Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Voasazy Ramalagasy (updated)
2008/06/08,10:58

Nirava ady sahala ny baolina teo @ elefanta sy ny barea 0 no 0! Sokajina ho vokatra tsara hono izao vokatra izao. Mbola ho henjana anefa ny lalao manaraka satria mbola hiatrika an'i mozambika @ 15 jiona.

Ela ny ela hoy aho ka tsy nahita euro ny mpijery baolina kitra! Tsy mahagaga izany satria tsy mahavelona ny baolina e! ny fivorimbe ny afrikanina @ 2009 no maika toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny ivato sy ny any toamasina mba hisehosehona @ ralahy afrikanina oe tsy mahantra ny gasy fa mahavita azy. Indrisy ry gasy kely a! ka nareo anie tsy nifidy Tim ko inona no omena anareo eo. Raha izany koa naninona raha antananarivo irery no sazina fa tsy ny malagasy rehetra.

Raha fetsy zao ny mpanao politika dia managana ecran geant anakiray fotsiny eo @ 13mai de manao kabary kely fotsiny tonga dia poinsa oe mahazo olona! soa ihany fa tsy mpiblaogy ry zalahy ireny ka nahazo an'io sopapako io! angamba dia tsy hisy raharaha ho vanona eto @ 26 jiona fa dia hanjaka ny korotana! soa ihany.

Vaovao hafa kosa dia nikijabe ny orana omaly hariva ary tapatapaka ny jiro! kanefa tena efa ao anatin'ny ririnina tanteraka ny andro izao! mazava ho azy fa mamirifiry tokoa ny hatsiaka! misy azy ireo 15.000 mpiazakazaka sy ny mpijery baolina mahery ny 25.000 eny mahamasina satria tena mila manao mafana tsara raha tsy izany mety hanavy eo.

Jereo koa eto 

Hazakazaka lehibe
2008/06/05,11:07

Ireto indray ary ny vaovao malaza eto dago @ ity faran'ny herinandro ity! himbahana toerana ny fanatanjahatena mazava ho azy! eo ohatra ny Course de solidarité izay atao ny 8 jiona izay misy halaviran-dalana 8 km eo eo mianga eo anosy ary mifarana eny @ Kianjaben'alarobia. Mahatratra any @ 15.000 any ny mpandray anjara ary 200 Ar fotsiny ny sarany dia afaka mandray anjara ny olona iray! mahazo T-shirt Orange moa ny mpandray anjara avy eo. Mila miomana tsara kosa anefa vao tokony anao itony fifaninana itony fa tsy izay te anao rehetra dia manao daholo satria mety ho torana sy safotra eny.

Manaraka izany dia ny lalao ny Barea sy ny Elefanta no malaza ihany koa! 3.000 Ar be izao kosa anefa ny vidim-pidirana! tsy tonga hilalao kosa ilay mpilalao malaza ny chelsea Didier Drogba! hiady ny baolina ka mahereza ry gasy kely lol.

Miandry fatratra ny fanombohan'ny Euro 2008 koa ny malagasy satria dia hafa ihany ny mijery baolina eropeanina! sady mitovy ny hahavo tekinika ny mpifaninana rehetra ka mety hahalina ny hijery azy!

Vaovao hafa kosa dia nanaitra ny masoko ny nijery ny tonelina ambanidia sy ambohidahy nofefena jiafotsy ny adaniny roa ny arabe ao anaty ny tonelina. hay hono asina carreaux ny rindrin'ny tonelina! tsara ny hevitra ary mora diovina izy avy eo.

Jereo koa eto

 

Ratsy toerana ny Barea
2008/06/02,20:19

Mbola mitana ny sain'ny mpanarabaovao sy mpitia baolina kitra ny lalao mandroso natao ny barea tany gaborona. Na dia nisaraka ady sahala aza dia hita ho nanatombo ny nosy rahavavy maorisy satria nahatafiditra baolina izy raha nihaona t@ tanzania na dia nisaraka ady sahala 1 no 1 koa ry zareo.

Tetsy andaniny kosa dia resin'i elefanta t@ isa 1 no 0 i mozambika ireto ekipa roa ireto moa no iray vondrona @ barea ary hita sahady fa mifadanja ny ekipa roa tonta. Sarotra ihany izany ny ady miandry an'i barea satria mila mitazona an'i elefanta ary mila mandavo ny zebra sy ny mozambikanina. 

Marihina mantsy fa mbola tsy nisy nanao can mihitsy na i madagasikara na i maorisy na ny nosy seisela i kaomaoro moa dia tsy kaonty mihitsy. Ka samy mikatsaka mafy ny hisantatra izany ny rehetra. Hita ho mitongilana any @ nosy maorisy ny vintana satria maivana kokoa ny iray vondrona aminy raha oharina @ miaraka barea.

Rahampitso moa no ho tonga eto dago ny barea ary avy dia hikatroka @ elefanta @ alahady. Andrasana indray izay hovokatra eo! Ary miankina betsaka @ io ny ho tohiny tantara.

Vaovao hafa kosa dia lasa any Roma ny filoha ra8 raha vao avy tonga avy any japon ny alahady tena miasa mafy mihitsy rangahy io! ary hinoana mba hahita soa sy vaondalana tsara izy @ ireny fandehanany mivaoka matetika ireny. 

JEREO KOA ETO

Rév RANARIVELO Jaona Samoela
2008/05/31,18:42

Rév Ranarivelo Jaona no lany ho eveka ny diosesin'Antananarivo ho an'ny finoana Anglikana! Izy moa dia manana ny Doctorat en théologie ary tany Afrika Atsimo izy no nahazo io marimpahaizana io! izy izany no hisolo tena ny anglikanina eo anivon'ny FFKM.

Maro moa ny Presibitera nisy nanolotra ho eveka fa iray ihany no ho voahosotra! tsy azo ambara moa oe iza no nifaninana t@ farany. Tanora moa ny akamaron'ireo nirotsaka hofidina ary samy manana ny mahaizy azy avokoa.

Ny antenaina moa dia ny hivoaran'ny finoana anglikanina fa tsy ho faravavy eo anivon'ny FFKM foana! izy izany no hisolontena ny diosesy any @ fivorina any Lambeth Angletera @ volana jona ho avy izao! maro moa ny adidy miandry azy ka maneho firarintsoa ho azy izahay haleo halasana @ adidy miandry azy! mahavità be @ asan'ny Tompo ry Mgr Ranarivelo Jaona Samoela.

Vaovao hafa kosa dia nirava ady sahala 0 sy 0 ny lalao mandroso nataon'ny barea ny Madagasikara sy ny zebra ny Botsoana! nahazo tombony izany isika malagasy! ny fihaonana @ mozambika no lakile ny fiakarana @ dingana manaraka! faly izao ny mpikambana ao @ federasiona fa na dia naato aza ny kitra dia mbola nahazo vokatra ihany! voaporofo ko zany izao fa ilaina i Mamisoa @ fanidina ny trano. 

JEREO KOA ETO

Sarotra ny fiainana
2008/05/28,11:42

Maneran-tany ny fahasahiranana ary hita fa samy sahirana daholo na ny tany mandroso na ny tany mahantra toa ny madagasikara! efa ho 15000 fmg na 3000 ariary mantsy izao ny vidin'ny lasantsy. Mazava ho azy fa hiakatra tsy ho ela ny vidin'ny entana PPN. Any @ 135$ mantsy izao ny baryl any @ tsena iraisam-pirenena any. Mazava ho azy fa manankarena izay tsy izy izany izao ny fianankaviana Bush izay moa no efa notadiaviny hatry ny ela ka azo antoka izany fa hisotro ronono ampilaminana izy sy ny fianakaviny sy ny tarany! hiantoka izay handimby azy eo. 

Tsy latsadanja @ izany koa ny prezida Ravalomanana fa hitombo ihany koa ny harena ho azony satria tsy mitsahatra mitombo ny vondrona tiko @ izao fotoana izao. Maro mantsy ny orinasa nositahan'ny fanjakana efa heno oe lasan'ny tiko indray toy ny Soavonio ohatra. Tsy atao mahagaga moa izany satria kapitalista no manjaka eto madagasikara ka izay manana volabe ampiasaina ihany no manjaka. Any japon izy ankehitriny namonjy ny fivorina iarahan'ny firenena afrikanina sy japon miasa.

Ny maro an'isa kosa dia miantoka mihitsy ankehitriny satria dia mihena ny vola eo ampelatanana ary hita mihitsy oe tsy mahatafita volana ny vola ao antrano ao! mafy e, tsy hita intsony ny handrefesana ny fasahiranana ankehitriny. Azo antoka fa hitombo hatrany ny elanelana hisy eo @ manankarena sy ny mahantra.

Sarotra tokoa ny fiainana ka raha tsy manana finoana sy ny fanantenana dia angamba efa ela no namoifoy! soa ihany fa fohy ny fotoana iainan'ny zanak'olombelona.

JEREO KOA ETO

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype