Lasa @ izay angamba ny ratsy rehetra
samy mbola mitsakotsako ny voina nahazo ny firenena malagasy ny rehetra ary tena naharary ny firenena mihitsy iny niatra t@ nosy iny satria dia be laotra ny fahavoazana nianjady t@ ireo mpiray tanindrazana!
niazo avy hatrany ny faritra atsinanana moa ny filoham-pirenena nanao fanamiana miaramila!!! omaly niaraka t@ ireo sampana momba ny vonjy taitra! nijery ifotony ny loza sy ny zavatra simba ka heno fa hanome 1 miliara ariary avy hatrany izy hamonjena ny toamasina! ary miampy 100 tapitrisa ariary hanarenana ny lycée rabemanjara! niarahaba ny vaohoakan'i toamasina manonkana moa ny tenany @ fahatsapan-tenan'ny rehetra @ fandraisana andraikitra t@ fanadiovana ny tanàna fa tsy niandry ny avy aty @ fanjakana fotsiny! ny piraiminisitra kosa dia tany @ nosy sainte marie ka nanamarika fa simba ny 95% ny tanàna! namonjy tany ihany koa ny filoha ny antenimiera Jaques sylla raha avy vao tonga teto an-tanindrazana ninjery ireo vahoaka nifidy azy ho solombavam-bahoaka!
etsy andanin'izay dia ny safodrano no atahorana eto an-dranevohitra satria dia efa mivoaka ny loza manambana ny eo an'ivon'ny apipa ny @ ho fahavakisan'ny fefiloha indrindra fa ny aty @ ilan'ny andrefana @ ikopa! ny orana moa dia mbola avy foana hatramin'izao na dia efa lasa aza ilay ts'Ivan!
ny voina tena nampihetsim-po ny olona teto iarivo koa dia ity raim-pianakaviana mba niaro ny fianakavinany ity kanefa dia maty tsy tradrano noho ny akasomparana teo @ fomba fiasa ao @ jirama satria dia navelan'izy ireo nikirazorazo t@ poteau ny fil tapaka efa ho iray volana izay! mba miantso ny tompon'andraikitra ihany izahay kanefa dia tsy nisy niraharaha hoy ny lehibe n'ny fokotany teny Ankazotoho! ka izao no vokany! niakatra tokoa mantsy ny rano teny anosimahavelona ary nisy fil nimboridana nikirazorazo t@ tany ary nilatsaka tao an-tranon'ity niaramboina ity ilay fil ka nahafaty azy izany voalaza moa fa niaro ny zanany no nahatonga azy niroboka tao anaty ny rano misy herin'aratra!
ny fandaniana ny tetim-bola ny kamoinina no nanamarika ny vaovao teto antananarivo omaly satria dia eo @ 26 miliara ariary eo zany no vola ho an'ny CUA @ ity taona 2008 ity! ka miandry izay ho fiatraikan'izany aty @ vahoaka ny rehetra!
ny irariana moa dia ny oe angamba mba ho lasa n'izay ny ratsy rehetra e!
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO na ATSY
Tra-boina @ lafiny rehetra ny malagasy
Indrisy mantsy ry malagasy fa dia tsy sasatry ny miarina tokoa ianao ity! vao tsy ela akory izay no nandravarava ny tany @ faritr'i Besalampy i Fame izay rivodoza namely an'i madagasikara farany dia izao notetezin'Ivan izao indray! tsy tambo isaina ny fahavoazana satria dia 9 no aina nafoy tao sainte marie maty nianjeran'ny trano!
omaly moa teto an-drenivohitra dia tapatapaka be mihitsy ny jiro kanefa vao tsy ela akory izay no notokanana ny efitrano lehibe misy ny milina vaovao mamokatra angovo hatrany @ 40MW any! dia indrisy fa nosoparan'i Ivan indray andekaleka ka simba indray ny turbine ao ka mbola hiaina @ delestage indray izany ny mponina eto an-drenivohitra e!
etsy andanin'izay dia manahy mafy ny fitondrana fa hovaky ny fefiloha eny ambohimanambola ka dia asaina miakatra ety @ faritra avo ny olona mipetraka eny ambany tanàna rehetra eny! ahina tokoa mantsy ny fiakaran'ny rano ka mety ho sarotra ny hamonjy an'ireo tra-boina ka aleo dia misoroka dieny mialoha!
ny faritra rehetra manerana ny nosy dia saika nahitana fahasimbana avokoa! ny sidina an'abakabaka omaly ohatra dia naato avokoa toy izany ihany koa ny fivezivezena makany @ rn2 dia misy fahatapahana ihany koa!
ny trano miajera moa dia manginy fotsiny tena saika isan'andro mihitsy na aiza na aiza dia ahenona foana oe misy tamboho mirodana na trano mianjera ny mampalahelo dia misy foana ny aina nafoy! soa ihany ny teto ambohimanarina fa mba tsy nisy aina nafoy aloha!
tena mafy ny mahazo ny vahoaka malagasy e! ny ahiana indray izao dia ny fandehan'ny fanampiana ho azo avy eo izay marihina fa fanomezana ka tsy averina ka io no mampanahy be oe ho lanin-drizalahy fotsiny izao io fa ny ampahany ihany no hipaka @ vahoaka! ka izay no mahatonga ahy hiteny oe tena tra-boina @ lafiny rehetra ny malagasy!
Zazakely 11 taona saika hiklandy
Tena fetsy ny ankizy e! ary tena nampiesoniny ara-bakiteny ny polisy miaro ny sisintany sy ny seranana t@ alahady lasa teo! ankizy kely vao 11 taona monja no saika hiondrana an-tsokosoko ho any La reunion!
kamboty i Nirina ary mipetraka @ dadatoany ary eny @ manodidina ny Ivato izy no mipetraka! hany mba fialamboliny sy faniriny ny mba hitaingina fiaramanidina! ka dia ao ivato ao @ seranana ao no andaniany ny fotoana rehefa tsy mianatra izy, ka t@ alahady lasa teo dia mody nanontany t@ ilay polisy ny toerana fivoahana na ny "toilettes" izy ka rehefa hitany fa variana nijery sy nanamarina ny pasipaoro n'ilay madama itsy farany dia iny izy no niditra ary tsy nisy nahita intsony raha tsy tany anaty fiaramanidina rehefa misy manontany moa izy dia oe miaraka @ ray aman-dreniny izay efa lasa aloha ary efa any anaty fiaramanidina!
samy manana ny filazany moa ny gazety sy ny vaovao rehetra ao ny milaza fa vao teoivato izy dia efa tsikaritra ao kosa no milaza oe efa tena tonga tany @ nosy la reuinion mihitsy izy vao nisy nahita! tsy dia hidirantsika laliny ny @ iny fa ny tiana tsindrina dia ilay fahasahina tao @ ilay zaza izay tena mampiaky ny rehetra mihitsy oe! ho lasa lavitra itony karazana ankizy itony satria na tsy nanany aza ny vola sy ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny filàna dia mampiasa saina izy!
tsy afaka notanana moa ity zazakely ity fa dia navela nody soamantsara tany an-tranony! ny fanontaniana dia oe mety mbola ho sahy ve izy hamerina sa tsia? ho hita eo ihany ny tohiny
Fety ny mpifankatia hono e!
Dia tafapaka eto amintsika indray izany ity fety ny vahiny anakiray ity e! dia samy manao izay ho afany eo daholo ny mpifankatia na ny lahy na ny vavy! samy mizara izay tsara sy izay hahafaly ny ankilany ary mifandefitra eo daholo! aoka fotsiny e! klin re izao bisou oroka be re izao! mafinaritra e!
Dia miforona daholo ny programa @ 14 febroary e! ao ny andeha ho any @ resto ao ny hifampitaona hijery fampisehoana maro azo isafidianana tokoa izy @ izao fotoana izao azo lazaina oe nandaitra izany ny dokambarotra ho an'ireo mpibizina e!enga anie mba hifankatia foana ny olon-droa mandavan-taona fa tsy @ io 14/02 io ihany!sa tsy izany!
Ny fialamboly koa moa tsy dia misy rahateo eto @ tanàna ka aleo mba hifaly hoy ny fitenenana! na izany na tsy izany anefa dia azo lazaina oe mora rebireben'ny vahiny isika @ resaka kolontsaina e! tsy vao ela akory tokoa izay no nisy nivoy sy nankalaza ny fetin'ny halloween na ny 31 oktobra alina izany dia tadiavin'ny olona ankalazaina eto ihany koa! asa raha anao ahoana ny @ ity taona ity fa ny t@ taon-dasa aloa dia tena nampiorokoditra ny mahita ireto sarotava mampatahotra isakarazany nanaovan'ny olona e! vazaha ny ankamarony an! aleo dia tsorina!
ny mardi gras moa efa vita ary efa nifety t@ io koa ny ankizy ny sampan-kazo sy ny sampandrofia izao no ho avy manaraka eo io moa dia fety ho an'ny kristiana indray fa ny mampiavaka azy @ ity dia ny 16 martsa no daty ankalazana azy @ ity izay fotoana anaovana ny fifidiana izay ho mpanolon-tsaina paritra indray ary inoana fa hihena ny fahavitrihin'ireo mpifidy @ ity fifidianana ity sady tsy dia maha taitra ny olona rahateo izy ity fa an'ireo mpitondra ihany!
dia ho hita eo e! ny azo hamehezana azy fotsiny dia ny oe ny fetin'ny 26 jiona zany no mba hany fety antsika malagasy ka tokony mba atao manetriketrika fa lasa zary ho fahazarana fotsiny manko ny fankalazana azy isan-taona!
Lalao LOVE ao @ TVM
Dia tia maka tahaka tokoa ny malagasy e! tena resaka marina io fa tsy vazivazy intsony oe mpangalatahaka isika! aiza ve re olona koa fetim-bazaha any no alaintsika tahaka sy voizina mafy ho tafapaka aty @ kolontsaina malagasy aty! ny fety ny mpifankatia no tiako asiana teny eto!
Azo lazaina fa vao haingana tokoa ity fety ity vao tena nalaza teto @tsika teto ary tonga dia tsorina oe bizina no tena antony fa tsy dia ilay fifankatiavan'ny olon-droa akory! dia mandeha daholo ny varotra raozy mena sy ny bouquet isan-karazany e! ny peratra sy ny fisakafoanana any @ resto! tsy misy maharatsy an'izany akory raha izay no hampaharitra ny fitiavan'olon-droa!
Hiverenako kely @ izay ary ilay kilalao ao @ TVM izay mahatonga ahy hiteny oe mpangalatahaka isika satria dia ny lalao Les Z amours mihitsy no namboarimboarina e! misy fizarana roa ilay lalao ka ny fizarana voalohany ohatra dia ahitana lehilahy iray sy vehivavy telo tsy mifanatrika izy efatra mianadahy fa misy takona kely manelanelana azy eo! dia eo e! mifampikaoty eo mametraka fanotaniana ilay tovolahy ary mamaly azy eo izy telo mirahavavy ka izay mety mifanojo @ valinteny andrasan-dralehilahy no mety hambambo ny fony! i Dieu Donné sy Johary Ravaonjanahary moa no manentana ny fandaharana! dia toy izay ihany ny fizarana faharoa fa vehivavy indray no mametraka fanontaniana dia lehilahy telo indray no mamaly!
@ farany moa dia milaza izay anaran'ny olona mifanojo @ ilay tiany ny mpametraka fanotaniana dia aseho azy amin'izay ilay nosafidiany ka tsy mahazo manenina raha tahiany ka tsy mety aminy indray io safidiny io avy eo!lalao ihany moa ilay izy ka efa samy mihomana @ izany angamba ny mpandray anjara @ ity lalao ity! mafinaritra rehefa misy ny famokarana fandaharana fa ny indro kely fotsiny dia ny oe aleo tsy maka tahaka ny fandaharana vahiny fa mitrandraka izay tena an'ny tena e! io angamba dia mivantana @ ireo haino aman-jery rehetra io! santionany fotsiny ireto tanisaiko ireto fa mety misy koa tsy voamariko ny an'ny hafa! ohatra: pazzapa rta, tena tia mbs sns...
Welcome to Blaogin'i news2dago

