Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Nanorisory ny afomanga!!!
2008/06/27,10:22

Tena diso fanantenana t@ ilay afomanga ny olona teto Iarivo satria dia tena nanorisory ny nijery izany ny alin'ny 25 jiona lasa teo. Afomanga azo isaina @ ratsan-tanana no niakatra teo ary nielanelana efa ho 5minitra vao misy indray! natao fotsiny izay hafeno 30mn ny faharetany fandefasana ny afomanga! Menomenona re izao ny olona amin'io tsy hita isa intsony eny @ iny faritra avo rehetra iny! ary efa nisy niandry toerana h@ 4 ora hariva aza ny sasany!

Menatra angamba ny fitondrana ka nanisy afomanga tampotampoka ny 26 jiona ary tsy tao anaty piraograma mihitsy ilay izy! dia io no mba tena nafinaritra kely no nijery azy na dia somary monotone ihany aza ny endrika asehon'ilay afomanga! teo @ 50mn teo eo ny faharetany. Fa ny tena nahatsikaiky dia ity ny fampitahana nataon'ny olona oe:"hafa ihany ny afomangan'ny ra8 ny an'ny ben'ny tanana mahantra kely" (ny afomnga ny 25 jiona).

Dia nampatsiahy ahy ny taloha tokoa ilay afomanga nalefan'i ra8 fony izy ben'ny tanana tany @ taona 1999 tany ho any, io no afomanga mba naharitra 30mn voalohany teto madagasikara h@ izay nahatsiarovako saina sy mba hitako! dia nifaninana t@ moa i Rossy t@ izany satria i rossy t@ ireny dia mpanolon-tsaina ny deba ka nandefa afomanga tao manjakamiadana loza moa no nintranga t@ izay satria trano 2 no indray may no sady maromaro ireo zaza sy ankizy may ny vanja teny @ iny faritra iny. Fa nahita tsara kosa anefa ny tanana iray manontolo satria tsy misy manakona ny Rova.

Ny vaovao hafa moa dia ny loto ny tanana ao analakely izay saika mitondra takaitra foana rehefa fety tahak'izao, ny olona moa efa iarahana malala fa tsy mba misy mahay manaja ny fahadiovana! ny toaka sy ny labiera moa dia nanasana tongotra mihitsy angamba satria tena hitanao maditidity mihitsy ny arabe manomboka eo @ gara ny soarano ka hatreny @ hotely glacier. 

Ialana tsiny @ ireo izay mila sary aloha fa tsy nitondra fakan-tsary aho rehefa vory vahoaka ohatran'ireny satria dia azo antoka fa ao ry zala lava bras ka aleo mailo ihany. 

Jereo koa eto 

@ 7 ora tsy diso ny afomanga
2008/06/25,09:33

Hisy ihany izany ny afomanga ary etsy anosy toy ny mahazatra ihany no alefa. Redonina kosa aloa ny hiram-pirenena ka rehefa vita ny adininy fahatelo farany vao mandeha ny afomanga ka tombanana any @ 7 ora hariva any! Tsy maintsy ho tomefy olona indray izany eny @ iny faritra iny rahariva. Marihina fa tena fafinaretan'ny ankizy tokoa ny mijery afomanga no sady mitondra arendrina rehefa fetin'ny 26 jiona ohatrizao.

Ho tokanana androany kosa ny tsenabe etsy Ambohimanarina ary ny filoha Ravalomanana no hitokana azy @ izany! izy ity moa dia anisan'ny praograma t@ fampielezan-kevitra fony Rafalimanana nilatsaka ben'ny tanàna. Asa zao ra ho avy ao koa ny boay kely na tsia!!! tapaka moa ny lalàna ety @ faritra ambohimanarina ety ka tsy misy ny fiara afaka mivezivezy ary sahirana ireo mpitatitra sy ny mpandeha betax mifampitady mihitsy @ toerana misy ireo betax ireo. Lasa ety andraharo moa ny fiantsonana vonjimaika izao ety @ galaxy ny marimarina kokoa.

Tonga omaly hariva 24 jiona kosa raha tsy nisy ny sampona ny Rev. RANARIVELO Jaona izay eveka vaovaon'ny anglikanina avy any afrika atsimo moa izy sy ny fianankavina namita ny fianarana phd @ teolojia ary izao voafidy ho evekan'ny diosezin'Antananarivo ary hisolon-tena ny anglikanina ao @ FFKM @ alahady 29 jiona moa izy no handray izany asany vaovao izany ka hisy fitaom-pivavahana lehibe @ io andro io eny @ katedraly Ambohimanaoro.

Dia mirary fety sambatra ho an'ny mpiblaogy rehetra i News2dago! lol

Jereo koa eto

Nakatona ny orinasa Le Quartz
2008/06/24,11:18

Tena Minisitra roa be izao no indray nanazava ny antony nanenjehana ny mpitantana ny orisana iray lehibe mpikirakira sy mpanao fanondranana ity vatosoa ity. Ny minisitrin'ny Angovo sy ny harena an-kibony tany Razaka Elysé sy ny minisitrin'ny fitsarana Bakolalao Ramandraibe no nanome ny fanampim-panazavana ny @ nanamborana ny tompon'ny orinasa Le quartz! Voalaza t@ izany ary fa diso ny momba momba ilay vato nahondrana sy ny tombam-bidiny ka izay no nanejehana azy. "Bloc d'emeraude sur gangue de mica" ilay vato ary mitentina any @ 100.000 € any no tena vidiny, raha "Bloc de beryl sur gangue de biotite et de mica" ary 30.000 € monja no voalazan'ity orinasa quartz ity ho mombamomba io vato io. Mbola tantara mitohy moa izy ity ankehitriny ka andrasa izay ho tohiny. Ilay vato moa dia mbola any @ musée any ivelany any, dia tompony mangataka atiny tokoa ramalagasy.

Mizotra araka ny tokony ho izy kosa ny fanamboarana ny rova ny manjakamiadana ary tombanana ho vita @ faran'ity taona ity ny fanafona azy. Marihina fa natao beton avokoa ny andry lehibe rehetra miazona azy ary avy eo vao fonosina hazo! Hiala maina @ izay izany izay tsy valahara mpandoro azy eo @ manaraka.

Natao "goudron" kosa ny lalana lalovan'ny matso manoloana ny tribune centrale etsy mahamasina! natao moa izao mba tsy hanidinan'ny vovoka any @ ireo vahiny manankaja mipetraka eo @ tribune! tokony mba natao manodidina rehefa hanao ihany! izany oe tokony avy dia natao "piste en tartan" ilay fanaovana hazakazaka.

Any Toamasina kosa zany ny Filoha ra8 no hanao afomanga ny alin'ny 25 jiona ary avy dia hanenjika ny matso eto antananarivo izy ny 26 jiona! sarotra marina izany te ho filohan'ny malagasy rehetra izany @ andro fety toy izao. Tina ho hita daholo ny faritra rehetra tsy ankanavaka. Asa anefa raha efa mba tsapany ny fijalina mahazo ireo malagasy ireo.

JEREO KOA ETO

Arendrina taratasy รด!
2008/06/23,11:55

Dia ny fankalazana ny fety no mampisomebiseby ny olona ankehitriny! maro moa ny zavatra nitranga t@ iny weekend iny teo ny fetin'ny mozika izay nankalazaina ny 21 jiona lasa teo ka carnaval no nankalazana azy teto antananarivo! tsy fahita moa izy ity ka tena nahalina tokoa ny nijery azy! tsy tsaroana intsony ny fitohanan'ny fiara io tontolo ny asabotsy io!

Mbola maro moa ny fety aman-danonana hotanterahana @ izao fetim-pirenena izao! anisan'izany ohatra ny seho sehatra lehibe ataon'ny tarika Iraimbilanja (Raimbla) @ 25 jiona 2008 ao antsahamanitra. Efa ela ny tarika no tsy niaka-tsehatra ka inoana fa ho faly ireo mpankafia azy @ izao fiverenany izao indray.

Feno entana sinoa kosa ny tanana ankehitriny! ary ny tena mampalahelo dia tsy hita firy intsony ny arendrina taratasy izay tsorina fa tian'ny ankizy tokoa fahiny, indrindra ireo zavavy kely ary jiro kapoaka ny fitondranay t@ izany! nifaly ery nifampitaona ny hanao arendrina ny ankizy rehetra tsy anavahana na iza na iza fa na ny ankizy fiadina aza dia mpinamana be @ io andro iray io! ny tsipoapoaka vita @ bougie sy ny vanjan'afokasoka moa dia eny an-tanana ihany!!! Fahiny tokoa izany. Izao mantsy dia itony karazana jiro kely maroloko itony no mameno ny tsena, tsy hita izay endriny fa dia jiro kely mande @ "pile" sisa no ho lalaovina zany @ 25 jiona alina.

Hatramin'izao koa dia mbola tsy hay na hisy ny afomanga na tsia, fa ny hita ao anaty ny fandaharam-potoana aloa dia tsy misy izany afomanga izany! efa tsy hahita matso izany dia mbola tsy ahia afomanga ihany koa, tena maivana tokoa izany fety izany ny vola rahateo tsy misy.

Vaovao farany kosa dia Voantendry ho Minisitrin'ny fanatanjahatena Ingahy Jean louis Robinson ary Paul Richard Ralainirina kosa no Minisitrin'ny Fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakavina.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato 

Manandevo ireo mpampiasa vahiny
2008/06/17,13:52

Hiova endrika kely ny vaovao omeko anareo androany! tranga niseho any @ fiasana samy hafa any no ho tanteriko aminareo satria adidiko izany mampahafantatra ny zava-misy rehetra izay mba fantatra sy heno @ ireo namana sy havana sasany.

Iarahana mahalala moa ankehitriny ny asarotan'ny fitadiavana asa ka dia miafy @ izay hita sy azo aloa ny ankamaron'ny olona sy ny tanora ankehitriny. Orinasa lehibe iray manao itony "agence immobilier" itony no voalohany tanteriko aminareo aloa!orinasa tantanin'ny frantsay moa izy ity ary tena mahazo vola tokoa aty @ tanin'ny tena aty. Tsy mba misy "contrat de travail" izany ao aminy ary avy dia tsorin'ilay vazaha ny resaka oe "recompense" no omena fahafalim-po izany no tambiny omena ireto mpiasa fa tsy mba karama velively! lalina izany.

@ izay ny asa tena asa be mihitsy satria mitady trano amidy erak'antananarivo mandodona isam-baravarana oe sao misy trano ahofa na amidy! isan'andro enao tsy maintsy mahita trano 3 farafahakeliny ho entina any @ ilay agence raha tsy zany tsy mahazo "commission" @ farany volana. Ny latsa sy ny taim-bava manginy fotsiny.

Tsy vitsy ny mijaly @ ireo mpiray tanindrazana kanefa ho aiza moa mamelona vady aman-janaka ny tena tsy maintsy miafy! ny hofatrano ny saram-pianaran'ny ankizy mianatra ny frais ny sakafo sy ny sisa samy mbola hefaina daholo! azo lazaina tena mijaly ny mpivady ka mila heritsaina tsara mihitsy.

Orinasa hafa-kaba iray izay indray eny ambatomaro eny no misy azy! ao indray dia "regime guatanamo" mihitsy tsy mahazo mivoaka any ivelany, ny finday tsy azo alefa, efa misy ostie koa moa ao ka rehefa marary tonga dia makany @ ostie dia miverina miasa indray avy eo na marary inona na inona! satria mahazo vola be ireo mpitsabo rehefa vitsy ny mpiasa maka "congé"! ny ora firavana miovaova isan'andro! indraindray @ 4 hariva indraindray @ 8 alina dia ohatr'izay hatrany hatrany. Mbola vazaha frantsay ihany koa ny tompon'io orinasa io.

Mafy leretsy ny fiainana tena marina moa zany kanefa tsy maintsy mitraka foana! mbola maro ireo fitarainana azoko fa ireo aloa ny santionany fa tohizako ihany @ manaraka. Ny "promotion canapé" sy ny "abus" moa mandeha foana ny vehivavy malagasy koa moa tena efa niova ny toe-tsain'ny sipa sasany ka tena zarany ary.

jereo koa eto

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype