Vehivavy mamoafady oe!
Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.
Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an'izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.
Etsy an-danin'izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony "rencontre" irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!
Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an'izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban'ny vola.
Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan'ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol
Chinatown in Tana
Dia mahita atao mihitsy ity media consulting ity ka, hainy mihitsy ny mitady vola izay no azo ilazana azy, satria dia ho entiny etsy @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena indray izany ny vokatra vita sinoa manomboka ny 24 aprily ka h@ 27 aprily ho avy izao! tsy ho latsan-danja @ io zany fa afotaka ny fihinana lasopy sinoazy sy ny tsatsio kano! manginy fotsiny ny telefonina finday sy ny "menuiserie en aluminium" na ny rafitra vy ranty!!! izay tena kapoakany tokoa, eo koa my moto sy scooter sy ny maro hafa... enga anie ka mba izay tena raitra no omeny ny mpanjifa @ ity indray maka ity fa tsy ilay mora simba mampalaza ny sinoa ihany koa.
Hivoaka ato ato ihany koa ny moov 3G+ tolotra vaovao omeny ny mpamongady aterineto voalohany eto Madagasikara na ny MOOV izany. Afaka mampiasa azy ity avy hatrany moa ianao fa tsy misy ny atontan-taratasy be ilaina akory. Karazana "Clé USB" izy ity ary azo antoka fa misy irony "puce" kely irony atsofoka ao anatiny dia zay! afaka manome "debit" hatrany @ 384Kbps izy ity, raha 256Kbps ny tolotra telma sy ny orange net! mafinaritra fa afaka mifidy izay tiany ny mpanjifa ary tena tokony mba hidina ihany koa ny sandan'ny aterineto!
Hamokatra simenitra ihany koa etsy Ambohimanambola ry zareo sinoa efa mipetraka ao daholo moa ny fitaovana isan-karazany ka tombanana hamokatra simenitra voalohany izy @ volana jiona na jiolay any ho any!
Ino vaovao Tour
Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.
Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?
Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.
Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.
Tanànan'ny Filokana!
Manjaka indray ankehitriny ny fisarihina @ alalan'ny SMS na ny Short Message Service ho an'ireo mpikirakira ny finday eto madagasikara! samy mandrabiraby @ loka marobe daholo moa ireo mpamongady @ serasera an-telefaonina eto madagasikara ity.
Ny celtel no nanao izany voalohany t@ alalan'ny fialan-tsasatra iantohana tanteraka! maro no revo nanao an'io ary narahina mivantana t@ tvm ny fisarihina indrisy fa tsy ho hita ao ny laharan'ny finday-ko satria aho tsy nandray anjara! nefa mba te ho any venise sy parisy ihany ny tena! kanefa tsy mba mahazo mihitsy aho rehefa misy lalao toy itony.
Ny telma indray no nanao ny tolotra avy eo ka avy dia mahazo 1.000.000 Ar isak'herinandro izay tsara vintana! io ilay lalao antsoiny oe "million Naka"! mba nanadrana ihany aho t@ herinandro lasa iny fa tsy tao anaty lisitra indray koa e! dia naleoko tsy nanao intsony aloa!
Fa ny tena fakam-panahy be ho ahy ry zareo dia ity tolotra omen'ny orange ity e!loka voalohany mitsubishi sportero 4x4 ny faharoa suzuki alto ny fahatelo scooter dia mbola misy loka maro be ihany koa! tena mba manofinofy ihany ny tena oe sao mba mety ho poinsa kosa fa aleo manao ihany dia efa nandefa SMS iray aho zao androany aloa! na dia 1.000 Ar be izao ary ny sarany ny SMS iray. Mahay mitady vola ry zalahy e! tena hainy mihitsy ny mambabo anao @ izay kely foana mety ho jerenao oe rendrarendra kanefa dia voasariny ihany enao avy eo! Mahay ry zalahy ao @ marketing ao ary tokony mba hakarina kosa ny karamany rehefa hita fa voaverina ny vola ilaina @ ireo vidin-doka izay mitotaly any @ 300.000.000 Ar any ho any oe! raha ity tolotra orange ity fotsiny io! zany oe SMS 300.000 isa any no ilaina zany dia efa tratra ny "seuil de rentabilité"! dia mba handray anjara ihany aho aloa sao mba ho sendra sendra mahazo ihany kono! lakalaka mantsy ny fiainana hono.
Mirongatra ny sakan-dalàna
Tantely amam-bahona ny fiainana ary semban-drahona indray ny mpanankato satria dia nodimandry omaly i Romule mpikambana ao @ kintana telo. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana izahay mpitoraka blaogy rehetra tsy ankanavaka! mahaiza mionona tompoko!
Vaovao hafa kosa dia mirongatra izay tsy izy ny mpanedaka eny @ lalam-pirenena faha 2 sy ny faha 4 iny eo anelanelan'i brickaville sy moramanga no tena matetika @ RN2 ary etsy Manerinerina Ankazobe kosa ny RN4. Avy dia atsivalan-drizalahy eo @ arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha @ fiara dia avy izy avy any an'ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny @ mpandeha. Miandry izay ho fihetsiky ny mpitondra mikasika an'izao tsy fahadriam-pahalemana izao.
Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana eny Ankatso ary manankan-dàlana ihany koa ireo mpianatra ny tena vontoatiny fitokonana moa dia tsy dia mazava loatra @ mpanaram-baovao! raha izao no mitohy dia tena andro sisa no isaina ho an'ingahy minisitra!!!
Milaza marary mafy eo am-pandriana kosa ingahy Henry lecacheur ka tsy afaka ny hanohy ny firotsahana an-dalambe aloha hatreto! marihana moa fa nisy nitifitra ny fiara noentiny t@ asabotsy lasa teo. Andrasa izay ho tohiny ny tantara!!!
Milaza ny ho avy eto Dago ihany kosa i Rossy satria toa tsy avy @ Filoha akory ny sakana tsy ahafahany manao ny seho kasainy atao fa avy @ Minisitera mpihay angamba! dia tena misangy ratsy koa ny ao Ambohinjatovo ao ka! ny baolina kitra ity tena bory tanteraka ny lohany satria mbola tsy mijoro ihany izay hitantana azy vonjimaika.
Welcome to Blaogin'i news2dago


