Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Hofanina eny Iavoloha ny ben'ny tanàna manerana ny nosy ary voalaza fa izay miasa ihany no mahazo fanampiana! Nitafa t@ ben'ny tanàna andry rajoelina moa ny filoha avy eo. Voalaza ny mpandinika moa fa antipédagogique ny fiofanana toy izao noho ny amaron'ny mpiofana satria efa mihoatra ny 1500 any izy ireo! Omena moto iray avy moa izy ireo ho fitaovana hiasany any @ faritra misy azy avy any.
Nanomboka omaly ihany koa ny kongresy nasionaly ny TIM vory lanina ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary voafidy ho filoha nasionaly i yvan randriasandratsiniony ary voamarika fa toa natao ankilabao ingahy rajemison rakotomaharo satria tsy ao anatin'ny birao politika intsony koa ny tenany! kanefa izy no olona naha Tiko an'ny Tiko sy nampiakatra an'i Ra8 t@ toerany ankehitriny. Atahorana haka ny toerany angamba ka avy dia finganina hatraty ampiandohana. Ny mpanaram-baovao anefa mahita fa izy no olona mba tena democrate ao @ antoko TIM ao.
Fa ity no tena zava-doza! mba hisorohona ny fiakaran'ny vidin'ny PPN hono dia omena subvention ny Tiko SA ary ny fanjakana no handoa izay mety ho fiakarany!!! io moa dia notsindrin'i herizo Razafimahaleho oe iza ary no hametra ilay fiakarany! raha tahiny ka 4.000 Ar ohatra ny vidiny menaka eny @ tsena ka mahatsiaro maty antoka ny Tiko dia milaza @ fanjakana izy oe tokony ho 5.000 Ar ny vidiny ary tsy voafetra io tombom-bidy io fa asaina alohan'ny vahoaka @ alalan'ny hetra ihany avy eo! sao mba tena tia tena diso tafahoatra kosa e!
Ajanoko kely indray aloa ny fanomezana vaovao avy aty dago androany fa hitodika kely @ ity lalao famaranana ny ho tompon-daka ny Erôpa ity aho, tsoriko mantsy fa tena lina tanteraka @ izy ity ny malagasy isan-taona. Tsy mahagaga izany satria dia ahitana ireo mpilalao malaza eran-tany milalao moa ity Champion's League ity! ary ity no fifaninana tsy mba ahitana firy klioba anjakan'ny frantsay ka mahafinaritra ny mijery azy.
Raha mbola somebiseby @ fanarenana ny lapan'ny tanàna ny olona dia ny ady baolina kitra goavana hikatrohan'ny Chelsea sy Manchester United no malaza ankehitriny, ary tena hita fa mifadanja tokoa ny herin'ny roa tonta ankehitriny raha ny fitiavan'ny malagasy azy no ambara. Ao ireo tia an'i Ronaldo Christiano tsy vitsy koa anefa no mirevy an'i Didier Drogba!!! ka ho hita eo indray izay hahavoa @ ity indray maka ity.
Ny ahy manokana izao dia mitongilana kely any @ chelsea ny fitiavako ny antony dia tsotra fotsiny tsy mbola nahazo mihitsy izy kanefa dia efa sokajina ho klioba matanjaka any Eropa, sady voan'i manu t@ kely foana izy t@ "premier league"!
Ny fanirina moa dia ny mba hahita ny lalao mivantana h@ farany fa indraindray mantsy manondrana ny Tvm rehefa misy vaovao momba ny hetsika ataon'ny mpitondra izay dia any @15mn any aorina ny fanombohon'ny fotoana vao alefany ny lalao toy ny niseho t@ CAN farany teo.
Ho santatry ny lalao olimpika sy ny euro2008 moa izy ity, ny nofinofy dia ny mba oe rahovina ihany ilay gasy kely vao mba hojerena mivantana @ fahitalavitra ary?
Jereo koa eto na mihomeza kely ato
Malaza indray ankehitriny ny fanarahana tantara mitohy @ fahita lavitra ary saika ny tele rehetra dia samy mandefa tantara mitohy daholo ary samy mahaliana sy mahasarika ny mpianakavy mihitsy ny mijery azy isan-kariva! iny enao reradreraka iny dia lasa voafantsika eo ambodin'ny tele rehefa @ hariva. Indraindray aza moa tena mila tsy hahay andrindra ny programa mihitsy fa mifanitsaka ny ora andehan'ilay telenovela.
ireto ary ny santionany ka iza no mba fijerinao raha eto madagasikara ianao ka tia mijery tantara mitohy ihany koa! ary ho anareo any ivelany mpitsidika ny blaogy kosa dia mampahafanatra anareo fotsiny aho oe ireo indray ny tantara mahavarina an-dramalagasy ankehitriny:
Ao @ Matv no ahitana ny "destins de femmes" za aloa mbola tsy nahita an'io fa lazain'ny olona oe tsara be! azonao jerena @ 7 ora sasany alina
Ao @ Tvm kosa dia izany "Au coeur des passions" izany no ao ary mandeha isan'andro @ 8 ora sasany alina
Ao @ Viva kosa dia izany "Prison break" zany mandeha @sivy sasany alina
Ao @ Mbs kosa dia izany "Les feux de l'amours" izany io kosa dia mandeha @ 7 sy fahefany alina ity dia tantara tsy mety tapitra mihitsy kanefa dia misy mijery foana mahagaga ahy mihitsy.
Farany dia ao @ RTA no ahitana ny "Monica brava" mande @ 7 ora hariva sy izany tantara mitondra ny lohateny oe "luna" izany io kosa dia azonao jerena @ 8 ora alina.
Etsy andanin'izay moa dia fanamarihina fotsiny ny ahy oe somary lava laotra ny dokam-barotra mandeha eny anelanelan'izy ireny matetika ary indraindray aza tena alaim-panahy aho hilaza oe lava noho ny tantara aza izy ireny indraindray!!! eo ihany koa ny lalao sms izay ahazoana loka marobe e! dia samy revo eo daholo ny rehetra mba mitsapatsapa vitana eo ihany koa.
Jereo ko eto na mihomeza kely ato
Nangina ny fankalazana ny 13 mai! Amiko manokana aloa dia tsy dia hitako laotra tokoa ny hankalazana ny 13 mai na dia tena manana ny tantarany tokoa aza io andro io teo @ resaka fanonganana fanjakana satria dia voalaza fa ny amiraly irery no tsy mba nampiasa izany kianja izany raha naka ny fahefana! fa na i zafy na ra8 dia samy may vava teo daholo t@ fotoan'andro! noho ny injay anefa lasa prezida dia samy nandà daholo ny hanaovan'ny mpanohitra fihetsehana teo! mahagaga ihany.
Hiakatra fitsarana androany kosa i pety sy ny Jly fidy. Momba ny nakana ny toby BANI ankeriny moa no hiompanan'ny fitsarana atao androany io; ka andrasana indray izay vokatry ny fitsarana sy izay mety ho sazy ho azon'izy mitsamy ireto.
Ny fiainana moa mande ihany etsy andanin'izay! miverina manadio tsena indray ny mpiasan'ny CUA ka manao fangalampiery @ mpivarotra indray ry zalahy izany izao.Manomboka kosa ny fanamboarana ny kianjan'andohalo ary tena dokam-barotra be mihitsy moa izy ity izay mande @ fahitalavitra matetika.
Lasa 5000 Ar kosa ny litatra ny menaka Tiko! izay marihina fa niakam-bidy foana izy ity tao anatin'ny 6 taona izay, tena mampiteny ny moana mihitsy ny fiakatry ny vidim-piainana!
Farany dia resy teo anivon'ny Chambre administrative ny fanjakana raha nandrava ny federasiona malagasy ny baolina kitra!!! tsy atao mahagaga moa io satria efa nihaona ny mpikambana eo anivon'ny federasiona sy ny filoha ny repoblika tapam-bolana lasa izay ka io angamba no lalana ialana @ fahafaham-baraka noho ny tsy fahaizan'ny minisitera! mahay miala bala foana kosa aloa ra8 eo @ lafiny toy izao e! hainy mihitsy ny mampiasa fahefana.
Nahavory kristianina maro ny "global day of prayer" izay nototosaina tao @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alahady hariva lasa teo! andro natokana hiarahan'ny kristianina tsy hanavahana antokom-pivavahana niaraka nidera an'Andriamanitra moa izy ity! ka vory lanina tao avokoa ny mpino rehetra! ary ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly moa no nikarakara azy ity izay tarihin'ny Pastora Mamy Rakotolehibe.
Etsy andanin'izay kosa dia nipoaka izay no filazan'ny tanora azy ny seho sehatra nataon'i Din Rotaka tao Antsahamanitra ny alahady ihany koa! na izany aza anefa dia tsy nihemotra ny lehilahy fa nototosainy foana ny lanonana.
Nahazo olona kosa anefa i lola ny alatsinainy ary tena mbola ao anatin'ny lazany izany ny lehilahy na dia efa feno 10 taona aza izy izao no nandeha irery! ny indro kely fotsiny dia teo @ herin'aratra izay tapaka lava ka nanimba ny feeling teo @ ireo mpankafy! na izany aza anefa dia isany tanjona ho tratrarin'ny mpanankato malaza ankehitriny tokoa izany laza tsy lefy ao anatiny folo taona niakarana an-tsehatra izany.
Toy izany koa ny seho nataon'i Tsiliva tao antsahamanitra dia tomefy olona ihany koa tao!
Olona 6 kosa no namoy ny ainy ary am-polony no naratra mafy nanditra ny fety nodiavintsika teo iny! tantely amam-bahona tokoa ny fiainana tsy maintsy misy foana ny loza rehefa fety toy izao. eo ny mety oe tandrevaka eo @ tsirairay kanefa mety ho vokatrin'ny fisotroana diso tafahoatra ihany koa! anatra ho an'ny fety manaraka izany ka mila mailo hatrany satria lahy tokana ny aina.
Jereo koa eto na koa mihomeza kely ato.
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||