona laotra no nataon'i rossy izany t@ ireto mpitondra ankehitriny fa tsy mbola fotoana tokony hanaovany seho eto madagasikara hono izao noho ny antony iaraha mahalala!!! inona anefa io antony iaraha mahalala io? misitery izany anaka!!! raha izao manokana aloa tsy mahafantatra koa e! Mametram-panotaniana ihany oe misy korontana ve eto sa misy fanoganam-panjakana sa misy mikomy? Ny heno fotsiny avy tao @ minisitera ny kolontsaina dia ny oe misy hifandraisan'ny 2002 hono ilay izy! isika anefa efa aty @ taona 2008. Dia tsy misy azo hifandeferana mihitsy eto izany fa rehefa mpifanandrina fahiny dia fahavalo mandrakizay! aiza ilay fair-play e! dia izao mihitsy ilay demokrasia afrikanina porofo azo tsapain-tanàna mihitsy.

Maty antoka be hono ny media consulting t@ io fikarakarana ny "ino vaovao tour 2008" io na ny fitsidiam-paritany ataon'i Rossy satria nofoanana avokoa ny fifanarahana rehetra. Asa raha mba honeran'ny fanjakana izany fatiantoka izany na tsia, satria dia roa herinandro mialoha ny seho no nandraràna ny hanaovana ny lanonana. Mbola tantàra mitohy ny @ iny.

Managam-peo ihany koa ny federasiona milaza fa mpiaro ny zon'ny mpanjifa @ fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny ary betsaka ireo tolon-kevitra naroso hisoroana ny fiakaran'ny vidim-piainana ary misongadina @ ireny ny famerenana ny karatra isan-dahy hanalefahana ny fandoavam-bola eny @ hopitaly hono, kanefa efa hiarana mahita fa na ny vola raisina @ TAFITA isan-taona isan-taona aza tsy hita oe lasa aiza na lasa aiza avy eo. Izany ve tsy oe rano atondraka an-damosin'ny ganagana fotsiny. Ireto ny santionany @ vidin'ny PPN: 1kg vary dia 1000 Ar, ny menaka Tiko 1L dia 2000 Ar,  ny sira 1 sachet milanja 200gr dia 120 Ar, ny laoka moa dia 6000 Ar ny kilao na ny hena kisoa io na ny hen'omby, ny vary 1/2plat eny @ vary mitsangana dia 700 Ar.  Ny saran-dalana moa dia 300 Ar. Asa mety azontsika sary an-tsaina angamba ny fahorin'ny malagasy ankehitriny, raha olona mikarama 50.000 Ar ka manofa trano, ary manan-janaka mianatra, mandoa jiro ary tsy maintsy misakafo fara faharatsiny indroa isan'andro!!! ary tsy mahazo marary mihitsy satria mbola hafa ihany koa iny! Mijaly e, izay no hamehezana azy, lanja miakatra tokoa ny fiainana...

JEREO KOA ETO

 

Misy miketrika rotaka eto!
2008/04/10,12:04

Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.

Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!

Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!

Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!

JEREO KOA ETO

vaovao nisongadina androany
2008/04/09,11:11
Efa notanteriko teto ihany ilay tranga iray teny andoharanofotsy, mikasika ilay zaza voalaza fa maty an-drano novonoin'ireo namany! ka tsy hita popoka izy io nanomboka ny alakamisy oe, omaly anefa dia nisy zaza nirenireny hita teny Tanjombato ary heveriny fa itsy zaza voalaza fa maty itsy io hita omaly io indray! mifamahofaho be ihany araka izany ny vaovao azo! kanefa dia efa nalefa eny @ zaza maditra ny iray t@ ireo nisangisangy ratsy t@. Andrasana indray araka izany izay mety ho tohiny satria tsy hanaikinaky foana ireo ray aman-drenin'ilay ankizy nalefa eny @ zaza maditra, mbola hitohy ny tantara ary ho tanterina eo ihany ny tohiny. Ny nahafinaritra fotsiny aloha dia tsy namoy ny ainy ilay zaza fa very izany izy raha ny tena marina satria vao haingana no tonga teto antananarivo fa avy any fianarantsoa ry zareo ka hianatra aty antananarivo no tena antodihany aty ary mipetraka @ rahavavin-dreniny izy aty.

Nahemotra @ 27 avril indray ny fampisehoana ataon'i Rossy noho ny andron'ny 20 avril izay anaovana ny fifidianana ho senatera. Marihina fa maro no mimenomenona @ ity fepetra noraisina ity satria hono tsy mahakasika afatsy ny mpifidy vaventy ity fifidianana izay ho loholona ity.

Nodiovina avokoa ireo tsena fivarotan-kena teto andrenivohitra nanomboka ny alatsinainy teo satria dia maro loatra tato ato izay ireo olona maty t@ fihinana hen'omby! ary koa be loatra ny gaboraraka misy @ fivarotana ny hena kisoa satria dia hena misy vaovary no amidy sy aranty eny an-tsena eny. Asa anefa raha handresy lahatra ny mpanjifa izao fepetra izao ny tsapa aloha dia nihena ny fividianana hena eny akalamanjana e! mahazo vahana indray izany ny eny @ grande surface.

Jereo koa eto

«Mialoha   1 2 3 ... 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 ... 25 26 27  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype