Telenovela na tantara mitohy...

Posted by news2dago on 16 Mey, 2008 14:15

Malaza indray ankehitriny ny fanarahana tantara mitohy @ fahita lavitra ary saika ny tele rehetra dia samy mandefa tantara mitohy daholo ary samy mahaliana sy mahasarika ny mpianakavy mihitsy ny mijery azy isan-kariva! iny enao reradreraka iny dia lasa voafantsika eo ambodin'ny tele rehefa @ hariva. Indraindray aza moa tena mila tsy hahay andrindra ny programa mihitsy fa mifanitsaka ny ora andehan'ilay telenovela.

ireto ary ny santionany ka iza no mba fijerinao raha eto madagasikara ianao ka tia mijery tantara mitohy ihany koa! ary ho anareo any ivelany mpitsidika ny blaogy kosa dia mampahafanatra anareo fotsiny aho oe ireo indray ny tantara mahavarina an-dramalagasy ankehitriny:

Ao @ Matv no ahitana ny "destins de femmes" za aloa mbola tsy nahita an'io fa lazain'ny olona oe tsara be! azonao jerena @ 7 ora sasany alina

Ao @ Tvm kosa dia izany "Au coeur des passions" izany no ao ary mandeha isan'andro @ 8 ora sasany alina

Ao @ Viva kosa dia izany "Prison break" zany mandeha @sivy sasany alina

Ao @ Mbs kosa dia izany "Les feux de l'amours" izany  io kosa dia mandeha @ 7 sy fahefany alina ity dia tantara tsy mety tapitra mihitsy kanefa dia misy mijery foana mahagaga ahy mihitsy.

Farany dia ao @ RTA no ahitana ny "Monica brava" mande @ 7 ora hariva sy izany tantara mitondra ny lohateny oe "luna" izany io kosa dia azonao jerena @ 8 ora alina.

Etsy andanin'izay moa dia fanamarihina fotsiny ny ahy oe somary lava laotra ny dokam-barotra mandeha eny anelanelan'izy ireny matetika ary indraindray aza tena alaim-panahy aho hilaza oe lava noho ny tantara aza izy ireny indraindray!!! eo ihany koa ny lalao sms izay ahazoana loka marobe e! dia samy revo eo daholo ny rehetra mba mitsapatsapa vitana eo ihany koa.

Jereo ko eto na mihomeza kely ato

 

Resin'ny FMF ny fanjakana!

Posted by news2dago on 14 Mey, 2008 11:13

Nangina ny fankalazana ny 13 mai! Amiko manokana aloa dia tsy dia hitako laotra tokoa ny hankalazana ny 13 mai na dia tena manana ny tantarany tokoa aza io andro io teo @ resaka fanonganana fanjakana satria dia voalaza fa ny amiraly irery no tsy mba nampiasa izany kianja izany raha naka ny fahefana! fa na i zafy na ra8 dia samy may vava teo daholo t@ fotoan'andro! noho ny injay anefa lasa prezida dia samy nandà daholo ny hanaovan'ny mpanohitra fihetsehana teo! mahagaga ihany.

Hiakatra fitsarana androany kosa i pety sy ny Jly fidy. Momba ny nakana ny toby BANI ankeriny moa no hiompanan'ny fitsarana atao androany io; ka andrasana indray izay vokatry ny fitsarana sy izay mety ho sazy ho azon'izy mitsamy ireto.

Ny fiainana moa mande ihany etsy andanin'izay! miverina manadio tsena indray ny mpiasan'ny CUA ka manao fangalampiery @ mpivarotra indray ry zalahy izany izao.Manomboka kosa ny fanamboarana ny kianjan'andohalo ary tena dokam-barotra be mihitsy moa izy ity izay mande @ fahitalavitra matetika.

Lasa 5000 Ar kosa ny litatra ny menaka Tiko! izay marihina fa niakam-bidy foana izy ity tao anatin'ny 6 taona izay, tena mampiteny ny moana mihitsy ny fiakatry ny vidim-piainana! 

Farany dia resy teo anivon'ny Chambre administrative ny fanjakana raha nandrava ny federasiona malagasy ny baolina kitra!!! tsy atao mahagaga moa io satria efa nihaona ny mpikambana eo anivon'ny federasiona sy ny filoha ny repoblika tapam-bolana lasa izay ka io angamba no lalana ialana @ fahafaham-baraka noho ny tsy fahaizan'ny minisitera! mahay miala bala foana kosa aloa ra8 eo @ lafiny toy izao e! hainy mihitsy ny mampiasa fahefana.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato

Akon'ny fety ny pentekosta

Posted by news2dago on 13 Mey, 2008 11:15

Nahavory kristianina maro ny "global day of prayer" izay nototosaina tao @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alahady hariva lasa teo! andro natokana hiarahan'ny kristianina tsy hanavahana antokom-pivavahana niaraka nidera an'Andriamanitra moa izy ity! ka vory lanina tao avokoa ny mpino rehetra! ary ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly moa no nikarakara azy ity izay tarihin'ny Pastora Mamy Rakotolehibe.

Etsy andanin'izay kosa dia nipoaka izay no filazan'ny tanora azy ny seho sehatra nataon'i Din Rotaka tao Antsahamanitra ny alahady ihany koa! na izany aza anefa dia tsy nihemotra ny lehilahy fa nototosainy foana ny lanonana.

Nahazo olona kosa anefa  i lola ny alatsinainy ary tena mbola ao anatin'ny lazany izany ny lehilahy na dia efa feno 10 taona aza izy izao no nandeha irery! ny indro kely fotsiny dia teo @ herin'aratra izay tapaka lava ka nanimba ny feeling teo @ ireo mpankafy! na izany aza anefa dia isany tanjona ho tratrarin'ny mpanankato malaza ankehitriny tokoa izany laza tsy lefy ao anatiny folo taona niakarana an-tsehatra izany.

Toy izany koa ny seho nataon'i Tsiliva tao antsahamanitra dia tomefy olona ihany koa tao!

Olona 6 kosa no namoy ny ainy ary am-polony no naratra mafy nanditra ny fety nodiavintsika teo iny! tantely amam-bahona tokoa ny fiainana tsy maintsy misy foana ny loza rehefa fety toy izao. eo ny mety oe tandrevaka eo @ tsirairay kanefa mety ho vokatrin'ny fisotroana diso tafahoatra ihany koa! anatra ho an'ny fety manaraka izany ka mila mailo hatrany satria lahy tokana ny aina.

Jereo koa eto na koa mihomeza kely ato.

Tratry ny Pentekosta

Posted by news2dago on 11 Mey, 2008 13:51

Tsy dia mahazatra antsika ny mifampiarahaba tratry ny andro nilatsahan'ny fanahy masina, kanefa dia andro lehibe tokoa ho an'ny kristianina izy ity! koa dia faly miarahaba antsika indray nahatratra izao andro fandresena izao indray! tena mihazakazaka tokoa ny fotoana! efa hisasaka sahady ny taona 2008. Tena tsy hitahita akory!

Koa  dia mirary soa antsika mpitsidika ny blaogiko! ary mankahery antsika hatrany @ izao fahasahiranana mianjady antsika izao! ny Tompo anie homba antsika hatrany!

jereo koa eto

Tsy mbô za!

Posted by news2dago on 08 Mey, 2008 10:32

Tena misy manam-bitana ny olona sasany eto @ ity tany fandalovana ity. Gaga fotsiny aho raha nahare fa misy mpivady samy parlemantera oe eto madagasikara! samy hahazo 4x4 dia samy hahazo ny tombotsoa tsy hita nonoa. Ingahy rainy oe senatera izany Bezara Manassé zany no anarany ary lany tany @ faritra Antsinana! ny ramatoany kosa dia handimby toerana an'i Botozaza Pierrot izay lasa minisitra ny fitanterana, izany antsoina oe Yvonne Ranorovelo izany no anarany izy kosa dia ho lasa solombavambahoaka ny Toamasina I. Tena izao no tonga @ fitenenana oe ny harena mila vintana.

Lasa lefitry ny filoha ny antenimieran-doholona kosa ingahy Rajemison izany oe nitotongana izany ny toerana nisy azy raha filoha teo aloha dia lasa lefitra ankehitriny @ manaraka izany mety tsy ho hita tabilao intsony.

Avy be tsy nisy hoatr'izany kosa ny orana omaly ary tena nikotrom-baratra vao maraina tokoa satria dia vao maraina @ 10 ora sy sasany dia efa nisy ny orana ary nanariva andro mihitsy ilay izy! samy tsy nanampo na inona na inona moa ny rehetra hany ka dia kotsakotsa daholo izay nivoaka ny trano omaly! mety mbola hanao azy koa io andro io androany satria efa mandongolongo sahady izy ato.

Heritaona sahady kosa ny fandaharana ao @ televiziona malagasy anim'artista izay sehatra iray omena ny mpanakanto sy ny artista! maro ireo artista nandray anjara t@ izao fankalazana izao. samy maniry moa ny rehetra ny mba hivelaran'ny fandaharana bebe kokoa.

Farany dia mahagaga ahy mihitsy ity dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra marain-tsy hariva ity momba ny ampemba na ny sorgho izany! mampanontany tena ahy mihitsy oe ny voly vary ary tsy hita izay hanaovana azy ka dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy ary sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao! ny tantara ihany no hitsara e!!!

Jereo koa eto

«Mialoha   1 2 3 ... 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 ... 29 30 31  Manaraka»

Welcome to Blaogin'i news2dago

news2dago

Nampidirina farany

Tahiry

Fahana RSS